KORBATANE 6 NY VOLANA MASINA RAMADANY version 2016 .pdf
À propos / Télécharger Visionner le document
Nom original: KORBATANE 6 NY VOLANA MASINA RAMADANY version 2016.pdf
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Nitro Pro 9 / , et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 07/06/2016 à 23:04, depuis l'adresse IP 41.74.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 645 fois.
Taille du document: 15.7 Mo (31 pages).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
K O R B A T A N E
houssencharly@gmail.com
NY
I L A L L A H N °6
Tél: 034 01 092 93
Taona faha-16
2001-2016
VOLANA MASINA RAMADANY
Iaraha-mahalala fa ny volana masina RAMADANY dia volana iray tsy manam-paharoa ka tsy àry ho
voatanisa eto avokoa ny mombamomba azy rehetra fa sombitsombiny fotsiny ihany no ezahina asongadina.
Miala tsiny mialoha hatrany amin’ireo tsy fahatomombanana sy tsy fahampian’ireo zavatra voaresaka na dia
efa nikasa ny hampiditra zavatra maro aza ny tena amin’ity taona 2016 ity. Ny tena moa tsy mivelona amin’ny
fampielezana ny finoana (tabligh) koa izay fotoana kely ananana ihany sisa no ezahana hanoratana izay kely
mba tratra.
Niezaka ny nampitombo an’ireo doa ihany anefa na dia izany aza. Fa ho an’ireo olona afaka mamaky
teny arabo tsara dia afaka an’ity mitady boky ity amin’ny endriny fefofeno kokoa ahitana an’ireo doa
(amin’ny endriny lava izay nalaina tamin’ny dhyah as-s’alihin sy amin’ny endriny fohy) ho an’ny andro
tsirairay ao amin’ny tranokala www.fichier-pdf.fr (KORBATANE ILALLAH N° 6 NY VOLANA MASINA
RAMADANY)
Ampahatsiahivina fa tokony hifehy ny mpino farafaharatsiny telo andro farany amin’ny volana
masina SHA’ABANY ka mitohy avy hatrany amin’ny volana masina RAMADANY satria izay manao izany dia ho
toy ny nifehy roa volana misesy araka ny nambaran’ny Mpaminany Masina Mohammad (S).
Hoy Abou Ja’afar (A) « Ny Mpaminany Masina MOHAMMAD (S) rehefa mitazana ny tsinambolana
RAMADANY dia mitodika amin’ny qiblat ary miteny hoe :
ّّاللّهّمّّأهّلّهّّعّلّيّنّاّبّالّمّنّّوّاإليّمّانّّوّّالسّالمّةّّوّّاإلسّالمّّوّّالعّافّيّةّّالّمّجّلّلّةّّو
ّّالرّزّقّّالوّاسّعّّوّّدّفّعّّالسّقّامّّوّتّالوّةّّالقّرّآنّّّوّّالّعّوّنّّعّلّىّالصّالةّّوّّالصّيّام
ّّاللّهّمّّّسّلّمّنّاّلّشّهّرّّرّمّضّانّّوّسّلّمّهّّلّنّاّوّّتّسّلّمّهّّمّنّاّحّتّىّيّنّقّضّيّّشّهّر
رّمّضّانّّوّّقّدّّغّفّرّتّّلّنّا
AL’LAHOUM’MA AHIL’LAHOU A’LAYNA BIL AMNY WAL IMAAN, WA-S-SALAAMATY WAL ISLAAM,
WAL A’FYATIL MOUDJAL’LILAT, WA –R-RIZQIL WAASI’A WA DAF’INL ASQAAM
WA TILAWAATIL QOUR’AAN, WAL A’OUN A’LAS-SALAATY WA-S-S’YAAM,
AL-LAHOUM’MA SAL’LIMNA LISHAHRY RAMADHANA WA SAL’LIMHOU LANAA
WA TASAL’LAMHOU MIN’NAA HAT’TA YANQUADHYA SHAHROU RAMADHANOU
WA QAD GHRAFARTA LANAA
Avy eo izy mitodika amin’ny vahoaka no sady miteny hoe : « Ô ry mpino silamo rehetra ! Rehefa miseho
aminareo ny tsinambolana RAMADANY dia voafatotra izay ireo satana ary midanadana kosa ireo varavan’ny
lanitra sy ny varavaran’ny paradisa ary ny varavaran’ny famindram-pon’i ALLAH. Ny fangatahana dia mivaly
(avokoa) ary i ALLAH dia manavotra olona maro avy amin’ny afobe isa-minitra. Isaky ny alina koa dia misy
anjely miantso manao hoe : Misy manao fangatahana ve ? Misy mangatam-pamelankeloka ve ? Tompo ô
! Omeo izay rehetra Mendrika ny valisoany ary omeo izay rehetra tsy mendrika kosa ny saziny. Izany antso
izany dia mitohy foana mandrapaha-tongan’ny tsinam-bolana manaraka/ volana SHAWWAL…”.
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 1 @ 12
Maro be ireo tenin’ny Mpaminany Masina MOHAMMAD (S) manambara fa ny Volana masina
RAMADANY no Volana farany tsara sy manan-danja indrindra ka ny andro tsirairay ao anatiny dia manandanja lavitra mihoatra ny andro hafa rehetra ary toy izany koa ny alina sy ny fotoana rehetra ao anatiny. Ny
mpino silamo rehetra dia asain’i ALLAH (ho vahininy) mandritra ny Volana iray manontolo ka ataony eo
akaikin’ny voninahiny. Ny fofon’aina (respiration) rehetra ataon’nizy ireo dia ho toy ny fiderana an’i ALLAH
(tasbyih) avokoa ary ny torimason’izy ireo dia toy ny asa fanompoana. Ny asa fanompoana rehetra atao
ankoatr’izany dia hekena avokoa. Ny fangatahan’izy ireo tsirairay dia ho valiana avokoa koa mangataha
amin’i ALLAH Tompotsinka amin’ny fikasana marina/matotra sy fo madio mba hahazo fitahiana hifehy ho
azy sy hamaky ny bokiny masina satria ny olona tena ratsy vintana dia izany tsy nahazo ny famelan’i ALLAH
amin’ity Volana masina ity. Ary tsarovy ny mosary sy ny hetaheta manjo amin’izany sy ireo hetaheta sy
mosary hanjo amin’ny andro fitsanganana. Manomeza ny mahantranareo, manaja an’ireo olon-dehibe eo
aminareo ary mangoraha ihany koa an’ireo zazakely. Aravino ny fiahavananare, tandremo ihany koa ny
resaka avoakan’ny vavanareo. Aza ampijerena an’ireo zavatra voarara ny masonareo. Aza ampihainoina
an’ireo zavatra voarara ihany koa ny sofinareo. Manaova soa amin’ireo kambotin’olona dia hanao soa
amin’ny anareo koa izy ireo. Mibebaha amin’ny ALLAH amin’ireo fahotanareo. Asandrato ny tànananeo
amin’ny fangatahana aminy rehefa manao s’alat satria izany no fotoana tsara indrindra hijeren’i ALLAH
an’ireo mpanompony amin’ny famindram-po…
Hoy ny Imamo As S’ADIQ (A) : “…Rehefa mifehy ianao vao maraina dia tokony hifehy avokoa ny
sofinao, ny masonao, ny volonao, ny hoditrao ary ireo ratsam-batanao rehetra; tsy amin’ny zavatra HARAMO
ihany fa amin’ireo zavatra MAKROHO ihany koa. Ary ny andro ifehezanao dia tsy ampitoviana amin’ny andro
ihinananao. Marina dia marina tokoa fa ny S’AOMO (fifehezana) dia tsy amin’ny fihinanana sy fisotroana
fotsiny ihany ka rehefa mifehy ianao dia tandremo (diniho tsara) ny resaka avoakanao, fadio ny mandainga,
aza mijery an’ireo zavatra nandraran’i ALLAH …(sy ireo fihetsika rehetra tsy Mendrika ara-piaraha-monina).
Indray andro ny Mpaminany MOHAMMAD (S) dia naheno ramatoa nifehy iray nanompa ny
mpifanolo-bodirindrina taminy. Nampandrosoin’ny Mpaminany Masina (S) izy hisakafo dia namely izy hoe :
“Mifehy aho ry irak’i ALLAH”. Dia hoy ny Mpaminany (S) taminy hoe : “Ahoana no ifehezanao nefa ianao
nanompa ny mpifanolo-bodirindrina aminao ? Ny fifehezana anie ka tsy amin’ny fisotroana fotsiny ihany
e ! Fa nataon’i ALLAH ho efitra manasaraka amin’ny fahotana atao amin’ny fihetsika sy fiteny. Ka inona no
dikan’ny fifehezana kely (fifehezan-tena) mitaha amin’ny mosary be ?”
Fantaro sy tsarovy lalan-dava fa isan’y zavatra farany manan-danja indrindra amin’ity Volana ity ny
fiatahana lavitra an’ireo fahotana rehetra tsy an-kanavaka sy ny fangataham-pitahiana ho an’i MOHAMMAD
(S) sy ireo Fianakaviany Masina (A)
Fampatsiahivana : Ny fifehezana dia manomboka fotoana fohy mialoha ny mangiran-dratsy ka tsy
mifarana raha tsy fotoana fohy ao aorian’ny filentehan’ny masoandro efa miala tanteraka ny taratra mena
eny amin’ny fara-vodilanitra atsinanana. Tsy tokony hisy olona mifehy ho tratrin’io fotoana io ao anatin’ny
loto mitaky fandroana toy ny janaba… Tsaratsara kokoa ny mahavita ny s’alat agrib sy Isha vao manapaka
fifehezana raha tsy sanatria hoe efa tena malemilemy be ka tsy manana hery hiatrehana an’izany intsony.
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 2 @ 12
Araka ny resaka voaray tamin’ny Imam Ja’afar as-S’aadiq sy Moosal Kaazhim (A) dia amporisihinany
famakiana an’ity doa ity isaky ny nahavita ny iray amin’ireo s’alat dimy tsy maintsy atao isan’andro
mandritra ny volana Ramadany :
َ س َك ِم ْثلِ ِه
َ اَ ْن،ور يا َرحي ُم
شي ٌء َوه َُو
َ ب ا ْل َعظي ُم الَّذي لَ ْي
ُّ الر
َّ ت
ُ ُ يا َغف،يا َعل ُِّي يا َعظي ُم
ُّ ض ْل َت ُه َعلَى ال
َ َو،ش ْه ٌر َع َّظ ْم َت ُه َو َك َّر ْم َت ْه
َ َوهذا،صير
َوه َُو،ور
َّ ش َّر ْف َت ُه َو َف
ُ سمي ُع ا ْل َب
َّ ال
ِ ش ُه
َ َوه َُو،ت صِ يا َم ُه َعلَ َّي
َّ ال
َ الَّذي اَ ْن َز ْل، َش ْه ُر َر َمضان
َ ض
ُدى
ً ه، َت في ِه ا ْلقُ ْرآن
ْ ش ْه ُر الَّذي َف َر
َ َو َج َع ْل، َاس َو َب ِّينات مِنَ ا ْل ُهدى َوا ْلفُ ْرقان
ِ َو َج َع ْل َتها َخ ْيراً مِنْ اَ ْل،ت في ِه لَ ْيلَ َة ا ْل َقدْ ِر
ف
ِ لِل ّن
َ
،ِار في َمنْ َت ُمنَّ َعلَ ْيه
ِ ُمنَّ َعلَ َّي ِب َفكاكِ َر َق َبتي مِنَ ال ّن، َفيا َذا ا ْل َمنِّ َوال ُي َمنُّ َعلَ ْي َك،ش ْهر
. َالراحِمين
ّ َواَدْ ِخ ْلنِى ا ْل َج َّن َة ِب َر ْح َمتِ َك يا اَ ْر َح َم
Araka ny hita ao amin’ny dhya as-S’aalihin, ny Mpaminany (S) dia nilaza fa izay mamaky an’ity doa
manaraka ity isaky ny nahavita ny iray amin’ireo s’alat ireo dimy isan’andro fanao isan’andro mandritra ny
volan Ramadany dia ho fafan’I Allah ireo fahotany hatramin’ny andro farany.
ْ َأللّـ ُه َّم ا،ور اَللّـ ُه َّم اَ ْغ ِن ُكل َّ َفقير
ش ِب ْع ُكل َّ جائِع اَللّـ ُه َّم
َ س ُر
ُّ ور ال
ِ اَل ّلـ ُه َّم اَدْ ِخلْ َعلى اَهْ ِل ا ْلقُ ُب
ِ اَللّـ ُه َّم ا ْق،س ُكل َّ ُع ْريان
ُ ا ْك
َّ اَللّـ ُه َّم ُردَّ ُكل، اَللّـ ُه َّم َف ِّر ْج َعنْ ُكل ِّ َم ْك ُروب،ض دَ ْينَ ُكل ِّ َمدين
ْ اَللّـ ُه َّم ا، َور ا ْل ُم ْسلِمين
ِ ش
ف
ْ َ اَللّـ ُه َّم ا، اَللّـ ُه َّم فُ َّك ُكل َّ اَسير،َغريب
ِ صل ِْح ُكل َّ فاسِ د مِنْ ا ُ ُم
ض
ِ اَللّـ ُه َّم ا ْق،وء حالِنا بِ ُح ْس ِن حالِ َك
َ س
ُ اَللّـ ُه َّم َغ ِّير،سدَّ َف ْق َرنا ِبغِنا َك
ُ اللّ ُه َّم،ُكل َّ َمريض
َ ِّ ِا َّن َك َعلى ُكل،َع َّنا الدَّ ْينَ َواَ ْغنِنا مِنَ ا ْل َف ْق ِر
.دير
ٌ شيء َق
Tadidio : Ilaina ny mamaky matetika ny soorat al Qadr mandritra ny volana Ramadany indrindra fa eo amin’ny fotoana
anaovana famahana fehivava (iftar).
Ampatsiahivina : ireo fanao mandavantaona koa tsy tokony hadinoina :
ny famakiana al Qadr im-polo (10 fois) ao aorian’ny Asr mba ahazoana valisoa mitovy amin’ny fanompoana
nataon’ny olombelona rehetra sy ny jiny rehetra ao anatin’ny andro anaovana azy.
Mamaky alQadr im-pito (7 fois) raha vantany vao vita ny isha mba ho eo ambany fiantohan’i Allah
mandrapahatongan’ny maraina.
Tsara ho fantatra sy ho tadidiana : araka ny nambaran’ny Mpaminany Mohammad (S) dia izay olona
mamaky andininy (ayat) iray avy ao amin’ny kor’any ao anatin’ity volana Ramadany ity dia homen’i
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 3 @ 12
Zanahary valisoa ho toy ny namaky ny kor’any manontolo. Tamin’ity volana ity tokoa mantsy no
nampidinan’i Allah, Ilay Masina sy Avo indrindra, ny boky masina kor’any manontolo tao am-pon’i
Mohammad (S) Mpaminany talohan’ny nitongavan’ny Anjely Gabriely nitondra sy nampianatra ary
nanazava azy isan’andininy (par ayat) arakakaraky ny toe-javatra nitranga.
Ny alina tsirairay dia samy manana vavaka manokana (doa special) ho azy avokoa. Any amin’ny
bokina doa no ahitana azy. Manana s’alat manokana ihany koa ireo alina ireo izay nezahana nohagasiana sy
natao ao anatina tabilao mba ho mora vakiana izay natao any amin’ny faran’ity boky kely ity mitondra ny
lohateny hoe IREO S’ALAT FANAO AMIN’NY ALIN’NY RAMADANY.
Ny andro tsirairay koa dia samy manana vavaka (doa) manokana ho azy ihany koa izay hohiantsika
tsirairay ao ambanimbany ao.
Efa voaresaka etsy ambony fa tokony mamaky soorat al Qadr isaky ny mamaha fehivava sy
misakafo farany amin’ny maraina (sohor) izay ahazoana valisoa lehibe tokoa.
Rehefa hanapaka fehivava dia manao an’ity doa ity:
ّاللهـمّّلـكّّصمتّوّعلّىّرزقكّأفترتّوّعليكّتوكلت
AL-LAHOM-MA LAKA SOMTO, OA A’LA RIZQIKA AFTARTO OA A’LAIKA TAOAKALTO
Tompo ô ! Ho anao no nifehezako ary amin’ny alalan’ny fanomezanao no anapahako fifehezana ary
aminao no ianteherako/iankinako.
Voalaza fa ny Imamo Kaazhim (A) dia niteny fa izay olona miteny an’io doa io eo am-panapahana fehivava
dia homen’i Allah valisoa mitovy amin’ny azon’ireo izay nifehy rehetra tamin’izany andro nifehezany izany.
Ny alina voalohany
Maro dia maro tokoa ny vavaka tokony hatao amin’ity alina voalohany ity rah any hita ao amin’ny
boky Mafatih al djinan sy Dhyah as-S’aalihin fa izay noheverina fa ho vitan’ny daholobe ihany no tanisaina
eto:
Manao fandroana masina (tsy tokony avela ny fanaovana an’io). Mandritra ny volana
Ramadany dia amin’ny voalohan’ny alina no tsara indrindra fandroana. Misy milaza aza hoe
eo anelanelan’ireo s’alat roa no tokony ho izy. Izany hoe amin’ny s’alat al Isha dia tokony
efa avy nidio ny mpino. Voalaza fa tsy ho voan’ny aretin-koditra iray (hidihidy)
mandrapahatongan’ny volana Ramadany amin’ny taona manaraka.
Manao ziarat al Houssen (A) izay manana ny lanja manokana amin’ity alina ity.
Araka ny nolazain’ny Mpaminany (S) izay olona manao s’alat raka’at efatra (fatiha 1 + Qol
hoallaho ahad 50 isaky ny raka’at) amin’ny alina voalohany amin’ny volana Ramadany dia
hahazo valisoa mitovy amin’ireo olo-marina sy ireo maty martiora, sady hofafana ny
fahotany ka amin’ny andro farany izy dia ho hisan’ireo olona tafita.
Mamaky ireo doa famaky amin’ny alin’ny Ramadany indrindra moa fa ny doa iftitah
Manomboka an’ilay s’alat 60 raka’at izay atao raka’at roa isaky ny alina (jereo any amin’ny
tabilao any amin’ny farany)
Ny Mpaminany Mohammad (S) dia namaky an’ity doa ity amin’ity alina voalohany :
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 4 @ 12
Amporisihina ihany koa ny famakiana ny doa Djaoshan al Kabir amin’ity alina ity.
Ny andro voalohany
Tsaratsara kokoa ny mamaky an’ity doa ity raha vao mangiran-dratsy ny maraina
ALLAHOUM’MA IN-NAHO QUAD DAKHALA SHAHROU RAMADANA ,
ALLAHOUM’MA RAB’BA SHAHRI RAMADHANA AL’LAZHY ANZALTA FIHIL QUR’AANA,
WA DJA’ALTAHOU BAY-YNATIN MINAL HOUDA WAL FOURQAAN ,
AL’LAHOUM’MA FABAARIK LANAA FI SHAHRI RAMADHANA,
WA AN-IN’NA A’LA S’YAAMIHY WA S’ALAWAATIHY WA TAQAB’BALHOU MIN’NA
Amporisihina koa ny mpifehy mba hanondraka ranona raozy (eau de rose) eo ambony
lohany dia manatanteraka an’ilay s’alat raka’at roa (2) fanao isaky ny voalohan’ny volana
silamo izay hita ao amin’ny KORBATANE N°1 fa ampatsiahivina etoana ihany :
1. Fatiha 1 + Qol hoallaho ahad 30
2. Fatiha 1 + In-na Anzalnaaho fy lailatil qadr 30
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 5 @ 12
Rehefa vita ny salamo dia mamaky an’ireto ayat roa ireto :
ّوّماّمنّدآبةّفيّاْلرضّإلّعلىّهللاّرزقهاّوّيعلمّمستقرها
ّّّوّمستودعهاّك ٌّلّفيّكتابّمبين
ّّّوّإنّيمسسكّهللاّبضرّّفالّكاشفّلهّإلّهوّوّإنّّيردك
ّبخيرّفالّرآدّلفضلهّيصيبّبهّمنّيشآءّمنّعبادهّوّهو
ّالغفورّّالرحيم
Bismillaahir Rahmaanir Rahiim
Wa ma min daa-b-batin fil ardhy il-la a’lallaahy rizqoha wa ya’lamo mostaqar-raha
wa mostawda’aha Kol-lon fy kitaabin mobiin.
(Soorat HOOD 11 ayat 6 pejy 222)
Wa in yamsaskallaho bidhor-rin falaa kaashifa laho il-la howa wa in yoridka
bikhrairin fala raaad-da lifadhlihy yosibo bihy man yashaaa-o min aibaaadihy wa
howal ghrafooror rahiim.
(soorat YOUNOUS 10 ayat 107 pejy 221)
Manatanteraka an’ilay s’alat manokana ho an’ny fidiran’ny volana Ramadany : raka’at 2
1. Fatiha 1 + Fath 1
2. Fatiha 1 + izay tiana 1
(N.B. : soorat al Fath pejy 511)
Mba ho voaaro amin’ny zava-dratsy amin’io taona itsahina io sy ho eo ambany fiantohan’i
Allah tanteraka mandra-piherin’ny taona.
Mamaky an’ity doa manaraka ity rehefa miditra ny fotoana fivavahana maraina :
BISMIL-LAHIR- RAHMAANIR-RAHIM :
AL-LAHOM-MA QAD HADHARA SHAHRO RAMADHANA
WA QAD IFTARADHTA A’ALAYNA S’IAAMAHO. OA ANZALTA FIHIL QOR’ANA,
HODAN LIN-NAASY WA BAY-YINATY MINAL HODA WAL FORQAANY .AL-LAHOM-MA A-IN-NA A’LA
S’YAAMIHY. WA TAQAB-BALHO MIN-NA, WA TASAL-LAMHO MIN-NA, WA SAL-LIMHO LANAA FY
YOSRIN MINKA WA A’AFIATIN, IN-NAKA A’LA KOL-LY SHAY-IN QADIR .
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 6 @ 12
Manomboka mamaky an’ireo doa famaky isaky ny andro tsirairay. Ilay fohy kely no
ataontsika eto fa ireo doa lava be kosa dia natao ao amin’ny any amin’ny tranokala
www.fichier-pdf.com ao no mitady ny KORBATANE N° 6 NY VOLANA MASINA RAMADANY
AL’LAHOUM’MA IDJ’AL S’YAAMY FIHY S’YAAMA- S’AA-IMIYN,
WA QUYAAMY FIHY QYAAMAL QUAA-IMIYN,
WA NAB’BIHNY FIHY ANI-N-NAWMIL GHRAAFILIYN,
WAHABLY DJOURMY FIHY YA ILAAHAL A’ALAMYIN,
WA-ANF A’N-NY AANFIYAL MOUDJRIMIN,
MARIHO TSARA : ANY AMIN’NY FARAN’ITY BOKY ITY NO AHITANA AN’IREO DOA HO AN’IREO
ANDRO TSIRAIRAY (andro voalohan’ny hatramin’ny fahatelopolo)
Ny alina fahatelo
Tokony anaovana fandroana masina satria ity no alina voalohany tsy ankasa amin’ity volana masina
ity. Tsara fantarina fa amin’ny alina faha-5, faha-7, faha-9, faha-24 , faha-25, faha-27, faha-28 dia tokony
manao fandroana masina (ghrosl).
Ny alin’ny anjara (laylatol qadr)
Ny alin’ny anjara dia alina iray (manomboka amin’ny maty masoandro ary miafara amin’ny
mangiran-dratsy). Hitantsika izany ao amin’ny soorat al qadr, laharana faha 96 ao amin’ny kor’any. Amin’ny
maha alina iray manana lanja mihoatra ny arivo volana (izany hoe mihoatra ny 83 taona) dia tokony hanao
asa fanompoana faran’izay tratra ny olona manan-tsaina. Satria fahasoavana goavana tsy manam-paharoa
ao anatin’ny taona iray nomen’i Allah ho an’ireo mpanompony io alina io. Noho izany indrindra dia natao ny
ezaka ampahafantarana amin’ny ankapobeny ireo asa fanompoana tokony hatao ato anatin’ity korbatane
N°6 amin’ity taona 2014 ity mba tsy hahavery ny fandraisan’anjaran’ireo mpamaky lavitra toerampiangonana hivavahana miaraka amin’ny namana sy tapaka. Ary fantaro sy tadidio fa anatin’ireo alina
dimy ao anatin’ny taona tsy tokony hatoriana velively ity alina ity.
Marihina tsara aloha fa ny Mpaminany (S) sy ireo Fianakaviny masina (A) dia samy tsy nisy
nanambara mivantana ny laharana misy an’ity alina ity ao anatin’ny volana Ramadany. Saingy
nampahafantarin’izy ireo fotsiny fa iray amin’ireo alina folo farany (amin’ireo alina tsy ankasa) no misy azy.
Ka namporisihiny ireo mpino mba hiari-tory matetiteka mba hampitombo an’ireo valisoa azony avy amin’i
Allah noho ny fahasoavan’ny volana Ramadany.
NY VOLANA MASINA RAMADANY TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 7 @ 12
Ny mpaminany (S) aza moa dia nijanona tanteraka tany amin’ny moské mandritra ny folo andro sy
folo alina farany amin’ny volana Ramadany. Izany akory tsy midika sanatria hoe tsy nahalala an’io lailatol
qadr io Izy (ahoana no tsy ahitany an’ireo anjely marobe ampidinin’i Allah ety an-tany nefa izy no nataon’i
Allah ho lehiben’ny zavaboary rehetra?
Fa misy resaka nataon’ny Mpaminany (S) sy ireo Fianakaviany Masina (A) tamin’ireo mpanara-dia
Azy ireo fa ao anatin’ny alina tsy ankasa telo voalohany no misy azy na ny alina faha-19, na ny alina faha21, na ny alina faha-23.
Fa ny alina faha-23 no ahitana resaka maro fa mety ho izy. Na izany aza nefa dia samy anaovana asa
fanompoana sy fiaretan-tory avokoa ireo alina telo ireo mba tsy hahafaty antoka. Ny amin’ity taona 2016 ity
dia ny Alatsinainy 6 jona no andro voalohany koa dia samia mitazona tsar any isan’ny andro mba tsy ho
very. Fa tsarovy fa amin’ny fanisan’andro silamo dia ny alina no mialoha ny andro. Ohatra: omaly hariva no
hita ny volana dia omaly izany no alina voalohany fa androany kosa no andro voaloahany…
Misy asa fanompoana (amal) mitovy atao amin’ireo alina telo voalaza etsy ambony ireo ary misy
ihany koa nefa ny asa voatokana ho an’ny alina tsirairay.
Mariho tsara : ao anatin’ity alin’ny anjara ity no anoratana ny hoavin’ny olona tsirairay mandritra ny
taona iray ka miankina amin’izay ataony eo ny anjara sahaza azy (izany hoe valin’asa izany no anjara
eto).
.ASA IRAISAN’NY ALINA 19,21,23
1. Fandroana masina, tsaratsara kokoa raha eo anelanelan’ny maghrib sy isha na vao milentika ny
masoandro mba vatana madio no entina manompo an’i Allah mandritra ny alina manontolo (in: dhya
as Saalihin).
2. Manao fanomezana (sadaqa)
3. Manao s’alat raka’at roa (2) ka isaky ny raka’at dia mamaky Fatiha 1 sy qol hoallaho ahad 7.
Aorian’ny salamo dia miteny im-70 hoe ASTAGHRFIROLLAHA WA ATOOBO ILAYH
(Mifona sy mibebaka amin’i Allah aho).
Araka ny hita ao amin’ny Dhya as-Saalihin dia niteny ny Mpaminany (S) fa izay nanao an’io
s’alat io dia tsy mitsangana amin’ny toerana misy azy (nanaovany s’alat) raha tsy voafafan’i Allah ny
fahotany sy ny fahotan’ireo Ray aman-dReniny. Ary andefasan’i Allah anjely maro manoratra asa
soa ho azy mandrapiherin’ny taona. Ary anjely maro hafa koa mamboly hazo, manamboatra lapa
maro sy renirano maro ho azy. Ary tsy hiala eto an-tany izy raha tsy efa mahita an’izany rehetra
izany. (Fa tandremo ireo fahotana mpanimba sy mpandrava valisoa). Ity no doa vakiana amin’ity
s’alat ity
.
ّّثـمّيبقىّوّيفنىّك ُّلّشيء،ّّثـمّّخلقّكلّشيء،ياّذّاّّالذيّّكانّّقبلّكلّشيء
ّّوّلّفوقهن،ّسفلى
ُّ ّوّلّفيّاْلرضينّال،ّياّذاّالذيّليسّفيّالسماواتّالعلى،
ّّلكّالحمدّحم ًداّلّيقدرّعلىّإحصائه،ّّإلهٌّيعبدّغيره،ّوّلّبينهنّوّلّتحتهن
ّإلّأنت
YA ZhAL-LAZhY KAANA QABLA KOL-LY SHAY, THOM-MA KHRALAQA KOL-LA SHAY, THOM-MA
YABQA OA IFNA KOL-LA SHAY, YA ZhaL-LAZhy LAISA FIS-SAMAAOAATY AL’ON-LA, OA LA FIL
ARADHiiiNA AS-SOFLA, OA LA FAOQAHON-NA OA LAA BAINAHON-NA OA LA TAHTAHONNA ILAHONN YO’BADO GHRAIROH, LAKAL HAMDO HAMDAN LA YAQDIRO AN-LA IHSAA-IHY ILLA ANTA.
Ô ry Ilay talohan’ny zava-drehetra. Avy eo Nahary ny zava-drehetra. Avy eo mijanona/tavela rehefa
rava avokoa ny zava-drehetra. Ô ry Ilay tsy misy azo tompoina ankoatra Azy any amin’ireo lanitra
(maro), na amin’ireo tany rehetra, na ny any ambonin’izy ireo, eny anelanelan’izy ireo, na any
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 8 @ 12
ambanin’izy ireo. Anao ny dera, fiderana izay tsy misy afaka mahafantantra ny lanjany afa-tsy Ianao
irery ihany.
4. Manao tawas-solo amin’ny kor’any (mangataka amin’i Zanahary amin’ny alàlan’ny kor’any)
Toy izao no fanaovana azy : (tsaratsara kokoa raha olona maromaro no miara-manatanteraka azy).
Mandray sy manokatra kor’any iray dia mangataka izay rehetra iriana sy tiana ho tanteraka
Dia manao an’ireto fangatahana ireto avy eo.
AL-LAHOM-MA ! IN-NY AS’ALOKA BIKITAABIKAL
MONZAL, OA MAA FIHY. AO FIHY ISMOKAL
AKBARO, OA ASMAA-OKAL HOSNA
OA MAA YOKHRAFO OA YORJA, AN
TAJ’AN- LANY MIN ON-TAQAA-IKA MINANNAAAR
Tompo ô ! amin’ny alalan’ilay Boky nampidininao,
sy izay ao anatiny. Ary ao anatiny ny anaranao
lehibe indrindra sy ireo anaranao soa sy ireo
atahorana ary iangaviana, mba ataovy ho isan’ireo
avotanao avy amin’ny afobe aho.
AL-LAHOM-MA ! BIHAQ-QI HAAZHAL QOR’AANY,
WA BIHAQ-QI MAN ARSALTAHO WA BIHAQ-QI
MAN MADAHTAHO FIHY WA BIHAQ-QIKA
A’LAIHIM
FALAA AHADA A-ARAFO
BIHAQ-QIKA MINK
Tompo ô ! amin’ny alalan’ny zon’ny Kor’any,
amin’ny zon’ireo izay nirahinao, ary amin’ny
zon’ireo noderainao ao anatiny, ary amin’ny zonao
amin’izy ireo, satria tsy misy mahalala ny zonao
mihoatra Anao.
اب َك ا ْل ُم ْن َز ِل
ْ اللَّ ُه َّم إ ِّن ْي
ِ أسألُ َك ِب ِك َت
إس ُم َك ْاْل ْك َب ُر َو
ْ َو َما فِ ْي ِه َو فِ ْي ِه
اف َو
ُ أس َمآ ُء َك ا ْل ُح ْس َنى َو َما ُي َخ
ْ
آء َك
ِ أنْ َت ْج َعلَن ِْي مِنْ ُع َت َق،ُي ْر َجى
ار
ِ مِنَ ال َّن
آن َو ِب َح ِّق
ِ ال َّل ُه َّم ِب َح ِّق ه ََذا القُ ْر
دَح َت ُه
ْ س ْل َت ُه َو ِب َح ِّق َمنْ َم
َ َمنْ ْأر
َأحد
َ فِ ْي ِه َو ِب َح ِّق َك َع َل ْي ِه ْم َفال
ف ِب َح ِّق َك ِم ْن َك
ُ أع َر
ْ
Rehefa vita izany dia asandratra eo ambony loha (lolohavina) ilay kor’any dia averina im-polo (10 fois) avy
ireto manaraka ireto : (ny Bi- eto dia sahala ny amin’ny Bi amin’ny Bi-ismi-Allah ihany no dikany)
Bika ya ALLAH
Bi-Mohammadinn
Bi-Ali-yin
Bi-Fatimata
Bil Hassany
Bil Hosseny
Bi-Aly-yi bnil Houssen
Bi-Mohammadin bni Ali
Bi-Ja’afari bni Mohammad
Bi-Moosa bni Ja’afar
Bi-Ali bni Moosa
Bi-Mohammadin bni Ali
Bi-Ali-yin bni Mohammad
Bil Hassany bni Ali
Bil Hoj-jaty
Aorian’izany dia angataho izay rehetra manahirana sy irianao fa ho tanteraka raha sitrapon’i
Allah.
5. Mamaky Zyarat al Houssen (A).
6. Mamaky Doa Komail (aza hadino mihitsy)
7. Mamaky doa taoassol.
NY VOLANA MASINA RAMADANY TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 9 @ 12
8. Mangata-pitahiana ho an’ireo mpino hafa.
9. Manao s’alat 50 raka’at ka soorat al Zilzala no vakiana ao aorian’ny Fatiha.
10. Misafidy na hanao s’alat 100 raka’at mamaky izay soorat tiana na manolo s’alat 6 andro ka manao
azhan isaky ny andro iray ary manao iqaama isaky ny s’alat. Atomboka amin’ny s’alat al Asr ny
andro tsirairay.
11. Mamaky kor’any. Maromaro ireo soorat tokony toy ny DOKHRAN, SIDJA, ANKABOOT, ROOM…,
12. Mamaky ny sooratol qadr in-1000
13. Mamaky doa modjir
14. Mamaky doa Jaoshan al kabir
15. Mamaky doa Makaarim al Akhlaq, sns …sns…
16. Manao s’alat al layl (vavaka mamatonalina izay efa fanao isan’alina)
17. Manao salaoat maro dia maro tokoa…sns…sns
Izay no itambarana raha atao indray mijery fa hojeretsika fohifohy ny momba an’ireo alina tsirairay
ireo
Ny alina faha-19
Ity alina ity dia alina nikapohan’i Abdourrahman Ibn Moljam ny lohan’ny Imamo Ali (A) tao amin’ny
masjidin’i Kofa, Irak teo am-panaovana ny vavaka maraina (s’alat al fajr). Sabatra maranitra efa voahositra
poizina no nampiasainy tamin’izany koa dia safotra avy hatrany ny Imamo Ali (A) ka tsy nahatanteraka
hatramin’ny farany ny s’alatiny. Ho fahatsiarovana an’izany toe-javatra mampalahelo izany dia isan’ny
zavatra tsy tokony hadinoina ny manao majlis (resaka fampatsiahivana ny zava-nitranga) amin’ny anaran’ny
Imamo Ali (A).
Misy zavatra vitsivitsy manampy an’izany rehetra izany
Ny alina faha-21
Alina ahatsirovana ny nahafatesan’ny Imamo Ali (A). Alin’ny alahelo izany raha tsarina ho antsika
mpanaradia azy ka anaovana majlis ho fampatsiahivana ny tantaram-piainany sy ny nahalasa martiora azy.
Ny alina faha-23
Ity no tena alina antenaina kokoa ny maha-laylatol qadr azy ka tokony hanaovana farahery amin’ny doa sy
ny s’alat isan-karazany.
Tsy tokony hadinoina ny mampiasa ranomanitra. Mostahabo ny manao fandroana masina (ghrosl)
amin’ny fiantombohan’ity alina ity sy amin’ny fiafarany
Tokony hamaky ny sooratol Qadr in-1000 mba hahatonga anao hanana fahatokisana matanjaka…
Manao s’alat raka’at valo (8) amakiana izay soorat hay tsara = mampisokatra ny varavaran’ny
lanitra.
Miteny matetika an’ity ao aorian’ny salaoat :
AL-LAHOM-MA KON LIWALY-YKA AL HOJ-JATY BNIL HASSANY
SALAWAATOKA A’LAIHY
FY HAZHIHI SAA-ATY WA FY KOL-LY SAA’AN
WALY-YAN WA HAAFIZHAN
WA QAA-IDAN WA NAAS’IRA
WA DALILAN WA AINA
HAT-TA TOSKINAHO ARDHAKA TAW-AN
WA TOMAT-TI-ON-HO FIHAA T’AWIYLA
Tokony ho vakiana matetika izy ity mandritra ny volana Ramadany manontolo.
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 10 @ 12
Ireo alina rehetra sisa
Amin’ny maha volana Masina sy maha volana farany manandaja ny ramadany dia tsy tokony hatao
antsirambina ny fotoana rehetra indrindra moa fa ny sisa tavela satria tsy misy olona mahazo antoka ny
tenany hoe mbola ho velona amin’ny fotoan’ny Ramadany manaraka ka tokony hanararaotra fatratra. Araka
ny nambara teny ampiandohana dia manana doa sy s’alat manokana tsirairay ny alina sy andron’ny volana
tsirairay. Fa ny ramadany ankoatra an’ireo dia mbola manana ny azy manokana koa dia samia mazoto
mamaky sy manatanteraka azy ireny. Fa ny an’ny KORBATANE dia mampahafantatra sy manasongadina
izay tsara ho fantatra amin’ny ankapobeny fotsiny ihany.
Ary aza variana fa ny alina voalohany amin’ny volana shawwal (hifoha amin’ny andro idd) dia alina
goavana ihany koa izay tsy latsa-danja noho ny laylatoul quadr. Isan’ireo alina masina ka tokony hanaovana
vavaka sy fanompoana mandra-parain’ny andro.
Ireto misy zavatra vitsivitsy notsongaina amin’ireo tokony hatao amin’izany:
1. Fandroana masina (ghrousl) raha vao milentika ny masoandro;
2. Aorian’ny S’alat Maghrib sy Isha et Fadjr dia miteny hoe:
ALLAHOU AKBAROU (x 2), LAA ILAAHA IL-LA ALLAHOU WAL-LAAHOU AKBAR,
ALLAHOU AKBAROU WA LIL-LAHIL HAMD,
ALHAMDOU LIL-LAAHY A’LA MAA HADAANAA,
WA LAHOU-SH- SHOUKROU A’LA MAA AWLAANAA
3. Manandratra tànana rehefa vita ny s’alat al maghrib (sy ny nafilat-ny) ary miteny hoe:
YAA ZHAL MAN’NY WA-T-T’AWL, YAA ZHAL DJOUD, YAA MOUST’AFYA MOHAM’MADIN WA
NAAS’IRAH, S’AL’LY A’LA MOUHAMMADIN WA AALY MOUHAMMAD, WA-GHRFIR LY KOUL’LA
ZHANBIN AHS’AYTAH, WA HOUWA AINDAKA (INDAKA) FY KITAABIN MOUBIN
Rehefa izany dia manao sojod dia miteny ao anatin’izany in-100 hoe ATOUBOU ILAL-LAAH
Av yeo mangataka izay iriana fa hivaly Insha Allah
4. Mamerina an’ilay s’alat 10 rakat amin’ny alina faha-30 n’ny volana Ramadany;
5. Manao ziyara (jereo amin’ny boky fa misy voatokana ho an’ity alina ity)
6. Manao s’alat 2 raka’at
raka’at 1 : Fatiha 1 + Taohid 1000 (arivo)
raka’at 2 : Fatiha 1 + Taohid 1 (iray)
aorian’ny salamo dia miankohoka sy miteny hoe ATOUBO ILAL-LAAH.
NY VOLANA MASINA RAMADANY TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Pejy 11 @ 12
Aorian’izany dia miteny hoe :
YAA ZHAL MAN’NY WA-T-T’AWL, YAA ZHAL DJOUD, YAA MOUST’AFYA MOHAM’MADIN WA
NAAS’IRAH, S’AL’LAAHOU ALAYHI WA AALIH, S’AL-LY A’LA MOUHAMMADIN WA AALY
WAF’AL BI ….. (angataho izay rehetra iriana).
Voalazan’ny tantara fa ny Imamo Ali (A) dia nanao an’io s’alat io araka ny voatanisa
eo ambony. Ka rehefa nitraka izy dia nanambara hoe:
“Mianiana amin’Ilay Tompon’ny aiko aho fa tsy misy olona manao an’ity vavaka ity ka
mangataka amin’i Allah avy eo raha tsy mahazo valiny. Eny fa na dia manantona Azy
miaraka amin’ny fahotana mitovy isa amin’ny singam-pasika eny amin’ny tany efitra aza dia
havelan’i Allah ireo fahotany.
Araka ny hita amin’ny resaka hafa dia ZATO (100) ihany no isan’ilay sorato Taohid
amin’ny raka’at voalohany fa tsy ARIVO saingy ao aorian’ny Maghrib sy ny nafilat-ny no
anatanterahana azy.
Dia mirary antsika tsirairay hahavita ny adidy masina mandritra ny volana Ramadany manontolo.
Homba antsika mianakavy anie ny fiadanana.
VAKIO
AMPIHARO
AELEZO SY AMPIANARO NY HAFA
KORBATANE ILALLAH TA’ALA
HOUSSEN CHARLY
Ny tsikera sy ny soso-kevitra dia raisina malalaka an-tanandroa koa dia aza misalasala na kely akory aza.
Nosoratana ny Ramadany 2001 – Ezahana hatsaraina hatrany isan-taona
NY VOLANA MASINA RAMADANY
TAONA FAHA 16 (2001 – 2016)
houssencharly@gmail.com
Jona 2016
Pejy 12 @ 12
IREO S’ALAT FANAO ISAKY NY ALINA TSIRAIRAY AMIN’NY VOLANA MASINA RAMADHANY
I - Fantaro sy tadidio fa mandritra an’ireo alin’ny Ramadhany rehetra dia misy s’alat 60 raka’at izay atao tsiroaroa
isan’alina (2 raka’at x 30 alina) ka toy izao ny momba azy :
Mamaky Fatiha 1 + Taohid 3 isaky ny raka’at ka rehefa vita ny salam dia miteny hoe :
SOBHAANA MAN HOA HAFIZHON LA YAGHRFOL, SOBHAANA MAN HOA RAHYIMON LA YA-ANDJAL,
SOBHAANA MAN HOA QAA-IMON LA YAS-HO, SOBHAANA MAN HOA DAA-IMON LA YALHO.
Avy eo manao tasbiyhol arba’a in-7 (izany hoe) : SOBHAANAL-LAAHY OALHAMDO LILLAHY OA LAA ILAAHA
IL-LAL- LAAHO OAL-LAAHO AKBAR.
Rehefa izany dia miteny hoe :
SOBHAANAKA SOBHAANAKA SOBHAANAKA YA AZHYM, IGHRFIR LYA -ZH-ZHANBAL AZHYM.
.
Hamaranana azy dia miteny im-polo (10) hoe :
ALLAHOM-MA S’AL-LY A’LA MOHAM-MADIN OA AALY MOHAM-MAD.
Araka ny voalaza dia ho fafan’i Allah ny 70.000 (fito alina) isa amin’ny fahotan’izay nahavita izany rehetr a izany
II - Araka ny voalazan’i Mohammad (S) dia ireto avy ireo s’alat manokana ho an’ny alina tsirairay amin’ity volana ity
ALINA
RAKA’AT
SORAAT VAKIANA / RAKA’AT
1
4
Fatiha 1 + Taohid 25
2
4
Fatiha 1 + Qadr 20
3
10
Fatiha 1 + Taohid 50
4
8
Fatiha 1 + Qadr 20
5
2
Fatiha 1 + Taohid 50
6
4
Fatiha 1 + Molk 1
7
4
Fatiha 1 + Qadr 13
8
2
Fatiha 1 + Taohid 11
9
6
Fatiha 1 + Ayat korsy 7 (*)
10
20
Fatiha 1 + Taohid 31
11
2
Fatiha 1 + Kaothar 20
12
8
Fatiha 1 + Qadr 30
13
4
Fatiha 1 + Taohid 25
14
6
Fatiha 1 + Zilzala 30
FANAZAVANA / VALISOA
Hahazo valisoa mitovy amin’ny azon’ireo olona mpanao
ny fahamarinana sy maty maritiora. Ho voafafa ihany koa
ny fahotany ary ho avotra izy amin’ny andro farany
Ho voavela ny heloka, hivelatra ny rizikiny ary hilamina
ny raharahany rehetra mandritra ny taona
Hantsoina manokana izy amin’ny andro farany satria i
Allah dia efa nanafaka azy amin’ny afobe ary hisokatra
ho azy ny vararavan’ny lanitra fito. Izay olona miharitory
manao asa fanompoana sy fiderana dia ho voafafa
avokoa ny fahotany rehetra
Hanana lanja manokana ho toy ny asan’ny Mpaminany
miisa 7 nampiely ny hafatr’i Allah ny asany.
Rehefa vita ny salaam dia miteny hoe : Allahomma
s’ally a’la Mohammadin oa aaly Mohammad in-100
Ohatra ny sendra ny lailat al qadr
Hanaovan’i Allah lapa volamena any amin’ny djannat
a’dnin ary ho eo ambany fiantohan’i Allah.
Rehefa vita ny salam dia manao fiderana an’i Allah in1000 (arivo) dia hisokatra ho azy ireo varavan’ny
paradisa ka hiditra amin’izay safidiany izy
(*) Atao ao anelanelan’ny Maghrib sy Aisha.Rehefa vita
ny salam dia manao salaoat in-50. Hasandratr’i Allah ny
asany ho toy ny asan’ireo mpanao ny fahamarinana sy
maritiora ary ireo mpanao asa soa.
Hampitomboin’i Allah ny rizikiny ary izy dia ho isan’ireo
olona avotra.
Ho voaaro amin’ny fahotana izy amin’izany andro izany
Hahazo valisoa mitovy amin’ny azon’ireo mpankasitraka
an’i Allah ary ho isan’ireo manana faharetana izy amin’ny
andro fitsanganana
Indray mipimaso no handalovany eo amin’ny S’irat
Hamaivanin’i Allah aminy ireo zava-tsarotra mitranga ao
am-pasana sy ny asan’i Monkar sy Nakir
Ireo s’alat fanao amin’ny alin’ny volana masina RAMADHANY (version 2016)
Pejy 1 @ 2
ALINA RAKA’AT
15
4
16
12
17
2
18
4
19
50
20
21
22
23
24
8
8
8
8
8
25
8
26
8
27
4
28
6
29
2
30
12
SORAAT VAKIANA / RAKA’AT
FANAZAVANA / VALISOA
Rkt 1° : Fatiha 1 + Taohid 50
Rkt 2° : Fatiha 1 + Taohid 50
Salam
Rkt 3° : Fatiha 1 + Taohid 25
Rkt 4° : Fatiha 1 + Taohid 25
Hahazo zava-tsoa izay Allah irery ihany no mahalala azy
Hitsangana avy ao amin’ny fasana izy ary hirehareha
hiantsoantso hoe ASH-HAD AL-LA ILAHA IL-LAALLAH
Fatiha 1 + Takaath-thor 1
OA ASH-HADO ANNA MOHAMMADAN RASOOLOLLAH mandrapidirany ny paradisa izay tsy handalo
fitsarana akory
Ao aorian’ny salam dia miteny hoe LA ILAHA IL-LALLAH
Rkt 1° : Fatiha 1 + Izay Tiana
100. Hahazo valisoana hadj 1.000.000 sy omra 1.000 ary
Rkt 2° : Fatiha 1 + Taohid 100
Jihaad 1.000
Rehefa tonga aminy i Malakol maoty dia hanambara
Fatiha 1 + Kaothar 25
aminy fa mankasitraka azy i Allah.
Ho toy ny nanao hadj 100 sy omra100 ary heken’i Allah
Fatiha 1 + Zilzala 1
ireo asany hafa ka hovaliany ny fangatahany.
Izay tiana vakiana (fa hay tsara)
Ho voavela ny fahotany
Izay tiana vakiana (fa hay tsara)
Hisokatra ho azy ireo varavan’ny lanitra
Izay tiana vakiana (fa hay tsara)
Hiditra amin’izay tiany amin’ireo varavaran’ny paradisa
Izay tiana vakiana (fa hay tsara)
Hisokatra ho azy ireo varavan’ny lanitra
Ho toy ny nanao hadj sy omra
Izay tiana vakiana (fa hay tsara)
Hosoratan’i Allah ho azy ny valisoa mitovy amin’ny azon’
Fatiha 1 + Taohid 10
ireo mpanompo an’i Allah.
Izay tiana vakiana (fa hay tsara)
Hisokatra ho azy ireo varavan’ny lanitra
Raha tsy mahay tsy an-jery ny soraat al Molk dia soloina
Fatiha 1 + Tabaarak (Molk) 1
Taohid 25. Ho voavela ny fahotany sy ny an’ny Ray
aman-dReniny
Fatiha 1 + Ayat Korsy 10 + Kaothar 10 Rehefa vita ny salam (farany) dia manao salaoat 100 dia
+ Taohid 10
ho voavela ny fahotana
Ho isan’ireo hangorahana sy ho avotra no sady hitombo
Fatiha 1 + Taohid 20
lanja ny asa natao ho toy ny an’ireo mpanao ny marina
sy ny an’ireo maritiora ary ny an’ireo mpanao asa soa
Rehefa vita ny salam (farany) dia manao salaoat 100 dia
Fatiha 1 + Taohid 20
hifarana miaraka @ fangorahan’i Allah ny volana.
( In MAFATIH AL DJINAN / SHAHR RAMADHAN)
Amin’ireo alina heverina fa mety ho alin’ny Qadr (19-21-23-25-27-29) izany hoe iray amin’ireo folo farany dia
misy s’alat maro isan-karazany tokony hatao. Jereo any amin’ireo takelaka miresaka momba ny VOLANA MASINA
RAMADHANY sy ireo asa fanompoana isan-karazany fanao amin’izany.
Misy ihany koa ireo doa manokana isaky ny andro sy ny alina tsirairay tokony hovakiana hita ao amin’ny
Mafatih Al Djinan,Dhya as-S’aalihin sns …
FANAMARIHANA :
1 – Ny s’alat mostahab rehetra dia atao tsiroaroa ohatra ny s’alat sobh (maraina)
Oh : 30 raka’at = 2 raka’at x 15
10 raka’at = 2 raka’at x 5
izany hoe misy nyat 15 sy salam15
izany hoe misy nyat 5 sy salam 5
2 – Ireo s’alat izay tsy voamarika manokana ny fotoana hanaovana azy dia atao amin’ny tapany voalohany amin’ny
alina (alohan’ny sasakalina).
3 – Ny lalàna rehetra mifehy ny s’alat in- 5 isan’andro dia manankery avokoa amin’ny karazana s’alat rehetra oh :
fahadiovan’ny vatana sy ny lamba ary ny toerana, fidiovana masina (odho), ny fitodihana any amin’ny qibla, ny
fahazoana alàlana amin’ny toerana anaovana azy…
“NY AHLOLBEYT-KO DIA SAHALA AMIN’NY SAMBOFIARAN’i NOH (A), IZAY MIARAKA AMIN’IZIREO DIA
TAFITA FA IZAY MISARAKA AMIN’IZIREO KOSA DIA RENDRIKA “ (Mpaminany MOHAMMAD ‘S’)
NY DERA SY NY LAZA ANIE HO AN’I ALLAH, ILAY TOMPO NAHARY IZAO TONTOLO IZAO
Ireo s’alat fanao amin’ny alin’ny volana masina RAMADHANY (version 2016)
Pejy 2 @ 2
houssen charly
DOA AN’NY ANDRO TSIRAIRAY AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Houssen Charly)
PEJY 1 @r 4
DOA AN’NY ANDRO TSIRAIRAY AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Houssen Charly)
PEJY 2 @r 4
DOA AN’NY ANDRO TSIRAIRAY AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Houssen Charly)
PEJY 3 @r 4
DOA AN’NY ANDRO TSIRAIRAY AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Houssen Charly)
PEJY 4 @r 4
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 1 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 2 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 3 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 4 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 5 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 6 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 7 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 8 @ 9
KORBATANE ILALLAH
2001 - 2016
Houssen Charly
Pejy 9 @ 9
Vakiana isan’andro mandritra ny volana Ramadany ary isaka Zoma kosa amin’ny volana hafa
doc de Houssen Charly
Pejy 1 @ 4
Vakiana isan’andro mandritra ny volana Ramadany ary isaka Zoma kosa amin’ny volana hafa
doc de Houssen Charly
Pejy 2 @ 4
Vakiana isan’andro mandritra ny volana Ramadany ary isaka Zoma kosa amin’ny volana hafa
doc de Houssen Charly
Pejy 3 @ 4
Vakiana isan’andro mandritra ny volana Ramadany ary isaka Zoma kosa amin’ny volana hafa
doc de Houssen Charly
Pejy 4 @ 4
Télécharger le fichier (PDF)
Sur le même sujet..
manao
allah
andro
izany
masina
fatiha
rehetra
alina
ramadany
mamaky
ihany
tsirairay
volana
taona
tokony