FANARENANA .pdf



Nom original: FANARENANA.pdfAuteur: Tsilavina Ralaindimby

Ce document au format PDF 1.5 a été généré par Microsoft® Word 2013, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 04/10/2014 à 13:27, depuis l'adresse IP 197.149.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1370 fois.
Taille du document: 624 Ko (9 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


« Ce ne sont pas les informations qui nous manquent. Ce qui nous manque, c’est le courage de
comprendre ce que nous savons et d’en tirer les conséquences. »
Swen Lindqwist.
« La politique, c’est le courage de s’interroger »
Christiane Taubira, (PS France)

ASIO DIKANY NY HOE FANARENANA
Milaza ny iaraha-mahita raha milaza hoe miha sahirana andro aman’alina isika. Nifarana ny
krizy eo amin’ny lafiny ara-dalàna fa tsy mbola misy hirika hita, na fambara fa hihatsara ny ampitso.
Mirantiranty amin’ny lahatsoratra an-gazety, manako amin’ny haino aman-jery ny fanampiana sy
renivola an-tapitrisany dôlara na erô efa miantokantona ao, fa ary ny amin’ny faramparan’ny vaovao
dia volaza matetika fa mbola misy fepetra tsy maintsy fenoina vao mirotsaka ny vola. Ohatra :
fangaraharan’ fomba fitantanam-bola, fisian’ny tetikasam-pitondrana mazava ampiasana ny vola,
sns1. Mirantiranty amin’ny fampahalalam-baovao koa anefa ny lonilony samihafa : eo amin’ny
fampianarana, eo amin’ny fandriampahalemana, ny resaka bolabolan’andramena, ny fahosan’ny
orinasa malagasy, ny fifamilafilana eo amin’ny samy adrim-panjakana, sns. Ary amin’ny ankapobeny
dia miaina anaty faharetam-pery mivaivay ny isan-tokonana, na an-tsaha na an-tanana.
Manomboka mifanontany ny olona hoe : tena hanao zavatra ve ity fitondrana vaovaon’ ny
Repoblika fahaefatra vao miandoha ity sa ahoana marina ? Rariny raha manontany izany ny olona
satria ny hananana mpitondra dia hanazava ny lalana iaraha-mizotra, ny tanjona iaraha-manatratra
sy ny anjara ezaky ny tsiraray ary ny enti-manana ho amin’izany. Ny mazava toa ny masoandro be
lohataona aloha izao dia efa latsaka lalina ny fiankinan-doha ny fitondrana eto Madagsikara. Ny 40%
vola ampihodinana ny raharaham-pirenena aza mbola andrasana any an-kafa, ary tsy vao androany
izany toe-javatra izany.
Marina koa ny ampaham-panazavan’ny mpitondra ankehitriny hoe tsy ho vita mora na ho vita
haingana ny fanarenana ny Firenena avy anatin’ny hantsana misy azy izao satria vokatry ny Tantara
sy fifampitondranana nodiavina nandritra ny 54 nahaleovantena fara fahakeliny no hahitsy. Izay dia
milaza mazava koa fa tsy ravoravo atentina sy fepetra ankamehana no hitondra vaha-olana mateza.
Mila fandinihin-tena lalina isika malgasy ankehitriny ary aleo tsorina avy hatrany fa tsy misy lasitra avy
any ivelany, na ara-pifampitondrana, na ara-piharian-karena, fa indrindra ara-kolontsaina, hitondra
vaha-olana ho antsika. Etsy andaniny, manana izay rehetra enti-manarina ny Firenena isika :
midadasika ny velaran-tany lonaka sy maha-te hizaha, ny velaran-dranomasina hananana
fiandrianana, tsy tambo isaina ny harena voajanahary ambony sy an-kibon’ny tany, olona
manampahaizana na eto an-toerana na any am-pielezana, mponina tanora mangetaheta fivoarana sy
fivelarana, kolontsaina mbola mandala ny maha-olona sy ny fiaraha-monina mampilamin-tsaina.
Tsy misy n’inon’inona ho vita eto anefa rehefa tsy hanao ny Olona. Ny famerenana ny
fanantenana iombonana nopotipotehin’ny « zarazarao hanjakana », ny fahaizana mampitsimoka
indray ny fientanan’ny hery velona rehetra, ny fametrahana fifampitondrana miorina eo amin’ny
fifanajana fa tsy eo ambany tahotra : izany no voalohany andrasana amin’ny mpitondra izao, mba
amparisika indray ny Olona. Raha tsy izany dia hihitatra sy hihalalina ny fanehoan’ny Olona ny
ahiahiny, toa ny fihenan’ny taham-pahavitrihina amin’ny fifidianana, ny fitsaram-bahoaka miaro
habibiana, ny fidinana an-dalambe izay tsy maintsy hivaly famoretana ara-dalàna, kanefa mety tsy ho
1

Ny tetikasam-pirenena dia heverin’ny mpitondra ankehitriny fa alohan’ny faramparan’ny taona any vao ho vita. Io anefa dia isan’ny
fepetra tsy azo dinganina andrasan’ny Firaisana Eropeana alohan’ny handrotsahany ny vola fanampiana efa vonona.

1

ara-drariny, sns. Mila mifanala-tahotra isika ary miara-mampitsimoka fahatokisan-tena sy firaisankina. Tsy vita izany raha tsy havaina aloha ny saha efa rakotry ny ahi-dratsy, mandragiragy tsara ny
nofon-tany mialoha ny amafazana masomboly voafantina. Ny fisainana tranainy tsy hiteraka hevibaovao na oviana na oviana.

NY FIVOHY TRANAINY
Roa-polo taona lasa, raha tsy mihoatra an’izany aza, fitanisan’ny mpitondra sy ny mpilalao
politika ny hoe « Firaisam-pirenena ». Ankehitriny dia ny hoe « Fampihavanam-pirenena » indray no
malaza sy vohizin’ny mpanarato politika ambony lakan-jejo. Hatraiza ny halalanin’ny fakan’ireo
lohahevitra ireo ka tokony hitandremana ny fefiloha tsy hampitrosona antsika intsony eo amin’ny
lalan’ny Tantara ? Hatraiza kosa no manomboka ho fanodikodinana ady hevitra, mira fandrebirebena
indraindray, ny fivohizana azy ireo eo amin’ny sehatry ny adim-pahefana ara-politika ?
Hatraiza marina ny faniriana hanodina ny pejin’ny Tantarantsika ary ho aiza ny diam-peninana
ho soratana amin’ny pejy manaraka ? Ny hoe ahodina ny pejy tsy midika hoe rovitina na dorana ny
pejy tany aloha. Ary ny pejy vaovao tsy natao hanaovana dika mitovy na dika vilana ny pejy efa
nihodina.
Firaisam-pirenena ?
Izay vakivaky no mila ampiraisina, ka inona moa no nivakivaky teo amin’ny tantarampirenena ? Tany alohan’ny fanjanahan-tany dia nahitana fanjakana maromaro i Madagasikara. Toa izay
nisy tany amin’ny Firenen-kafa taon-jato maro lasa dia nifanafika ireo fanjakana ireo mba hanitarana
ny farim-piandrianany avy. Rehefa ady no resahina dia misy ny maratra, ny babo izay mety natao na
namidy ho andevo, ny maty. Na aiza na aiza dia miteraka alahelo sy lolom-po lalim-paka ny ady satria
nandringotra ny aina. Izay no maharatsy azy ho an’ny fiarahamonina. Izany no ifadiana araka izay tratra
ny fampiasan-kery eo amin’ny fandaminam-piarahamonina. Tsy ny ady sy fampiasan-kery ihany anefa
no niteraka fandaminana vaovao tamin’izany andalan-tantara izany fa teo koa ny fe-pihavanana
samihafa, ny fifanakalozam-pahalalana na koa ny fifanambadiana.
Rehefa nobaboin’ny fitondrana mpanjana-tany ny Firenena malagasy dia nitondra ny fomba
famakivakiany azy indray ry zareo. Izany vanim-potoana izany no nandrenesana indrindra ny hoe
« zarazarao hanjakana ». Na ny fomba famaritana ny fizaram-paritra aza dia endriky ny fomba tiany
nizarazarana ny malagasy sy hanamorany ny fampiharam-pahefana. Ohatra fantatry ny maro :
nambarany fa valo ambin’ny folo ny foko eto Madagasikara nefa isika mahafantatra tsara fa mihoatra
noho izany ny foko raha ny lalam-pisainana sy heviteny malagasy no amaritana azy. Kanefa
hatramin’izao dia betsaka no manara-davahana mamerimberina hoe foko valo ambin’ny folo, na
hikabary na hihira... Fanampin’izany, ny nandikan’ny mpanjana-tany ny hoe foko amin’ny teniny dia
hoe « ethnie ». Vao mamaky raki-bolana anefa dia mahita fa tsy mifanaraka velively amin’ny heviteny
hoe « ethnie » ny antsoina hoe foko aty amintsika satria misy fototra iombonan’ny kolontsain’ny
malagasy, na foko inona na foko inona fihaviany. Ny endrika isehoany no mety miova. Mazava fa iray
fototra koa ny teny malagasy manerana ny Nosy. Ireo fanamarihina roa ireo fotsiny dia efa azo ilàzana
fa diso ny fandikana amin’ny hoe « ethnie » ny teny hoe foko. Kanefa dia izay no nandidiany azy satria
nampety ny politikany, ary mbola misy olona mba nahita fianarana ihany nefa dia miventy ny hoe « 18
ethnies » rehefa hilaza ny isan’ny foko eto Madagasikara. Manara-davahana dia gaga rehefa latsaka
an-davaka.
Rehefa avy novakivakiany ara-poko dia mbola novakivakiany ara-pihaviana indray. Nolalaoviny
izay mety ho alahelo sy lolom-po teraky ny fifanandrininana ara-tantara tany aloha tany mba
ampifandrafesana bebe kokoa hatrany ny malagasy monina afovoan-tany sy anindran-tany. Ary mbola

2

misy hatramin’izao no mamikotra amin’izany karazam-pisainana lomorina izany hanaronana ny tsy
fahombiazany ara-politika. Ohatra, rehefa misy fisavoritahana ara-piarahamonina amin’ny toerana
sasany dia ny fihazàna « mpiavy » no mahamay ny marivo salosana ampiririsihan’ny mpamosavy
politika, na karamainy fotsiny izao. Ny fahantrana mazaka maniraka.
Efatra ambi-dimam-polo taona aty aorian’ny Falaheleovantena, tsy mbola sitrana tanteraka ny
farasisan’izany foto-pisainana mampifanandrina ny samy malagasy izany satria betsaka ny tombontsoa
nifamatotra any ambadik’izany. Izany anefa no isan’ny fandoto mampanjavozavo ny rariny sy ny hitsiny
eo amin’ny fiainan’ny mpiara-belona sy ny fandrindran’ny mpitondra azy.
Fampihavanam-pirenena ?
Izay niady no ampiahavanina. Ka tena niady sy nifamono tokoa ve ny samy malagasy ? Toa izay
nisy tany Biafra, Rwanda na Afrika Atsimo tanatin’ny fanavakavaham-bolokoditra ? Sa nataon’ny
mpanao politika fitaovana, sorona sy « ody-bala » ny valala tsy mandady harona, ka izay maty dia
nambara fa maritiora. Nananganana tsangam-bato sy sasany, nitondra takaitra ny sasany, matimaty
foana ny hafa, misy aza tsy hita faty. Izay nambara fa ho tambin’ny aina natao sorona, tsy hita veroka
hatramin’izao. Vao mainka nihitsoka. Ny mpifanandrina ara-poltika naniraka azy tamin’izany anefa
afaka miombona sy mifanoroka, mitsikitisiky aseho gazety indray rehefa mifanandrify ny
tombontsoany eo amin’ny fikaroham-pahefana sy tombontsoa.
Raha tsorina dia fampihavanana ny mpanao politika no tena resaka hatreto fa tsy
fampihavanam-pirenena izany. Raha tsy hoe ekena fa « ny mpanao politika mira Firenena ». Angamba,
fa tsy izy ireo irery. Ny azo antoka dia ity : ny malagasy rehetra miara-belona, miara-miaina,
mifandamina, mifampitsinjo sy mifamelona no Firenena.
Ka mila ampihavanina ve ny mpanao politika ? Tsy mila ampihavanina izany ny mpanao politika
satria araka ny voalaza teo, rehefa mifanandrify ny tombontsoany dia mihavana ho azy izy. Tsy mila
sinema be sy lohateny mivandravandra an-gazety. Tsy mila ampihavanina izany ny « tena mpanao
politika » satria io dia ady ara-potokevitra sy vina tsy misy fahataperany arakaraky ny fivoatry ny toedraharaha. Ary ny tokony ho izy dia ny vahoaka mpifidy no manapaka hoe inona no fotokevitra sy vina
heveriny fa mahasoa azy manoloana ny adim-piainany ankehitriny sy ny ampitso andrandrainy
amin’izay atolotry ny antoko politika sy ny mpikambana ao anatiny. Dia izay olona atolotry ny vondrona
politika naharesy lahatra ny mpifidy no mitondra. Izay tsy mitondra kosa afaka manara-maso,
manakiana, manolo-kevitra anatin’ny fahalalahana sy fifanajana, omban’ny fahatsapana andraikitra.
Fa maninona no tsy toa izany eto Madagasikara ?2

FONGORY NY FIFANDIMBIASAM-PAHEFANA VALIN-KITSAKA
Na dia tsy hiditra amin’ny antsipirihany be loatra aza dia misy vanim-potoana tsy maintsy
avoitra ihany mba ampazava ny resaka. Namaritra sakeli-dalana vaovao ho an’ny fanaovana politika
teto Madagasikara ny taona 1979. Io no taona namoronan’ny Filoham-pirenena sady filohan’ny Antoko
nahazo laka fahizany ny nantsoina hoe Mandatehezan’ny Tolom-piavotana.
Nanomboka teo dia tsy misy antoko afaka nanao politika intsony rehefa tsy tao anatin’ilay
Mandatehezana. Niditra avokoa ny ankamaroan’ireo mpitarika antoko politika nanana izay naha izy
azy fahizany. Namoronana andrim-pitondrana nantsoina hoe Filankevitra faratampon’ny tolompiavotana izy ireo. Ny ankamaroan’ireo antoko izay niditra ny mandatehezana dia vakivaky noho izany
satria nisy mpitolona sy mpikambana tsy narisika ho tampenam-bava sy hanara-drenirano fotsiny.
Mpanoha-riana rahateo no niantsoana izay tsy nitovy hevitra tamin’ny fitondrana tamin’izany andro
izany.

3

Nanomboka teo koa dia niha narefo ireo antoko politika satria tsy nanao ny asa tokony nataony
intsony : famaritana sy fanehoana fotokevitra mazava, mampiavaka azy ka ampahafantariny amin’ny
fomba samihafa ; fananana mpikambana manohana izany fotokevitra izany ; fananana mpikatroka
mandresy lahatra, manangana fototra anaty fiaraha-monina, sns. 250 no volaza fa isan’ny antoko
politika misy eto Madagasikara. Firy amin’ireo no nahavita zaikaben’ny mpikambany ? Mpikambana
tsy misy ve hanao zaikabe ? Nanomboka teo dia izay hahatafidirana anatin’ny fitondrana sisa tanjon’ny
antoko politika fa ny fanabeazana ny vahoaka natao anjorom-bala. Tafiditra tanatin’ny fomba
fanaovana politika ny fampiasana vola be izay matetika manjavozavo ny loharanony, trosa miafina tsy
maintsy efaina amin’ny fomba samihafa ny sasany. Rehefa hoe mamory « mpikambana » dia taomina
amin’ny fiarabe ny olona izay azo karamaina. Hitan’ny mpanara-baovao sy ny olon-tsotra ny
fizarazarana vola tetsy sy teroa nandritra ny fitondrana sy fifidianana nifandimby. Manjary aretintsaina izao ny fitiavam-bola tafahoatra. Efa lasa kolontsaina aza amin’ny sokajin’olona sasany. Ny
olona koa miha mahantra dia mora lalaovina amin’ny vola misidina. Difotra tanatin’izany ny antoko
vitsy dia vitsy izay mba niezaka naneho fotokevitra itaomana mpifidy. Farany moa dia sady niasa ny
vola no nampiana herisetra amam-basy sy tafondro izay nampiditra ny Firenena tanaty krizy 5 taona.
Raha mbola fampihavanana ny mpanao politika no sarontsaromana amin’ny hoe
fampihavanam-pirenena dia tsy hisy raharaha vanona eto. Ny tsy fisian’ny tena vondrona politika
manohitra fotsiny dia efa milaza fa, hatramin’izao aloha, tsy misy fotokevitra na vina ifandirana eto fa
ady-toerana no betsaka. Fandaniana andro sy fandaniam-bola fotsiny ilay fampihavanana
dradradradraina raha izay. Ny ilaina apetraka dia ny fitisipi-dalao mazava mikasika ny fanaovana
politika. Inona avy ny fepetra amin’ny fananganana antoko politika ? Mahenika faritra toa inona ny
mpikambana vao mahazo fankatoavana ny antoko ? Rehefa mahafeno ny fepetra, inona no zony
haneho ny heviny amin’ny fitaovan-tserasera izay misy fa indrindra ny fitaovan-tserasera mampiasa ny
volam-bahoaka ? Inona no aro-fanina tsy maintsy apetraka mba hirindran’ny fahalalahana maneho
hevitra sy ny fahatsapana andraikitra ? Aiza ny toeran’ny antoko politika eo amin’ny fanaraha-maso ny
fifidianana, sns. Ny tanjona dia tokana ihany : fongorina tanteraka ny fakan’ny « Fifandimbiasampahefana valin-kitsaka ».
Indroa ihany izao teo amin’ny tantaran’i Madagasikara mahaleotena no nisy fifandimbiasampahefana nilamindamina. Ny sisa dia nialohavan’ny filaharana sy fitokonanana an-dalambe,
fifandonana mahery vaika, poa-basy sy tafondro, takaitra sy faty olona, fanimbana fananam-bahoaka
sy fananan’olona, fisamborana, fanagadrana, sesitany, lolom-po sy fikotrehina valifaty. Tsy miady, tsy
miady fa ny kibay an-kelika ihany. Tsy ny lazaina hatreto fa fampihavanam-pirenena no fanefitr’izany
fa ny fangaraharan’ny ady hevitra sy fifandresen-dahatra politika anaty fisainana repoblikana. Afaka
mikaon-doha amin’izany ny mpanao politika sy ny hery velona rehetra fa tsy tokony hoe
« Fampihavanam-pirenena » no atao anarany fa « Fikaonan-doha ho fanavaozana ny tontolo politika »
ohatra.

MAREFO ANY AM-POTONY, DIFOTRA ANY AN-TAMPONY
Tsy misy ilàna azy ve izany ny fikatsahana Firaisam-pirenena sy ny Fampihavanam-pirenena ?
Tena misy ilàna azy tokoa saingy hafa dia hafa no tokony ho vonto atiny sy ny lalan-kizorana. Toa izay
ezaka ilaina mba hamongorana ny « Fifandimbiasam-pahefana valin-kitsaka » dia tokony anaovana
jery todika izay rehetra nampivakivaky ny firaisana sy nandemy ny fihavanana teto amin’ny fiainan’ny
samy malagasy, vokatry ny fifampitondrana sy ny nafitsoky ny mpitondra nifandimby miampy ny
paipaikan’ny firenen-dehibe maneran-tany. Tsy tambo isaina izany fa ny itovizany sy azo hamintinana
azy dia ny « Mizana tsindrian’ila mifanaingina ». Mizàna tsindrian’ila eo amin’ny farim-piainan’ny
samy malagasy : misy miaina toa izay niainan’ny razambeny dimam-polo taona lasa na mihoatra, misy
miaina toa ny fiainan’ny mpanefoefo maneran-tany. Mizàna tsindrian’ila eo amin’ny fifandanjan’ny

4

fahefana sy enti-manana any ifotony sy any an-tampon’ny fitondrana, mizàna tsindrian’ila eo amin’ny
fifampitondran’ny samy manora-tena ho antoko politika, mizàna tsindrian’ila eo amin’ny fahafahamihary isam-paritra, sns. Tsy tokony ahagaga raha nitsingaongaona daholo ny toe-draharahampirenena satria mihilangilana ny rafitra mampifanongoa ny mizàna tsindrian’ila ary ny tsindry tsy
maintsy mivaly tsindry, ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.
Ny fanitsiana voalohany ny «Mizàna tsindrian’ila mifanaingina» avy ifotony dia efa voatanisa
lava ihany koa fa tsy mbola nirosoana mihintsy. Tsy inona izany fa ny Fitsinjaram-pahefana.
« Fitsinjaram-pahefana mahatanteraka » fa tsy an-tendro molotra tanisanisaina fotsiny. Tahirinkevitry ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny taona 2010 (Jiona) no nahitana fa mivangongo ao amin’ny
fitondrana foibe ny fitantantanana ny 95% ny tetibolam-pirenena ; 1,5 % no tantanan’ny Faritra 22 ary
3,5 % no tsipotipotehina amin’ny Kaominina 1549. Porofo mitohoka amin’ny tenda mampazava ny hoe
mizàna tsindrian’ila eo amin’ny enti-manana isam-paritra izany. Inona no fampandrosoana hiorina any
ifotony amin’izany ? Ahoana no ahafahan’ny faritra sy ny kaominina hiatrika ny andraikitra tokony ho
sahaniny eo anivon’ny mpiara-belona eo ambany fiadidiany mivantana ? Adidiny amin’ny ny
fahasalamam-bahoaka, eo amin’ny fanabeazana ny ankizy, ny fandriampahalemana, ny fotodrafitrasa
madinika sy salasalany izay miteraka asa ho an’ny manodidina, sns ? Inona no tokony ahagaga raha
mitovy amin’ny fiainany dimam-polo taona lasa ihany ny fiainan’ny mpiray tanindrazana any amin’ny
tanana « lavitr’andriana », tsy mba mahazo ny avara-patana, kely tsy mba mamindro.

Taon-jato faha 21 : taratry ny « Mizana tsindrian’ila mifanaingina » sady tafahoatra eo amin’ny
fiainan’ny samy malagasy.

Marefo ny fahefam-pitondrana satria tsy ampy enti-manana any ifotony. Noho izany, afaka
manjakazaka ny be vola, na dahalon’ny halatr’omby izy, na dahalon’ny fanondranana
bolabolan’andramena, na dahalon’ny vatosoa sy volamena. Lasa sary-olona lalaovin’ireo
tompomenakely vaovao ireo fotsiny ny antsoina hoe manam-pahefana amin’ny farany satria tsy
mahatanty ny mena miraviravy sy fifampitondrana miha mahery setra. Porofo anankiray amin’izany
fahefam-pitondrana marefo any am-potony izany dia ny vatatenan’ny Minisitry ny Ala sy Tontolo
Iainana no voatery niditra an-tsehatra mivantana manenjika, ara-bakiteny, ny dahalon’ny
bolabolan’andramena3. Mendri-piderna angamba izy, fa tsy asa tokony ho vita amin’ny fahefana sy
enti-manana any am-potony ve izany ? Firotsahan’ny Minisitra indray mandeha any an-tsehatra ve dia
hahavaha ny fototry ny olana ?
Any am-potony marefo, aty an-tampony difotra. Rehefa mivangongo any an-tampony ny
fitantanana dia tsy maintsy mivangongo any koa ny olana, sy izay mety ho vaha-olana. Rehefa
mivangongo any an-tampony ny fitantanana sy fanapahana mikasika ny volam-pirenena dia tsy

3

Vaovao nivoaka volana Septambra 2014.

5

maintsy mitangorona manodidina ny mpanapaka any an-tampony izay rehetra mitady vola, na inona
na inona ilàny izany. Vao mainka manamafy ilay fomba fanaovana politika tsy mikendry afa tsy izay
ahatafidirana anatin’ny faribolan’ny mpitondra, ary manalavitra ny mponina izany. Izay ilay hoe
mahitahita, na mahita tataka hoy ny voambolana faramparany. Ary satria ny tompom-pahefana
mpanapaka be ierehana, dia mety hiteraka fizahozahoan’ny tandapa samihafa izany fivangogoampahefana izany. Tsy ilaozan’izay marivo salosana ka mety hitranga koa ny adim-pahefan’ny samy
tandapa, mampitoka-monina ny tompom-pahefana manapaka, sanatrian’izany aza amin’ny farany,
mamahan-dalitra azy.
Tsy tambo isaina ny endriky ny « Mizàna tsindrian’ila mifanaingina » izay mila arenina eo
amin’ny andavan’andron’ny samy malagasy. Fa raha miroso amin’ny « Fitsinjaram-pahefana
mahatanteraka », miaraka amin’izay famatsiana ny fampandehanana azy, dia izay no lalana marimpototra sy miorimpaka indrindra hidirana tsikelikely amin’ny firaisam-pirenena sy ny fampihavanana
mateza. Manamora ny fahitan’ny malagasy tsirairay ny anjara masoandrony, na aiza na aiza misy azy ;
mampiray ny malagasy anatin’ny vina mampiombona, mampihavana ny malagasy amin’ny rariny sy
hitsiny eo amin’ny fahafahana mihary harena avy any ifotony ka hatrany an-tampony, amin’ny
fitsinjarana tsy mialonjafy ny harin-karem-pirenena. Mampihavana ny mpitondra sy ny olompirenena
anaty fifampifehezana mangarahara, ombam-pifankatiavana sy fifanajana, hentitra kanefa tsy
alokalofan’ny tahotra sy fifandrahonana.
Ny tsara tadidiana fotsiny dia izao : rehefa tsy mitombina ny fametrahana ny olana dia tsy
maintsy mitailana ny vaha-olana.

FIOVANA ANATY SANGY MAHERY
Vao mandinika kely fotsiny ny fisesin’ny krizy teto amintsika dia mahita fa : 1) miha fohy ny fepotoana itrangany ary mihombo ny fampiasana ny herisetra handrobam – pahefana, 2) mihalava ny
faharetan’ny krizy ary tafiditry ny kolontsaina mahery setra ny fiarahamonina.
Ankilany, isaky ny krizy dia vao mainka mikoroso ny lafim-piainana samihafa : ara-toekarena,
ara-tsosialy, ara-kolontsaina, ara-politika. Andaniny, tsy avy dia tafatombina eo amin’ny asany ny
mpitondra vaovao noho ny lonilony manodidina azy teraky ny « Fifandimbiasam-pahefana valinkitsaka ». Sady mamono afo miotrika etsy sy eroa, izay kopakopahin’ny tsy tafiditra anaty fitondrana,
no mitady ny vaha olana ivoahana anaty hantsana sy hamaliana ny fampanantenana natao teo ampiadina ny toerana.
Fanampiny, dimy taona no fotoam-paharetan’ny fahefam-pitondrana voafidy eto amintsika.
Dimy taona izany, toa ny indray mipi-maso anatin’ny Tantara. Raha mpitondra manavao ny toerana,
mety ho lany herintaona vao mahafehy ny rafitra manontolo sy mahatafapetraka lamina mety hitondra
vokatra. Indrindra ka miovaova lava ny andraikitra sahanin’ny Minisitera isaky ny miova ny mpitondra.
Mandritra izany, mandroatra toa ny ronono ambony fatana ny toe-draharaha rehetra teraky ny krizy.
Isan’izany ny fisalasalan’ny mpiara-miasa iraisam-pirenena samihafa izay mbola miantoka eo amin’ny
40% ny tetibola fampandehanan-draharaha. Mahalasa saina ihany raha ampitaihaina amina
ankohonana iray izay dimam-polo niorenana nefa mbola mindrana foana ny 40% ny vola ilainy
ivelomana isan’andro. Tsy mbola miresaka ny tetibola fanorenana fofodrafitrasa akory amin’izany…
Tsy misy mahavita fahagagana anefa na iza na iza tonga eo. Raharaham-pirenena no resahina
fa tsy fivarotana enta-madinika. Aman-taonany vao misy vokatsoa mitsimoka sy mety ho hita taratra
mahenika ny Firenena raha mazava ny lalan-kombana ka mitohy ny ezaka. Ny roa taona farany
amin’ilay dimy nahazoana tso-drano tsy maintsy efa mitetika izay ahatafaverenana ara-dalàna eo
amin’ny fitantanana indray. Miketrika ny fifidianana ho avy. Tsy azo hanomezan-tsiny izany, indrindra
raha niaraha-mahita fa nahitam-bokatsoa mipariaka ilay fitondrana ary fanampiny, araka ny voalaza
teo : tsy misy fanarenana sy fisandratana mateza vita anatin’ny dimy taona izany, ka raha afaka mitohy
ny asa dia tsy misy maharatsy izany. Raha misy milaza fa mahavita manarina izao misy izao anatin’ny

6

dimy taona dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe « Mampihomehy ». Azo mbola ampiana ireo
voaresaka ireo, fa ny tiana havoitra dia ity : mila ary mendrika fifampitondrana tena miorim-paka
anatin’ny vahoaka, mila mpitondra mampitsimoka fanantenana sy fifampatokisana amin’ny vahoaka,
miteraka vokatsoa ho an’ny Firenena isika. Manomboka amin’ny fanavaozana ny fomba fanaovana
politika izany ary mitohy amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana manatanteraka.
Raha fitondrana mihevaheva, lavitra ny vahoaka sady miankin-doha amin’ny any ivelany no
tohizana eto dia ho indray mitelina ao anatin’ny fanatontoloana ny malagasy sy i Madagasikara. Sangy
mahery fiadiana tombontsoa no fitsipiky ny fanantontoloana. Miasa anatin’izany daholo ireo
fikambanana iraisam-pirenena mifandray sy miara-miasa amin’i Madagasikara, ireo masoivohompirenena vahiny nankatoaviana hiasa eto Madagasikara. Nazava tsara ohatra ny nambaran’ny
solontenan’ny Firaisambe Eropeana4 hoe : « Ny anampianay anareo amin’ny vola fampandehanandraharaha dia ametrahana fifampitondrana misy fitsipi-dalao mazava, mba ahafahanay mandroso
amin’ny resaka ara-barotra. » Mazava ny tadiavin’ireo izay miara miasa amin’i Madagasikara
n’inon’inona sehatra : ny tombontsoany. Madagasikara ve mahafantatra ny tombontsoa tadiaviny
amin’ireny fiaraha-miasa ireny sa tonga amin’ilay hoe « aleo mihinan-kely toa izay mandry fotsy » ?
Mitaiza ny toe-tsaina mitrakà sy ahazaka tena eo amin’ny vahoaka ve ny fiaraha-miasa tamin’ny vahiny
hatramin’izay sa nandetika tanatin’ny lohany hoe tsy tafavoaka isika raha tsisy ny vahiny, ny vazaha ?
Firenena manana ny harena ananan’i Madagasikara ve dia tokony ahitana vahoaka fara hidiny toa ny
malagasy ? Ny tsy manana ny ampaha folon’ny ananantsika aza tafavoaka ?
Raha miorim-paka any ifotony ny fifampitondrana dia manamora ny fampivondronana ny
angovo sy ny jina izany, manamora ny fihariana miainga amin’ny tontolon-java boahary sy ny harena
koboniny isam-paritra, manerana ny Firenena ary voafehy manomboka any ifotony. Izany no entimiatrika miaraka, ny fanatontoloana. Ho an’ny tombontsoan’ny malagasy sy Madagasikara miaraka
amin’izay afaka mampifandanja ny tombontsoany amin’ny laharam-pahamehan’ny vahoaka sy ny
Firenentsika. Fifandresen-dahatra sy fifanarahana hentitra no mifehy ny fiaraha-miasa amin’ny any
ivelany. Ny entan-jaray mora zaka ary ny vokatsoa samy mahazo.
Sangy mahery fa tsy kilalao
Sangy mahery mbola fehezin’ny renivola goavambe ny fanatontoloana amin’ny endriny
ankehitriny. Nanomboka tamin’ny taona 2008 ny krizy ara-bola henjana, vokatry ny fitivam-bola
mihoampapana nampitrosona ny toe-karen’ny firenen-dehibe maro. Mbola be no tsy tafarina
taorian’iny krizy ara-bola iny ary amin’ny ankapobeny dia mihodinkodina anaty krizy hatramin’izao ny
firenena manankarena. Anontanio ny havana aman-tsakaiza monina any raha miadam-pinaritra araka
ny fiheveran’ny maro azy izy ireo. Mitovy amin’ny mahazo an’i Madagasikara ihany : feno « Mizana
tsindrian’ila mifanaingina ». 240 900 miliara amin’ny vola dollar no tetibidin’ny harena maneran-tany
tamin’ny taona 2013. 8,4% ny mponina monja no tompon’ny 83,3% amin’izany harem-be izany5.
Dikany : ankilabaon’ny fihariana sy fitsinjaran-karena ny maro an’isa, mitombo isa ny olona very asa
any amin’ny firenena mandroso satria izay hampatavy ny renivola no tanjona fa tsy izay ahasoa ny
olona. Rehefa alalinina ireo ady mipoaka atsy sy aroa dia mazava hatrany fa misy harem-be (akora isankarazany, zotram-pitaterana entana na solika sy entona fandrehitra ohatra) ao ambadika. Ary satria
azo heverina ho fisetrasetrana ny fomba fampiasana ny renivola izay hazon-damosin’ny politika
ampiharin’ny firenen-dehibe sy manankarena, tsy tandrefana irery, dia mivaly setrasetra tena mety
ampidi-doza maneran-tany izy izao. Ohatra farany amin’izany ny fampiasan’ny ankolafin’olona mahery
setra ny finoana silamo hanjary fitaovana politika andrombahana fahefana, amonoany olom-pirenena
tandrefana toa ny akoho : tapahiny ny lohany. Miverina amin’ny fahabiby.
4

Vaovao volana Septambra 2014.

5

Rapport Global Wealth Databook 2013, Crédit Suisse.

7

Ao anatin’izany fanantontoloana mihontsakotsana izany koa anefa dia mitsimoka ny tarapihavaozana samihafa, manome hasina ny maha-olona, miezaka mandrafitra fiharian-karena mandala
kokoa ny rariny sy hitsiny, mitandro ary miady mafy mba tsy ho fandripahana sy tontolon-javaboahary
ny lazaina fa fandrosoana, manao ny fikarohana samihafa mba ampitaovana izany lalam-pivoarana
mitandro ny maha Olona izany, miady amin’ny fikirakirana simika sy zenetika hamoronana karazantsakafo izay ahian’ny mpikaroka maro ho fototr’aretina manimba ny olona fa mampitombo kosa ny
tombom-barotra ho an’ny renivola, miady mba tsy ho fanariam-pakon’ny tany lazaina fa mandroso ny
tany mikatsaka ny lalam-pandrosoana sahaza azy, sns.
Izany no tontolo manodidina an’i Madagasikara mikaroka ny lalam-piharenana sy fihavaozana
ka raha fitondrana tsy miorim-paka kokoa amin’ny vahoaka sy ny hery velona rehetra no ajoro, raha
tsy olona manana vina ho an’i Madagasikara, sady manam-pahaizana no manam-panahy sy
fahasahiana no mitondra, dia ho toa ny ravi-maina entin-driaka fotsiny ny ampitson’i Madagasikara
anaty fanantontoloana. Isika rehetra misavily eny amboniny.

FIFAMPITONDRANA AFA TAHOTRA,
MALAGASY MATOKY NY TENANY SY MIFANAJA
Noho ny « Fifandimbiasam-pahefana valin-kitsaka » sy ny kolontsaina mandala hery setra
terak’izany, noho ny fivangongom-pahefana any an-tampony izay tsy misaraka amin’ny didiko fehylehibe, noho ny kolontsaina fizahozahoan’ny manampahefana sasany, noho ny fitondran-tenan’ny
olom-boafidy sasany, fandoto iray tandroka, dia tankina ny feom-bahoaka. Etsy andaniny, ny
fototenin’ny voambolana hoe Fanjakana moa dia Mpanjaka rahateo, ka dia mora mibahana ao antsain’ny sarababen’ny olona ny akon’ny kabary tsy valiana fahizay. Santionany vitsivitsy amin’ny taratra
fifampitondrana raiki-tahotra ireo. Tsy misy fanarenana sy fahombiazana ho vita anaty tahotra ary ny
fitiavana izay setrin’ny tahotra dia tsy fahalemena akory. Fifanajana sy fifampitokisana no ilaina
hitsimoka indray eo amin’ny voahosotra ho mpitondra sy ny olom-pirenena, loharanon’ny fahefana
rehetra fa mora adino rehefa avy naneho ny safidiny.
Ny fanomezana hasiny indray ny fifampitondrana repoblikana izay miorim-paka eo amin’ny
olom-pirenena afa-tahotra, voahaja eo amin’ny safidim-piaraha-monina nampindramany ny fahefany,
malalaka hanana ny heviny sy haneho izany no lasitra ho an’ny tokontanim-panarenana izay
mampangetaheta ny mandala ny rariny sy hitsiny rehetra. Eo amin’izany tokontany nohavaozina izany
no hamaritana ny fitsipi-dalao vaovao eo amin’ny fifanandrinana ara-politika manalavitra toa fasambao ny « Fifandimbiasam-pitondrana valin-kitsaka ». Eo koa no ifampitaizana amin’ny fiandraiketampahefana satria ny avo no afaka manetri-tena fa ny iva no alaim-panahy anambony tena, hizahozaho.
Avo dia avo ny fahefan’ny voahosotra sy voatendry hitondra Firenena ka ny fanazaran-tenany
voalohany dia ny manongilan-tsofina lalandava amin’ny feom-bahoaka.
Adidy roa sosona ny an’ny mpitondra ankehitriny izay itontonan’ny vokatry ny dimam-polo
taona mahery tsy nahitan’ny Firenena malagasy ny lalam-pahombiazana hitan’ny firenen-kafa
nitovitovy tantara taminy, miampy ny vokatry krizy lavareny nandritra ny dimy taona. Voalohany, tsy
maintsy manamaivana haingana ny fanaintainana isan-karazany, isam-baravarana. Tsy ho vitan’ny
ravoravo atentina sy ny vaha-olana vonjy maika anefa izany fa tsy maintsy omena dikany mazava. Ny
fampisiana dikany dia ny fametrahana ireo andiam-baha-olana maika anatin’ny vina mety ho
lavitr’ezaka, takatry ny sain’ny sarababen’olona, mampitsimoka fanantenana sy fifampatokisana ka
manambatra ny herim-po sy finiavana hiara manarina ny Firenena. Raha tsy voa-ainga hiara-mandroso
ny olona, tsy misy n’inon’inona handeha sy hiova eto ary hihombo ny aretina.
Mendrika fiainana tsara lavitra noho izao ny malagasy noho ny lovan-karena voajanahary
iriariavany sy ny toerana misy ny taniny. Mendrika ampitso mamiratra irian’olona fa tsy haniry olona

8

ny Firenena Malagasy. Manana andraikitra ho fanatanterahana izany ny isam-batan’olona fa tsy
maintsy mialoha lalana amin-kitsim-po sy fahamendrehana ny mpitondra.
« Tsy misy tsy diso izay mandia amin’ny tany, fa izay mivarilavo no adala indrindra » hoy ny
Antsaly. Hoy kosa ny Ohabolana : « Ny hanongotsogoana ny maty, tsy tanty ny andevim-belona » « Ny
adalan’ny tena tafiana lamba ary ny hendry ihany no anarina »
Tsilavina Ralaindimby
Olom-pirenena mandala ny Rariny sy Hitsiny
Oct 2014.
9


FANARENANA.pdf - page 1/9
 
FANARENANA.pdf - page 2/9
FANARENANA.pdf - page 3/9
FANARENANA.pdf - page 4/9
FANARENANA.pdf - page 5/9
FANARENANA.pdf - page 6/9
 




Télécharger le fichier (PDF)


FANARENANA.pdf (PDF, 624 Ko)

Télécharger
Formats alternatifs: ZIP



Documents similaires


fanarenana
lalampanorenana 2010 1
tady laharana 186
lettreouverteavecpetitionsignee ileseparses
madagascar prsp malagasy
bulletin mensuel tresor n36

Sur le même sujet..