Ny Baiboly ( Tenin'Andriamanitra ).pdf


Aperçu du fichier PDF ny-baiboly-tenin-andriamanitra.pdf

Page 1231226




Aperçu texte


[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages |
index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]

La Bible

TESTAMENTA TALOHA

Accès direct aux livres de la Parole : AT — Genèse, Exode, Lévitique, Nombres, Deutéronome, Josué, Juges, Ruth, 1 Samuel, 2 Samuel, 1 Rois, 2 Rois,
1 Chroniques, 2 Chroniques, Esdras, Néhémie, Esther, Job, Psaumes, Proverbes, Ecclésiaste, Cantique des Cantiques, Ésaïe, Jérémie, Lamentations de Jérémie,
Ézéchiel, Daniel, Osée, Joël, Amos, Abdias, Jonas, Michée, Nahum, Habakuk, Sophonie, Aggée, Zacharie, Malachie — NT — Matthieu, Marc, Luc, Jean, Actes,
Romains, 1 Corinthiens, 2 Corinthiens, Galates, Éphésiens, Philippiens, Colossiens, 1 Thessaloniciens, 2 Thessaloniciens, 1 Timothée, 2 Timothée, Tite, Philémon,
Hébreux, Jacques, 1 Pierre, 2 Pierre, 1 Jean, 2 Jean, 3 Jean, Jude, Apocalypse

Genesisy
Accès direct aux chapitres de la Genèse : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36,
37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48, 49, 50

Chapitre 1
1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy
ny tany.
2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra
nanomba tambonin'ny rano.
3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy
maraina, andro voalohany izany.
6 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano
amin'ny rano izy.
7 Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano
ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
8 Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa
izany.
9 Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray,
ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
10 Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary
hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
11 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay
mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.