LAHARANA 188 .pdf



Nom original: LAHARANA 188.pdfAuteur: Lalaina Fatratra

Ce document au format PDF 1.5 a été généré par Microsoft® Office Word 2007, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 21/02/2014 à 20:51, depuis l'adresse IP 41.204.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 2413 fois.
Taille du document: 4.7 Mo (29 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


TAONA XXVI. LAHARANA. 188
JANOARY – FEBROARY
2014

GAZETY AVOAKAN’NY SAMPANA TANORA KRISTIANA ZANDRINY
ATOLOTRA ANAO ATO
NY HERIN’ NY FITIAVANA:

0

VATSIM – PANAHY

:

5

AIZA HO AIZA NY SEKOLY :

7

HAFATRY NY FILOHA

:

8

PAPA ROA HASANDRATRA :

9

NY FIFADIAN – KANINA

:

10

NY DISPANSERANTSIKA

:

11

FA NY FIHEVITRO TSY … :

12

ANTITRA IZY

:

14

MBOLA MAMY NY MIAINA :

15

LOHARANON’NYTARANAKA: 16
FANANDEVOZANA

:

18

FANTARO NY “KARMA”

:

20

ISIKA SY NY FIAINANA

:

23

ALINA PARIS

-0-

: 24

MATOAN-DAHATSORATRA

Tsotra dia tsotra, kanefa dia nampihetsi-po tokoa ilay
« lanonana » tao am-piangonana iny Alahady harivan’
ny 16 febroary 2014 iny. Azo ambara ho andron’ ny
tadim-pitiavana sy nanaporofoin’ny mpianakavin’ny
finoana indray ilay fiaraha-mientana ahafantarana sy
iavahan’ny Fjkm Soamanandrariny Miaradia koa.
Iray volana sy tapany monja taorian’ny antso manodidina ny ezaka « duplicopieur », milina ilaina hano hizana ny asan’ny gazety, dia io Alahady hariva io no
nanolorana ny « voatsirambin’ny fo », mariky ny
herin’ny fitiavana avy amin’ny mpinon’ ny Fjkm
Soamanandrariny Miaradia. Izany herin’ny fitiavana
izany no maha eo an-tànanao izao laharan’ny gazety
izao. Natolotra tamim-pitiavana ho an’ny Filoha sy
Biraon’ ny Stk Zandriny àry ny vokatry ny fo, ny « ezaka
duplicopieur », avy tamin’ny Fiangonana reniny, avy
tamin’ny mpamaky any am-pitan’ny ranomasina, ny
avy tamin’ny Tokantrano Sakaizan’ ny Stk Zandriny, ny
avy tamin’ny mpianakavy eto an-toerana sy any
amin’ny faritra, ny avy tamin’ny mpikambana ato
amin’ny Stk Zandriny.
Mahery tokoa ny fitiavana, ry havana, fa raha 5,5
tapitrisa ariary (27 millions Fmg) no natao tanjona dia
6,4 tapitrisa ariary (32 millions Fmg) no voavory
hatreto (ny omby indray mandry, hono, tsy indray
mifoha !). Izany no nahazoana ny « duplicopieur »
fanodinana, ny « imprimante » fanaovana ny fonony
ary « onduleur ». Dia marina ary voaporofo ilay fiteny
hoe « Inona no tsy vitan’ny herin’ny fitiavana ».
Misaotra indrindra, ry mpiara-dia havana, Andriamanitry ny Fiadanana sy Ilay Tompon’ny asa rehetra anie
hanonitra ny laninareo. Ny Stk Zandriny sy ny Vaomieran ’ ny Gazety kosa dia hiezaka ho mendrika izany
ka « hamaly fitia » amin’ny famolavolana lahatsoratra
sy famokarana gazetim-piangonana nefa koa manaja
ny tanjon’ ny gazety rehetra, dia ny « mampahafantatra, manabe ary manala voly ». Ary amin’izay rehetra
atao, dia ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Nivo Andriamasinoro, Tonia

-1-

NY HERIN’NY FITIAVANA

Randrianarivorahona Oberthin, mivady, France
Rakotonirina Jocelyn, mivady, France
Andriamasinoro Lalaina Fatratra mivady, Tchad
Rahanetra Anja, mianakavy, Vatomandry
Rakotoarivony Falihery mianakavy Sambava
Ramiadanjatovo Daniel, mivady, Mahajanga
Razafiarisoa Hanitra, Toliara
Andriambolamanana Mparany, miv. Toamasina
Rajaonah Rémi, mivady
Rakotoariniaina Jackson, mivady
Randrianarivelo Tsiry, mivady
Randriamihajarivelo, mivady
Andrianimanana Bruno sy ny zanany
Rahanetra Rija, mivady
Ranaivo Rasata René, mianakavy
Randriamalala Josia, mivady
Rasolofoarimino Fidy sy ny zanany
Randrianasolo Faly, mivady
Razafindralaza Joachim, mivady
Nandrasana Zo Herilala, mivady
Razafindralahatra Mbola, mivady
Raoilison Daniel, mivady
Randrianairahona Michel, mivady
Ranaivomanana Harivola
Rafalimanana Jean-Rolland, mivady
Rakotomanga Njaka, mivady
Andriantsalama Tahiriniaina
Rakotomalala Jean-Charles, mivady
Randriantsalama Solofoniaina, mivady
Raharison Lanto Mahaleotena, mivady
Ralahatrarilako Prosper, mivady
Andriamahenina Andry, mianakavy
Andriamasinoro Manitra, mivady
Razafinandriana Marie-Jeanne
Ravalimanana Ny Fatratra sy ny zanany
Raveloson Patrice, mianakavy
Randriamaromanana Malalatiana
Rakotondratsimba Naivoarivelo
Raharinaivo Vahiny, mivady
Ramanitrarison Stephan, mianakavy
Raoelijao Roland, mivadyRahanetra Martin, mivady

Misy anjely kely folo
eo amin’ny
fiainanay : Ny
voalohany variana
lava manonofy eny
amin’ ny rahona ; ny
faharoa sy fahatelo
varian-dava milalao ;
ny fahefatra
mibanjina anay avy eny
am-paradisa ;ny
efatra manaraka
milalao raosijamba ;
ny fahasivy maka aina
eo ambany hazo. Ary ny
fahafolo, izay tianay
indrindra, dia ilay
mamaky ity gazetinay
ity.

Azo ny “duplicopieur” satria mahery ny fitiavan’ny
Mpinon’ny Fjkm Soamanandrariny Miaradia
Pasteur Rafanonerantsoa Valisoa, mivady
Rakotomamonjy Guillaume,mivady, France
2

Andriamandratoarivelo, mianakavy
Raoeliarisoa Marie-Jeanne
Rakotobe Falisoa, mianakavy
Andrianirina Christian, mianakavy
Razafindrakoto André
Rakotomena, mianakavy
Andria-Ntoanina Mamy, mianakavy
Randrasana Jary, mianakavy
Rambolaharison Faramalala, mianakavy
Ralahatra Jaspierre Herilaza, mianakavy
Velomandimbisoa Michel, mianakavy
Andrianarisata Rado
Sampanasa Fitorina ny Filazantsara
Andrianarisata Michelle
Rakotoarivony Julien
Ramavoson Felix, mianakavy
Andrianindrindralahatra Honoré Jaspierre. mivady
Raharinjakaherintsoa Daniel, mianakavy
Razanajatovo Joelison, mivady
Andrianarivony Hanta
Randrianantoandro Menja, mianakavy
Randretsa Odette
Razafimandimby Tahina
Rahanetra Andry, mianakavy
Andriamasinoro Vahatraina, mianakavy
Ralaiarijaona Aimée, mianakavy
Rasoarilala Dina
Rasoanilana Florence
Andrianantomanantsoa Jean-Christian
Ravaoarinotrona Berthe
Andrianjafy Vola Manantsoa, mivady
Ravelonanaosy Narindra
Ralahatrarivo Harisoa, mianakavy
Randrianasolo Dieudonné, mianakavy
Rakotoarivony Narilalao, mianakavy
Ranaivosoa Nantenaina
Randrianjatovo Miadamanantsoa
Randrianarisoa Ernest, mianakavy
Andriamasinoro Sombinaina Mamy
Ravelonjatovo Andrianaina, mianakavy
Andriamasinoro Sarobidy, mianakavy
Rasolo Lalao Anjaratiana
Raoelijao Tovo Nantenaina, mivady
Razanarimanana Lalao

Razafindramiadana Daniella
Rakotonirina Toky Harivelo
Benjamin Olga Lalasoa, mianakavy
Razanadraisoa
Ravalimanana Arsène, mianakavy
Andria-Ntoanina Heriniaina, mivady
Randrianaivomanana J. Joelison, mivady
Andriamasinoro Tovo Ilo, mianakavy
Andriamandratoarivelo Tovo Aina F.
Andriamahenina Rado Sarobidy
Rakotoarivony Domohina Faniry
Raharinjato Nomena
Rakotondratsimba Franck, mivady
Rakotomamonjy Mika, mianakavy
Nivoaka ity laharana ity satria tao ny fitiavan’i
Rakotomamonjy Guillaume, mivady France
Rhabiller Alain sy Hasina, Foulpointe
Raki-pisaorana
Pasteur Rafanonerantsoa Valisoa, mivady
Raharisoa Jeanine
Rakotobe Falisoa, mianakavy (x2)
Hajanirina Fanamperantsoa
Rahelinirina Sahondra, mianakavy
Rasoazananoro Victorine
Ratsimarofy Marcel, mianakavy
Randrianasolo, mianakavy
Rafidison Harison Lucien, mianakavy
Rakotoarivony Rivo, mivady
Ravalimanana Arsène, mianakavy (x2)
Fianakaviana Rafidiarilala Pascal
Rakotonirina Jacquis Benja, mianakavy
Rasoarimanana Myriame (x2)
Andrianarisata Michelle
Razafinandriana Marie-Jeanne ( x2 )
Razafindrabodo Saholy
Raoeliarison Abel, mivady
Fianakaviana Rakotomalala Jean-Charles
Andrianjafy Vola Manantsoa, mivady
Razafindrantoanina Heriniaina, mianakavy
Randrianarimanana Mamy, minady
Rafenomanana Julien, mianakavy
Ramaromanana Tiana, mianakavy
Ramarolahy Dieudonne, mianakavy
-3-

SOAMANANDRARINY MALALA

Raharijaona Tantelisoa, mianakavy
Sampana Fifohazana
Sampana Dorkasy
Randrianarisoa Théogène, mianakavy
Ravololoniriana Mariette
Vololomanana Sidonie
Rakotonirina Rado
Raharimanana Dina sy Hoby
Rakotoniaina Albert, mivady
Ravelonanosy Narindra
Rakotondramanana Hery, mivady
Razanarimanana Lalao
Randretsa Odette
Razanadraisoa
Rasolofoarison Georges, mianakavy
Randrianaivomanana J. Joelison, mivady
Rakotoarivelo Harimanjato.

MISAOTRA,

RY

Raheliarimanana Marie Henriette
Razanarivelo Raymonde Olga, mianakavy
Past. Rakotondranaivo Edmond, mivady
Raveloson Patrice, mianakavy
Rakotondranaivo Charles, mianakavy
Raharisoa Jeannine
Razafindramanana Nadia, mianakavy
Razafindrakoto Malala
Rasoahaingo Lanto
Andriamandratoarivelo, mianakavy
Raminoharisoa Josephine, mianakavy
Rafalimanana Jean-Rolland, mianakavy
Rakotoariniaina Jackson, mianakavy
Randrianantenaina Patricl, mianakavy
Razafindrakoto Norbert, mivady
Rasoarivelo Marie-Jeanne
Randrianaivoson Justin, mianakavy
Ranaivosoa Nantenaina
Rasoarilala Henriette
Ratovonirina Jean-Marie, mianakavy
Ravelonjatovo Andrianirina, mianakavy
Rivoarison Andry Ny Mamy
Rabetsimarofy Hervé
Rasoaharisoa Voahirana, mianakavy
Fianakaviana Rajaonarivo
Andrianantoanina, mianakavy
Benjamin Olga Lalasoa, mianakavy (x2)
Ralinoro Noeline
Rasamimanana J. Andriantsahala mivady
Raharison Tahina, mianakavy
Raharimalala Francine, mianakavy
Rakotoarisoa Charles, mianakavy
Randrianjafy Ndranto
Randrianjatovo Miadamanantsoa
Razanamamonjy Johary, mianakavy
Ranivoarisoa Adéline
Razaiharisoa Noroharinirina
Rakotondratsimba Franck, mivady
Ralaiarivony Malala
Razafiarison Tsitohaina
Rasoarimalala Berthine
Rasoazananoro Victorine, mianakavy
Ramavoson Félix, mianakavy
Raharinjakaherintsoa Daniel, mianakavy
-4-

ISIKA SAMY ISIKA
Mbola
volan’ny
fiarahabana
sy ny
fifampiarah
abana ny
Janoary sy
ny Febroary teto amintsika, ary samy nanao
izany na ny fiangonana reniny na ny
sampana sy sampanasa. Tao anatin’ny
hafaliana sy fifankatiavana ary fanehoana ny hiroso amin’ny lalina kokoa
no nanatanterahana izany. Miroso
hatrany amin’ny fanavaozana ny saina
rahateo isika tamin’ny alàlan’ ny
fiofanana mikasika ny « fahaizamitarika » (leadership) notanterahina
ny 8 febroary ho an’ireo tompon’
andraikitra isan-tsokajiny. Marihina
manokana ny fanamarihana ny faha 5
taonan’ny dispanserantsika nisehoan
’ny fiaraha mientana naha te-hidera
tamin’ny fanampiana na ara-bola na
ara- pitaovana nataon’ny mpianakavy.
Fa zava-dehibe koa Fifadian-kanina
niampy fampianarana nomanin’ny
Sampanasa Aff tao amin’ny Akany ny
25 janoary ; maro ny mpianakavy no
nanatrika ary naniry ny hitohizan’
izany. Toy ny mahazatra dia tsy
adinontsika ny mitodika amin’ireo
sahiran’ny fiangonana sy an’ny
fokontany, ary mbola fanomezana
vokatry ny fo avy amin’ ny mpianakavy no nahafahana nanatanteraka
izany. Tsy diso anjara isika fa voasolo
tena maro na tamin’ny Fivoriambe
Santatry ny Synodam-paritany 12
teny amin ’ny Fjkm Imerinkasinina ny
18 janoary na teny Antsahamanitra ny
ampitson’ io, 19 janoary, niarahabana
ny Filohan’ ny Fjkm sy nanombohana
ny taom-piasana 2014. Ny Vaomieran’
ny gazety dia eo am-pametrahana ny
fomba fiasa mba hisian’ny vaovaon’ny
Sampana sy Vaovaom-piangonana
bebe kokoa manomboka izao eto
amin’ity gazetintsika ity.

FIJOROANA VAVOLOMBELONA
TETO AMIN’NY FJKM
SOAMANANDRARINY MIARADIA
Fijoroana vavolombelona anankiroa no novakina tao am-piangonana
tamin’ iny Alahady 19 janoary iny. Raim-pianakaviana ny voalohany, izay
teo ampiomanana ho mpiandry, no tràn’ny aretina mafy tsy fanta-piaviana, tsy
sitram-panafody tamin’ny 2005. Tsy nahitàm-piovana na naiditra
hopitaly aza fa taolam-paty sy bibilava hatrany no hita isaky ny
manakimpy maso. « Appendicite » no filazan’ny dokotera ho nanjo azy
ary nalefany ho didiana izay nitaky vola be dia be. Ny vavaka no
napololotrany, ary dia tsy nahatsi-aro tena intsony. « Tsy nodidiana
indray ianao », hoy ny vadiny raha nifoha izy, ary teo no nahatsapany fa
nitsahatra ny fanaintainana. Taorian’ny fiza-hana farany dia
nampodiana izy, fanafody no hohanina mandritra ny enim bolana ary
amin’izay vao ho didiana. Nandalo fitsapana izy mianakavy, ny tenany tsy
mbola afa-niasa ary najanona mihitsy aza. « Izay hanaovanao ahy,
Tompo ô, dia hoekeko fa tsy hihinana ireo fanafodyireo intsony aho ».
Nitohy ny fianarany ho mpiandry izy na dia mbola nandalo fahoriana
mafy aza, ary afaka soa aman-tsara. Na ny akanjo nanokanana azy aza
nomen’ olona noho ny tsy fahafahana mampanao izany. Isaorany ny
Tompo, ary notsiahiviny ny hoe : « Izaho tsy handao anao, na hahafoy
anao » (Hebreo 13 :15). Hatramin’izao dia niverina ny fahasalamany na
natsahany aza ireo fanafody marobe, tsy manahy io aretina io intsony iza
satria « Jesoa no nanao ny ‘nandidy’ azy tamin’iny alina iny ».
Novelomim-pahasoavana izy mianakavy nandritra ny enim-bolana tsy
niasàna : tsy diso anjara tamin’ny zava-drehetra (sakafo, jiro sy rano,
fianaran’ny ankizy ets…) fa nisy olona nirahin’Andriamanitra nanefa
izany ho azy. Nankahery ny olona rehetra ianjadiam-pahoriana sy
sedram-piainana izy hivavaka sy hatoky hatrany ny Tompo ary
hanolo-tena hanompo Azy, fa Izy dia mahalala ny anio sy ny ampitso ary
ny mandrakizain’ny tsirairay.
Ny Alahady 02 febroary indray kosa no nijoro vavolombelona ity
zazavavy 19 taona, vao afaka baccalauréat, izay niasan’ny asan’ny
maizina tamin’ny volana Mey 2013 noho izy nisehoan’ny biby nanaloka
azy nandritra ny andro maro. « 21 mirahavavy izahay, hoy izy, no
voan’izany ary niasana tao amin’ny Fjkm Manakara Fiderana ary maro
ny fitandremana nifarimbona tamin’izany nefa dia tsy dia mbola
nahitàm-bokany loatra ». Manana ny fotoanany tokoa Andriamanitra, fa
raha tonga tany ny mpiandry avy eto amin’.ny Fjkm Soamanandrariny
Miaradia dia sitrana soa aman-tsara daholo izahay. Aoka isika
mpianakavin’ny finoana, hot izy mamarana, tsy hisalasa-la manatona ny
Tompo amin’izay zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika fa tsara Izy.

-5-

MAMIKO NY TENINAO

MANAMBARA NY
FAMONJENA NY
TENIN’
ANDRIAMANITRA
(Matio 8 : 5-13)

N

y resaka nifanaovan’i Jesoa
tamin’ ity Kapiteny miaramila
romana, izay nitady famonjena ho
an’ny ankizilahiny mararin’ ny
paralysisa ity, dia nahatsapan’i
Jesoa fa nanana finoana lehibe Azy
tokoa ity Kapiteny ity . Ary io
finoana nananany io indrindra no
antoka nahazoan’ny ankizilahiny
famonjena na fahasitranana niaraka
tamin’izay, na dia efa narary mafy
teo ambavahoanan’ ny fahafatesana aza izy. Tsy vao teo am-piresahana anefa no nipoiran’izany
finoana nananany izany, fa io
mihitsy aza no nanainga azy niala
avy any an-tranony hanatona ny
Tompo. Azo antoka, araka izany, fa
efa nahalala ny amin’i Jesoa izy,
resy lahatra ny amin’ny teniny sy ny
asany ka dia natoky Azy tanteraka.
Toetra roa lehibe no hita tamin’ity
Kapiteny romana ity, izay mariky
ny fananany finoana marina an’i
Jesoa :

ankizilahiny izay mararin ’ ny
paralysisa mafy . Koa indro izy
nanatona an’i Jesoa hitady vonjy
aminy. Raha ny dikan’ny teny
fototra (teny Grika ) nandikàna ny
hoe « ankizy lahy » eto no omena ,
dia « andevo » no tena heviny. Ny
zavatra hita matetika amin’ ireny
miaramila mpanjanaka ireny, dia
tsy misy miraharaha ny mpanompony izany mihitsy ; indrindra moa
fa tratran’ny aretin-dratsy toy izao,
fa dia ny hamono azy tsy misy
indrafo aza no hataony . Tsy mba
toy izany kosa ity Kapiteny ity fa
rehefa hitany nijaly noho ny aretina
mafy nahazo azy ny andevony, dia
ny tenany mihitsy no nanolo-tena
hisahirana hanatona an’i Jesoa ary
hitady famonjena ho azy. Tena
nandray azy ho tahaka ny zanany
Izy fa tsy nanavakavaka azy na
nanambany azy velively.
havana malala, izany dia
Rymanambara
amintsika fa ny

dia ny hitondra eo amin’i Jesoa
Kristy ireo mpanota very ho sitranina amin’ny aretin-dratsy mety
hahafaty azy mandrakizay ,raha tsy
mandray ny famonjena ao amin’i
Jesoa Kristy Izy. Fitiavana lehibe
nataon’i Jesoa Kristy ho famonjena
izao tontolo izao izany ka filamatra
ho an’izay mino Azy ihany koa. Efa
tena zava-dehibe ny fananana
fitiavana kanefa tsy izany ihany no
hita tamin’ity Kapiteny ity fa tao
aminy ihany koa ity zavatra
faharoa ity :
II . NY FANANANY
FANETREN-TENA LALINA

M

isongadina izany eo amin’ny
andininy faha 8 – 9. Rehefa
nandre ny fitarainan’ity kapiteny ity
i Jesoa dia nanaiky hankany
an-tranony hanasitrana ilay marary .
Nosakana’ilay kapiteny tsy ho any
an-tokantranony anefa Izy ary
izao no nolazainy : « Tompoko,
tsy mendrika hidiranao ao
ambanin’ny tafon- tranoko aho ; fa
mitenena ihany dia ho sitrana ny
ankizilahiko »

olona manam-pinoana marina an’
Andriamanitra dia voaovan’izany
O amin’ny andininy faha 5-6 finoana izany hanam-pitiavana ny
no itarafana izany : Nanamhafa tsy misy an-kanavaka. Ny
pitiavana sy fandavan-tena lehibe olona nandray ny fanambaramtokoa ity kapiteny ity satria tsy
pamonjena ao amin’i Jesoa Kristy
min’ity Kapiteny ity dia tena
nijery ny maha manamboninahitra dia entanin’ny fitiavana hitondra ny
manana ny fahamboniany
ambony sy manana olom-pehezina very hovonjena ao Aminy . Ary
lehibe tokoa i Jesoa no sady koa
maro azy eo amin’ny tafika izy ; fa izany no adidintsika Fiangonana
manana ny fahefana rehetra . Tsy
nanaiky hisahirana hikarakara ny
izay efa nandray ny Filazantsara , sahaza ny fahamboniany ny
-6I . NY FANANANY FITIAVANA

E

A

MAMIKO NY TENINAO
tokantranony, na dia tokantrano
isan’ny mihaja sy voakarakara tsara
indrindra aza amin’ny maha olona
ambony sy manan-kaja ary mpanan- karena azy. Etsy andani- ny
dia tena fanehoana an’i Jesoa ho
Tompo sy Andriamanitra Masina
izany ka « ny lanitra no seza
fiandrianany ary ny tany no
fitoeran-tongony ». Etsy ankilany
kosa dia mitory ny maha olombelona mpanota tsy mendrika sy ny
maha zava-poana azy eo anatrehan’ny voninahitra sy ny fahalehibeazan’ny Tompo izany. Koa tena
fanetren-tena lalina noho ny
finoany an’i Jesoa Kristy Mpanjakan ’ ny mpanjaka izao fihetsika
asehony izao.

miha-rihary eo amin’ny fiainanao
koa ny fitiavana hamonjy ny hafa
tsy misy fanavakavahana, sy ny
fananana fanetren-tena eo
anatrehan’Andriamanitra sy ny
to am-pamaranana dia ambara olona. Henoy sy Raiso ny
fa fototra andraisan-tsika ny
tenin’Andriamanitra fa io no
famonjena sy entintsika
manambara an’i Jesoa Kristy
hitadiavam-pamonjena ho an’ny
Mpamonjy mba hanananao finoana
hafa ao amin’ i Jesoa Kristy ny
Azy ka andraisanao ny famonjena
fananam-pinoana marina tahaka
atolony. Ho an’Andria-manitra
ity kapiteny ity, ka ataovy azo
irery anie ny voninahitra. Amena.
antoka amin’ny fianantsika mihitsy
ny hananana izany . Fa raha
Mamilalaina Lalaoharisoa Rindra
anananao izany dia ho hita
Mpitandrina mpanampy
Fjkm Soamanandrariny Miaradia
mametraka ny maha Tompo sy
Andriamanitra marina Azy ve
isika ? Hatraiza ny fanetrentenantsika kristiana eo anatrehany ?

E

F

anampin’izany, dia ekeny ho
Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra i Jesoa , ka afaka
manasitrana amin’ny alalan’ny hery
sy ny fahefan’ny Teniny, na dia eo
aza ny elanelan-toerana mampisaraka Azy sy ilay marary . Nanampy
azy hahatakatra io finoana lehibe io
ny sehatr’asa nisy azy (miaramila
manam-pahefana hibaiko ny eo
ambany fifehezany). Eken’ity kapiteny ity ny fananan’i Jesoa fahefana
amin’ny zavatra rehetra ka tsy
main-tsy manaiky Azy ireny . Mety
ho efa fantany ny nampi- tsaharan’i
Jesoa ny tafio-drivotra, ny nanasitranany aretina maro , ny nananganany ny maty …
mpamaky malala
Rympiana-kavin’
TADY, ry
mpiara-dia havana : ny tena finoana
manaiky ny maha Andriamanitra
an’i Jesoa tokoa izao finoana
ananan’ity Kapiteny ity izao, ka
izany no nanefy azy hanana
fanetren-tena lalina . Izany dia
mitarika antsika handini-tena ny
amin’ny finoantsika an’i Jesoa :

ITY TAONA 2014, RY HAVANA, DIA HANKALAZANTSIKA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY
TSINGERINTAONAN’NY SAMPANA EFATRA
ETO @ FJKM SOAMANANDRARINY MIARADIA,
ARY HANEHOANTSIKA NY FIRAISAN-KINA SY
FIARAHA-MIENTANA AMIN’ IZY IREO :
- 40 TAONAN’NY SAMPANA TANORA ZOKINY
- 10 TAONAN’NY SAMPANA LEHILAHY
KRISTIANA
- 10 TAONAN’NY SAMPANA FIFOHAZANA
- 10 TAONAN’NY VONDRONA FOTOTRA LAIKA

-6-

ISIKA SAMY ISIKA

NY SEKOLINTSIKA

fiarakely no ekena (voitures légères)
ka manomboka amin’ny 6 hariva
hatramin’ny 6 ora maraina no itobian’
ny fiara eo amin’ny sekoly.
Raha misy mila fanampim-panazavana mikasika ireo rehetra voalaza
ireo, dia azony atao ny manatona ny
Tale.
Misaotra, ry havana

TSY MENA-MITAHA AMIN’NY SEKOLY HAFA NY SEKOLINTSIKA
Efa volana maromaro izao no amperin’asa ny Komitin’ny Sekoly izay
natao hanampy tosika sy hiara-miasa
amin’ny Tale. Nampahafantarina ny
Mpihevi-draharaha nandritra ny
fivoriany ny 15 febroary teo ny
vaovao lehibe mikasika ny sekoly
dia ny fisokafan’ ny kilasyhafa ho
amin’ny taom-pianarana manaraka
2014 – 2015
Araka izany, dia misokatra , ry
havana, ny fisoratana anarana ho
an’ny ankizy hiditra ao amin’ny
Jardin d’Enfants (4 taona), ny CP1
(6 taona) ny CP2 (7 taona), ny CE
(8 taona), ary ny CM1 (9 taona) .
Mitovy ny saram-pianarana ho an’ny
kilasy rehetra, manomboka amin’ny
Jardin d’Enfants hatrany amin’ny
CM1, izay 15.000 Ariary. Eo
amin’ ny saram-pisoratana (droit
d’entrée) no samy hafa satria raha
30.000 ariary ny Jardin d’Enfants sy
ny Maternelle, dia 20.000 ariary kosa
izany ho an’ireo hiditra ao amin’ny
CP1, CP2, CE ary CM1.
Marihina fa efa tsara ofana avokoa
ireo mpampianatra eto amintsika,
amin’ny teny frantsay ny fampianarana, no efa mianatra ny teny anglisy
sahady koa hatrany amin’ny Maternelle. Mazava ho azy fa tsy adino ny
tenin-drazana. Amin’ny teny iray, dia
ilofosan’ny Sekolintsika, eo ambany

fitantanan’ ny Tale, Lova Rabemahery ny hampihatra ny fampianaraana manara-penitra (« enseignement
de qualité »). Koa dia manainga sy
mampiomana ny mpianakavy amin’
ny fampidirana ny menaky ny aintsika manomboka amin’ny taompianarana manaraka.
Fa miresaka sekoly ihany, dia efa
fantatsika fa anisan’ny rafitra iray
natao hampidi- bola ho antsika ko
aizy io. Miroso amin’izany isika izao
satria neken’ny Mpihevidraharaha ny
soso-kevitra manodidina izany. Eo
amin’ny « grande salle » àry, dia efa
ampanofaintsika izy io (nisy Fjkm
iray efa nampiasa azy nandritra ny
Alahady tontolo), ka toy izao ireo
fepetra : 80.000 ariary isan’andro ny
hofany, hatreto dia mbola anjaran’ny
mpindrana no miantoka ny seza sy
latabatra mandra-pahavitantsika ny
ezaka fampitaovana ny efitrano.
Maimaimpoana kosa anefa ny jiro
sy ny rano ary ny fampiasana ny
lakozia. Ny efitrano dia mahazaka
olona 400 raha mipetraka fotsiny, fa
eo anelanelan’ny 200 – 250 raha misy
seza sy latabatra.
Eritreretina fa mampidi-bola koa ny
fanaovana ny tokontanin-tsekoly ho
fametrahana fiarakodia (parking).
Tapaka fa 20.000 ariary isam-bolana
izany manaraka izao fepetra izao :
7

CYBER CAFE ??
Tsy vitsy ny tanora
mpampiasa itony Cyber
Cafe itony no lasa
eritre-ritra amin’io anarana
hoe Cyber Cafe io, toerana
itsidihana ny internet ary
feno azy ny fokontany
ankehitriny. Gaga satria tsy
ahitana café hosotroina na
kely aza. Tsotra ny antony,
ry tanora havana : Ny hoe
CAFE amin’io anarana io
dia dia tsy ilay “cafe”
fisotro”, fa fanafohezana
fotsiny ny hoe “Communication Available For
Everybody”, azontsika
adika hoe Toerana azon’ny
olon-drehetra iseraserana.

VAOVAO FJKM
HAFATRY NY
FILOHA HO AN’
firenena.
NY MPINO FJKM

N
N

y 17 janoary 2014 no nandefasan’ ny Filohan’ny FJKM,
Rev. Lala Rasendrahasina, ny hafatra
norakofany ny teny mafonja hoe
« Ezaho ny fiantsonao fa aza atao
malemy » Isa. 58 :1.

R

ehefa avy niarahaba noho ny
taona vaovao ny Filoha, dia
notsidihiny ny taona 2013, namela
dindo noho ny krizy, nisian’ny
toe-javatra nahaketraka nefa koa
nahafaly sy nahabe fanantenana.
Mbola be, hoy izy, ankehitriny ny
trangan-javatra mampiaina ny mpino
anaty tebiteby amin’ izay hitranga,
kanefa dia isaorana ny Tompo fa tsy
miraviravy tànana ny maro fa
mitolona amim-bavaka ary miandrandra an’Andriamanitra ny amin’
izay hivahan’ny olana. Koa niantso
ny mpino indrindra izy hiorina
amin’izany famonjen’Andriamanitra mahatoky izany, ary nitaona ho
amina hevi-dehibe telo :
-Handala sy hiainana ny fahamarinanahatreny anivon’ny fiarahamonina
fototra, eo anivon’ny ankohonana, eo
amin’ny sehatra fanompoana ny
Tompo, eo anivon’ny fiangonana sy
ny asa aman-draharaha rehetra sahanintsika andavanandro ;
- Handala sy hiaina ny fahamarinana
eo anivon’ny sehatra iombonana
rehetra, manomboka eny amin’ny
fokontany, ny faritra, ny faritany ny
firenena na eo amin’ ny sehatry ny
fiangonana izany na eo amin’ny seha
try ny fitantanam-panjakana ;
-Handala sy hiaina ny fahamarinana
amin’ny fifidianana rehetra atao satria ny fahamarinana manandratra ny

y FJKM, hoy ny Filoha nanohy,
dia mandray anjara mavitrika
amin’ny fampihavanana tarihin’ny
FFKM eto amin’ny firenena ; fampihavanana miorina amin’ny fanafahan’ny Filazantsara, fantatra amin’
ny hoe 4F dia FIBEBAHANA,
FIAIKEN-KELOKA, FAHAMARINANA, FIHAVANANA. Koa nanainga ny mpinon’ny FJKM izy hitondra
amim-bavaka izany asa fampiha
vanana izany, no nanamafy koa ny
iainantsika izany fampihavanana
izany manomboka amin’ny tsirairay ao anatiny ao, eo anivon’ny
ankohonana misy azy, ny fokontany
onenany, mba hiantraikan’izany
amin’ny firenena. Ho firosoana amin
’ ny fiainana nyfahamarinana sy ny
fahamasinana marina ny finiavana
hiaina ieo 4F ireo.

A

ndriamanitry ny famonjena ny
Andriamanitsika, hoy izy mamarana, mamonjy antsika amin’ny
fahotana, manafaka antsika amin’ny
fitiavan – tena, mamonjy antsika
amin’ny fahafatesana ary mamaha
ny mifatotra. Ny Fiangonana no mila
maneho voalohany ny vokatry ny
famonjena rehetra amin’ny fifadiana
ny fanao ratsy rehetra (ITes 5 :22)
mba hahatongan y firenena hiadana
sy handry fahalemana.
ofidin’ny Filoha ny Joda 24 ho
tso- drano ho an’ny mpinon’ny
FJKM, izay manao hoe : « Ho an’
Izay maharo anareo tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy
hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, ho
an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alàlan’i
Josoa Kristy Tompontsika anie ny
Voninahitra sy ny Fahalehibiazana, ny Fanjakana sy ny Fahefana » Amena.

N

-8-

DIARY
Hahafeno ny diarin’ny tantaran’
ny
firenena
dia
apetraka hitoetra an- tsoratra
ireto daty ireto :
17 janoary 2014 : Namoaka ny
didim-pitsarany ny Ces (Cour
Electorale Spéciale) mikasika
ny fifidianana izay ho Filohampirenena natao ny Zoma 20
desambra 2013 : Rajaonarimampianina Hery Martial
53,49 %, ary Robinson JeanLouis kosa 46,51%
06 febroary 2014 : Namoaka
ny didim-pitsarany mikasika
ny fifidianana Solombavambahoaka natao ny Zoma 20
desambra 2013 ny Ces :
Toerana 49 lasan’ny Firehana
Rajoelina (Mapar) ; 44 an’ireo
Tsimiankina ; 20 an’ny firehana Ravalomanana ary 34
an’ireo antoko sy vondrona
samihafa ( Mmm, Mts, Mdm,
Antoko Maitso, Leader-Fanilo,
Fff…)
Nofoanan’ny Ces ny
voka
pifidianana
tamina
distrika 4 dia Ambanja, Ste
Marie, Marovoay, Belo/Tsiribihina Nanomboka teo no
nanomboka ny ady varotra sy
fifanatonana ary fifandresendahatra hitsinjovana izay ho
Lehiben’ny Governemanta
18 febroary 2014 : Fivoriana
tsy ara-potoana voalohan’ireo
Solombavambahoaka. Voafidy
ho Filohan’ity andrim –panjakana ity Razanamahasoa Chri
stine, natolotry ny Mapar. Izy
dia solombavambahoaka voafidy tany Ambatofinandrahana

VAOVAO N’NY FINOANA

OLO-MASINA

Nambaran’i Vatican tamin’ny fomba
ofisialy fa lohan’ny fiangonana
katolika anankiroa, Papa Jean-Paul II
sy Papa Jean XXIII no hasandratry
ny eglizy ho olo-masina amin’ny ity
taona ity, io ilay antsoina hoe
“canonisation” (raha « béatification » no ilazàna ny fanandratana ho
olon-tsamba tra) . Araka ny fanao,
tsy irosoana ny “canonisation” raha
tsy dimy taona nahafa tesana ny
olona voa kasika. Jean Paul II dia
voafidy ny volana Oktobra 1978 ary
nodimandry ny volana Avrily 2005
ka tamin’ny fotoan a niandrasampaty azy ny 08 avrily 2005, dia
nitaky tamin’ny antso mafy ny
vahoaka hoe : “hamasino izao dia
izao izy” « Santo Subito !)
.
Araka ny fanao dia fahagagana roa
no ilaina, alohan’ny idirana amin’ny
“canonisation”. Ny fahagagana
voalohan’i Jean Paul II, dia ny
nahasitrana an’ ilay relijiozy frantsay , Marie Simon -Pierre Normand,
izay voan’itony aretin’ny

fahaverezan’ny tadidy
(maladie de Parkinson)
kanefa sitran’ny vavaka nataon’i Jean Paul
II. Io dia efa ampy
nanandratana azy ho
olon-tsambatra.Nohamarinin’ny fanadihadiana nataon’ny Eglizy
ny maha fahagagana io
fahasitranana io.

Vehivavy avy any Costa
Rica indray kosa, voan’
ny aretina tsy azo ivalo
zana tany amin’ ny
ati-dohany , no faha
gagana faharoa noho ny
fanelane- lanana tamim
-bavaka vavak’i Jean
Paul-II. Raha nivavaka
ho an’ Jean-Paul II
mantsy ny fianakavia
n’ ilay marary ny 1 mey
2011, andro nanandratana an’i Jean-Paul II ho olontsambatra, dia teo tokoa no
nitrangan’ny fahagagana. Tao an’
efitranony i Floribeth (fa izany no
anaran’ilay ramatoa narary) no
naheno feo toa nibitsika taminy hoe :
“Mitsangàna, aza matahotra !”.
“Eny, tompoko” hoy izy, niarina ary
dia nambaran’ny mpitsabo azy, Dr
Alejandro Vargas, fa tsy misy
fanazavana ara-medikaly azo entina
nanoloana iny fahasitranany iny

Naharitra 26 taona sy 5 volana ny
naha-lohan’ny Eglizy katolika azy
(pontificat) izay anisan’ny lava
indrindra aorian’ny an’i Masindahy
Piera sy Pïe IX (31 taona 7 volana
sy 23 andro). Izy ihany koa no Papa
voalohany tsy italiana ary mbola izy
ihany koa no Papa poloné voalohany
teo amin’ny tantaran’ny Eglizy.
Nampiavaka azy ny ezaka nampifanatona ny Eglizy katolika tamin’
ireo fivavahana samy hafa, toy ny
Jiosy, Ortôdôksa, Anglikana,
Miozilimana …. Ary izy no loha
ranon’ilay Fihaonam-be nantsoina
hoe Réunion Internationale Interreligieuse tamin’ny taona 1986 izay
nivorian’ny mpitari-pivavahana
mihoatra ny 194.

Firenena 129 no notsidihany nandritra ny naha-Papa azy ka nahafahan
’ olona miisa 500 tapitrisa nahita
azy. Jean-Paul II ihany koa no nahitana ny antsoina hoe JMJ na ny
Journées Mondiales de la Jeunesse
ahafahan’ny tanora katolika malagasy misolotena ny Ekar . Mpitondra fivavahana katolika 1340 no
nasandrany ho olon-tsam batra
(béati-fication) ary 483 no nasandraRaha roa ny fahagagana vokatry ny
ny ho olo-masina (canonisation), isa
vavaka nataon’i Jean-Paul II, dia iray mihoatra ny natao ho olon-tsambatra
ihany kosa no vitan’ny Papa Jean
sy ho olo-masina nandritra ny 500
XXIII (1958 – 1963) , kanefa dia
nekena ho ampy izany hanandratana taona teo aloha. Ny 28 avril – 01
azy ho olo-masina raha tamin’ny
mey 1989 no teto Madagasikara izy
volana Septambra no nanandratana ary nitsidika an’Antananarivo sy
azy ho olon-tsambatra.. Koa raha
Fianarantsoa. Nakariny ho olonafaka roa volana, ny Alahady 27
avrily, Alahady aorian’ny Paska, no tsambatra Victoire Rasoamanarivo
tamin’izany. Misy làlana mitondra
hatao io fanandratana ny Papa
anankiroa io.
ny anarany eny Analamahitsy.
Zo Rakotonirina

Zo Rakotonirina
-9-

ISIKA SAMY ISIKA ‘

FANTARO NY DISPANSERANTSIKA
Ny 26 janoary 2014 lasa teo no
Alahady natokana ho an‘ny dispanserantsika eto amin‘ny Fjkm Soama
nandrariny Miaradia. Fotoana iray
isan-taona isian‘ny varavarana
misokatra ho an‘ny mpianakavy; tao
ny fandraisana tolo-kevitra na
tsikera izay hanatsarana hatrany ny
asa satria anisan‘ny sampanasa
itoriana ny Filazantsara ny dispansera, eny na ho an‘ny olona marary
na ho an‘ilay mitondra marary; tao
koa ireo izay nanolotrao fanomezana toy ny fitaovana na vola.

ALEO JERE-MASO MIHITSY IZAO
VAVONINAO IZAO KHA !

Enin-taona nisokafana izao ny
dispanserantsika ary miasa tokoa ny
Komitin‘ ny dispansera ,ny sampana
Vondrona Fototra Laika izay
sampana nanorina izany, ao koa ny
sampana Dorkasy izay miaramiasa aminy . Azo ambara, noho
izany, fa nihoarana ireo olana sy
fahasahira-nana izay nosedraina. .
Eo amin’ny fampandehanana ny asa
andavan’ andro dia ahitana

dokotera iray, Rabodoveromalala
Honorine, mpandraharaha iray,
Razakaharimanana Hoby,
Infirmiera iray dia Raheritsimba
Joséa, ary mpanadio iray, Razanadraibe Noeline. Azo lazaina fa
afaka mifaninana amin‘ny dispansera hafa mihitsy ny antsika raha
ireo karazam-pitsaboana izay
atolotra (services) no asian-teny.

Ny hafatra farany dia hoe tsy misy
maniry ny hararian‘ny olona fa raha
sendra marary ianao na tojo amin‘ny
tsy fahasalamana ,dia misokatra ny
varavaran‘ny dispansera fa vonona
ny hanome fahafam-po ho anao.
Antsika io dispansera io ,manana
anjara amin‘ ny hahavelomany
haharitra isika rehetra .Voninahitra
anie ho an‘Andriamanitra.
Tojoniaina Andrianarison.

Ankoatra ny fizahana marary isan‘
andro mantsy, dia atao ao koa ny
fikarakarana ny reny sy ny zaza :
fanabeazana aizana ho an’ny reny,
fanarahamaso ny fahasalaman‘ny
zaza, ny Consultations pré-natales,
ny vaksiny… Mbola atao ao koa ny
fanaovana analizy (ra, pipi, kaka),
ny fanalàna nify isaky ny Zzoma,ny
“TSORY AMIKO NY MARINA,
fanaovana échographie (pelvienne,
DOKOTERA,
FA EFA NIOMANA AHO
abdominal, thyroïdienne, mammaire)
A ! FIRY TAONA SISA HIAINAKO ETO
ny Alakamisy sy ny Zoma,ny
AN-TANY ?
fanao-vana didim-poitra faobe, ny
fanaovana didim-poitra na dia tsy
Na tojo zava-tsoa
amin‘ny andro ririnina aza.Izany
rehetra izany dia amin‘ny vidiny
Na sendra ny mosary
mirary dia mirary avokoa . Noho
Ny mpiray tampo
izany fandrosoana izany dia ny
tsy mba mifanary
fahateren‘ ny toerana no anisan‘ny
olana mipetraka amin‘izao fotoana
izao, raha misy toerana hafa dia
afaka hanitarana ny dispansera izay
atao annexe, indrindra eto amin‘ny
fokontany Soamanandrariny. Eo
ihany ny tokony hametrahana ny
fampahafantarana na ny Plaque
Publicitaire alohan‘ny hidirana eto
amin‘ny dispansera.

Rado

- 10 -

NY FIFADIAN-KANINA

N

ahavory mpianakavy maro ny
fifadian-kanina nomanin’ny Aff
ny 25 janoary teo, koa heverin’ny
TADY fa tsara zaraina amin’ny
mpamaky ny fanarahana azy ity eo
amin’ny fivavahana samihafa. Ny
fifadian-kanina noho ny antony
ara-pahasalamana dia efa nisy
hatramin ’ny fahagolan-tany. Tany
Grèce, fahizay, rehefa tsy sitran’ny
pretra tamin’ny fanafody nentim-paha
razana sy ny vavaka ny marary, dia
alefa mitoka-monina any amina
tendrombohitra hivavaka mandritra
ny 30 andro ary tsy mitondra afa-tsy
rano. Rehefa miverina izy vao
omen-tsakafo
tsikelikely
ary
mi-verina miaraka amin’izany ihany
koa ny fahasalamany. Ny finoana
Silamo
no
nampivelatra
ny
fifadian-kanina tamin’iny Moyen
Orient sy tany Asie, raha ny
Kristianisma kosa no nampiely azy
tany Europe.
ifadiana 7 no hajain’ny fivavahana jiosy (religion juive), 2
ihany anefa no voalaza ao amin’ny
Torah (Baiboly jiosy) fa ny sisa dia
misy ifandraisany amin’ny fisao-nana.
Tena manaraka ny fifadian-kanina
tokoa ny fivavahana katolika sy
ortodoksa ka natao izany hahatsapan’ny tsirairay ny tsi-fahafenoany sy
hanatonany an’Andriamanitra. Fanolorantena hifady hanina no atao ka ny
antoandro ihany no isakafoanana, azo
ampiana sakafo maivana anefa izany
rehefa hariva (mofo, lasopy, rano…).
Mpino katolika sy ortodoksa maniry
haha-zo « kominio » (communion) no
asaina indrindra mba hifady ; io ilay
antsoina hoe « jeûne eucharistique ».
Ny katolika dia antsoina hifady hanina
mandritra ny ora iray fara fahakeliny
mialohan’ny haharaisany ny kominio ; fa takiana kosa izany mandritra
ny Karemy (40 andro mialoha ny
Paska) sy Advento (herinandro 4
mialoha ny Noely ho an’ny Katolika,
raha 40 andro izany ho an’ny Orto-

F

doksa.) Tsy maintsy arahina ihany koa
(obligatoire) ny fifadian-kanina rehefa
Alarobian’ny lavenona (Mercredi des
Cendres) sy Zoma Masina.
o amin’ny Protestanta , miankina
amin’ny tsirairay kokoa ny
fifadian-kanina ary mandritra izany
dia ny fiombonana amin’Andriamanitra no omena lanja, dia Ilay
Andriamanitra Tsitoha, mahalala sy
mahay ny zavatra rehetra ka
hampitsaharana
ny
zava-panao
andavanandro. Tsy voafaritra na ny
faharetany na ny daty ifadiana, fa ny
ny fiangonana evanjelika no mametra
izany ho iray andro manontolo. Isaky
ny Alahady voalohan’ny volana no
mifady ny fiangonana Mormons
(Sabotsy hariva – Alahady hariva) ka
ny vola tokony ho nolaniana tamin’ny
sakafo dia atolotra ho an’ireo olona
sahirana. Amin’ny Moromons, dia
mitondra fahasalamna sy manamafy
finoana ny fifadian-kanina ary atao ho
fanampiana ny tsy manana. Eo
amin’ny fivavahana Silamo kosa dia
mandritra ny volan’ny Ramadana
indrindra no ifadiana hanina hisondrotana ara-panahy ; koa fadiana ny
sakafo rehetra, ny zava-pisotro, ny
firaisana
ara-nofo
hatramin’ny
filentehan’ny masoandro. Ireo tsy
mifady anefa dia tokony hamadika
izany ho fanampiana ho an’ny
sahirana, toy ny Mormons.

E

nisan’ny andrin’ny finoana
bahà’ie koa ny fifadian-kanina

A

- 11 -

sy ny vavaka ; ireo no ilain’ny
fiainam-panahy toy ny ilàn’ny vatana
rano na rivotra. 19 andro isan-taona no
ifadian-drizareo hanina izay mifanojo
amin’ny antsoiny hoe « l’année du
baha’ie » (2 – 20 marsa). Eken’ny
finoana bahà’ie tsy hifady kosa anefa
ny latsaky ny 15 taona sy mihoatra ny
70 taona, ny marary, ny vehivavy
bevohoka na tonga fotoana, na
mampinono, ny mpivahiny, ny voafonja. Manaja ny fifadian-kanina koa
ny fivavahana hindoue (hindouisme).
Fadiana ny sakafo na ventiny na tsy
ventiny
manomboka
amin’ny
filentehan’ny masoandro hatramin’ny
48 minitra aorian’ny fiposahany
indray.

F

a misy koa, ry havana, ny antsoina
hoe « jeûne politique » na
fifadiana noho ny antony ara-politika,
ary antsoina koa hoe « grève de la
faim » . Entina izany hanoherana ny
tsy rariny na ny fampiasan-kery ary
nalaza tamin’izany ilay mpitondra
karana, Mahatma Gandhi. Nahazo
vahana io fomba enti-manohitra io
nanomboka tamin’ny taona 1905.
Nalaza ny nataon’ireo « suffragettes » anglisy izay nogadraina ary
nanao fifadian-kanina hitakiana ny
fahafahan’ny vehivavy mifidy. Ireo
mpialokaloka noho ny antony
ara-politika koa dia mampiasa ity
« grève de la faim » ity, nidongiandrizareo, ohatra, ny Eglise St Jean tao
Paris tamin’ny taona 1991 raha nitaky
fahafahana monina any France rizareo
(permis de séjour). Misy amintsika
koa angamba ny mahatadidy an’ilay
rangahy iray izay, malagasy izy io, ary
mpitondra fivavahana , nanao « jeûne
politi-que » teo amin’io tsnagambaton- dRalaimongo eo amin ’ ny
Avenue io, tamin’ny fotoan’ andro.
Tao ny gaga, ary tao ny nihomehy.
Vita, tompoko !
Holy Narindra Randrianarivelo

Tendrombohitra iray no niteronterona
ireto hazo telo lehibe izay samy nanana
ny nofinofiny. « Faniriako loatra, hoy
ny voalohany, ny hanaovana ahy ho
boatin-drakitra hitahirizana ny zavatsoan’ny tany tahaka ny vola- mena sy
irony vatosoa saro-bidy irony, ary dia
tsy hiafina amin’ ny olona ny
hatsaràko ». « Ny ahy indray, hoy ilay
hazo faharoa, dia nofinofiko izany ho
tonga sambo tsara tefy sy matanjaka ka
hofidin’ny mpan-jaka ambony indrindra hitondra azy hitety ranomasina
hitsidika firenena maro ». Hoy kosa
ilay hazo fahatelo, « Tena mba iriko
fatratra kosa dia ny ho tonga hazo
lehibe sady matanjaka indrindra sy
hiavaka amin’ny hazo rehetra, mora
tazana ery an-tendrom-bohitra ka
hotsarovan’ny olona , haha lasa ny
eritreriny ny haavoko satria akaiky
kokoa ny lanitra sy ny Tompon ’ ny
lanitra aho ». Nandritra ny taona maro
ireto hazo ireto dia tsy nitsahatra
nivavaka mba hahatö ny nofinofiny .

lehibe indrindra eto an-tany, izay tsy
iza fa Zazakely mahafatifaty.
Taona maro taty aoriana indray, dia
nisy andian’olona niondrana
an-dakana, hamakivaky ranomasina,
hody fa sasa-dahasa. Tamin’izany
indrindra dia nifofofofo ny rivotra ary
nisamboaravoara be ny ranomasina ka
raiki-tahotra ireto mpiantsambo. Fa
nisy olona anankiray kosa resin-tory
tao anatin’io lakana io ary nitsangana
rehefa nofohazina ka niteny ny
rivotra sy ny ranomasina tamin’ny feo
mahery hoe : “MITSAHARA !”. Dia
nitsahatra niaraka tamin’izay ny
rivo-mahery. Niverina tao an-tsain’ilay
hazo nanaovana lakana ilay nofinofiny
fahiny , satria indro izy nitondra ny
Mpanjakan’ny mpanjaka
« Tsy sarotiny sy be safidy be loatra
aho, fa mety amiko ity ka hajedako »
Koa raha tonga tany amin’ny mpandrafitra ilay hazo voalohany, dia
nam-boariny sy narafiny ho fihinanam-bilona ary nataony tsara toerana
tao an-tranon’omby. Tsapan’ilay hazo
fa tsy izao velively ilay nofinofiny fony
izy niteronterona teny an-tendrombohitra.. Ilay hazo faharoa izay naniry ny
hitondra mpanjaka hitety ranomasina
indray dia narafitra ho lakana fiondranan’ny mpanarato trondro ka dia foana
teo ihany koa ny nofinofiny. Ilay hazo
fahatelo indray moa dia nokapakapaina ho hazo vaventy ary napetraka
fotsiny tamin’izao. Nandalo ny volana,
nandalo ny taona ary dia adinon’ireto
hazo ireo nofinofiny sy faniriany.

Tamin’ny fotoana tsy nampoizina ary
dia nandalo ny andiana mpikapa hazo
ka raha nahita ilay hazo voalohany dia
tsy nisalasala nikapa ary nanjera azy ;
niaiky izy ireo fa tsara karazana ilay
hazo ary azo varotana tsara amin’ny
mpandrafitra. Faly toy izany koa ilay
hazo satria nanantena fa ho tanteraka
ihany ny faniriany hatry ny ela, dia ny
havadika ho boatin-drakitra. Ny mpikapa hazo hafa indray raha nahita ilay
hazo faharoa dia resy lahatra avy
hatrany fa ho mora ny handafo io hazo
io amin’ny mpanamboatra sambo noho
ny hamafisany. Faly aoka izany ihany
koa ity hazo fa nifanojo tamin’ ny
Fa indray andro, indro nisy lehilahy
nofinofiny izany, dia ny ho sambo
nitondra ny vadiny mitondra vohoka
hitondra mpanjaka hitety tany.
efa ho teraka, nivantana tao an-tranon’
omby nisy ilay hazo narafitra ho
Fa tetsy andanin’izany kosa anefa dia fihinanam-bilona. Akory ny hagagan’
nalahelo ilay hazo fahatelo fa hilofika ito farany fa, raha teraka ilay ramatoa
hatreo ilay nofinofiny ho goavana sy dia nampandry ilay Zanany teo amin’
malaza raha hoy ilay mpikapa azy :
ilay fihinanam-bilona. Nitambolina tao
« Tsy sarotiny sy be safidy be loatra
amin’ilay hazo ilay nofinofiny fahiny
aho, fa mety amiko ity ka hajedako » fa indro izy mitondra ny zava-tsoa

-1-

Fotoana vitsy taorian’izany ihany dia
nalaina ny tapatapak’ilay hazo faha
telo, nentina nitety tanàna, ary ilay
lehilahy nilanja azy tsy vitan’ny hoe
nivoa-dinitry noho ny kapoka fa
nizaka ny eson’ny vahoaka raha
nananika ilay làlana hamonjy
tendrombohitra iray. Ilay hazo
nolanjainy no namantsihana Azy
indray Zoma , ary teo amboniny no
nahatapitra ny ainy. Ary rehefa
Alahady ny andro dia nahatsapa ny
tanjany ilay hazo satria mbola mijoro
ary akaiky an’Andriamanitra kokoa.
Ry mpamaky ny Gazety, tanteraka
avokoa ny fanirian’ireo hazo telo na
dia tsy nitovy tamin’ny eritreritr’izy
ireo aza ny fomba nahatanterahan’
izany. Ho anao koa àry, ry mpiara-dia
havana, samy manana ny zavatra
irintsika avy isika, fa ity tantara ity dia
mampahatsiahy ny tokony hanaovantsika an-tsaina mandrakariva fa ny
planin’Andriamanitra dia tsy mitovy
velively amin’ izay planina eritretintsika, araka ny teniny manao hoe “Fa
ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny
làlanareo kosa tsy mba làlako” (Isaia
55 : 8)..
Narilalao Rakotoarivony

-13 –

Sady mifampiarahaba no nanamarika ny fahadimy taonany ny Dispanserantsika. Nifampiarahaba koa ny Firaisain’ny Loho ..

…lona sy Diakona tao amin’ny Sekoly. Anisan’ny noarahabaina teny Imerinkasinina koa ny Talen’ny sekoly sy ny ekipany

Ny fiaraha-mivavaka nandritra ny fifadian-kanina. Ny mpiofan’ny “leadership” miara-misakafo alohan’ny hanohizana
ASAINA NY MPAMAKY HITSIDIKA NY facebook.com/gazetytady FA AO NY FANAMPIN-TSARY SY VAOVAO HAFA KOA
- 13 -

-2-

LALAM - PIAINANA

ANTITRA
Antitra izy, ary
namana tsy foiny ny
radio , ikarohany
ireo hirany taloha
mamohafoha ny
fahininy tsy mbola
vasoky ny taona.
Saingy mahalana dia
mahalana vao mba
mandeha ny hirany.
Antitra izy, ny
matetika fividiny
dia ireo fanafody
manala ny sorisoriny
sy mampihena ny
fanaintainany, ary hahitàny torimaso.
Kanefa ny fanafody tena andrasany
sy tena mahasitrana azy dia ny mahita
ireo taranany sy ireo namany tonga
mba mitsidika sy mamangy azy.

IZY
sa ho fahoriana no
iarahana amin=ny
taranaka sy ny
fianakaviantsika. ?

Antitra izy,ary ny
antitra toa azy dia
somary bebe resaka
izay, manana ho
tantaraina lava ,fa iza
marina moa anefa no
hihaino azy ?Antitra
izy, ary ny antitra toa
azy dia efa olona
manjoko, zary mijery
ny tongony rehefa mandeha , ary
mametra- panontaniana amin= ny
tenany hoe « Nahoana moa izaho no
tsy eo an-tsasa-dalana intsony ?@ Izy
anefa dia nahavita be, ,nanone
fitiavana ,nanome ny fiainany.....
Antitra izy ,ary ny antitra toa azy dia Antitra izy,ary ny antitra toa azy dia ny
mazàna ahiboky ny mpitondra any
miomana maraina indray mandeha
amin=ny toerana fitaizana zokiolona , isam-bolana handeha hilahatra haka
ahilika satria enta-mavesatra hono ... ny iray hetsy ariariny, ilay anjara
ho an=ny zanany, ho an=ny havany, ho retiretiny. Antitra izy,ary ny antitra toa
an=ny mpiray monina aminy ...
azy,dia sakaizan-dranomaso
Antitra izy,ary ny antitra toa azy dia
manembona ny, telopolo, efapolo,
tena nahavita be tokoa tamin=ny
dimampolo taona naha-tovovavy azy
nampiherika ny tovolahin’Iarivo. Fa ny
fahatanorany ,tsy nikely soroka
fahanterany é , ry havako, ny lamosiny
tamin=ny nanabeazana ny zanany,
nitadiavana ny metimety kokoa hatrany manjoko dia noho ny vesatry ny olana
sy ny alahelo rehetra nivangongo tao
ho an=ny taranany eny na dia ny
sarotra indrindra aza.Kanefa indrisy aminy sy nianjady tamin=ireo
sombinainy, akaiky azy, ny zanany, ny
nahoana, lahy, no isaky ny
taranany...
tonon-taona na asaramanitra vao
mba misy mandondom-baravarana
Antitra izy, ary ny antitra toa azy dia
tonga mamangy, manolotra valopy
fotsy ho solom-bodiakoho satria fomba matetika mitalaho amin’ Andriamanitra mba hitodihany aminy raha mba
fanao sy fahazarana moa.
manana minitra iray na roa hatokana
Rahavako o! mbola ho antitra daholo ho azy Izy. Antitra izy, ary ny antitra
toa azy dia alaim-panahy hiteny
isika , hokikisan’ny fotoana dia
amin’Ilay Nahary hoe : « Nahoana,
hikentron’handrina, ho vontsa
famindra, hihavery tadidy … eny na dia Tompo ô, no mbola tsy akimpinao
tototry ny vola aman-karena aza .Ny foana ny masoko ? »
Elisandy Andriamasinoro
taona no isaina dia ho tojo amin= izany
isika, ho valim-pitia tokoa ve
Antitra izy efa boboka sy konka

- 14 -

Ka koloina toy ny entana efa tonta
Antitra izy, efa an-jorombala irery
Resy ka miverina ho zazakely …
Antitra izy mikentrona sy maina
Lalodalovana toa jako very saina
Antitra izy, ny aina efa marefo
Tsy hay na faly ka misento
Fotsy rora raha miteny, efa ritra
ranomaso, tsisy herin-tsaina intsony
Hoentina hisedrana ankaso
Ny tongotra mamindra
mikisaka manisa Tsisy andrasana eto
an-tany afa-tsy andro vitsy sisa
Antitra izy, Najokoin ny toana maro
Ka mazana ny tadidy mifangaro
Aina moa ka tsy azo ariana, Mirediredy
ka ihomehezana mangina tsy antenaina
hiangotiana
Fihazana indray mitete avily lalana aza
raha vao mikiry hoe handeha
Ifanilihana mazàna izay iraka ilainy
Tsisy fetra ho azy intsony
Iza moa no antenainy ?
Hitako izy toa nitsiky nitomany
Raha nandre fa ilay sakaizany efa ela
Natory tsy nifoha ka nalevina
androany… Saika hanotrona izy
Nefa tsy navela , nipetraka izy
nitanondrika ary koa nanganohano
Aleony maty fa izy
manahirana ato an-trano…
Ny hany redirediny
Dia ny hiondrana ka hody
Hamonjy ireo malalany
Any amin ny vary tsy mifody…
Antitra izy izay lazainy tsisy mino Izay
mba vitany aza moa adino
Antitra izy, tsapany tokoa
Fa ny toa azy izao indrisy :
Tsangan’olona efa kaontin’ny tsy misy
Hiran’i Delacr / Voahangy

TOSIKA

Mbola mamy
ny miaina

Fa mamy ny miaina
raha mbola misy
ihany koa tsiky
azonao omena ary

koa sentona namana
azonao zaraina . Fa
mamy ny miaina,
raha mbola misy
ihany koa mofo
azonao anombinana
ho an’ny hafa ary
koa làlana iray azo
hizorana. Fa mamy
ny miaina raha
mbola misy ihany
koa sakaiza iray
vesaran’entana
kanefa azonao
hamaivanina ary
raha mbola misy
ihany koa
Ankehitriny, rahavana, dia tsy afenina fandrian-jaza azonao handefasana
intsony fa iaraha mahalala ny vesatry “revirevy”
ny fiaianana izay mahaketra-ka sy
mahakivy ary maha tsy te hiaina
Fa mamy ny miaina, rahavako, raha
intsony mihitsy aza. Izany anefa ny mbola misy ihany koa hira azonao
fiainana, rahavako, tsy tokony atao
mahakivy antsika na hahavery toky .
Fa ady ny fiainana, nefa mamy.
Fa mamy ny miaina raha mbola misy
ihany koa voninkazo azonao otazana
ary koa ranomaso azonao fafana. Fa
mamy ny miaina raha mbola misy
ihany koa tara-bao maraina azonao
banjinina ary koa alahelo azonao
ampiononona. Fa mamy ny miaina,
rahavako, raha mbola misy ihany koa
voankazo azo
angonina ary koa alina azo hazavaina. Fa mamy ny miaina raha mbola
misy ihany koa hafaliana azonao
fantarina ary koa feo azonao henoina..
-2-

renesina ary koa ankizy azonao
tantanana. Fa mamy ny miaina raha
mbola misy ihany koa voa hatsatokao
mba hitsiry ary raha mbola misy koa
matroka azo hazavaina amin’ny teny
mamy. Fa mamy ny miaina raha
mbola misy ihany koa vokatra azo atao
an-tsompitra ary koa hiaka iray
hiaraha-manao. Fa mamy ny miaina
raha mbola misy ihany koa fitiavana
azonao omena ary koa andro azo
itiavana. Fa mamy ny miaina raha
mbola misy ihany koa hirifiry azo
halefahina ary koa fahasambarana azo
iainana. Ary moa tsy mamy hatrany
ny miaina raha mbola misy
lahatsoratry TADY azonao vakina ?
Ry mpamaky malala, ry mpiara-dia
havana, tsy resy na kivin’ny fiainana
isika fa mahay mitraka, mino Ilay
Hery mpitondra , Izy izay mpahary tsy
mampitondra zavatra mety tsy
hozakanatsika. Fa na sento, na
alahelo, na fahoriana : nataony izany
hitsapana anatsika. Mahereza,
havako ô ¡
Hasinavalona Andriamiharisoa

-ANGANO

LOHARANON’ NY
TARANAKA
Ny Malagasy dia malaza
manan-karena angano, saingy
indrisy fa
vitsy mpahalala
izy ireny. Amin’ity laharana ity
dia
hizarànay
santionan’
angano avy any
amin’ny
faritra atsimo andrefan’ny
Nosy isika mpamaky, mitantatra ny nipoiran’ny vehivavy
voalohany teto an-tany.
Tamin’ny voalohany, hono,
Andriananahary dia namorona
olombelona telo, ka lehilahy
roa, dia i Imanao sy Imanafy,
ary vehivavy iray antsoina hoe
Imananjary. Izy ireo no nonina
teto ambonin’ny tany, samy
nanana ny toerana nipetrahany
izay mifanalavitra
ihany izy ireo, koa
sady tsy mifankahita no tsy mifankahalala.
Indray
andro
Imanao dia nahita
hevitra,
rehefa
leon’ ny mipetraka irery tsy mba
nanana
namana
hiresahana, ka dia
nanamboatra sary
sikotra vita amin’
ny hazo miendrika
vehivavy.
Nampisehoany ny fahaizany iray
manontolo io sangan’asany io, ary tsy
ela dia
vitany. Nony vita ilay
asan-tanany, dia tsy nitsahatra
nandinika azy Imanao sady faly,
mihatsara hatrany koa ny fahitany azy,
fa izay tiana tokoa mantsy mitombo
tarehy. Niraiki-po tamin’ ilay asan’ny
tanàny Imanao ary tsy nisaraka
taminy. Nanampy azy tamin’ny
fiainany andavanandro ilay sarimbehivavy sady nanala ny fahanginany
rahateo. Tsy foiny intsony ka nentiny

miaraka aminy raha niasa izy ary
napetrany tamin’ny toerana talakimaso mba ho azon’ny hazavàna tsara
ka afaka dinihiny sady nanao ny asa
aman-draharahany Imanao.
Indro maka, raha nandeha naka
rivotra teny ambanivohitra i
Imanafy, dia nahatazana aloka
tovovavy bikaina sady tsara
tarehy saingy nahakivy azy ny
nahita ilay izy nitanjaka sy tsy
niakanjo.
Tapa-kevitra
avy
hatrany ny anao lahy lahy ka
nampisalotra azy akanjo tsara ary
noravahany firavaka volamena
mamiratra.
Fotoana fohy taorian’izay dia
nandalo koa Imananjary, sorena
ny mitoetra irery tao an-tranony,
tsy misy vady tsy misy zanaka, ka
nandeha nitady izay mety
hahasoa azy.
Raha
indro
nitopy tamin’
ilay
sarin’
olona nataon’
Imanao, izay
nitsiky taminy ny masony, dia faly
izy
ary
nisaotra an’
Andriananaha
ry izy noho ny
fahatanteraha
n’ny
nofinofiny. Dia indro izy nandohalika
sady nitomany izy nangataka tamin’
Andriananahary mba hanisy fofon’
aina ilay sarim-behivavy teo anoloany. « Ray Andriananahary ô, hoy ny
talahon’ Imananjary, ho tiaviko sy
hokarakaraiko toy ny zanako io raha
velominao ka homenao fofon’aina »
Mihaino vavaka Andriananahary ka
nomeny valiny ny vavak’ Imananjary,
koa nilazàny àry i Imananjary mba
hiara-hatory amin’ ilay sarimbehivavy vita tanana. Nony alina, dia
nalain’Imananjary ilay sary sikotra.

-1-

nofihininy tamin’ny sandriny toy ny
zazakely ka dia niara-natory taminy.
Tonga ny maraina, gaga sy taitra izy
rehefa nifoha raha nahita ilay sarimbehivavy miaina toy ny olombelona
sady tsara tarehy. Feno hafaliana
Imananjary ka nankalaza an’Andriananahary ; ary raha sendra nandalo i
Imanao sy i Imanafy dia talanjona
raha nahita ilay sary sikotra tonga
olombelona miaina. Koa dia nitaky
tamin’Imananjary ilay sary sikotra
nomen’Andriananahary aina satria,
fananany io, hoy izy roalahy, ary izy
ireo no niara-nanatontosa azy io.
Nandà mafy Imananjary ary niantso
an’Andriananahary indray mba handamina ny raharaha. Teo anatrehan’ny fifandirana, dia nanapa-kevitra
Andriananahary
ka
hoy
Izy:
« Imanao no rain’ity zazavavy ity
satria izy no namolavola sy
nanamboatra azy; Imananjary kosa
no reniny noho izy nanome aina azy
rehefa nofihininy tamin’ny sandriny;
Imanafy izay nampiakanjo sy
nan-dravaka azy kosa no mendrika ho
vadiny. Izay no didiko ! ». Dia
niravona hatreo ny disadisa tamin’izy
telo, ary fanampin’ izay dia naka vady
an’Imananjary i Imanao, na dia tsy
nolazain’ Andriananahary aza izany.
Ary avy tamin’ireo mpivady no
nipoiran’ny olombelona rehetra eto
an-tany.
Nanomboka tamin’izay, noho ny
baikon’Andriananahary,
dia
ny
lehilahy no voalaza fa mamelona ny
vehivavy. Nefa kosa raha tsy maha
tanteraka izany adidy masina izany ny
lehilahy, araka izay efa nandidian’
Andriananahary azy, dia mahazo ny
fahafahany ny vehivavy. Izany, hono,
no mahatonga ny foko Mahafaly sy
Antandroy mitazona ny fomban’ny
razam-beny dia ny fampiasana ny
talentany amin’ny fanaovana sary
sikotra mandrak’ ankehitriny, dia ny
loalo.
Tahiry Rakotomamonjy

OLO - MALAZA

AIZA DAHOLO IZY IRENY IZAO ?

“Eisy e, ry fiainana é, mba misy loatra,
lahy, ny manam-bintana, marina moa
!” hoy ny senton’ ity tovolahy mamaky
an-gazety ny fizotr’ilay fivoriam-be
tamina hotely lehibe iray tany Chicago
izay olona folo dia folo ihany no nahazo nanatrika azy : Ireo olona mpanapitrisa, tena manana ny maha-izy azy
ara-toe-karena . Anisan’izany ny
Filohan’ny Orin’asa lehibe indrindra
mpandrendri-by sy tsy miankina, ny
Filohan’ny Bankim -Pirenena, ny
Filohan’ny Orin’ asa lehibe indrindra
misahana ny fikarakarana ny vahoaka,
ny Filohan’ny Orin’ asa lehibe indrindra
momba ny entona, ny Mitana ny loha
laharana eo amin’ny famokarana sy
famarotana ny varim-bazaha, ny
Filohan’ny tsenam-bola tao New York,
ny mpikambana iray avy ao amin’ny
kabinetran’ny Filoha amerikana, ny
Filohan’ny mpanelanelana ao amin’ny
tsenambolan’i Wall Street, ny Talen’ny
fandrindràna ny varotra iraisam-pirenena, ary ny Filohan’ny Banky iraisampirenena mifehy ny fikorinam-bola.

Ilay Filohan’ny Orinasa lehibe indrindra
mpandrendri-by, Charles Schwab,
nivelona tamin’ny fitrosàna ary
nobokain’izany nandritra ny dimy
taona nialoha ny nahafatesany ; ilay
Filohan’ny Bankim-pirenena, Samuel
Insull, maty tao anatin’ny tsy fisiana
tanteraka rehefa nitsoaka tany ivelany
noho ny tahotry ny fitsaràna ; ny
Filohan’ny Orinasa lehibe indrindra
momba ny entona, Howard Rapson,
dia lasa adala ; ilay mpanapitrisa teo
amin’ny famokarana sy famarotana ny
varim-bazaha, Arthur Cutten, dia
bankiropitra ary nodimandry tany
ivelany ; ny Filohan’ny tsenam-bola
tao New York, F. Fall, noho ny aretiny
dia nomena alàlana hiala tao am-pigadrana mba ho any an-tranony no
hialany aina ; ny Filohan’ny mpanelanelana eo amin’ny tsenam-bola, Jesse
Livermore, dia namono tena… Dia toy
izany hatrany hatrany no nahazo ny
ambiny, sendra ny fitsaram-piainana
noho ny vokatry ny fitiavan-karena
kely teto an-tany.

Hita taratra tamin’izany fivoriana izany
izany fa tena olona mpanao afera
eran-tany ireto tafavory ireto, ary samy
manana ny talentany sy ny tetik’asany
entina hampandroso ny orinasany ary
indrindra olona mahafantatra tsara ary
mitrandraka ny fomba hahazoana sy
hitomboan’ny vola.

Indrisy, mety nahita ny fiainana izy
ireo, fa tsy ny tena fiainana.
Voafe-hiny, nikirizany ny fomba
rehetra hahazoana vola sy
hampitombo ny kitapom-pivelomana,
fa tsy nisy, na iray aza, nianatra niaina.
Tsy mba nisy nahay nisaotra
an’Andriamanitra tamin’ny zava-tsoa
nomeny, tsy mba nahay nionona
tamin’ny nananany fa nitady hevitra
hanatombo ny hareny- hatrany, tsy
mba nahay nizara tamin’ ireo sahirana.

Dia nandalo ny fotoana, nifandimby ny
volana sy ny taona. 25 taona aty
aoriana, aiza ho aiza izy ireny izao ?

- 17 -

“Fa raha izao fiainana eto an-tany izao
ihany mantsy no anantenana Azy dia
mahantra indrindra isika” satria ny
tena fiainana sy ny tena hananana
“finoana sy fanantenana” dia ilay
Fiainana mandrakizay.
25 taona aty aoriana. “Eisy e, ry
fiainana é, mba misy loatra, lahy, ny
Gasy manam-bintana, marina moa !”
hoy ny senton’ ity tovolahy iray,
mamaky ny an-gazety ny fizotr’ilay
fivoriam-be atao ao amin’ity Hotely
lehibe iray eto Antananarivo, ary
anasàna olona voafantina ihany koa.
Vatsy Rafanonerantsoa

ARAHABAINA IANAREO
Dia amim-pifaliana tokoa no
iaraha-bana sy idirana an-tokantranonareo mpianakavy miisa 137
izay voaloha- ny mandray ny gazety.
Raha 493 mantsy ny tokantrano
vangian’ ny gazety isaky ny roa
volana, dia niakatra ho 630 izany
amin’izao fotoana izao. Amin’ireo
tokantrano 137 dia eto Antananarivo
sy ny manodidina ny ankamaroany,
misy koa anefa any Mahajanga,
Toamasina, Moramanga, Tsiroanomandidy Arahabaina jiaby jiaby é !
25 taona izao ity gazetin’ny Fjkm
Soamanandrariny Miaradia ity.
Zaraina mai-maimpoana ny TADY
fa velomin’ ny fitiavan’ny mpamaky
kosa. Narilalao Rakotoarivony

ivonto ny fo mandre sy mihaino
ny fijoroana vavolombelona
nataon’ ireo vehivavy Malagasy
mizaka ny mafy any Liban sy Koweit ;
toy izany koa raha nandre fa vehivavy
Malagasy maro no naondrana any
Chine tamin’ iny Janoary iny,
handeha hivaro-tena. Fanandevotakian’ny fitadiavana. Maro ny lalàna
sy ny fifanarahana eran-tany (conventions) manameloka izany kanefa
dia mitohy hatrany. Ambaran’ny ny
Firenena Mikambana fa, ankehitriny,
dia manodidina ny 200 hatramin’ny
250 tapitrisa eo ho eo ireo olondehibe tena andevozina maneran-tany, ary eo amin’ny 250
hatramin’ny 300 tapitrisa eo kosa ireo
ankizy 7 hatramin’ny 14 taona.

N

y fanandevozana, na « traite »
dia sehatra iray mampiroborobo ny fivarotan-tena eran-tany ary
vinavinaina ho 2 tapitrisa eo ho eo
ireo olona asaina mivaro-tena any
Thaïlande, ohatra, mba hanomezana
fahafaham-po ireo mpizaha tany..
Any Chine sy Vietnam kosa indray dia
andiana vehivavy no hentina any
amin’ ireo nosy Pacifique mba hiasa
amina toeram-piasana tsy ara-dalàna
izay mamokatra ho an’ny Amerikana.. Ny ankizy no tena iharan’ny
fanandezovana moderna toy ny
« trafikan-jaza » hampitony ny filàna
ara-nofo.

E

fa hahatratra eo amin’ny 30 tapitrisa ireo olona
miaina ao
anatin’ny endrika fanandevozana maneran- tany , lohalaharana
amin’ izany i Inde, (izay ahitana olona
14 tapitrisa) arahin’i Chine, Pakistan,
Nigeria, Ethiopie, Russie …Ny fomba
fiaina sy fomba fampiasana ireo
vehivavy Indone ziana miisa 300 000,
izay mpiasa an-trano any Hong
Kong dia nosokajin’ny Amnesty
International ho toy ny fanandevozana moderna. Ireo vehivavy ireo
dia angonin’ny ivon-toerana fandraisana mpiasa « agence de recrutement » sy ny ivon-toerana anaova-

na tolotr’asa na ny
« agence de placement » ary ampanantenain’izy ireo
karama avo dia avo
lafo dia lafo. Ny
roa ampaha- telon’
(2/3) ireo mpiasa
an-trano ireo anefa
dia nizaka herisetra
ara- tsaina sy arabatana
daholo,
ireto misy fijoroana
vavolombelona
vitsivitsy :
« Nanome baiko ireo alikany hanaikitra ahy ilay mpampiasa vavy hoy ity
vehivavy 26 taona avy any Jakarta
ity, voakaikitra teo amin’ny im-polo
teo aho. Nalainy sary tamin’ny
findainy izany ary jereny matetika no
sady mihomehy izy ».
amin’ireo vehivavy iharan’
Maro
ny herisetra ara-batana, aranofo sy ara-tsaina no nijoro vavolombelona fa matin’ny hanoanana,
miasa 17 ora isan’andro. Ny sasany
kosa dia nodorana tamin’ny fera
fipasohana na nokapohina amin’irony
rojona bisikileta irony. Fa i Koweit,
toa an’i Liban, izay ihazakazahan’ny
vehivavy malagasy na an-trano no
tena azo ambara ho mpanandevo.
Zava-misy vitsivitsy : mpivady kowetiana no nively sy nikapoka ity
mpiasa an-tranony avy any Philippine
nandritra ny andro maromaro, ary
rehefa tsy nahatsiaro-tena ity farany
dia nentin’izy ireo tany ankodaoda
tany ka nohosen’ilay mpampiasa
vavy tamin’ny fiara mandrapahatapitry ny ainy, ary rehefa tsy
manan-kavana haka raha maty dia
hatsipy any an-dranomasina. Ampolony koa ny Malagasy nitsoaka avy
any Koweit, tsy nahazaka intsony ny
fanandevozana. Rehefa tonga teny
Ivato i Fatouma ny 8 febroary dia tsy
nikiraro ary tsy mba nanana ankajo
madio intsony, ny volo misaritaka, ny
tarehy feno fivontosana, reraky ny
fidradradradrana.

- 18 -

Tsy amidy aho

M

ZAVA-MISY ERAN-TANY

Ny karama tsy nifanarahana no
omena, miasan andro aman’alina,
zara raha misakafo ; asain’ilay
« patrô » miara-mandry amin’ny
zanany lahy , ka naolany rehefa tsy
nanaiky. Nisy koa ny tsy nahatanty
intsony ka nitsambinkina avy eny
am-baravarankely, fa te hitsoaka. izy
ireo ». Tantara iray ao anatin’ny maro
ihany ny an’i Fatouma eto
Madagasikara , satria fantatra fa 340
ireo miasa ho mpiasa an-trano any
Arabie Saoudite ary efa ho 1700 kosa
ny any Koweït. Mpiasa an-trano
malagasy 86 no nampodiana avy any
Liban, vao tsy el Misy aza ireo mpiasa
vavy malagasy no manao izay
hihazonana azy anya m-pigadrana fa
any mantsy mety ho hitan’irony
fikambanana msahana ny zon’
olombelona irony.

N

Y gazety Le Monde dia nampiseho ny sarin’ireo Malagasy
niaina ny mafy tany Liban / Koweit
tamin’ny taona 2013 : Anisany izany i
Mevatiana izay niharan’ny fanakendana nataon’ny « patrô » vavy ; i Soa
izay naolan’ny mpampiasa ; hafa
indray kosa notapahin’ny « patrô » ny
molony Any Liban dia mpiasa antrano vahiny iray isan-kerinandro no
voalaza fa mamoy ny ainy . Any Sri
Lanka, fatina mpiasa 40 eo no
hampodiana any Moyen-Orient
isam-bolana. Indonésie dia nanagana
lalàna ampiatoana ny fanondranana

ZAVA-MISY ERAN-TANY
ireo mpiasa an-trano any Arabie
Saoudite, mba hiarovana azy ireo
amin’ny fampijaliana sy ny fanapahan-doha. Ny fitondrana any
Népal kosa dia mandrara ireo
vehivavy ao aminy tsy hiasa any
Moyen-Orient mba hiarovana azy
ireo amin’ny fanandevozana. Raha
fehezina dia manodidina eo amin’ny
2 tapitrisa eo ireo mpiasa an-trano
any Arabie Saoudite ary 660 00 kosa
ny any Koweït. Tiany ny mampahafantatra antsika an’izany tranga
isa-karazany izany, izay mihatra
amin’ny Malagasy toy antsika ihany.
Lazaina fa manakarena i Madagasikara, inona kosa ary no mbola
maharisika ireo tovovavy hiasa any
amin’ireny firenena ireny any ?
Fotoana izao hanovana fomba fijery
ary izao ary andraisana andraikitra
Efa 7 volana nahafatesana tany i
Haingotiana vao tafody ny vatamangatsiakany. Manam-bintana kokoa i Olivia saingy … Ireo rehetra
nanatrika ny fotoam- bavaky ny Safif
eto amintsika tamin’ny Alatsinainy 03
febroary dia niara-nanatrika ny asa
fametrahan-tànana natao taminy
(Olivia), vehivavy nody avy any
Koweit ary nanjary demôniaka tanteraka. Nandray anjara tamin’ny
fanasitranana azy ny Fjkm Soamanandrariny Miaradia tamin’ny alàlan’
ny Safif.

Deux graines reposaient l'une à côté
de l'autre dans une terre fertile au
printemps. La première graine dit: "
Je veux grandir " ! Je veux plonger
mes racines profondément dans la
terre et lancer ma tige haut dans les
airs... Je veux voir mes bourgeons
s'ouvrir comme des drapeaux
annonçant l'arrivée du printemps...
Je veux sentir le soleil réchauffer
mon visage et la rosée matinale bénir
mes pétales! » Et elle grandit!
La deuxième graine dit: « J'ai peur .
Si je plonge mes racines dans la
terre, je ne sais pas ce qui m'attend
dans cette obscurité. Ma tige est
fragile, si j'essaie de percer la croûte

de terre pour m'élever dans les airs,
elle risque de se briser. Et si, à peine
entrouverts, un ver venait à manger
mes bourgeons ? Et si je montrais ma
fleur, qui sait ? Un enfant pourrait
m'arracher de la terre. Non, il vaut
beaucoup mieux attendre pour sortir
qu'il n'y ait plus aucun danger »
Et elle attendit!
Un oiseau qui passait par là,
fouillant la terre en quête de
nourriture, trouva la graine qui
attendait et vite la dévora.
Moralité :
Celles et ceux qui ne veulent pas
prendre le risque de grandir se font
avaler par la vie.

Tatamo Rajaonarivo

malgache et
fière de l’être

HAODY, RY MPAMAKY !...
Fantatra fa tsy vitsy amin’ny mpianakavy eto amintsika ny
nahazo fanomezam-pahasoavana avy tamin’Andriamanitra eo
amin’ny fanaovana lahatsoratra, tantara, tononkalo etsetra …
Tena sehatra hizaràna izany ity gazetintsika ity. Ny mandefa
izany no anjaranao ary … anay kosa ny sisa !... Araraotina koa
izao iangaviana ireo mpianakavy izay manana izay sary rehetra
mikasika ny fiangonantsika sy ny mpiangona/sampana, indrindra
ny taona ’90 no mankany. Ny mampindrana fotsiny ny anao, fa
haverinay amin’iny andro iny ihany. Misaotra, ry havana !
19

TSARA HO FANTATRA
eo anivon’ny fiaraha-monina. Lalàna
iray mivoy ny fahamarinana sy ny
fahamendrehana ny lalànan’ny karma
ary maneho fa samy mijinja izay
afafany ny olona tsirairay. Amin’ny
fiainana andavan’ andro indrindra no
tena hamafazantsika voa izay
hotazantsika ihany koa rahatrizay ka
hahitantsika ny karma. Mety tsy
tsaroantsika fa ny fiantrana olona, ny
fanampiana ny hafa, ny fifosàna, ny
fanenjehana, ny fanendrikendrehana
dia voa afafy ary tsy maintsy hojinjaina
any aoriana any.
y mino tanteraka sy manohana
ny karma dia mandroso fotokevitra valo mety, hoy izy ireo,
hampitombo ny karama sy ny
vintan’ny tsirairay ety an-dàlampivelomana. Mety hahasoa ny rehetra
izany, na mino na tsy mino ny karma
izy, ary na inona na inona fivavahana
arahiny. Izao àry ireo hafany :

N
T

sy teny malagasy akory ny karma
fa teny karana nampiasaina eo
amin’ny tontolon’ny fivavahana
hindouisme, boudhisme, shikisme na
jainisme. Raha hazavaina fohy dia
midika hoe lahatra, na tody na valin’ny
natao ny teny hoe karma. Azo lazaina
hoe miankina tanteraka amin’ny
zavatra ataon’ny olona iray izany ny
mety hahatsara na haharatsy ny
karma-ny. Ny karma izany no
mamaritra ny asa vitan’ny olona iray
ka raha zavatra ratsy no mahazo azy
toy ny hoe fahaverezana asa, aretina
na loza dia maneho izany fa nanao ny
tsy mety ilay olona ka izay no sazy
mahazo azy. Tsy voatery ho ratsy
foana koa anefa ny karma fa mety ho
fisehoan-javatra tsara toy ny fahombiazana, ny hafa-liana, na fandresena.
Tiana ihany koa ny mampahafantatra
antsika fa ny teny hoe karma no
nogasian-tsika malagasy ka nanjary
hoe karama izay midika hoe vidinjavatra, na valin-javatra na valin’ny
natao.

1.Tolory tsikitsiky ny mpiarabelona
aminao fa mety hanova zavatra izany ,
na hampahery azy raha tojo fahoriana
izy
;

M

itoetra hatrany ny hevitra
raketin’ny ohabolana hoe : ny
tody tsy misy fa ny atao no
miverina. Araka izany, dia napetraka
ho lalàna ny karma mba hahafahan’ny
olona mandinika ny tokony ho ataony

-2-

2.Ampiasao amin’ny zavatra heverinao
ho mahasoa anao na mahasoa ny vola
natokana ho sakafonao
3.Mahaiza manampy ny hafa araka
izay azonao atao, omeo ny tsy manana
ireo fitaovana tsy ampiasainao
intsony;
4.Mahaiza mankasitraka sy mijery ny
lafin-javatra tsara eny amin’ny hafa;
5.Manaova fanampiana miafina ho
an’ny olona iray izay fantatrao fa
manana olana,
6.Omeo sakafo ireo olona fantatrao fa
tsy mahavita mikarakara izany toy ny
antitra;
7.Anombino ho an’ny hafa ny volanao
rehefa avy miantsena ianao;
8.Raha miditra amin’ireny magazay
lehibe ireny ianao dia mba omeo
lalana ny olona eo alohanao raha
fantatrao fa mbola ho ela ianao.
Nantenaina Ranaivosoa

TSY ARITRA

-« Ranona kristiana mafana fo ,
dia inoan-dranona ve izany Jona
nitoetra naharitra tany an-kibon’ny
trondro be izany ? »
-« Inoako ranona satria nyBaiboly no
milaza azy, ary mbola inoako foana
aza raha milaza ny baiboly fa…
izany trondro be izany no nitoetra
naharitra tao an-kibon’i Jona !
***********
Mpitolona be, hono, ity mpampianatra
sekoly Alahady iray, ary matetika dia
tsy mitovy fomba fijery izy sy
Ingahipasy.
-« Ela ny ela, Pasitera, ka nirodana
ihany ny rindrin’i Jerikô, ka aiza
ianao amin’izany ? »
-« Tsy olana izany, Ramily à,
harosoko ho dinihin’ny Diakona
amin’ ny Sabotsy, izay fandraisana
anjara azon’ny Fiangonantsika
hatao »
************
-« Fa nahoana, ho’aho, ianareo
mivady no mifanenjika isaky ny hody,
miady angaha ianareo ? »
-« Tsy miady mihitsy izahay khà ; fa
ifaninananay mivady kosa isan-kariva
ny hoe : izay tonga farany manasa
vilia ! »

RAHA MBA MISY FAHAFAHAM-PONAO
AMIN’NY GAZETY TADY, DIA MBA PASOPASOHY EO IZY REHEFA ALAHADY
VOALOHA NY SY FAHATELO. RAHA
SANATRIA MISY TSY MAHAFA-PO ANAO,
DIA ILAZAO IZAHAY ! !

- 21 -

PSYCHOLOGIE

E

ty an-dalam-pivahinianana dia
hita taratra fa miavaka
amin’ny zava-boahary rehetra izay
noforonin’Andriamanitra isika
zanak’ olombelona amin ’ ny
alalan’ny saina izay entina
mandinika ary indrindra
indrindra ny fanahy izay
maneho ny toe-pon’ny tsirairay
izay mampiavaka antsika
amin’ny biby. Manoloana
izany dia tsapa fa mora kivy
sy matahotra eo anoloan’ny
zava-tsarotra izay miseho eo
amin’ny fiainana
andavanandro isika noho ny tsy
fahaizana mankasitraka sy ny ahiahy
diso tafahoatra.Toy ny olona mototra
mijery fitaratra ny fahitana antsika ety
ivelany manoloana ny zava-misy, ka
ny sarintsika ihany no haveriny
amintsika.

F

a etsy an-kilany, tsy ilaozampanan tenana koa isika ny amin’
izay ho valin-kasasarana ho toazana
noho ny zava-tsoa natao nandritra ny
androm- pivelomana. Miova tsy toy
ny olona mitsiky sy mihirahira raha
mijery fitaratra ny fahitana ny olona
iray velom-panantenana izay mahatsa-pa fahasambarana sy fahasoavana
be hatrany izay mirotsaka eo amin’ny
fiainany ? Sary mirana no havalin’ny
fiainana ny olona toy izany. Zaraina
aminao, ho ohatra, ny amin’ireto
kambana sy ny fihetsiny miatrika ny
fiainana.

K

ambana tsy misy isamihafàna
izy roalahy,kanefa mifanipaka
tanteraka ny toetran’izy ireo.Ny
anankiray dia mahita ny fiainana eo
amin’ny lafi-tsarany hatrany,toa
mizotra tsara ny fiainany miatrika ny
zava-misy izay tsy maintsy sedraina
ary miramiran-dava ny endriny.Ilay

manjombon-dava izy mivady, dia
henony fa, raha
nanokatra ny anjara
fanomezana ho azy izy,
dia feo feno fitarainana

Isika sy ny Fiainana

rahalahiny kambana aminy indray dia
tsy mahita afa-tsy ny lafi-matroky ny
fiainana ; manjombon-dava ny
endriny izay tsy mahita masoandro
mihiratra mihitsy ary alahelo lava no
mameno ny fony hany ka tsy hita
taratra ao aminy mihitsy izany hoe
fanantenana.
oho ny fitaintainan’ireo ray
aman-dreniny ny amin’ireto
sombinainy dia nanapa-kevitra izy
ireo ny hanatona irony mpandinika ny
ara-tsaina irony (psychologue) .
Nazava ny toro-marika nomen’ity
mpitsabo : « Amin’ ny andro
itsingerenan’ny taona naha terahan’
izy roalahy, hoy izy, dia ento amin’ny
toerana samy hafa izy ireo rehefa
hotoloranareo ny fanomezany avy.
Misafidiàna izay kilalao tsara
indrindra ho an’ilay matro-dava, ary
boaty iray tsara fono, misy zezika ao
anatiny, ho an’ilay miran-dava. » Dia
narahin’ireo ray aman-dreny
an—tsakany sy an-davany ny toro
hevitra izay nomen’ilay
« psychologue » ary nodinihin’izy
ireo miandalana izay ho vokany.

N

R

aha nanatona ilay efitrano izay
nisy an’ilay kambana

- 23 -

sy fimenomenomana
no henony : « Tsy
tiako ny lokon’ity
ôrdinatera ity ! Efa
ilaozan’nytoetr’andr
o ity ! Tsy misy
« jeux » ity ! etsetra
Ary dia nitsaitsaika
indray ireo ray amandreny nihaino izay ho
fihetseham-pon’ilay
zanany izay
miran-dava tao amin’ny efitra hafa.
Injao ilay izy, falifaly sy
nientanentana nanokatra izato
fanomezany no sady niteny
hoe : « Mahay mifidy raha Idada sy
Ineny kha !,fantany fa raha vao
haeliko eo an-jaridaina ireto zezika
ireto, dia hirobona tsy ho ela ny
voninkazo rehetra, ary ho gaga
fotsiny ny mpandalo sy ny
manodidina ».

R

y mpamaky hajaina,,mandalo
ihany ity fiainana ity ary mpivahiny avokoa isika ; kodiaran-tsarety
ko aizy, araka ny fiteny, isedrantsika
ny mafyy sy mangidy, nefa isitrahantsika ny soa sy ny tsara koa. Isika
kristiana izay mety ho ambony ary
mety ho ambany kanefa tsarovy fa
isika kristianina dia antsoin’ny Tompo
hivonona hizaka izay anjara- hazo
fijaliantsika nefa koa hanana toky sy
fanantenana noho ny fananantsika ilay
Mpamonjy sy Mpitarika mahay, dia i
Jesoa kristy. Koa na inona na inona
mitranga , aza kivy, havako ô, ndeha
hahay hibanjina ny lafi-tsaran’ ny
fiainana..Homba anao mandrakariva
anie ny tompontsika
Faniriana Andrianaivomanana.

TETSY SY TEROA

M

bola hifantoka amin’ny
mpitondra « malaza
ratsy » ny resatsika anio ary
atombo-ka amindRtoa Imelda
Marcos, vadin’ i Ferdinand Marcos,
izay Prezidàn’i Philippines
(1965-1986) . Nalaza tamin’ny
fanaovana fafin-katrana ny
harem-pirenena sy ny fandaniana
mihoa-pampana izy mivady.
Santio-nany : : Ny taona 1979 izy
mivady dia nahalany 5 tapitrisa dôlara
mba hiantsenàna tany New York,
Roma ary tany Copenhague ; ny taona
1983, dia fiaramanidina iray be izao
no nentin’ny « première dame Imelda »
ho any Australie haka fasika ho an’ny
tora-pasik’izy mivady (plage privée) ;
ny taona 1980 dia 110 tapitrisa
dôlara be izao no nividianan ’izy
mivady trano tany amin’ny
tanàn-dehibe vitsivitsy any Amerika.
Santionany ireo, hoy izahay, ary dia
nitarika hetsi-bahoaka izay niafara
tamin’ny fianjerany ary nandosiran’ izy
mianakavy nankany Hawaï ny 25
febroary 1986. Raha nosavàna ny
lapam-panjakana taorian’izany dia
hita tao ny « manteaux en vison »
miisa 15 (tsy hita pesimpesenina ny
vidin’izany « manteau en vison »
izany) ; akanjo tsara tarehy (robes)
miisa 508 ; pôketra miisa 1000
ary kiraro 3000 sy zavatra hafa koa

D

ia miampita amin’ny
Desam-bra 2013 isika, 2
volana lasa izay. Hafakely ny vitan’ ny
Filohan’i Coree du Nord, Kim
Jong-Un, mpitondra mbola tena tanora
nefa tena nihoa-pefy ny zava-bitany. Fa
dia nahoana àry ? Nohelohiny ho faty
tamin’ny fomba tsy fampiseho
masoandro ary tsy hain’ny saina

eritreretina mihitsy, ry havana, ny
havany akaiky, dia ny dadatoany, Jang
Song-Thaek, 67 taona, fa namadika
azy, hono. Irony alika mpirenireny
miisa 120, efa ho fatin’ny hanoanana
ireny no navotsotra ary navela hihinana
an-dradadatoany sy ny namany 5 hafa,
rehefa avy nampi-tanjahana izy ireo.
Raha toa ka ny fitifirana ho faty no
mahazatra sy malaza fanaony
amin’ireo lazaina ho mpanohitra azy,
dia tsy zakan’ny saina ary nohelohin
’izao tontolo izao mihitsy iny indray
maka iny. Fanampiny : Nalefa
mivantana tamin’ny fahitalavitra ny
« quan jue » fa izany no fiantso io
famonoana olona tsy fahita raha tsy any
Corée Avaratra io, ary niara-nijery
izany Ingahy Filoha Kim-Jong Un sy
ny manamboninahiny miisa 300, ary
naharitra adin’iray ny « seho »
« Mba Fantatrao Moa »
N yfarany
tiana hozaraina
amin’ny mpamaky dia mbola ao
anatin’ny tontolon’ny fitondrana ihany
saingy ampanginina na ny anaran’
Ingahy Filoha na ny firenena entiny,
Filoha izay miroso koa amina zava tra
tsy vitan’ny mampitsangam-bolo fotsiny
ihany, fa sarotra inoana sy lavin’ny fo
sy saina amam-panahy ihany koa. Efa
nasian’ny TADY resaka teto ihany ny
amin’ireo olona maniry hazava
endrika kokoa ka mampiasa menaka
varotana an-tsokosoko. Ireo Malagasy
(vehivavy indrindra indrindra) sendra
mandalo na tonga honina amin’ity
firenena tsy lazaina anarana ity àry, no
ampaha-fantarin’ireo Malagasy ao
an-toerana ary homena izao
- 22 -

toro-marika izao : « Fadio ny
mandeha irery eny an-dàlambe na koa
ny manao akanjo mety hisarika
olona » Fa ahoana indray izany ? Fa
angaha tsy efa andron’ny mazava
izao ? Tsy vitan’ny hoe « mazava
endrika » fotsiny mantsy ny vehivavy
malagasy fa malaza ho tsara tarehy, ka
mampi-herika sy misarika, tsy ny olon
tsotra ihany, fa hatramin’ny
manam-pahe- fana ihany koa. Efa
heno mantsy ny « fakana an-keriny »
eny an-dàlambe (kidnapping) ny
vehivavy toy izany (mazava endrika sy
manja) , ary tsy tafaverina eo anivon’ny
fianakaviany raha tsy afaka 9 na 10
volana, rehefa avy niteraka… ka izy
mody fa ny zaza kosa mijanona any
an-dapa. Mitsinjo lavitra tokoa ny
mpitondra ao amin’izany firenena
izany , mitsin-jo ny taranany izay
antenainy fa na ho ela na ho haingana
dia tsy ho « mainty » loatra intsony fa
mba ho mazava endrika amin’izay
(raha tsy hoe angaha misy
fanonganam-panja-kana !) . Vita,
tompoko.
Prisca Ramalalaharisoa

NY TANIKO
Maizina sady mangatsiaka
ny amin’ ny enina ririnina
Ora firavan’ ny mpiasa.
Mihaohao ery ny mpandeha,
tototra fiara ny arabe.
Alina ririnina mitabataba.
Jiro an’alin-kisa maro,
fotsy,mena,ny hafa koa
An-dàlana, an-trano,
hatreny amoron-drano
’Zay rehetra mba aleha,
na magazay na kafe
Toa foara avokoa etsy sy eroa...

ALINA PARIS
Azafady fa raha ny lolotra tian-kateza,
samy nofosana noho ny angadiny, samy
hozatina tamin’izay nisasarana ; ka raha
izay ambom-po : ny anareo tsy ritra
tovo-zona, ny anay soa manan’amby.
Sanatria izahay handady rariny ; fa leon’ny
nitoto koba angaha no misodika eny
Betsimita-tatra maneno akoho ? Sa tai-basy
tany Ankatso no eny Ambohidempona no
hitsoka sakay ? Sa voky menaka tany
Mandiavato ka Manjakaray no
ilàm-baniny ?

Alina Paris ! Mihira ny fitia !
Fitia tsy mety maty, miaina ao anaty
Fitiavana ’lay tany niaviana,
Tanindrazana malala tena tiana...
Embonembona sy vetsovetsom-po
’Ndray mitraotra ho azy avokoa
Anivon’ny mamiratra ny taniko, no laniko
Tsy manam-paharoa, hafa mbola hafa,
Mamy tena mbola mamy...
Alina Paris ! Alina Paris ! mihira ny fitia !

Azafady fa ampy ny efa voarandrana ka
raha fohy notovanako, raha tsotra
nongi-taiko, fa raha tapaka mbola haniry.
Koa raha basy tia rere ny any, ny aty varatra
ampy hipoaka. Samy tanora sy fotsy nify é,
ka iza no hanaiky ho resy tondro imaso, ary
ny vomanga ho lany hadiana, ray hanava, fa
ny soa tsy ho lany rahoviana. Koa mijoroa
amin’izay misy ny tena, fa ny akoho
nirehaka ho mahay mandihy, sola-faka
ihany raha sendra sahafa. Kanefa rehefa
hifampidera taim-by, mandrosoa àry etsy
aloha hozahàna, ary manenjàna salaka ho
hitam-bahoaka, fa efa zanaky ny
mangotraka ny aty, tsy matahotra izay
mangorovitsika ; ombalahy be vozona, tsy
mifidy tany iadiana. Kanefa raha tsy haha
seka loatra, ny manaja tena tsy mba lesoka
ary ny mitoetra tsy lamoka, ny teny soa
sakafo, ny vava ratsy andraikitra ; ary ny
handrina tsy naniry volo, ny henatra. Koa
mipetraha raha te hahita ny fenomanana, fa
mbola maizim-bolana ny andro. Misisi-ha
anefa aza maika fa izahay valala maha very
zoky. Akaitö !!

Na alina aza sady mangatsiaka,
ny toerana malaza dia sariaka...
Toa fety lava miravaka hazavana,
Saint-Germain na Champs Elysées, Pigalle
Sy ny hafa be dia be,
mifanjevo samy revo mikorana
Matetika an-dalan’ eny hitanao,
mpihira na mpandihy milalao,
Arahin’ ny gitara na koa ny angorodao,
’Reo mpifankatia moa, mahazatra anao tokoa
Fa mifanorokoroka etsy sy eroa
Alina Paris ! Alina Paris ! Mihira ny fitia !
Fitia tsy mety maty, miaina ao anaty
Fitiavana ’lay tany niaviana,
Tanindrazana malala tena tiana...
Embonembona sy vetsovetsom-po
’Ndray mitraotra ho azy avokoa
Anivony mamiratra ny taniko, no laniko
Tsy manam-paharoa, hafa mbola hafa,
Mamy tena mbola mamy...
Alina Paris ! Alina Paris ! mihira ny fitia !
Jerôme Randria.
(Ny Railovy)

Ilaintangena
- 24 -

INDRAY MISEHO

RAMBELOARINASANDRATRA ANDRIANINA TOAVINA
Raha misy fifaliana ho an’ny ray
aman-dreny manan-janaka any ampitan-dranomasina, dia ny fahafahana
miresaka amin’izy ireny satria manamafy ny fitiavana sy ny rohim-pihavanana ary manaporofo indray ny rà
iraisana mikoriana any anaty. Mety
hivadika ho “biby” koa anefa indraindray ny resaka ifanaovana :
-“Allô ? Allô ? C’est Dada ? Tu
m’entends là ? Oui…Oui ! »”
-« Andrianina marina ! Ny zanako !
Manahoana ny lahimatoan’ i Dada ?
Ela izany, leitsy, marina
¡
-« Neny n’est pas là ? »
-«Lasa any amin’ny dokotera izy,
leitsy, hijery maso fa efa manomboka
tsy mahita tsara intsony ange ny
renin’ialahy é ; izaho irery no ato
an-trano fa mihetsika indray ho’aho
ilay lohaliko é ! »
-«Bon, j’vais essayer d’être bref ;
bonne année d’abord même si on est le
15 février ! Bon écoute Dada ! »
-« Eny, sombinaiko !? »
-« Une très bonne nouvelle d’abord, je
reviens de la Préfecture et j’ai enfin
obtenu cette fameuse nationalité »
-« Izany hoe raha azoko tsara dia
manana ny zom-pirenena frantsay
ialahy izao ? »
-« C’est çà !, je suis français ! »
«Dia ahoana moa izany ? »

-« Sao mba tafahoatra kosa, leitsy, ry
Andrianina izany lazain’ialahy ;
ialahy ange no mba reharehan’ny
fianakaviana é ! Dia ahoana daholo
ireny resaka nifanaovana ireny ?»
-« Tu veux encoré parler de Lila ?
Ecoute, Dada, tout çà c’est révolu, et
puis maintenant je vis en couple avec
Mylène ? »
- « Inona hoe ity lazain’ialahy ?
Tokan-trano imaso ange, leitsy, no
hevitr’ izany è !. Raha azoko tsara, dia
miara-monina amin’io …. »
«..Oui, Dada, Mylène c’est la femme
de ma vie. Oui, c’est une française ! »
-« Andrianina à ! Tsy ialahy ihany ve
no niteny taminay sy tamin’ireo
zandrin’ialahy rehetra fa ny Gasy
mbola hafa ihany ary …. »
-« Ne pleure pas Dada à ! Tu sais il
faut être réaliste hein ! Et puis je peux
plus reculer, les fiançailles, on va les
célébrer entre copains»
« Andrianina, mbola mivavaka ve ise
any, ialahy izay nilaza fony tonga, fa
mampianatra sekoly Alahady fony
ialahy tany Nantes ? »
-« Tout çà, c’est du passé, Bainina à !»
- « Ary voarain’ialahy ve ilay Mofon’
Aina nalefanay vao tsy ela ? »
-« Bof, tout ça c’est fini, Dada à, j’ai
fait une croix sur mon passé ! »
-« Tsy hitaky valim-babena amin’
ialahy izahay, ry Andrianina.. »
-« Non, André ! »
-« Eny e, fa aminay ialahy dia mbola
ilay Andrianinay ihany; tsy hitaky na
inona na inona amin’ialahy izahay
afa-tsy ny hoe tsarovy ny
tanindra-zana, leitsy é, ary na
hohadinoin’ ialahy aza izahay, tsarovy
ny aty amintsika, ny rà iombonana, ny
vohitra iraisana ary aza manadino
ny fivavahana nampianarina an’ialahy
fony ialahy…… ! »

-« Ben, c’est une promotion ! Le rêve
de tout Malgache, non ?! Et c’est pas
tout ! J’ai profité de l’occasion pour
changer de nom ; je me suis dit que
Rambeloarinasandratra Andrianina
Toavina c’est trop long, j’ai essayé de
franciser cela et maintenant je suis
Ambello André »
-« Ahoana à ? Dia ahoana rehefa mba
tonga aty an-tanindrazana ialahy ? Tsy
ho zendana ny fianakaviana ? »
-« Tout çà c’est de la littérature,
-«Mais j’n’ai plus l’intention de venir
maisau fait, dommage que Neny ne
chez vous ! Et puis avec votre pauvreté
soit pas là, mais le but de ce coup de fil
et votre politique de …. »
c’est pour vous dire adieu et vous

²

25

remercier quand même et puis … »
-«Andrianina, fantatray ange fa mpanatitra pizza ialahy rehefa antoandro ary
mpanasa fatim-bazaha eny amin’ny
hopitaly rehefa hariva é, aiza amin’
izany ilay nampianarin’ ialahy an’ireo
zandrin’ialahy ? Tsy aleo ve
miara-mizaka ny mafy aty
an-tanindrazana, toy izay manao
ankoso-bolamena aty an-tanin’olona,
sady efa amoron-tevana izahay ka
manina an’ ialahy leitsy, ry Andrianina
à, ka ……”
-« Dada ! Je me passe de ta morale !
André est assez grand maintenant ; il
gagne bien sa vie ! »
-« Dia ahoana ny filaza izao amin’ny
renin’ialahy ? Sady izahay mivady ange
samy voan’ny ‘tension’ é ! »
-« T’étais un mpikabary dans ta
jeunesse, non ? Alors tu trouveras les
bons mots, n’est-ce pas ?...»
-« Eny, anaka, efa lehibe ka mahalala
izay atao ianao ! Ho tateriko amin’ny
renin’ ialahy sy ny ankizy izao resaka
izao, sady ho avy eto daholo ny rehetra
rahampitso fa fitsingerenan’ny nahaterahako ange rahampitso é, asa angamba
efa tsy tadidin’ialahy intsony. Dia hahatsiaro sy…. hivavaka ho an’…ialahy
izahay ka hataonay….. ilay… ilay hira
mamin’ ialahy…. loatra hoe ……….. »
-« Dada ? T’es encore là… Dada ?
Dada ?.... Bof… Après tout .. Et puis
Bon Anniversaire quand même ! » Klik
------« Allô ?, Andrianina ve izao ? Non ? Je
peux lui parler ? Non ? Izaho no reniny
ary saika hilaza vaovao maika
mikasika ny …..…. »
-«Ici, c’est Mylène à l’appareil ……
Désolée, je ne vous connais pas et je ne
vous comprends pas non plus ! » Klik.
m.a

ISIKA MIANAKAVY
+++VONIMBOASARY, FANOLORANA,
BATISA : Arahabaina tonga soa i
a-.Miharinjato Iavotiana, lahikely, ny
18 novambra 2013, an-dRasolofoniaina Iharinaivo sy Rabearisoa Hanitra;
ny zaza dia natolotra an’alitara ny 16
febroary 2014 teo.
b-.Misaina, lahikely, ny 30 desambra
2013, an-dRazanamparany Harinavalona sy Ravelonjatovo Vololona,
zanaky ny fiangonana monina sy
miasa any Tsiroanoman didy.
d-.Noah Andri, lahikely, ny 26 janoary
2014, lahikely, an-dRandrianasolo
Andry sy Raveloson Olitiana, zanaky ny
fiango nana monina any Etats-Unis.
Dia maroroha taiza daholo é !
Dimy ireo zanatsika notolorana ny
Sakramentan’ny Batisa tamin’ny 12
janoary 2014 teo ary rariantsika
hitombo saina amam-panahy, dia i :
a-.Voary Ambino Mandrindra, zanaky
Rakotomalala Patrick sy Raharisoa Ely
Miora;
b .- Andraina Avotsoa Charles zanaky
Rakotomalala Jean-Charles sy Ratovo
Marie-France;
d .- Harisoa Imanoela Fahasoavana,
zanaky Randriafaly Max sy Mamilalaina Lalaoharisoa Rindra,
Mpitandrina mpanampy;
e.f.-. Ny Aina Jessica sy Ny Aina Jeffrey,
samy zanaky Raveloarijaona Haja sy
Randrianarivony Hajarimalala
+++ FIAINANA MANDRAKIZAY:
Iarahantsika miory ny havan =ireto
mpianakavy nodimandry ireto :
a.- Itpkl Ratsimiseta Jeannot ny 06
janoary teo amin=ny faha 51 taonany,
nanaovana fanompoam-pivavahana
tao an-tranony nialohan’ny nametrahana azy tao Andranosoa.

nentina tao amin=ny Fjkm Ankadimba hoaka ny 22 janoary nialohan=ny
nametrahana azy tetsy Ambatonosy
d.- Itpkl Andriamanga Harimanana
nodi mandry teo amin’ny faha 52
taonany, nentina tao amin’ny Fjkm
Ankadin6 dramamy Fahazavana
nialohan’ny nametrahana azy tao
Andranonampela, Mangarano;
e.-Itpkv Rakotonirainy Odette
Harisoa nodimandry teo amin’ny
faha 80 taonany, nentina tao
amin’ny Fjkm Fiadanana Maritiora
ny 12 febroary nialohan’ny
nametra- hana azy tao Manandöna,
Manazary Ilafy.

nohamasinina tao amin’ny Fjkm
Rasalama Maritiora ny 18 janoary.

FACEBOOK
Toy ny ankamaroan’ny fitandremana
rehetra, dia nanokatra ny pejiny ao
amin’ny facebook koa ny Gazety
TADY tamin’ny 18 aogositra 2013.
Mivoaka ao isan-tapa-bolana eo ho
eo ny vaovao sy sary mikasika ny
Fjkm Soamanandrariny Miaradia.
Asaina àry ny rehetra hitsidika ny
pejy :
www.facebook.com/gazetytady

f.- Itpkl Rambinintsoa Gérard, nodimandry, teo amin’ ny faha 70
taonany, nentina teto amintsika
nialohan= ny nametrahana azy teny
Ambohibe Ilafy.

io ‘zah !

+++ TOKANTRANO VAO : Dia
tolorana ny arahaba feno mba
haharitra hatramin=ny farany ny
tokantranovaon=ny havantsika,
Ravelojaona Rado Heriniaina sy
Rasoarizanany Victorine izay

Post – Scriptum

Tsarovy fa fihodinkodinana
no didy mitondra ny tany,
fiakarana sady fidinana,
korontana ambony sy ambany.
Ny ketraka, mora mivarina,
miroraka tonga kanosa…
ny potraka kanefa tafarina :
IRENY KA OLONA KOSA !
Ratsimiseta

b.- Itpkl Rasolonjatovo Justin, nodimandry teo amin=ny faha 67 taonany,
Gazety TADY Avoakan=ny Sampana Tanora Kristiana FJKM SOAMANANDRARINY MIARADIA Taona XXVI Lah 188 Jan-Feb 2014
Tonia : Nivo Andriamasinoro. Adiresin=ny Gazety : Lot GIV 14 Soamanandrariny Antananarivo 101 Antananarivo Madagascar
Tél : 033 12 015 72 - 034 20 015 72 . Mail : tady.soamanandrariny@laposte.net - www.facebook.com/gazetytady . Nahodina : 630

²

25

-27 –

Ny Mpitandrina mivady sy solontenan’ny Birao no nanolotra ny anjaran’ny Fiangonana. Eto ny Vaomieran’ny Gazety
..

Dina Rasoarilala tamin’ny anaran’ny mpanampy, ny Tonia tamin’ny anaran’ireo havana any am-pita, Voahangy Ranaivoma-

nana tamin’ny anaran’ny Tokantrano Sakaizan’ny Sampana ary Mika Rakotomamonjy tamin’ny anaran’ny Stk Zandriny
- 13 -

²

25


LAHARANA 188.pdf - page 1/29
 
LAHARANA 188.pdf - page 2/29
LAHARANA 188.pdf - page 3/29
LAHARANA 188.pdf - page 4/29
LAHARANA 188.pdf - page 5/29
LAHARANA 188.pdf - page 6/29
 




Télécharger le fichier (PDF)


LAHARANA 188.pdf (PDF, 4.7 Mo)

Télécharger
Formats alternatifs: ZIP



Documents similaires


tady laharana 187
ahoana no fikolokoloana ny fitadidiana
malagasy how satan stops our prayers
ny baiboly tenin andriamanitra
gazety fevrier 2019
im9 version malgache

Sur le même sujet..