FANARENANA.pdf


Aperçu du fichier PDF fanarenana.pdf

Page 1 2 3 4 5 6 7 8 9




Aperçu texte


ara-drariny, sns. Mila mifanala-tahotra isika ary miara-mampitsimoka fahatokisan-tena sy firaisankina. Tsy vita izany raha tsy havaina aloha ny saha efa rakotry ny ahi-dratsy, mandragiragy tsara ny
nofon-tany mialoha ny amafazana masomboly voafantina. Ny fisainana tranainy tsy hiteraka hevibaovao na oviana na oviana.

NY FIVOHY TRANAINY
Roa-polo taona lasa, raha tsy mihoatra an’izany aza, fitanisan’ny mpitondra sy ny mpilalao
politika ny hoe « Firaisam-pirenena ». Ankehitriny dia ny hoe « Fampihavanam-pirenena » indray no
malaza sy vohizin’ny mpanarato politika ambony lakan-jejo. Hatraiza ny halalanin’ny fakan’ireo
lohahevitra ireo ka tokony hitandremana ny fefiloha tsy hampitrosona antsika intsony eo amin’ny
lalan’ny Tantara ? Hatraiza kosa no manomboka ho fanodikodinana ady hevitra, mira fandrebirebena
indraindray, ny fivohizana azy ireo eo amin’ny sehatry ny adim-pahefana ara-politika ?
Hatraiza marina ny faniriana hanodina ny pejin’ny Tantarantsika ary ho aiza ny diam-peninana
ho soratana amin’ny pejy manaraka ? Ny hoe ahodina ny pejy tsy midika hoe rovitina na dorana ny
pejy tany aloha. Ary ny pejy vaovao tsy natao hanaovana dika mitovy na dika vilana ny pejy efa
nihodina.
Firaisam-pirenena ?
Izay vakivaky no mila ampiraisina, ka inona moa no nivakivaky teo amin’ny tantarampirenena ? Tany alohan’ny fanjanahan-tany dia nahitana fanjakana maromaro i Madagasikara. Toa izay
nisy tany amin’ny Firenen-kafa taon-jato maro lasa dia nifanafika ireo fanjakana ireo mba hanitarana
ny farim-piandrianany avy. Rehefa ady no resahina dia misy ny maratra, ny babo izay mety natao na
namidy ho andevo, ny maty. Na aiza na aiza dia miteraka alahelo sy lolom-po lalim-paka ny ady satria
nandringotra ny aina. Izay no maharatsy azy ho an’ny fiarahamonina. Izany no ifadiana araka izay tratra
ny fampiasan-kery eo amin’ny fandaminam-piarahamonina. Tsy ny ady sy fampiasan-kery ihany anefa
no niteraka fandaminana vaovao tamin’izany andalan-tantara izany fa teo koa ny fe-pihavanana
samihafa, ny fifanakalozam-pahalalana na koa ny fifanambadiana.
Rehefa nobaboin’ny fitondrana mpanjana-tany ny Firenena malagasy dia nitondra ny fomba
famakivakiany azy indray ry zareo. Izany vanim-potoana izany no nandrenesana indrindra ny hoe
« zarazarao hanjakana ». Na ny fomba famaritana ny fizaram-paritra aza dia endriky ny fomba tiany
nizarazarana ny malagasy sy hanamorany ny fampiharam-pahefana. Ohatra fantatry ny maro :
nambarany fa valo ambin’ny folo ny foko eto Madagasikara nefa isika mahafantatra tsara fa mihoatra
noho izany ny foko raha ny lalam-pisainana sy heviteny malagasy no amaritana azy. Kanefa
hatramin’izao dia betsaka no manara-davahana mamerimberina hoe foko valo ambin’ny folo, na
hikabary na hihira... Fanampin’izany, ny nandikan’ny mpanjana-tany ny hoe foko amin’ny teniny dia
hoe « ethnie ». Vao mamaky raki-bolana anefa dia mahita fa tsy mifanaraka velively amin’ny heviteny
hoe « ethnie » ny antsoina hoe foko aty amintsika satria misy fototra iombonan’ny kolontsain’ny
malagasy, na foko inona na foko inona fihaviany. Ny endrika isehoany no mety miova. Mazava fa iray
fototra koa ny teny malagasy manerana ny Nosy. Ireo fanamarihina roa ireo fotsiny dia efa azo ilàzana
fa diso ny fandikana amin’ny hoe « ethnie » ny teny hoe foko. Kanefa dia izay no nandidiany azy satria
nampety ny politikany, ary mbola misy olona mba nahita fianarana ihany nefa dia miventy ny hoe « 18
ethnies » rehefa hilaza ny isan’ny foko eto Madagasikara. Manara-davahana dia gaga rehefa latsaka
an-davaka.
Rehefa avy novakivakiany ara-poko dia mbola novakivakiany ara-pihaviana indray. Nolalaoviny
izay mety ho alahelo sy lolom-po teraky ny fifanandrininana ara-tantara tany aloha tany mba
ampifandrafesana bebe kokoa hatrany ny malagasy monina afovoan-tany sy anindran-tany. Ary mbola

2