Article GBUT 2014 .pdf



Nom original: Article GBUT 2014.pdf

Ce document au format PDF 1.4 a été généré par Adobe InDesign CS6 (Windows) / Adobe PDF Library 10.0.1, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 30/10/2014 à 08:13, depuis l'adresse IP 41.188.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 891 fois.
Taille du document: 700 Ko (6 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


Groupe Biblique Universitaire de Tananarive

EDITORIAL
Chers membres,
C’est avec un cœur plein de reconnaissance que nous remercions notre
Dieu de nous avoir choisis comme étant ses serviteurs au sein du GBUT.
Des mois se sont écoulés qu’aujourd’hui nous entamons déjà le dernier bimestre pour cette année. Toutefois, méditons notre vie spirituelle et notre
relation avec le Christ durant ces mois qui se sont succédé. Car des fois,
les études bibliques, les messages ou les conférences nous sommes familiers et que nous laissons passer comme si de rien était. Pourtant pour
tenir ferme contre vents et marées, et témoigner dans notre vie quotidienne
l’amour de Dieu qui nous habite, dépend de notre foi ; en d’autres termes
notre communion personnelle avec le Seigneur. Cette édition est mis à
notre portée afin de nous édifier et de renforcer notre foi en Jésus Christ.
Que le Seigneur nous donne la grâce et la joie de vivre ce bimestre, qui
a déjà commencé, dans une plus grande disponibilité à accueillir ce que
Dieu voudra pour chacun.

Etudiant chrétien,
sel et lumière de l’Université

Fifi 1

Vivre
La Seigneurie du Christ

Que désigne le terme : « Seigneur » ?

L

e mot « Seigneur » indique celui qui règne, gouverne ou dirige.
C’est celui qui jouit d’une autorité suprême et détient tous les droits sur une
autre personne qui lui est assujettie.

Comment il aimera que j’étudie ? Quelle
sera sa volonté dans mon avenir ? Dans
quel filial ou ministère aimera-t-Il que j’y
travaille?

Je lui appartiens et dans mes études je
« C’est en 2008 que j’ai accepté Jé- marche selon sa volonté sans être corsus comme mon Seigneur et cela a en- rompu et bien conserver ma sainteté.
trainé beaucoup de changement dans
ma vie car Dieu avait agi en moi. Mes frères, Jésus désire occuper la première place dans votre vie. Première
Jésus est devenu mon Seigneur, cela veut place signifie plus élevé que quiconque ou
dire que je suis sa possession et que ma vie quoique ce soit. Il voudrait que vous lui
dépend de Lui. J’ai totalement confiance en permettiez de gérer les affaires de votre vie.
Lui et je sais qu’il prend bien soin de moi.
Il existe un moyen simple de connaître
En tant que Seigneur je lui dois du si un aspect de votre vie est voué à l’aurespect, d’obéissance et de la crainte torité de Jésus en tant que Seigneur. Podans tous ce que je fais. Mais dans cette sez-vous la question suivante :
relation Seigneur-serviteur, il existe une
relation d’amour car je fais partie de « S’il me le demandait, serais-je disposé à
sa famille et qu’Il est mon grand frère. céder mes droits sur tel aspect de ma vie ? »

Lorsque vous avez invité Jésus à entrer dans votre vie, il est devenu votre
Seigneur c’est-à-dire Il occupe la première place comme Maitre, direc- Pour mes études, c’est vrai que j’ai beauteur et chef. Il l’a même dit : «Vous coup de défis tels que : être major, finir ma
m’appelez Maître et Seigneur; et vous mémoire à temps, avoir un bon travail...
dites bien, car je le suis. » Jean 13 :13
Ainsi, plusieurs questions m’intriguent :

Andrésia

COMMUNICATION 2014

RASAMINIRAINA Nasolo F. Raitra
étudiant en Information Géographique et
foncier en Master I, Ex-GBUT et maintenant GBU Vontovorona va nous parler
de comment il vit la Seigneurie du Christ.

Groupe Biblique Universitaire de Tananarive
Manana
firaisana amin’Andriamanitra ve ny GBUT?
Raha nanao stage tao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire de Gyneco-obstetrique Befelatana aho nandritra ny 3 volana
teo, dia nahita isan’andro ireo vehivavy bevohoka izay tonga hiteraka. Fijaliana tokoa no iatrehan’izy ireo ny fiterahana noho
ny fanaintainana, saingy fifaliana kosa ny azy sy ny fianakaviany rehefa teraka ilay zaza. Raha alefa kely ny saina mieritreritra
hoe taiza no nihavian’iny zazakely iny? ...Iarahantsika mahalala angamba fa tsy misy ny atao hoe zanaka raha tsy nisy ny firaisana teo amin’ny mpivady.

A

zo oharina amin’izany koa ny fiainantsika
zanak’Andriamanitra
rehefa miteraka ny vokatry ny Fanahy
isika (nefa aoka ho amin’ny saina madio no ieritreretantsika izany): tsy
misy ny vokatry ny Fanahy rehefa tsy misy ny firaisana amin’Andriamanitra araka ny Jaona 15.5.
Mandrakariva isika dia mieritreritra fa manana firaisana amin’Andriamanitra rehefa mivavaka sy
mamaky ny Tenin’Andriamanitra
isan’andro. Aoka anefa havahana
tsara ny hafanam-po amin’ny fivavahana sy ny legalisma (= tokony
hivavaka 30 minitra isan’andro ny
kristiana noho izany dia tokony
hanao izany aho). Na ny hafanam-po hivavaka aza dia tsy tonga
ho azy avy amin’ny fahazarana fotsiny
ihany, fa ao amin’ny fiambenana sy ny
fahononantena kosa araka ny 1 Pet 4.7.
Misy ny fototeny hoe” iray “ao anatin’ny
teny hoe firaisana. Lazaina fa misy ny
firaisana rehefa tsy zavatra 2 intsony no
hita fa iray (oh:firaisan-tsaina), ary tsy
resaka fifandraisana fotsiny ihany izany
fa tena fiombonana mihitsy koa. Tsara
hofantantsika ihany fa ny zava-boahary
mitafy nofo rehetra(ny olombelona) dia
manana ny sitrapony manokana dia ny
manao izay mahafinaritra azy, ary rehefa nino sy nanaiky an’i Jesoa Kristy izy
dia tafiditra ao anatin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay marihina fa tsy fanjakan’ny Baroa fa fanjakana misy Mpanjaka izay mifehy ny fanjakany araka ny
sitrapony. Lasa misy sitrapo 2 noho izany eo amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra dia ny sitrapony sy ny sitrapon’ny
Rainy. Misy ny firaisana amin’Andriama-

nitra rehefa tsy ny sitraponao na sitrapo
mifangaro no hita eny amin’izay ataonao
fa ny sitrapon’Andriamanitra irery ihany.

toavana.
Raharahan’ny sitrapo io ary
tsy vokatry ny kisendrasendra na ny tsy
nampoizina ka hisy hilaza hoe “Tafankatò
ho azy an’Andriamanitra aho androany”, fa vokatry ny fanekena tanteraka avy amin’ny saina sy ny fo ary ny
fanahy fa “Andriamanitra no Mpanjakako, ary amin’ny sitrapony no ifehezany ahy ka dia hankatò Azy aho.”
Noho ny amin’izany indrindra no nilazan’i Jesoa Kristy fa izay rehetra te
hanaraka Azy dia tsy maintsy mandà
ny tenany, izany hoe mampandefitra ny sitrapony manoloana ny sitrapon’
Andriamanitra (Lio 9.23).

Ao amin’ny Jaona 15: 1-11, Jesoa kristy
no mamaritra io firaisana amin’Andriamanitra io: eo amin’ny and.4 no ilazany
fa misy ny firaisana aminy rehefa mitoetra ao aminy isika (amin’ny fitiavany)
ary Izy ato amintsika. Eny amin’ny and 9
kosa no amaritany ny atao hoe “mitoetra
amin’ny fitiavany”, dia ny fankatoavana
ny didiny. Raha tsorina izany dia tsy misaraka amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny firaisana amin’Andriamanitra.
Mipetraka indray ary ny fanontaniana
hoe:” Mankatò an’Andriamanitra ve
ianao ry GBUT?”

N

y fankatoavana an’Andriamanitra dia ny fandavana izay zavatra
mahafinaritra ny tena mba hanekena ny
fitondrana sy ny sitrapon’Andriamanitra. Raha izany ary dia toa mila hetsika
be ilay Mankatò ka sarotra ny ilazana
fa raharahan’ny fihetsem-po ny fanka-

Ny fankatoavana mantsy dia vokatry
ny toe-po iray: dia ny fanekena ny fitondrana sy ny fahefana misy (soumission), na mahafinaritra io na tsia, ary izany
dia vokatry ny fandavana ny tena fa raha
ny mahafinaritra ny tena izao mantsy dia
ny miaina ao anatin’ny fahalalahana, tsy
misy mamehy.Efa hatrany am-boalohany
izany, te hahazo fahafahana bebe kokoa
ivelan’ny fitondrana sy ny fahefan’Andriamanitra ny olona ( rehefa notarihin’i Satana) kanjo lasa andevon’ny ota.
Mampianatra antsika ny fankatoavana ny
fiainan’i Jesoa Kristy: Filipiana 2 : 5-8:
Aoka ho ao aminareo izao saina izao,
izay tao amin’i Kristy Jesoa koa, Izay,
na dia nanana ny endrik’Andriamanitra
aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny
mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra,
fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany
ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho
olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky
hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fa-

Groupe Biblique Universitaire de Tananarive

tamin’ny

hazo

fijaliana.

Tsy te hankatò isika raha mbola manana
izao eritreritra izao:”Tsy mba hanan-jò
hanao izay mba mahafinaritra ahy mihitsy
aho izany fa ny hanao izay tiany ihany??!!”
Ampaherezana antsika izao teny izao:
“ Andriamanitra no tokony hitondra sy
hifehy ny fiainantsika satria Izy no nanao
izany ary hainy tsara ny mitondra izany, fa
isika kosa tsy mahay na dia te hitondra aza
(mba hanaovantsika izay tiantsika atao??),
noho izany dia mila manaiky Azy isika.
Ny zavatra rehetra miseho eo amin’ny
fiainantsika dia taratry ny fitondran’Andriamanitra, ary tsy misy miseho raha tsy
avelany hiseho ka dia andao hanaiky Azy
satria hainy ny mandamina izany (ialako
tsiny fa somary mahery ny teniko).Ohabolana 3: 6 “Maneke Azy amin’ny alehanao
rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao.”
Toe-po tian’Andriamanitra hananan’ny
zanany rehetra izany ary amporisihany
antsika, arak any hitantsika ao amin’ny
1Petera 1: 14: tahaka ny zanaka manoa,
tsy mitondra tena araka ny filanareo
fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo.
Ireto misy endrim-pankatoavana ny
Tenin’Andriamanitra amin’ny fiainana
andavan’andro:
1- Ny fanekena izay sitrapon’Andriamanitra ho antsika amin’ny fiainantsika andavan’andro: fanekena ny Ray aman-dreny
(Efes 6.1), ny Tompo araka ny nofo (Efes
6 .5), ny mpitarika (Heb 13.7), ny fahefana rehetra apetraky ny olona (1 Pet 2.13)
raha tsy hoe mitarika antsika hanota izany,
ka amin’izay indray vao mihatra ilay Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Asa.5.29,
fanekena izay zavatra rehetra miseho na
mahafinaritra izany na tsia (1 Tes 5.18),
fanekena izay zavatra ataon’ny hafa aminao, izany hoe fandeferana mafy tahaka ny an’i Jesoa Kristy (Mat 5.39-42)…
2- Fanekena izay sitrapon’Andriamanitra
ho an’ny hafa tiany hatao amin’ny alalan-

ao (Fil 1.2-4...): fitiavana azy, famelana ny
helony, fitoriana ny filazantsara aminy, fananarana azy, fanaovana aminy izay tianao
hatao aminao, fandavanao tsy hanao izay
manimba azy, fanomezana azy izay ilainy...
Mety ho noho isika tsy rototra
amin’ny fankatoavana ihany koa angamba no mahatonga antsika tsy hankatò,
na koa varimbariana amin’ny zavatra
manery antsika amin’ny fiainana andavan’andro, fa Andriamanitra kosa dia efa
nanome izay fitaovana rehetra ilaintsika
amin’ny fankatoavana, ary tsy misy fialantsiny azontsika atao raha mbola miaina
ao anatin’ny tsy fankatoavana isika: mety
hisy hanontani-tena hoe fa nahoana ary i
ranona no mahafehi-tena tsara amin’ny
fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra? na
koa nahoana ary izy no sahy mijoro any
am-pianarana? na sahy mitory amin’ireo
namany?...Aza apetraka aminao intsony
ny fanontaniana fa tsy misy zava-mahagaga ao anatin’izany fa efa fantantsika tsara avokoa, aoka samy hifoha tsara
amin’izay!!Tsy misy kristiana afa-miaina
tsara ny maha kristiana azy ka tsy misy ny
fiasan’Andriamanitra: nanome ny Fanahiny Andriamanitra izay mampahafantatra ny sitrapony amintsika rehefa miezaka
mamantatra ny sitrapony isika, ary izay ny
ilana ny fisaintsainantsika isan’andro ny
Teniny...fa tsy vakiana fotsiny (2 Tim 2.7)!
Ny tokony ho fanontaniana hapetrantsika matetika ao anatin’ny iray andro
angamba hoy aho dia izao:” Inona Tompo
ô ny tianao hataoko amin’izao? “. Rehefa
fantatrao amin’izay ilay sitrapon’Andriamanitra ka manaiky tsara ny fahalehibiazan’Andriamanitra ianao manoloana ny
sitraponao, dia vao manome anao hery
hankatoavana ny Fanahiny. Rehefa hitany
ao anatin’ny fonao mantsy fa nisafidy Azy
ianao dia amin’izay Izy vao miasa. Jakoba
4: 7-8:”Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia
handositra anareo izy. Manatona an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.”

Tsy hanao teolojian’ny fananankarena aho raha hilaza ny tombotsoa azo
avy amin’ny fankatoavana, fa ny Tenin’Andriamanitra iray manontolo kosa
anefa dia milaza miharihary fa misy
valim-pitia omanina sy homen’Andriamanitra ho an’izay mpankatò ( Jak 1.12;
Deot 30.19...) fa ny hindraindraiko dia
izay miverina matetika indrindra ao,
dia ny FIAINANA izay tsapa amin’ny
atao hoe FIADANAM-PO ary mahatonga anao ho sambatra amin’izay ataonao
rehetra (Jak 1.25). Tsindriko eto fa miharihary amin’izay mahatsapa azy ny
fiadanam-po, fa tsy ny tsy fisian’ny fihetsem-po avy amin’ny alahelo na fahatezerana fotsiny ihany, miteraka fifaliana
tanteraka mantsy izy io ka izay no mahatonga azy ho mahasambatra, ary izay efa
zatra azy dia tsy ho tamana ao anatin’ny
tsy fiadanana velively ka handinin-tena haingana sao nisy tsy fankatoavana.
Rehefa tsy mankatò kosa isika dia voatery mikapoka Andriamanitra ary manao izay fomba rehetra hiverenantsika sy
hanekentsika ny fitondrany. Mandray antsika indray anefa Izy raha miaiky ny tsy
fankatoavantsika eo anatrehany isika ka
mandeha am-patokiana fa mahadio ny tsy
fahatanterahantsika ny ran’i Jesoa Kristy,
ka maneho Aminy fa vonona hankatò
Azy indray isika. Ary eo dia lazainy ao
amin’ny 1 Jao 1.7 fa manana firaisana
aminy isika satria mandeha amin’ny mazava. Endrey ny fitiavan’ny Tompo e!

COMMUNICATION 2014

hafatesana

Groupe Biblique Universitaire de Tananarive

Izao sarisary izao no hamintinako azy: tsara raha vakiana avy eny ambany.

Ry rahalahy, Fanjakana tàn-dalàna ny fanjakan’ny Raintsika izay misy antsika io, dia ny lalàn’ny fitiavana, ndao isika
hiezaka hamantatra isan’andro ny sitrapony ka hankatò Azy ao anatin’ny fianteherana amin’ny heriny. Amen
S.Libanona

S.Libanona

COMMUNICATION 2014

Ry rahalahy, Fanjakana tàn-dalàna ny fanjakan’ny Raintsika izay misy antsika io, dia ny lalàn’ny fitiavana, ndao isika
hiezaka hamantatra isan’andro ny sitrapony ka hankatò Azy ao anatin’ny fianteherana amin’ny heriny . Amen

Groupe Biblique Universitaire de Tananarive

Ny hoe
Ny hoe manao Azy ho Tompo !
Dia tsy izay milaza ho mpivavaka,
Ka manova toetra mba hiavaka
Fa ireo nibebaka ka niova fo
Mba hanjakan’Ilay Tompo Jesoa
Tsy ireo mahay fahagagana
Tsy ireo mahay fahatsarana
Fa ireo izay faly fa novonjeny
Ka vonona ny hitory Azy ombieny
Tsy ireo rehetra mahalala baiboly
Tsy ireo rehetra manala devoly
Fa izay miaino ny feony
Izay mandinin-tena noho ny teniny

Ny hoe manao Azy ho Tompo !
Dia ny miaina ilay fanjakany
Manaiky izay fitondrany
Manaiky izay fandaharany
Ireo izay rehetra manaiky ny Anarany
Ireo izay vonona tsy miambahamba
Tena vonona hitarika ny jamba
Ireo izay vonona hanao ny tsara
Tena vonona hitory ny filazantsara
Ireo tena sahy miantso hoe « Tompo »
Na hesoina aza hoe « voadonto »
Na vonoina sy hambakaina
Na haratsiana sy latsalatsaina

Dia ireo tena sahy ho vavolombelony
Ireo tena vonona hiaiky ny helony
Ka hanaiky hianatra sy hankato
Izay lazain’ilay Ray Tsitoha
Ireo izay rehetra tsy menatra ny Anarany
Na ao an-trano, na any am-pianarany
Ireo izay mivavaka amin’ny fo sy fanahy
Ireo izay tena tia ny rahalahy
Ianao ve manao Azy ho Tompo ?
Notahina R.

Groupe Biblique Universitaire de Tananarive
Ny tenin’Andriamanitra
Ny tenin’Andriamanitra tsy mba hitafaritra
Nefa dia maranitra
Tonga dia mahitsy, ka avy hatrany dia manitsy
Fa tsy mba mitsitsy
Izy no namoronana, ka tonga mafy orina
Ny tontolo manontolo
Ny tenin’Andriamanitra, tsy lesona mampiesona !
Fa fiainana hiainana
Ka tsy ilaina fahalainana
Ny fampiarana azy, ary tsy atao vazivazy
Ny tenin’Andriamanitra dia faharesen-dahatra
Ka tsy sasatra manarina
Sy mampahafantatrany marina
Amin’ny olona miravaka, ny fomba anaty lavaka
Ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba mangina
Fa mampita vina, ho an’ny olona liana
Mamaky isan’andro, na mandry izy
Na mahandro.

Noho izany izy tsy miverina,
Raha tsy vita sy tafita
Ny hafatra izay fatratra
Niantsoany sy niantsorohany
Avy amin’ny Jesoa Fitiavana
Hahatonga antsika ho mpihavana
Amin’ny Ray, MANDRAKIZAY
Tahiana R.

COMMUNICATION 2014

Ny tenin’Andriamanitra manoro,
nefa koa manorotoro
Ny fanahy mampanahy
Izay mampihorohoro ka tsy mampijoro
Ny olona iray, mizotra ho any amin’ny Ray


Aperçu du document Article  GBUT 2014.pdf - page 1/6
 
Article  GBUT 2014.pdf - page 2/6
Article  GBUT 2014.pdf - page 3/6
Article  GBUT 2014.pdf - page 4/6
Article  GBUT 2014.pdf - page 5/6
Article  GBUT 2014.pdf - page 6/6
 




Télécharger le fichier (PDF)


Article GBUT 2014.pdf (PDF, 700 Ko)

Télécharger
Formats alternatifs: ZIP



Documents similaires


article gbut 2014
article gbut n 02 2014
specialementpourtoin 51
akon ny diosezy ambositra pdf
gazety fevrier 2019
final

Sur le même sujet..