dany 8.3 .pdf
Nom original: dany 8.3.pdfTitre: dany 8.3Auteur: Administrateur
Ce document au format PDF 1.4 a été généré par PDFCreator Version 1.7.3 / GPL Ghostscript 9.10, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 26/12/2014 à 07:01, depuis l'adresse IP 41.204.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 7034 fois.
Taille du document: 2 Mo (12 pages).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
2125
2126
2582. Mahalasa fisainana ny mandiadίa io Ãfiteatįra izay nahafatesan’olombelona an’aliny
maro dia maro tokoa io. 2583. Toraka izany ihany koa : tsy hita isa ny bibidίa, toy ny liona sy ny
tigįra, …, sy ny sisa tsy ary ho voatanίsa, izay nampisamborina eran’ny Apίra Rômaŋā mba ho
nahazoan’ny Ãperêra sy ny vahoakany miala voly ao anatin’ny ra mandriaka. 2584. Araka ny efa mba
fantapantatsίka, dia tsy tambo isaina ny marįtίry katôlίka rômáŋā izay natoraka hopotipotehin’iræny
bibidίa iræny, tao anatin’io Afiteatįra io. 2585. Tao koa ny antsoina hoe gįladiatêra. 2586. Matetika
dia ny olona izay notondroina ho fahavalo sy ny voaheloka ho faty, no nalefa hifamono ho faty tao
anatin’ny Kianja (arène) tao.
2587. Rehefa avy nihorakora-pifaliana tamin’ny fifamamonoan’ny samy biby aloha
indraindray ny Aperêra sy ny vahoaka, izay fihetsika noheverina ho toy ny kilalao asa verimaina
tahaka ny an’ny mpihiragasy, dia ampidirina amin’izay ny karazan’olona samy hafa izay
ampifanenana amin’ny bibidίa. 2588. Miakatra tanteraka tamin’izay ny tosidra samy hafa teo
anatrehan’ny fijininiky ny ran’ny olombelona sy ny bibidίa. 2589. Mifangaro ny fipitipitihan’ny ra,
ary dia mahatsiravina ny hoarakora-pifalian’ny mpitazana rehétra.
2590. Amin’ny farany indrίndra, dia ampidirina amin’izay ny gįladiatêra na ny olombelona
izay mifamono. 2591. Tapitrohatra eo amin’io dingana farany io, ny horakoraka izay tsy ifandrenesana
intsony. 2592. Tsy maintsy tapahin’ny mpandresy ny lohan’ny resy.
2593. Fa alohan’ny hifamonoan’ireo gįladiatêra ireo, dia miondrika sy manaj a ny Ãperêra
aloha izy iréo ka manao manao hoe : « Ave César ! Ceux qui vont s’entretuer te saluent » na
« tsarava ry Ãperêra Şejara ! Miarahaba anao izahay izay hifamono ho faty ». 2594. Matetika dia
fanafahana azy tamin’ny fanamelohana azy ho faty, no valisoa miandry ny mpandresy.
2595. Nefa maro ny tantara marina izay nampiondrika ny mpitazana. 2596. Ohatra ny an’ny
Masimbavy sy ny an’ny Masindahy maro dia maro tokoa, izay natoraka ho no viravirain’ny Liona.
2597. No torakovitra hatramin’ny Ãperêra. 2598. Tsy nihinana azy iréo ny liona na ny bibidίa hafa.
2599. Natory teo an-tongotr’izy iréo fotsiny iréo bibidίa iréo.
2600. Toraka izay ihany koa ny an’ny mpigadra iray. 2601. Afaka nitsoaka nandositra izy.
2602. Niafina tany anaty ala izy. 2603. Tampoka izay anefa, dia nisy biby iray izay no henony
nanatona azy miadana dia miadana. 2604. Liona goavambe no nanoloana azy. 2605. Tsy nihetsika izy.
2606. Natolotr’ilay liona azy ny tanany. 2607. Hay nisy tsilo goavana be tao amin’ny tongony aloha,
ka tsy no afaka nandeha tsara izy. 2608. Nesorin’ilay mpigadra nandositra ny tsilo ary dia afaka
niriarίa soa aman-tsara indray ilay liona.
2609. Samy no voasambotry ny miaramίla Rômaŋā na ilay Liona na ilay Mpigadra izay
nandositra. 2610. Tonga ny fotoana izay hamonoana ilay gadra nandositra kanefa no azo. 2611.
Natoraka tao anaty kianja izy. 2612. Novahaina ny varavarana nisy ny liona.
2613. Tsy nisy nahateny ny olona rehétra. 2614. Natory fotsiny teo an-tongotr’ilay gadra
nohelohina ho faty ilay liona.
2615. Hoy ny Aperêra : inona no tadiavinao ho valisoa ? 2616. Ny antsasaky ny fanjakako ve
sa inona ? 2617. Anjaranao no mamaly izay tokony ho navalin’ilay gadra navotan’ilay liona.
2618. Tena tantara marina tamin’ny andron’ny Aperêra Rômaŋā izany. 2619. Ambonin’izay,
dia tsy hita isa, hoy aho aminao, ny marįtίry katôlίka rômáŋā izay nasaina noviraviraina sy
nohanin’iræny bibidia iræny tany anatin’ny kianja (Arènes) rehétra izay nisy tany, tahaka izay hita
amin’ny sary eto, mba ho no fialambolin’ny vahoaka Rômaŋā.
2127
2620. Ankehitrίny dia toy ny tantara fotsiny izany rehétra izany. 2621. Tsy mivavaka intsony
ny olon’ny Tany sy ny Firenéna Mandroso amin’ny ampany betsaka indrindra.
2622. I Fįraşa dia lasamborona eo anivon’ny fisamboaravoaran’ny fiainana tampoka izay hita
sy misy any amin’ny Tany sy ny Firenena Arabo-Şįlamo any. 2623. Mavaivay amin’izao taona arίvo
fahatélo izao ny ady hevitra ao Fįraşa ao momba ny fampisarahana tanteraka ny Finoana sy ny RafiPitondram-Panjakana (laicité).
2624. Tsy misy izay tsy mahalala fa i Fįraşa no loharano-kevitra nananana io hevitra fototra
momba ny fampisarantsarahana ny Lafin-kery sy ny vondrona samy hafa eo amin’ny lafiny
Fitondrampanjakana io. 2625. Tsy nisy na dia olombelona iray anéfa teto antany teto izay nanam-po
an’io fisavoritahana izay nahazo ny firenéna arabo sy ny finoana Şįlamo tamin’itý taonjato- 21 io itý.
2626. Hatraiza no mety ho fiafarany ? 2627. Ny manampahaizana rehétra dia efa samy milaza
fa hitondra fanavaozana tanteraka momba sy mikasika ny ho endrikendriky ny fiainana eto Antany eto,
hatramin’izao ka ho an’ny mandrakizay, io savoritaka izay niainan’ny Firenéna Arabo-Şįlamo
tamin’ny taona 2011, 2013 sy ny manaraka io. 2628. Mampitaitaina ny olombelona rehétra izany.
2629. Toraka izany no mahazo ny fįraşay amin’ny ankapobeny. 2630. Fantatra mantsy fa i
Fįraşa no Vavimatoan’ny Egįlijy Katôlίka Rômaŋā. 2631. I Fįraşa no Firenéna Zîdaίka Êropeaŋā
farany izay Lehibe indrίndra. 2632. I Fįraşa no Firenéna Işįlamίka Êrôpeaŋā farany izay Lehibe
indrίndra. 2633. I Fįraşa no taninketsa nampandova an’Izao Tontolo Izao ny rafi-Kevitra momba ny
fampisarahana ny Rafi-Pitondram-Panjakana sy momba ny Rafin-draharaham-pinoana (laicité).
2128
Teatįra añáty saha izáy tena mahafinaritra tokóa iréo
2129
Mamerina fomba fanaon’ny Gįréka na ny Rômaŋā Fahiny ny mpilalao.
2130
2131
Tany Ezipįta tany no nahitan’ny Fįraşay voalohany angamba ny vatolahy Telozoro tahaka ny zozoro
hoatra an’io hita eto amin’ny sary eto io. Feno kianjam-batolahy tahaka an’io eran’i Fįraşa. Nalainy
tany Ezipįta ny vatolahy Telozoro fototra izay angahatin’ny Ezipişiaŋā ny famerenana an’io any
aminy. Any Parişy no misy azy (obélisque originale).
Fiangonana tsy ivavahana intsony, lasa « mîjé ».
2132
Fiangonana izay mbola mijanona ho fiangonana ka ivavahana
amin’Andriamanitra Tįrinité Masina.
Vahiny anefa no toa be indrindra amin’ny mpivavaka andavanandro.
2133
Vatamasina misy sisantaolan’i Masindahy Antoine
2134
Io afaran’y ny Obelisque io, dia fiangonana anakiray izay efa tsy ivavahana intsony fa navadiky ny
Fanjakana Fįraşay ho toeram-panaovana fampisehoan-kaikanto samy hafa. Niverina aho tamin’ny
andro nandalovako teo ka tsy no sahy niditra. Tsy esorina ny anarana nahafiangonana azy. Nefa
tamin’izany andro izany, dia fampisehoana momba ny sary arįtişįtika momba ny fahaizana
miboridana sy mijily ary mitanjaka, no fampisehoana natao tao. Gaga ny mpiandry ka nanasa hiditra
tsy nandoa vola. Katôlika Malagasy aho, hoy aho taminy, ka tsy hiditra fiangonana izay avadika ho
fampisehoana sary fiboridanana aho. Marina, hoy izy, namaly ahy fa heno hoe : tena mbola mpahay
mino an’Andriamanitra tokoa ny Malagasy.Tsy afaka miaina lavitra an’Andriamanitra, hono, hoy izy
tamiko, ny vahoaka Malagasy.
2135
Tsy misy relijiozy mihiboka intsony ao anatin’io « cloître » io ao.
2136