Fanentanana SAN ANTONIO 2015 .pdf


Nom original: Fanentanana SAN ANTONIO-2015.pdf

Ce document au format PDF 1.5 a été généré par Microsoft® Office Word 2007, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 18/10/2013 à 21:47, depuis l'adresse IP 78.240.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 708 fois.
Taille du document: 189 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


HIRA MALAGASY : CONFERENCE GENERALE 2015/ SAN ANTONIO TEXAS
Ry Mpiray fanantenana malala,
Dera anie ho an'Andriamanitra, ary ho amin-tsika ny fahasoavany.
Fantatra ho mahay sy tia mihira isika malagasy. Ho an’Andriamanitra, Tompo, irery anie ny
voninahitra, fa noho izany talenta sy fahasoavana nomeny izany dia manana fikasana isika
hampiara-peo indray any amin’ny "Conférence générale" izay hatao any SAN ANTONIO,
Texas ny 2-11 jolay 2015 : http://2015.gcsession.org/. Ny “conférence générale” moa dia
fotoan-dehibe ihany koa, natao hihaonan’ny Advantista maneran-tany.
Ny tanjona amin'izany dia ny :
1- hanomezana voninahitra sy hiderana an'Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira,
2- hanamafy ny rohim-pihavanan-tsika malagasy advantista maneran-tany,
3- fanatrehan-tsika malagasy izany fotoana izany, ho fanehoana ny kolon-tsaina, ny haitao sns…
Koa asaina ary isika, dieny izao, hitrotro am-bavaka izany volavolan-kira izany, ho vonona
sahady ny handray anjara mavitrika, ary hizara sy hanentana ireo mpiray fanantenana akaiky
antsika.
Omena antsika miandalana araka izay azo atao ny fivoaran’ny dingana fanatanterahana izany
eto amin'ny Rohy AMI3A, Tafasiry MAFA, Facebook, twitter sns...
Manantena ny fahavitrihan-tsika rehetra handray anjara.
Ny vaomiera mpanomana :







Roda TOVOARIMINO, président AMI3A
Rina Doda RAKOTOARISOA, président MAFA
Josoa RAZAKALALAO
Pasitora Daniel RAZAKARIA
Jean ANDRIAMANANAIVO
Rova RAZANAKOLONA, secrétaire MAFA


Aperçu du document Fanentanana  SAN ANTONIO-2015.pdf - page 1/1





Télécharger le fichier (PDF)


Fanentanana SAN ANTONIO-2015.pdf (PDF, 189 Ko)

Télécharger
Formats alternatifs: ZIP



Documents similaires


fanentanana san antonio 2015
final
gazety fevrier 2019
10 andro 2018
akon ny diosezy ambositra pdf
tomefi comm 02 dfb mena mai2015

Sur le même sujet..