SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO .pdf



Nom original: SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO.pdfAuteur: LADY BEE

Ce document au format PDF 1.5 a été généré par Microsoft® Word 2010, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 17/03/2021 à 14:23, depuis l'adresse IP 154.120.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 65 fois.
Taille du document: 754 Ko (36 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
FACULTE DE THEOLOGIE
SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA

Lahatsoratra Famaranana ny Taom-Pianarana

« SEKTA : NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO »

Mpitarika

:

RAKOTOARIMANANA Milson, Mpitandrina

Mpitsara

:

RAZAFINIARIVO Fidison Maxime, Mpitandrina

Mpanolotra

:

RAVELONANAHARY Berthile
FJKM Tranovato Ambatonakanga

Tarika

:

SAHY

-2008-

TENY FANOLORANA

« SEKTA : Ny paikadiny sy ny Ampingako », izany no lohateny nomena izao
lahatsoratra famaranana ny taom-pianarana teto amin’ny SETELA izao. Taom-pianarana izay
nanovozam-pahasoavana tokoa mba hahafahana mivelatra sy mamoa bebe kokoa eo amin’ny
sehatra rehetra anompoana an’Andriamanitra sy ijoroana ho vavolombelony.

Karazana lahatsoratra teolojika somary mandray roa ihany izy ity, saingy ny REM no
tena heverina ho manan-danja satria dia tsapa mihitsy fa tena mila fanavaozana ny fomba
fitoriana ny Filazantsara ankehitriny, mba hahatanteraka ilay Tenin’ny Tompo hoe « Ataovy
mpianatra ny firenena rehetra » (Matio 28 : 19a). Lahatsoratra teolojika nosoratan’ny Laika
tsotra ihany, mety hiteny lango imason’ny vary na hitafy lamba imason’ny tompony,
mibadabada sy mikaviavia, koa dia ialàna tsiny mialoha.
Asa fikarohana tokoa no natao ka somary naka fotoana lava izany. Isaorana àry
Andriamanitra noho ny fahatontosan’izao lahatsoratra izao, satria ny tolo-tsaina avy amin’ny
Fanahy Masina no nanampy sy nanazava. Tolorana fankasitrahana indrindra ihany koa ireo
Mpampianatra sy Mpampiofana ary Mpandraharaha rehetra teto amin’ny SETELA. Singanina
manokana ny Mpitarika sy Mpitsara izao asa izao. Tsy hadinoina ireo rehetra nanampy
tamin’ny fomba maro samihafa araka izay tandrify azy avy ka nahatonga ho boky ny hevitra
tao an-tsaina. Ny fiadanan’Andriamanitra sy ny fahasoavany ampy mizara anie ho amin’izy
ireo mandrakariva.
Dia ho an’Andriamanitra, Rain’i Jeso Kristy, Tompon’ny Finoantsika irery ihany ny
Voninahitra !

DINIDINIKA MIKASIKA NY MPIADINA

RAVELONANAHARY Berthile
no manolotra ity lahatsoratra ity. Teraka tamin’ny 08 jiona 1941 tao Antsirabe, iray amin’ireo
sivy mianadahy nateraky RAJAONA Philippe sy RAZANAMASY Hélène, samy efa maty.
Vady navelan-dRAKOTOBE Régnier Désiré izay nodimandry tamin’ny 10 febroary 1994.

Telo mirahavavy ny zanany, ary manana zafikely iray.

Nanaraka ny sampam-pianarana Lalàna (Droit), saingy nisafidy ny ho renim-pianakaviana
nikarakara tokantrano. Manana talenta amin’ny fanaovana sary ary havanana amin’ny
fambolena voankazo sy voninkazo.
Isan’ny mpianakavin’ny finoana ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, mpandray ny
Fanasan’ny Tompo nanomboka tamin’ny 05 jiona 1955, loholona, mpikambana ao amin’ny
Sampana Dorkasy, ary mpampianatra Sekoly Alahady.

FITARIHAN-TENY

Mahazo vahana tsy miato ny fikambanan’olona (na ara-pivavahana na tsia) atao hoe
Sekta. Tsy izay miorim-ponenana eto Madagasikara ihany, fa noho ny fandroson’ny hairaha
mikasika ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao ihany koa, dia tena maro amin’ireny
fikambanana ireny no miasa mafy amin’ny alalan’ny fitaovana samihafa, toy ny haino amanjery sy ny tranonkalam-pifandraisana (internet) mba hanitarana ny ambain-dainy.
Araka izany, dia mivoatra manaraka ny toetr’andro ny fomba hisarihany olona, ary tsy
vitsy no miroaroa saina sy marivo salosana ka manatevin-daharana azy. Manana tetika maty
paika sy tsara lamina tokoa izy ireny, ary mazàna tsy tsapa akory fa efa mirona mankany
tsikelikely ny tena.
Eo anatrehan’izany, dia voasarika ny saina mba hamakafaka misimisy kokoa ny
amin’ity Sekta ity. Inona marina moa no atao hoe Sekta ary ahoana no ahafantarana azy ?
Inona no tena itoeran’ny heriny ka mampiroborobo azy toy izao ? Ahoana kosa no fomba tsy
hahavoasarika ahy ho any ? Tsy izaho irery anefa no mety ho voatarika any ; ka rehefa
ananako ny ampinga hiarovako tena, dia ho afaka hiaro ny manodidina ahy koa aho. Fa loza
tokoa mantsy ny Sekta. Ary izay no tsara handalinana ny amin’ny paikady ampiasainy, fa
mora resena ny fahavalo rehefa fantatra.
Efa misy fandalinana vitsivitsy voasoratra amin’ny Teny Malagasy, mamahavaha ny
momba ny Sekta. Ny sasantsasany amin’izy ireny no nanovozan-kevitra hitondrana izao
lahatsoratra famaranana izao. Eo koa ny boky sy tahirin-kevitra hafa ka ny fanantenana dia
mba handray anjara amin’ny fanatevenana izay efa voasoratra amin’ny Teny Malagasy,
mikasika ny Sekta. Ny faniriana dia mba hanolotra fitaovana hanampy ny olona amin’ny
safidy ataony eo anatrehan’ny tolotra rehetra mibosesika eo anoloany.
Noezahina tokoa ny handrafitra lahatsoratra amin’ny teny malagasy ranoiray, ka ireo
teny vahiny sasantsasany tafiditra eny an-tsefantsefany eny, dia niniana natao mihitsy mba
hahatsotra ny fahatakarana izay tian-kambara. Misy tenin-jatovo vitsivitsy ihany koa, izay
ialàna tsiny dieny mialoha raha misy mety ho tohina amin’izany. Izay hampazava ny resaka
mantsy no nimasoana, satria anisan’ny sakana lehibe amin’ny serasera koa ny voambolana
indraindray.

SEKTA : NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO

Tsy mitsahatra miroborobo ny fikambanana atao hoe Sekta. Tsy zava-baovao izy io fa
efa nisy hatry ny taonjato maro ela. Efa maro ny fandalinana natao sy ny boky voasoratra
momba izany. I Jesoa Kristy koa, araka ny Matio 7 : 15 dia efa niteny hoe « Mitandrema
ianareo, sao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny
fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny dia amboadia mpaka an-keriny. » Mamaritra sy mahafehy
tsara ity lohahevitra ity io tenin’ny Tompo io :
-ny Sekta araka ny endriny (miseho ho mpaminany, mitafy hodi-janak’ondry)
-ny Sekta araka ny votoatiny (hosoka, amboadia ao anaty)
-ny Sekta sy ny fomba fiasany (misandoka, mamitaka, manatona, maka an-keriny)
-ny tokony hiarovan-tena aminy (mitandrema)
Ahoana àry no tokony hitandremana manoloana ny firongatry ny Sekta ?
Mialoha ny hanomanana ny ampinga hoenti-miady anefa, dia tsara hofantarina ny
tetika ampiasain’ny Sekta. Kanefa, andeha aloha hovahavahana ny atao hoe Sekta, araka ny
hevi-teny, ny foto-keviny sy ny fisehony ary ny tanjona kendreny. Inona marina no atao hoe
Sekta, ahoana no amantarana azy.

1-FAMARITANA NY SEKTA
Lafin-javatra maro no azo anasokajiana sy amaritana ny Sekta : ny fiaviany, ny
mpanorina, ny fomba fiainana ao anatiny, sy ny sisa. Ny famaritana heverina ho ankapobeny
ihany, izay mety hahafaoka ny ankamaroan’ny fikambanana atao hoe Sekta no andeha
hojerena : ny endrika isehoany sy ny hevitry ny voambolana « sekta ».
1-1-Araka ny tantaran’ny voambolana
1-1-1-Hevi-teny eo amin’ny fiarahamonina malagasy

Manana fomba fijery ny tontolo ivoarany ny Malagasy, ary toa tsy dia hita mikaondoha kanefa mitovy hevitra amin’ny zavatra maromaro. Amin’ny Malagasy, dia antsoin’ny
ankamaroan’ny olona hoe Sekta avokoa izay antokom-pivavahana na vondrom-bavaka
vaovao rehetra ka tsy anisan’ny FFKM (1). Raha misy fikambanana mikarakara hetsika
matetitetika, mivoaka ny sehatry ny Fiangonana mahazatra, miendrikendrika « iraisampinoana », manao ngadon-kira manavia ny sofina, mitondra fanentanana somary mafanafana
sy mientanentana, dia mahavelom-panontaniana hoe « Tsy Sekta ve izany ? ». Ho an’ny
ankamaroan’ny Malagasy, dia heverina ho sekta avokoa izay miventy matetika ny
« Haleloia ». Tsy dia alehan’ny sain’ny Malagasy loatra kosa ny hihevitra fa sekta ny
fikambanana iray, raha toa tsy miresadresaka fivavahana sy finoana mihitsy io fikambanana
io.

1-1-2-Hevi-teny grika

Manana sivilizasiona tranainy tokoa ny Grika, ary ny teny grika dia efa notenenina
hatramin’ny vanim-potoana « préhistoire » (2). Efa notenenina talohan’ny taonjato fahasivy
talohan’i Jesoa Kristy izay nahalalana voalohany ilay mpanoratra malaza Homère ny teny
grika. Nampiasaina indrindra indrindra tamin’ny tononkalo sy lahatsoratra ara-pivavahana ny
teny grika, ka tsy azo dinganina raha hanao fandalinana mikasika ny tontolon’ny finoana.
Ny niandohan’ny teny Sekta dia ny fototeny grika hoe « hairetidzo » (fampianarandiso), izay nanome ny matoanteny « Hairesthaï » (misafidy) sy ny anarana « Hairesis »
(safidy, antoko), ary ny mpamari-toetra « haireticos » (mpiodina, mpanaraka fampianaran-diso).
Araka ny hevi-teny grika, ny Sekta dia vondron’olona azo lazaina ho nikomy tamin’ny rafitra
iray nahazatra.
1-1-3-Hevi-teny latina

Teny tranainy ihany koa ny teny latina, nampiasaina tany Roma fahiny ary niely
patrana ka tonga teny fototra tany Eoropa andrefana. Teny fampiasa amin’ny lahateny avo
lenta sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ny latina hatramin’ny taonjato faha-XVIII, ary
ampiasaina amin’ny litorjia katolika hatramin’ny tenantenan’ny taonjato faha-XX. (3)
Tamin’ny taonjato faha-III talohan’i Jesoa Kristy, dia nahazo vahana ny teny latina, nanjary
nanana lanja lehibe ka nanomboka nadika tamin’ny teny latina ireo lahatsoratra maro
tamin’ny literatiora grika. Ny endriky ny hazo fijaliana ampiasaintsika ankehitriny dia Lakroa
latina.
Nivoatra ihany àry ny teny ka ho an’ny Latina, ny fototeny « sectus » dia nanome
matoanteny roa : « sequi » (manaraka foto-kevitra na mpitarika iray) sy « secare » (manapaka).
Ny Eglizy katolika dia mirona kokoa amin’ilay hevitra hoe « manapaka ». Vondron’olona
nisaraka tamin’ny Eglizy no amaritany ny Sekta. Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faharoapolo vao nanan-danja kokoa ilay hoe « manaraka ».

Raha aravona, dia Fisarahana no tena hevi-dehibe raketin’ny teny hoe Sekta : misaraka
amin’ny Fiangonana na ny vondrom-piaraha-monina iray nisy ny tena teo aloha. Noho ny
antony samihafa dia mamorona na manatona Fikambanana iray hafa. Fikambanan’olona
manana faharesen-dahatra iombonana ny Sekta. Mankatò Lehibe iray izy (mbola velona na tsia,
hita maso ifaneraserana na araka ny lovan-tsofina ihany) izay antsoiny hoe Dada, Maître, Zoky,
Neny .... « Gourou » no ilazana ny tena filohabeny. Fiarahamonina (4) kely manana fomba
fiaina manokana ny Sekta ary henjana tokoa ny fifampifehezana ao anatiny. Misaraka
tanteraka amin’ny manodidina, izay tsarainy fa ratsy sy feno fahalovana izy, ka tsy misy
marimaritra iraisana azo ekena mihitsy. Itovian’ny Sekta rehetra izay, fa ny endrika isehoany
no maha-samy hafa azy.

1-2-Araka ny foto-kevitra sy ny endrika isehoany
Raha tiana hanana ny tanjany sy ny maha-izy azy ny fikambanana iray, dia tsy maintsy
maneho ny fironana arahiny. Izay mampisongadina no atao fa tsy atao safobemantsina ao
amin’ny zava-kinendry avokoa ny zava-drehetra mba tsy hisafotofoto ao an-tsain’ny olona
jonoina : fanabeazana sa fialam-boly sa asa an-tselika sa inona. Ny eo amin’ny lafiny arapoto-kevitra no hasiana resaka.
1-2-1-Sekta mivavaka
Maka endrika Fiangonana ny sekta mivavaka ary mampiasa ny Baiboly, saingy araka
izay itiavany azy ihany. Ny Mpitarika dia mitondra anarana « pasitera » na « loholona » na
« evanjelistra », etsetra na dia tsy nandalina manokana sy voahosotra araka izany akory aza.
Matetika dia ampahan’olona niendaka tamin’ny Fiangonana efa ela niorenana izy ireny.
Tononina any amin’ireny toerana ireny ny anaran’Andriamanitra, saingy fampianarana hafa
mihitsy no atao any mba hiavahany amin’ny fiangonana mahazatra. Mbola misy an-kolafiny
koa anefa ireny Sekta mivavaka ireny, dia ny mino sy ny tsy mino an’i Kristy.

1-2-1-1-Sekta kristiana
Milaza ho mino an’i Kristy ihany izy ireo, saingy manao fampianaran-diso momba
an’i Kristy. Tena samy mitonon-tena ho Kristiana izy rehetra, ary samy mandrirotra
ampaham-pampianarana araka izay manavanana ny lohandohan’ny mpisorona ao aminy avy
ireo. Lohahevitra maro mpitrandraka ny amin’ny Sabata, ny Batisa, ny fifadian-kanina, ny
fahafatesana, ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy. Ny itoviany dia samy « mitsara » ny
fivavahana kristiana hafa fa izy ihany ary izy irery no « tena izy ».
Isan’ny malaza amin’ny sekta kristiana ny Eglise Universelle du Royaume de Dieu
(EURD), naorina tera-tany breziliana ary ambaran’ny fanjakana frantsay fa mamoa-doza any
aminy. Efa niroborobo teto Madagasikara izy io ary nakaton’ny Fanjakana vao tsy ela. Eo koa
ny Eglise de Jésus-Christ des Saints des derniers jours (mormons) izay mbola mijoro tsara eto
amintsika na dia maro aza ny resaka mandeha mikasika ny fitondran-tena ao anatiny. (5)
1-2-1-2-Sekta tsy kristiana
Sekta mivavaka koa ireo, mampiasa baiboly, mitory teny, saingy tena tsy manaiky an’i
Jesoa ho Andriamanitra mihitsy. Ho azy ireo dia mpaminany tsotra ihany i Jesoa, anjely hoy
ny sasany. Misy olona niendaka tamin’ny fikambanana kristiana ihany koa ny nanorina azy
ireny. Ny Vavolombelon’i Jehovah no tena malaza amin’izany. Tsy manaiky ny Trinite
Masina izy ireo. Antikristy satria hoy i Jesoa hoe izay tsy momba ahy dia manohitra ahy. Ny
fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesoa dia tsy mba avy amin’Andriamanitra, ary izany dia
fanahin’ny antikristy. (I Jao. 4 : 2-3). Nisara-tsaina ny amin’i Jesoa ny olona (Jao.7 : 43). Toy
ny sekta rehetra, dia mitompo teny fantatra ho manana ny fahamarinana rehetra koa ny sekta
tsy kristiana.

1-2-2-Sekta miorina amin’ny filozofia samihafa

Tsy ny ara-pinoana ihany no ampiasàna ny teny « sekta » fa misy koa ary maro tsy
ampoizina akory ny sekta manana foto-kevitra hafa mihitsy. Vondron’olona mihidy toy ny
sekta rehetra ireo. Saingy tsy ny ara-pivavahana no nakàny aingam-panahy hanorenana ny
fampianarany, fa mivoy filôzôfia hafa araka ny mba eritreritra sy nofinofin’ny mpanorina azy.
1-2-2-1-Ireo mitondra anara-mamitaka

Mety mampiasa ny baiboly ihany ireo satria ny fandrangarangàna an’io dia fintana
tena mahomby tokoa. Saingy tsy amin’ny maha-tenin’Andriamanitra azy, fa amin’ny mahaboky loharanon-tahirin-kevitra azy ihany. Vakiana ny baiboly mba hotsikeraina sy hotoherina
ary hitadiavana porofo fa tsy mitombina. Mazàna dia fikambanan’olona mihevi-tena ho
manan-tsaina noho ny besinimaro izy ireo, te hisongadina ary maniry hanatsara ny fiainany
amin’ny fandrantoana fahalalana sy fahatakaran-javatra bebe kokoa, avy amin’ny alalan’ny
« firahalahiany ». Santionany amin’ireny ny « Sciences chrétiennes », ny « Rose-Croix ». Tsy
manaiky an’i Kristy ho Andriamanitra, na dia misalotra anarana « chrétienne » sy mampiasa
ny teny « croix » aza.
Misy kosa dia mitondra anarana hafa dia hafa mihitsy, tsy mamofona finoana fa
mandrangaranga « fampandrosoana » ka dia roboka ny olona, indrindra fa ireo tanora. Ahoana
moa no hanampoizana fa sekta ny « Association culturelle ALPHA », « Centre de
développement humain », « Centre de documentation et de contact pour la prévention du
cancer », « Mouvement humaniste », sy ny sisa ? Maro no mihevitra fa hetsika arakolontsaina no atao, fialam-boly, fanitaram-pahalalana. Sodoka sy revo, kanjo anarana natao
hisarihana ihany ireny fa hay sekta ilay nidirana.

1-2-2-2-Ireo efa miharihary amin’ny anarany sy ny fisehony
Tsy vitsy koa ireo sekta izay tsy miafina mihitsy fa na ny anarany aza dia efa
mampatahotra sy hafahafa. An-jatony maro izy ireny eran-tany. Santionany amin’izany ny
« Eglise philosophique luciférienne », « Le suicide des rives », « Le Club des surhommes »,
« Ecole de la préparation de l’évacuation extra-terrestre », « Ordre du Graal ardent ». Misy ny
olona lasan’ny sekta noho ny fitaka sy ny fanararaotana, fa tsy vitsy koa ny minia miditra
amin’ny sekta amin’izao, noho ny maha-sekta an’io fikambanana io fotsiny : mba maniry
sehatra ahafahana miavaka sy misongadina satria « mpikambana » amin’ny fikambanana izao
na izao, izay tsy iraisana amin’ny olona manodidina ny tena. Tato anatin’ny taona roa izao,
dia mikarakara hetsika sy fihaonana amin’ny toeram-pandraisam-bahiny malaza eto
Antananarivo ny ao amin’ny « mouvement raélien » izay milaza sy te hampita fa misy
fifandraisana amin’ny olombelona ny « extra-terrestres » (6) : loharano nipoirana ary mbola ho
avy haka antsika.
Tsy vitsy ny tanora mankafy ny ngadon-kira « hard rock » noho ny fitiavana ny tarika
aostraliana AC /DC izay heverina sy lazaina fa avy amin’ny fanafohezan-teny fampiasa
amin’ny elektronika sy elektrisite (alternating current / direct current). Tsy inona no tena

dikany fa Anti-Christ, Death to Christ (antikristy, matesa i Kristy). Raha miteny hoe Rock, dia
toa mozika no resahina, saingy manana fomba fiseho manokana ny olona ao anatin’io tontolo
io : ny sarin’ny tandrok’i Satana atao amin’ny ankihibe sy ankihikelin-tanana no marika
fifamantarana, sary karandoha sy biby mahatahotra no sora-damba ankafizina izay anjakan’ny
mainty, korontan-javamaneno midradradradra no atao hoe « kanto ».
II-NY TANJON’NY SEKTA
Izay fikambanana rehetra miorina, na ara-barotra na ara-pianakaviana, na ara-politika,
na inona dia manana zava-kendrena mazava tsara tokoa. Mety ho tombontsoa iombonana io,
mety ho an’ny mpanorina sy ny lohandohan’ny mpisorona ihany. Tsy mivaona amin’izany ny
sekta. Samy tonga hitady tombontsoa ao na ny mpikambana tsotra na ireo mpitarika. Matoa
velona ny fikambanana iray, dia mbola samy mahita izay tadiaviny ao daholo ny tsirairay, na
ny mpikambana tsotra na ny mpitarika. Nahoana moa no manangana sekta sy manatona
sekta ?
2-1-Vola aman-karena
Hoy ny ohabolana malagasy : ny vola no maha-rangahy, ny olombelona jamban’ny
vola, ny vola tsy misy fofona, ary ny fitadiavana azy dia mahazaka maniraka tokoa.
Mitombina maneran-tany izany. Misy mpandinika milaza mihitsy fa fiharian-karena tena
mahomby ny sekta (un business qui rapporte). Samy manantena vola mikararana ao amin’ny
sekta daholo na ireo mpikambana lany aiky tany ivelany, na ireo mpitarika sy lohandohan’ny
mpisorona, indrindra indrindra. Amin’ny fomba ahoana àry ?
2-1-1-Avy amin’ny mpikambana

Ny mpitarika ny sekta dia olona to teny, tsy refesi-mandidy ; ireo mpikambana kosa
dia feno faharesen-dahatra ka mahafoy ny zava-drehetra ho an’ny fikambanana sy ho an’ny
mpitarika. Mampitsiriritra ny fiaimpiainan’ny mpitarika : mijoro vavolombelona rahateo izy
fa noho ny fahafoizany be no ahazoany be ihany koa. Dia rafitra mba mandrotsaka ny
karazana fahafolon-karena izay takiana aminy na alaina amin’ny fianakaviany ny
mpikambana, sitrany ahay fitahiana. Dia miditra fatratra ny volan’ny fikambanana. Ho an’iza
anefa moa ny vola ary hatao inona? Hanaovana ny asan’Andriamanitra, anohanana ny
irak’Andriamanitra satria raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy ka anorenana trano
hitoerany izy, ividianana fiarakodia hivezivezeny.
Eo koa ny sandan’ny asa maimaim-poana (bénévolat) ataon’ny mpikambana, izay
mahafoy tena mihitsy : mandeha an-tongotra na mianto-tena manao ny asan’ny fikambanana,
mikatroka andro aman’alina tsy misy tambin-karama. Tsy dia mampidi-bola mivantana izy
amin’izany, fa efa tsy mamoaka koa aloha, ka dia tombony be ho an’ny fikambanana.
Ampiasaina hanasoavana ny fikambanana avokoa ny talenta rehetra ananan’ny mpikambana :
ny asa tanana, ny asa saina, ny fitaovana. Tsy ilaozan’izay hisy mpandrafitra ny mpikambana,
mpandrary biriky, mpahay tao-trano, mpikirakira teknolojia maro samihafa. Manan-karempahasoavana ny fikambanana ka tsy miala vola. Ireo olona koa faly fa mahatsiaro tena ho
« ilaina » ka dia tsy miroa fo. Tsy tsapa ny fatiantoka fa jamban’ny tolotolotra sy tombontsoa

kely madinidinika : ody ambavafo, fitafiana kely, trano fialofana tsindraindray … Tsy tsapa
ny fahavoazana satria feno ny fandaharam-potoana ka tsy ahafahana mandanjalanja ny miditra
sy ny mivoaka, mahazo doka sy tso-drano rehefa vita ny asa ka mino sy mitehi-tratra.
Mahatsangana foto-drafitrasa maro sy tsara ary manara-penitra tsy dia be masonkarena firy
ilay sekta. Vola mipetraka daholo izany.
2-1-2-Avy amin’ny asa fiharian’ny fikambanana

Fikambanana mijoro ara-dalàna eo amin’ny tany sy ny fanjakana misy azy ny sekta
ary tena imasoany tokoa io alohan’ny hanorenany lasy. Ahafahany mandeha mangataka
famatsiana sy fanampiana etsy sy eroa izany satria izy dia mitonona ho manao asa
fanasoavana sy fampandrosoana. Tsy naorina hojerem-potsiny ny trano, tsy nangonina
fahatany ny fitaovana ananana, fa ampiasaina mba hampiditra vola ihany, vola hatrany. Mba
ho fanampin’izay vola efa midi-potsiny avy amin’ireo mpikambana terena sy ireo mihevitra
ho nahazo fahasoavana ka manolotra raki-boady, dia manana asa fihariana hafa koa ny sekta.
Itsofohany ny sehatra rehetra, tsy vitsy ny orinasa goavana izay sekta no tompony.
Mikarakara hetsika sy fiofanana samihafa izy, mangataka izay foy amin’ny boky zarainy na
amidiny tsotra izao. Mampidi-bola ireny.
Any amin’ny firenena maro, toa an’i Etazonia, dia tsy mandoa hetra na haba ny
vondrona na fikambanana mitonona ho miankina amin’ny finoana. Tsy akàna hetra ny vola
rehetra miditra, ny fananana (fiara, trano, tany). Tsy andoavana fadin-tseranana ny entana
ampidirina izay ambara fa fanomezana avy amin’ny malala-tanana ary hoentina hanaovana
asa sosialy. Hain’ny sekta ny mampiasa ny lalàna manan-kery ho amin’ny tombontsoany.
Ananany ny tahirin-kevitra sy ny rijan-teny manaraka ny toetr’andro. Ary ataony manarapenitra sy atsangany ho ara-dalàna ny fikambanana aoriny amin’ny toerana iray. Sehatra iray
iroboroboan’ny fandiovam-bola maloto ny sekta araka izany ; rafitra anafenana fihariana
mamoafady sy maizimaizina maro : zava-mahadomelina, halatra, vono olona, varotra olona,
varotra taova, faneràna mpivaro-tena (ireo vehivavy ao aminy atolotra ny mpanefoefo, amin’ny
anaran’ny fijangajangana masina (5)).
2-2-Fahefana sy voninahitra
Ilay psychologue Abraham MASLOW dia nandinika fa misy ambaratonga dimy ny
filàn’ny olombelona (7). Filàna faratampony ny te hanavaka ny tena amin’ny ankapoben’olona,
hanambara hoe « izaho no tena izy ». Tsy ho afaka hanao izany anefa raha tsy efa to sy
mandry daholo ny dingana rehetra eo aloha : ny sakafo, ny akanjo, ny trano, ny asa, ny
fiainana anaty vondrona, ny famoronana sy fahavitan-javatra.
Raha mbola eny amin’ny zana-tohatra ambany (fitadiavana tombontsoa madinidinika
amin’ny fomba heveriny ho moramora) ny ankamaroan’ny mpikambana, efa tonga eo amin’ny
filàna fahefana sy voninahitra kosa ny mpitarika sekta. Efa « avo lenta » ny filàny.
2-2-1-Hifehy vondron’olona

Fahafinaretana lehibe ho an’ny mpitarika ny fananana olona eo ambany vahoho
tanteraka, manaiky tsy misy adihevitra an’izay rehetra ampanaovina azy. Ny foto-kevitra na

tsangan-kevitra ventesina isan’andro dia efa azy mpitarika rahateo. Izany no mibaiko ny
fitondran-tenan’ny tsirairay sy ny fifandraisana ao anatin’ny fikambanana, ary dia miray volo
tsy misy iavahana ny besinimaro. Eken-teny tanteraka ny mpitarika, miankin-doha aminy ny
mpikambana rehetra. Izy no manapaka ny safidy rehetra tokony hatao eo amin’ny fiainana :
ny fandaharam-potoana, ny hanin-kohanina, ny fitafiana anaovana, ny fomba fiteny sy ny
voambolana ampiasaina, ny sampam-pianarana arahina, ny vato alatsaka amin’ny fifidianana,
ny vady halaina, ny fasana ilevenana, ny fotoana ahafatesana koa aza satria dia misy ny
mampanao famonoan-tena faobe. Ao anatin’ny sekta no ahafahan’ilay mpitarika mahazo
izany fahefana rehetra izany, izay tsy ho hitany na aiza na aiza.
Ireo mpikambana tsotra kosa, dia faly miakatra grady ao anaty vondrona. Mifaninana
izaitsizy amin’ny fanompoana ny fikambanana sy fandambolamboana ny mpitarika, mba ho
lasa tanan-kavanany, avy eo ho lefiny, any aoriana mety handova azy. Voadokadoka sy
mahazo fankasitrahana avy amin’ny lehibe ny sasany ka dibo-kafaliana satria tebaka sy tsiny
no fahazo tany ivelany. Rehefa mandroso amin’ny antanantohatra ao anaty fikambanana dia
mba lasa manana fahefana amin’olom-pehezina vitsivitsy koa. Isan’ny sehatra manome
fahafaham-po an’izay « filàna » izay ny sekta.
2-2-2-Hanapaka amin’ny sehatra mivelatra kokoa

Toy ny fisotroan-dranon-tsira ny zavatra rehetra ho an’izay efa tsy mahalala onony
rahateo, ka dia entanin’ny faniriana te hanapaka amin’ny sehatra avoavo kokoa ny mpitarika
sekta. Noho ny tanjaka lehibe ananany : vola, ilay maha-izy azy mihitsy (personnalité,
charisme), ny firaisan-kina lehibe eo amin’ireo mpikambana, ny fananany tamba-jotra (réseau)
goavana maneran-tany, dia miha-to teny eo amin'ny iraisam-pirenena koa ny sekta iray satria
atahorana (izany hoe mety hahavanon-doza), iankinana (satria mpamatsy vola). Afaka
mitsabatsabaka amin’ny fitondrana sy raharaham-panjakana izy, izay zary fanjakana kely ao
anaty fanjakana. Manana ny teny hambarany koa ny sekta goavana amin’ny fanapahankevitra raisina eo anivon’izao tontolo izao. Na iaraha-mahita aza ny loza atataony, tsy dia
misy sahy manohintohina loatra satria mety ho fidodododoan’ny mpitondra fanjakana
(fangatahana vola amin’ny fotoam-pifidianana, na findramana olona hanao hery famoretana, fitaovampiadiana, sy ny sisa), na mety ho isan’ny mpikambana mavitrika ao koa ny mpitondra

fanjakana. Afa-po erý ny mpitarika sekta manana izany fahefana lehibe izany.
Araka izany, ny atao hoe tombontsoa tadiavina, dia tsy vola aman-karena ihany.
Tombontsoa koa ny fahefana, ny fahafahana manapaka amin’ny sehatra rehetra, hatramin’ny
fiainan’ny hafa, ny fahafahana « manindry » hoy ny fitenin-jatovo. Ambony ampanga ary tena
zava-dehibe koa ny laza amam-boninahitra aterak’izany.
III-NY PAIKADY AMPIASAIN’NY SEKTA
Ekena sy iaraha-mahita ny firoborobon’ny sekta. Tsy tongatonga ho azy ny
fahombiazana fa misy tetikady voarindra tsara ao, ary ny sekta dia rafitra tsy kitoatoa mihitsy
fa manana teti-pivoarana nosainina sy nohalalinina ary nohavaozina isan’andro. Miray feo ny
mpandinika maro fa mandalo dingana telo hatrany ny fomba fiasan’ny sekta : manjono,
manapotika ny fahafaha-mandinika, ary mandentika tanteraka tsy ho afaka hiverin-dalana
intsony.

3-1-Manarato olona
Tsy mahefa samirery izay tiany hatao ny mpitarika sekta fa mila olona hataony
fitaovana : isam-bahoaka hisehoana fa « misy », ary isam-bahoaka hotrandrahana sy
hampiasaina. Hain’ny sekta ny mampihatra ny fahalalany ny toetoetry ny olona (psychologie)
mba hisintonana mpikambana maro. Tsy miroa fo izy mandeha mitety trano sy manatona
olona eny an-dalam-be rehetra eny, amin’ny fahatsaram-panahy mahababo sy faharetana
tanteraka na inona na inona valy an’avona atao azy.

3-1-1-Fampiasana andinin-tsoratra masina hanozongozonana

Tsy vitan’ny hoe olona vaovao tsy nanam-pirehana mihitsy no azon’ny sekta, fa ireo
izay lazaina ho efa « ao am-bala » indrindra no avoakany soa aman-tsara hanaraka azy, ary
tena fandresena lehibe ho azy izany. Ny tenin’ny Soratra Masina ihany no ampiasainy
amin’izany. Mahay tsianjery andininy maromaro izy. Efa fantany izay hasesika havaly
an’izay miady hevitra aminy. Tsy raisiny manontolo ao anatin’ny toe-javatra nanoratana azy
ny Soratra Masina fa tsongatsongainy araka izay mahafinaritra azy sy ananany izay heveriny
ho fahalalana manokana.
Ohatra telo no horaisina :
Ny fandikàna vilana ilay hoe « finoana arahina asa » ao amin’ny Jak 2 : 14-26 dia
nahitana tantara toy izao : satria maty ny finoana tsy misy asa, dia nasain’ilay mpitondra
fivavahana nifofotra nampiasa ny talentany avy, nanamboatra ny trano itoeran’izy mpitarika,
ireo ondriny. Satria nasesika tao an-tsain’izy ireo fa izany no tenin’Andriamanitra, dia roboka
ny maro « hiasa » sy « hitsemboka » maimaimpoana ho an’ny « fikambanana ».
Toraka izany ny amin’ny sabata sy ny fifadian-kanina : raha mijanona ao amin’ny
testamenta taloha dia anisan’ny biby voalaza fa maloto ka tsy azo hanina ny kisoa (Lev.11).
Ny amin’ny hoe fanajana ny andro sabata (Deot.5 : 14), dia roritina eo amin’ny maha-andro
fahafito azy ny sabata. Izao anefa no voasoratra ao amin’ny Kol 2 :16-17 raha mba
nohalalinina manontolo ny baiboly : « Aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na
ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bokatra, na ny Sabata ; aloky ny
zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an’i Kristy »
Ny amin’ny fahafolon-karena moa dia ankinin’ny sekta tanteraka amin’izay voasoratra
ao amin’ny Deot.12 : 6, ; ny Mal.3 :8-10 sy ny sisa ny famolosana ny mpikambana. Nahitsin’i
Jesoa anefa izany teo am-pahitana an’ilay mpitondratena nandatsa-drakitra : « ireo rehetra
ireo dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao ; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no
nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra » (Mar.12 : 44). Izany hoe
tsy misy tahany hoe ampahafiriny na ampahafiriny.
Daniel RAHERISOANJATO, mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny
Oniversite-n’Antananarivo dia nanao fandalinana ny amin’ny tantaram-pivavahana teto
Madagasikara. Nivoitra tamin’izany fa ny ankamaroan’ny sekta misy eto dia mifototra
amin’ny Testamenta Taloha sy ny Apokalypsy, izay misy zava-dalina sy karazam-pahitana
tsy takatry ny saina. Hain’ny sekta ny mitsongo andalan-tSoratra Masina amin’ireo mba
hanitikitika ny sain’ny olona mandeha am-pahatsorana.

Rehefa teraka ao anaty ny fisalasalana, dia liana hanatona bebe kokoa an’ilay
nampianatra mba haka toky tsara. Tafiditra lalina avy eo ka tsy manam-potoana intsony
hamakafakana fa efa niray volo tanteraka tamin’ireto mpiray fikambanana vaovao, izay tena
mahay mandray olona tokoa. Dia nilaozana ny fiangonana nahazatra satria « diso ».
Manomboka eo dia lasa mpitsara io fiangonana nisy azy io ilay olona : toetra sekta izay. Ary
satria nahazo « fahazavan-tsaina » sy « fahalalana vaovao », dia mahatsiaro tena ho nisondrobidy ka miroso mampianatra ihany koa.
3-1-2-Fanararaotana toe-javatra mandalo

Tsy « miandry mahazo » manao finta-mandry ny sekta, fa tena « mitsikaraka »
mihitsy. Mazàna dia tsy ny olona no tonga mandòm-baravarana amin’izao any amin’ny sekta,
fa ny sekta no miremby. Manamafy izany ilay mpikambana « scientologue » iray Philip
ZIMBARDO milaza fa tsy miditra ho mpikambana (adhésion) fa raisina ho mpikambana
(recrutement), ary ilaina ho mendrika horaisina (méritant). Tsy olona miavaka amin’ny
besinimaro akory ireo olona lasan’ny sekta ; mitovy amin’ny rehetra ihany izy saingy ny
ankamaroany dia nandalo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainany sy ny fisiany, ary mamoha
varavarana ny sekta amin’ny fihetsika asehony :

-tsy fahampiana ara-bola noho ny antony maro (tsy fananana anton-draharaha ampy
hivelomana sy hiatrehana ny tsy ampoizina)
-olana ara-pifandraisana (ankohonana, vady, fianakaviana, tanora miala sakana,
fiaraha-monina, toeram-piasana)
-aretina mitarazoka sy toa hafahafa
-faniriana mafy toa tsy mety ho to (toerana eo amin’ny fiaraha-monina, tanora te
hanambady, mpanakanto te halaza)
-fahadisoam-panantenana isan-tokony (fisarahana, fanilikilihana, fahatafintohinana
tany amin’ny fiangonana nisy ny tena, fatiantoka, fahafatesana)
-mpivahiny eo an-tanàna (mpianatra kilasimandry, mpiasa mamita iraka)
Mihamora ny asan’ny sekta raha toa ka miampy toetra lian-draha tia andranandrana sy
tia resadresaka ireo, raha toa ka mivenjivenjy sy mitomoe-poana eny rehetra eny satria
handom-baravarana any an-tokantrano aza hataony.
Toerana tena iroboroboan’ny sekta ny faritra iva ahitana olona maro toy izany. Sylvain
URFER, pretra zezoita dia milaza fa eo amin’ny kartie Anosibe iadidiany (Antananarivo IV),
dia misy sekta 12 tamin’ny taona 2005.
Mametraka baraingo amin’ny maha-olona ilay olona avokoa ny fahasahiranana toy
izany. Rehefa tratr’izay dona izay dia tsy afaka handinika araka ny tokony ho izy intsony fa
miraparapa tokoa. Amin’izay fotoana maha-irery izay, dia mora foana ny hiantorahana
amin’izay mampanantena vaha-olana haingana, ary mivoady mihitsy hamaly babena an’izay
« mpamonjy » izay. Tena hain’ny sekta ny mandrangaranga vaha-olana toy izany.

3-1-3-Fahafehezana ny hairaha

Raha ny tena tsapa dia ny fahafehezany ny fivoaran’ny teknolojia isan-karazany no
tena ahombiazan’ny sekta.
-Mahafehy ny « varotra » izy (marketing) : hainy tsara ny « entana » amidiny (ny fotokevitra aeliny, ny fikambanany) ; fantany tsara ny « mpividy » kendreny. Mahafehy tsara ny
« tsena » iasany izy : iza avy no mpifaninana ; mpifaninana izay mionona amin’ny fomba
fitoriana efa nahazatra nandritra ny taonjato maro (ny fiangonana ara-tantara io) satria matahotra
fanovàna sao mampivaona ny asa atao angaha ? Ny tsy fahafehezana ny teknika vaovao anefa
no mahatonga ny tahotra.
-Mahafehy ny serasera sy ny fomba fampitan-kafatra rehetra manaraka ny toetr’andro
ny sekta (NTIC : nouvelle technologie de l’information et de la communication) : internet,
téléphonie izay mahatakatra olona marobe amin’ny fotoana iray sy amin’ny fotoana fohy. Eo
koa ireo haino aman-jery samihafa.
-Mahafehy ny teknikan’ny dokam-barotra sy fandresen-dahatra ny sekta amin’ny
alalan’ny fandalinana ny toetry ny olona sy ny vondron’olona (psychologie). Fantany ny
vanim-potoana ahafahany miditra an-tsehatra, ny toerana iasany, ny olona tafihany, ny fomba
isarihany. Maharaka tsara ny zavatra malaza sy lamaody ny sekta. Na ny ngadon-kira izany na
ny fomba fitafy na karazam-panatanjahan-tena. Fitaovana
mahomby ny « analyse
transactionnelle », « leadership », « management », ny « coaching » izay malaza tokoa
ankehitriny. Ny mpiasa amin’ny orinasa dia tratra amin’ny fomba fitantanana sy karazampanofanana « formation professionnelle » atao ao am-piasana.
-Mahafehy tsara ny teknikan’ny fikarakarana ny « ressources humaines » ny sekta. Ny
tanora sy ny ankizy dia voajono amin’ny fampianarana teny vahiny, fanatanjahan-tena,
fialam-boly sy ny sisa.
Raha fintinina dia isan’ny tena herin’ny sekta ny fahafehezany ny teknikan’ny
serasera, ny faharaham-baovao sy fahaizana manararaotra ny toe-javatra rehetra azo
itsofohana. Ireo mpitarika azy dia manana toe-tsaina mikaroka zava-baovao sy mahaliana ary
mahatamana. Mahita hirika hitrandrahana tsara ny atao hoe « motivation »-n’ny olona, ary dia
mahay manarato olona tokoa.
3-2-Mitana izay olona azo ho tamana tsara
Hena an-tanan-tsaka ny olona azon’ny sekta. Na tamin’ny fomba nanao ahoana na
ahoana no nahatongavana tao, na vao mitsiditsidika mizahazaha taratra na efa miroso amin’ny
lalina, dia vain-dohan-draharahan’ny efa ao ny manao izay hampiorim-paka azy tsara. Fomba
isan-karazany no ampiasaina amin’izany : halemem-panahy indraindray, herisetra sy
fampihorohoroana raha ilaina.
3-2-1-Fanolorana vaha-olana amin’ny filàny

Tsy mionona amin’ny fahafantarana ny filàn’ny olona ny Sekta, fa mamboly filàna
mihitsy ary dia toa tafaray ny tia sy ny manina ka mandroso ny fikambanana. Mitohy ihany

ary hamafisina ny fampanantenana sy ny fanomezan-toky fa manana ny vaha-olana rehetra
amin’izay imatimatesana eo amin’ny fiainana ilay sekta. Ho an’izay « mivavaka » dia misy
fandaharam-potoana raikitra ho an’ny antom-bavaka isanisany : alatsinainy ho an’ny asa,
talata ho an’ny vady, alarobia ho an’ny fahasalamana, sy ny sisa. Taitaitra ny olona fa tena
azo tsapain-tanana tokoa izy izany fa tsy safobemantsina sy misavoan-danitra toy ny
mahazatra. Arahana asa koa io ka sondriana ny mpanaraka : menaka avy any Isiraely, mosara
masina, sy ny sisa.
Koa satria maro ny olona no leom-boan’anana tany amin’ny fiangonana, dia tsy
endrika « fiangonana » na « tempoly » fotsiny ihany no isehoan’ny sekta, fa mety ho toerampiofanana (Centre de formation et d’apprentissage), fikambanana tsy miankina (ONG), toerampitsaboana (Centre médical), Orinasa na fikambanana mpanorina trano fonenana ho an’ny
daholobe (Société immobilière), Orinasa mpampihaona mpiasa sy mpampiasa (Agence de
placement), Orinasa manera vady (Agence matrimoniale), Orinasa manao famokarana tsotra izao
(Afaka haba na tsia).

Mandritra ny fotoam-pifaneraserana ao amin’ny sekta, dia tena atao tsapan’ny olona fa
tsy namaly ny hetahetany mihitsy ny fombam-piainany teo aloha. Ao amin’ny sekta kosa, dia
mahazo andraikitra izy, voahasohaso, tena fantatra amin’ny maha-izy azy fa tsy difotra ao
anaty vahoaka be.
3-2-2-Famotehana ny maha-olona

Dingana manaraka miseho aorian’ny fandraisana azy eo anivon’ny sekta ny
famotehana ny maha-olona ilay olona : vonoina ilay fahafahana mandanjalanja sy manontany
tena. Tsy mitsahatra ny fanasana ati-doha, ny famerimberenana lalandava ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fiofanana lavareny. Dontoina amin’ny fotoam-pivoriana
izaitratra ny mpikambana, manontolo andro, mandavan-taona. Zarina tsikelikely hifikitra sy
hiankin-doha amin’ilay fikambanana ka tsy mahita tontolo hafa ankoatra io intsony, tsy tia
(sady tsy mahay) anton-dresaka afa-tsy io. Manao tohivakana ny alim-bavaka sy ny
fihatahana masina isan-tsokajiny rehefa tsy mandeha mitety vohitra mitory teny.
Ampandriana adrisa amin’ny teny fampanantenana valisoa sy fitahiana sy fahagagana isankarazany ny mpikambana ka tsy tsaroany akory ny hasasarana ara-batana sy ara-tsaina efa
mikiky azy. Manampy trotraka izany ny tsy fananana safidy intsony amin’izay mahaolombelona fa atolotry ny fikambanana avokoa izay ilaina. Mihafoana miandalana ao antsaina ny soatoavina rehetra taloha ka dia tafiditra manontolo ao amin’ilay sekta ny vatana, ny
saina, ny fanahy. Mihataka amin’ny fiarahamonina ivelany koa satria efa tsy mifankahazo
intsony ny resaka. Ary dia mitohy sy mita ho azy eo anivon’ny fikambanana izay fomba fanao
izay, hany ka tsy sarotra amin’ny mpitarika ny mamolavola mpiara-miasa, satria efa mandeha
ho azy toy ny voajanahary.
3-2-3-Fanasarotana ny fiverenana ilalana

Na tsy hohasarotina aza, dia efa sarotra rahateo ny hiverina ilalana ho an’izay
tafalentika lalina ao amin’ny sekta. Eo ihany ny hambom-po, saingy eo koa ny andraikitra

noraisina sy napetraka tamin’ny tena. Moa va tsy toy ny asa nanaovana fanekena ka tsy azo
ialana mora foana. Eo koa ireo « trosa » maro mety hanenjehan’ny eritreritra ihany : ny
vatsim-pianarana azo, ny fivahiniana tany am-pitan-dranomasina, ny « famonjena » samihafa
sy ny « fahasoavana » azo tao amin’ilay toerana, ny olona naharaiki-pitia tao. Misy koa ny
hena-maso, ary indrindra ny tahotra an’ilay mpitarika izay mety mandrahona, na efa nanome
ohatra ny amin’izay manjo an’ireo niana-kendry niala tao amin’ny fikambanana. Misy
tsiambaratelo tsy maintsy arovana mantsy, mety hipika ireny rehefa misy ondry mania. Ny
zavatra iainana ao amin’ny sekta anefa, tsy àry dia mendrika avokoa, ka hitera-doza raha
miseho masoandro.
Fa ambonin’ireo : hiverina ho aiza intsony moa satria efa natsangan-ko fahavalo
daholo ireo namana taloha ? Tena fomba fampiasan’ny sekta io mba tsy hahafahan’izay
mpikambana ao aminy mitodi-doha intsony : ampiadiany amin’ny fianakaviana izay tsy
nitondra tamin’ny lala-marina ka tsy mifandevi-maty mihitsy, ampanenjehany ny fiangonana
izay nanome fampianaran-diso, ampihatahany amin’ny fiarahamonina izay maloto sy tsy
mendrika. Rehefa tapi-dalan-kaleha, dia mamikitra mandra-maty ao amin’ilay sekta, na
mivarilavo tanteraka sy mivaona misimisy kokoa, na mamono tena.
3-3-Mampitombo izaitratra ny ambaindainy
Rehefa azo antoka fa mitoetra tsara tsy mankaiza intsony ireo mpikatroka ao amin’ny
sekta, ary efa voavolavola tsara azo ampiasaina araka izay itiavana azy, dia miroso amin’ny
fanitarana ny asa amin’izay : mampitombo ny isan’ny mpikambana ary mampivelatra ny
asan’ny fikambanana.
3-3-1-Amin’ny alalan’ny mpikambana voataona

Na dia tsimialonjafy aza ny sekta, dia tena mikendry tokoa izay karazan’olona afaka
hanompo sy hiasa ho azy ka hanome vokatra tsara sy haingana. Maro amin’ireo avarapianarana fanta-daza no re fa mpikambana mafana fo amin’ny sekta izao na izatsy : dokotera
mpitsabo, mpahay lalàna, mpampianatra amin’ny ambaratonga ambony, mpikaroka isantokony. Ao koa ireo manana ny lazany eo amin’ny sehatra hafa toy ny hira, mozika,
sarimihetsika, fanatanjahantena (8). Mampiasa mivantana ny talentany hampandrosoana ny
fikambanana izy ireny. Noho ny toerany eo amin’ny fiarahamonina koa dia mahasarika ankolaka olona hanatevin-daharana azy izy satria zary ohatra alain-tahaka.
Ireo sarambaben’ny mpikambana kosa, dia omena fiofanana manokana mba « hitory »
eny tontolo eny satria ireny no manam-potoana tsy voatanan’ny asa aman-draharaha. Samy
vontom-pinoana sy resy lahatra fa mandray anjara amin’ny fampitomboana ny ambaindain’ny
fikambanana, ary mientanentana fatratra fa miray donak’afo amin’olona ambony sy malaza
ary matanjaka. Dia manao izay tratra tokoa, mifaninana mihitsy, sitrany ahay misongadina eo
anivon’ilay sekta ka mba ho lasa isan’ny lohandohan’ny mpisorona ao. Samy mitaona ny
ankohonany avy ireo, ary mitsofotsofoka any anivon’ny sehatra rehetra any, tsy mamela
hirika handalo fa miasa tsy mijanona.

Hain’ny sekta ny mampisongadina endri-pahombiazana amin’ny alalan’ny hamaroana
isa (quantité) sy hatsaran’ny fiseho (qualité), ka dia miara-miasa ho an’ny fahombiazany izany :
tsy voatery hiasa be hanarato olona, fa miditra ho azy sy mandeha tsy voizina ireo mpitazana
mitelin-drora etý ivelany.

3-3-2-Amin’ny alalan’ny fitaovana manaraka ny toetr’andro

Ny kalitaon’ny zavatra rehetra asehon’ny sekta dia mazàna mambabo tokoa satria toa
taratry ny fahombiazany : trano fivoriana mijoalajoala sy àry fomba, mpitarika misonanina
mitondra na entina fiarakodia amin’izay marika nivoaka farany. Tsy diso aoriana mihitsy
amin’ny fampiasana ny haitao sy hairaha vaovao ny sekta. Manara-penitra sy matihanina ny
trano fanontam-boky aman-gazetiny. Tsy mihafihafy izy mamoaka tahirin-kevitra
mampilendalenda amin’ny endriny sy ny votoatiny. Manana rodoben-javamaneno sy
fitaovana fanamafisam-peo tena raitra izy, ampiasainy amin’ny fivoriany sy anaovany « tafika
masina » ( !). Manana fitaovana haino aman-jery azy irery izy hampitàny ny foto-keviny
isan’andro mihiratra. Mifangaroharo ao amin’ny radio-ny sy televiziona-ny ny hira
fampiasan’ny fiangonana ara-tantara, ka izay sendra mandre dia roboka fa « mivavaka » izany
radio izany. Ampitaina amin’ireo takela-by lehibe fanaovana dokam-barotra izay rehetra tiana
ho voarain’ny vahoaka. Ny tranokalam-pifandraisana (internet) moa dia tena ampiasaina mafy
mihitsy. Manana « site web » daholo ireo sekta lehibe sy malaza. Rehefa miditra amin’ny
tamba-jotra internet ny olona, dia betsaka ny zavatra manaitaitra sy tolotra tonga ho azy eo
anatrehany : fampiofanana, fampindramam-bola, filokàna sy tsapa vintana, fitadiavana
namana sy vady, asa any ivelan’ny firenena misy ny tena, fialam-boly, sy ny sisa. Tsy vitsy
amin’ireny no alefan’ny sekta.
Matetika dia mahaleo tena amin’ny fitaovany ny sekta fa tsy mindrana na mialokaloka
amin’ny hafa. Isan’ny fahaizana mifehy an’izay atao koa izay. Taratry ny « fahombiazana »
avokoa izany ka jambena ireo marivo salosana « mangetaheta fandrosoana » fa akaiky sy tsy
lafo loatra ny fanaranam-po sy fifehezana ireny fitaovana ireny
IV-NY AMPINGA IAROVAN-TENA AMIN’NY SEKTA
Tena fahavalo manafika ny sekta, tsy mitomoe-potsiny fa mampiasa ny fomba rehetra
mihoatra lavitra noho izay heverintsika. Rehefa novahavahana, dia fantatsika izao ny
paikadiny ka tsy latsak’izay koa no tokony hivononantsika. Koa na sanatria tsy haharesy sy
tsy hahafongana azy aza, dia ho afaka mba hiaro tena kosa. Tsy ny sekta rahateo akory no
hiadiana, fa ny fanahy ratsy ao aminy. Ahoana àry no atao ?
4-1-Mamantatra ny zavatra rehetra
« Fantaro ny zavatra rehetra, ary hazòny mafy izay tsara » I Tes. 5 :21. Isan’ny
mpamari-toetra apetrak’izao tontolo izao amin’ny « mpivavaka kristiana » ny hoe manana
saina tery sy bontolo, voagejan’ny rafi-piangonana sy variana ao anaty fiangonana ka tsy
maharaka (na tsy te hanaraka) ny toetr’andro sy ny vanim-potoana amin’ny lafin-javatra

rehetra mihitsy. Miondri-dava ao anaty baiboly, hono, tsinona. Ka raha izany àry, fara
faharatsiny ve isika mba tena sahy miteny toa an’i Paoly hoe « fantatro Izay inoako » II Tim
1 :12 ? Tsy latsa-danja noho ny « zavatra rehetra » tokony hofantarina ny fandalinana ny
finoan’ny tena.
4-1-1-Mandalina ny finoan’ny tena

Tsy vitsy no mihevitra fa tsy ilaina intsony ny mandalina ny finoana satria efa iainana
io, tsy misy fatrany io na be na kely fa efa ampy ; efa kristiana ny razambe, taranaky ny
maritiora ny tena, vita batisa sy mpandray fanasan’ny Tompo, mandray anjara mavitrika
amin’ny raharaham-piangonana, efa nahavita ny dingana rehetra tamin’ny katesizy sy ny
sekoly alahady ; eny, mpitandrina sy mpitory teny koa aza. Tena tsy ampy anefa izany. Ilaina
hatrany ny mianatra Soratra Masina.
4-1-1-1-Mianatra Soratra Masina

Marina tokoa fa tsy miova ny Tenin’Andriamanitra. Saingy tokony hohavaozina
isan’andro ny fahalalana ny foto-pinoan’ny tena. Betsaka no mihevitra fa raharahan’ny ankizy
any amin’ny sekoly alahady sy ny katesizy ny fianarana Soratra Masina. Olona maro araka
izany no malaina hianatra ny Tenin’Andriamanitra.
I Jesoa, izay Zanak’Andriamanitra sady Andriamanitra rahateo dia nianatra ny
Tenin’Andriamanitra. « Hitany teo an-kianjan’ny Tempoly i Jesoa nipetraka teo afovoan’ny
mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy » (Lio 2 :46).
Ny tsy fahalalana tsara ny Soratra Masina no mampiroa saina ka manamora ny
fandairan’ny fampianarana mivaona ataon’ny sekta. Tena ilaina ny fianarana Soratra Masina
satria ireo indrindra no manambara Ahy, hoy Jesoa. (Jao 5 :39)
Hevi-diso nanjo ny maro hatramin’izay ny hoe any am-piangonana ihany no fianarana
Soratra Masina. Ao an-trano mihitsy anefa no sitrak’Andriamanitra hampianarana ny teniny :
« aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao, dia ampianaro tsara ny zanakao
izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry
na mifoha… ary soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao sy eo amin’ny vavahadinao » (Deot
6 :6-7 ;9)
Inona anefa moa no hampianarinao ny zanakao raha ianao aza tsy mahay ? Mila
mianatra ny Soratra Masina isika mba hiarovana ny ankohonantsika. Mety tsy dia hahatsapa
ny loza mitatao aminy ny olona, ka izay mahatsiaro tena no tokony hanao ezaka mba handeha
tsy voizina handalina ny finoany ny kristiana, mba tena hazava tsara ao an-tsain’ny olona hoe
inona marina no tena foto-pinoany ka rehefa ankoatra izay dia tsy izy.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan’Andriamanitra (Mat 4 :4) ; ka rehefa voky tsara araka ny tokony ho izy amin’ny
Tenin’Andriamanitra sady nahalevon-kanina tsara, dia afaka mijoro ho vavolombelona.

4-1-1-2-Mijoro ho vavolombelona

Rehefa ny kristiana ao anaty fiangonana ara-tantara no tsy maha-te hanaraka sy tsy
maha-te hanahaka satria mpitari-bato vilam-bava, dia tsy hahagaga raha hifindra lasy mora
foana any amin’ny sekta ny ankohonana sy ny mpianakavin’ny finoana.
Ny fijoroana ho vavolombelona tena mahomby dia tsy ny fitanisana ny heverin’ny
tena ho fitahian’Andriamanitra manokana loatra, fa ny fiainana andavanandro mihitsy, izay
toriteny velona, ka hahatonga ny olona ho resy lahatra hoe mba hanaraka anao aho satria « efa
reko » fa momba anao Andriamanitra (Zak 8 : 23). Efa reny, tsy taminao nitantara angamba,
fa tamin’ny hafa izay loa-bolana koa.
Miandoha eo amin’ny ankohonana izany fijoroana ho vavolombelona izany, satria ao
an-tokantrano no voalohan’adidin’ny kristiana, izay vao eo anivon’ny mpianakavin’ny
finoana, mba tsy ho noho ny tena no hivoahan’izay efa ao am-bala ; ary rehefa mipariaka
amin’ny manodidina hafa ny fahazavan’ny tena, dia ho to ilay voasoratra ao amin’ny Daniela
12 :3b hoe « izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana
mandrakizay doria ».
Dia mba ho rehareha fa tsy hahadiso fanantenana na hahamenatra ny maha-kristiana,
ka maha-te hitombo amin’ny fahalalana misimisy kokoa hatrany ; mba ho fihaonana
mahasarika ny fiaraha-mivavaka sy ny tafasiry manodidina ny baiboly fa tsy ho fombafomba
fotsiny noho ny fahazarana sy ny hena-maso.
Rehefa tafaorina tsara ny amin’ny foto-pinoana ka afaka ho fitaratra ho an’ny hafa,
dia tena miara-dalana amin’izay koa ny fanitaram-pahalalana hafa.
4-1-2-Manita-pahalalana

Tsy tokony ho latsa-danja amin’ny fivelarana amin’ny lafiny rehetra ny kristiana,
tokony ho loha laharana amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra.Tsy tonga ho azy eo izany
fa mila asa, mila hetsika.
4-1-2-1-Manara-baovao

Mifanindran-dalana amin’ny fandalinana ny finoan’ny tena ny fanaraha-maso ny
fihetsiky ny manodidina, na ny lavitra na ny akaiky, ary ao anatin’izany ny sekta. Toy ny
miaramila miady rehetra : mitily ny manodidina fa tsy miandry izay higadonany eo fotsiny.
Maro amin’ny kristiana no manana izao foto-pisainana izao : « ity ihany no ifikirako,
tena ampy ahy fa tsy raharahako izay an’olona any, izaho angaha ho any ». Eny, tsy ho any
tokoa fa ny any no ho avy handrombaka amin’ny fomba sy fotoana ary toerana tsy ampoizina
akory. Ny ankamaroan’ny olona lasan’ny sekta dia tsy mahatsiaro akory fa mizotra mankany
ny diany.
Inona no misakana ny kristiana tsy hihavao ? Ny hakanosana, ny hakamoana, ny
lesoka rehetra teo aloha satria navela handeha ho azy teny ny fiainana, ny toe-tsaina mora

mionona sy mianina. Firy amin’ny kristiana, ohatra, no tsy mihaino afa-tsy onjam-peo tokana.
Rehefa tsy ampy « vaovao » anefa dia voafetra koa ny fahafahana mamakafaka sy miady
hevitra ary manapa-kevitra ; zary boloky ka andinin-teny sy tantara vitsivitsy ao anaty baiboly
ihany no asesika na aiza na aiza, na amin’iza na amin’iza.
Ny olona any amin’ny sekta kosa dia tena manaraka akaiky ny fihetsik’izay olona
tiany hotafihana, mazoto izy, vonona hiady sy handresy, mahafoy tena sy vola aman-karena,
sariaka sy mahasarika satria tsara hofana sy manana fahalalana marolafy. Mahaliana ny olona
kokoa, indrindra ny tanora, ny mifanerasera amin’olona mitondra zava-baovao sy tombony ho
azy, toy izay ny dridrangilo lavareny tsy dia mampivelatra loatra.
Tena tokony ho liam-baovao sy tia manara-baovao ny kristiana, fa fanampin’ny
fitaovam-piadiana ilaina hanoherana ny sekta izany.
4-1-2-2-Manaraka fanampim-pihofanana

Foto-pisainana ananan’ny maro ny mijanona amin’ny taranjam-pahalalana iray, na
amin’ny asa iray mandritra ny fiainana, ho an’ny sasany moa dia zara aza tonga teo ka hitady
fahasahiranana inona indray fa io aza efa nampifohafoha volo :
Ny teknisiana dia zara raha mahay tenim-pirenena, ny mpanao taozavatra tsy mahita
rirany amin’ny fitantanana, ny mpanabe tsy havanana amin’ny serasera, ny mpikarakara
tokantrano tsy liana amin’ny fitaovam-pifandraisana, ny mpitondra fivavahana tsy maharaka
ny sarimihetsika sy ny hira vaovao, sy ny sisa.
Mety ho tafahoatra ny ohatra noraisina saingy isarihana ny saina fotsiny fa tena sakana
ho amin’ny fivoarana izany, ary sakana amin’ny ady atrehina amin’ny sekta koa satria izy ireo
dia tena àry fitaovana tokoa ary mahay manavia manavanana.
Tsara raha mba mahafantatra zavatra maro ny kristiana, na tsy hahay aza, ary
hampiasaina ho voninahitr’Andriamanitra ireny. Sady ahafahana miaro tena, no ahazoana
miaro ny hafa sy hahataomana olona, satria « izany ka kristiana », fa tsy sanatria hoe « izao
ve, tratra aoriana be, hihemotra hanaraka azy eo ». Vonona amin’ny fiaraha-miasa koa rehefa
ampy fahalalana.
4-2-Miara-miasa
Ny tao-trano aza, tsy efan’ny irery ary izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary, ka
tena tsy azo tsinontsinoavina mihitsy ny fiaraha-miasan’ny vahoaka kristiana sy ny mpitondra
fivavahana. Tena mitaky fanetren-tena goavana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany izany.

4-2-1-Mifampizara traikefa

Ny mpitondra fivavahana dia niomana sy nihofana manokana ary voahosotra ho
amin’ny fanatanterahany ny asany. Hainy io, ary tsy hihoatra azy velively ny laika tsotra
mandalina teolojia amin’ny seha-pampianarana isan-karazany. Etsy ankilany kosa ny vahoaka
kristiana, samy manana ny talenta azo entina mampitombo ihany koa ny ambaindain’ny
asan’ny fiangonana. Harena ny fahasamihafana, ary mahasoa ny besinimaro ny fifampizaràna
hairaha sy haizatra.

4-2-1-1-Mitory mazava ny mpitondra fivavahana

Ao am-piangonana no anisan’ny toerana anorenana ny finoan’ny kristiana amin’ny
fototra tena izy. Ho an’ny protestanta manokana, dia manana anjara toerana lehibe amin’izany
ny toriteny sy ny fampianarana Soratra Masina samihafa.
Ny toriteny sy ny fampianarana àry dia tokony ho azo tsara, ho takatry ny saina,
hifantoka amin’ny Soratra Masina, ary entina amin’ny fomba feno haja.
Misy ny mpitondra fivavahana sy ny mpitory teny no variana mitory tena sy
mampiseho fahaizana, mitantara ny diany tatsy sy taroa ; manenjika olona manokana ; manao
hatsikana ranoiray na tenin-jatovo tafahoatra satria hoe manakaiky ny tanora sy manaradamaody.
Rehefa toriteny koa no atao, dia tsy afangaro amin’ny filazan-draharaha sy
fandinihana toe-bola. Efa misy ny fotoana voatokana ho amin’izany, ary misy koa ny olona
tompon’antoka amin’izany ka tsy dia ilàna fanamafisan’ny mpitondra fivavahana eny antsefatsefan’ny toriteny na ny tso-drano fa manapaka ny fifantohan’ny olona amin’ny
Tenin’Andriamanitra izany.
Mampangatsiaka ny hafanam-pon’ny olona maro ny fahatsapana fa mirona loatra ho
amin’ny fandraharahana ahazoan-tombom-barotra ny fiangonana. Mahatsapa tena ho toy ny
mankany amin’ny birao ihany ny olona rehefa mankany am-piangonana. Manomboka
mivoaka tsikelikely izy rehefa mitarazoka loatra ny resaka, rehefa ny eo ihany no miverina ka
zary lany tsianjery, rehefa mivaona amin’izay nandrasany ny zava-miseho. Ary tsy mivoaka
mifoka sigara sy miresadresaka eo an-tokotany fotsiny izy, fa mihoatra ny vala tanteraka
satria tsy mahavaly ny fanontaniana goavana eo amin’ny fiainany ny ao am-piangonana,
mandany andro azy foana fa tsy mahasahana ny olona rehetra sy ny olona manontolo !
Tena ara-boajanahary mihitsy ny mitady zava-baovao any an-kafa rehefa
mampivandravandra ny nalain-kanirina : voarembin’ny sekta ny olona.
Tokony hitory ny Tenin’Andriamanitra tokoa, amin’ny fomba mazava sahaza ny olona
rehetra ny mpitondra fivavahana mba hahatsapana fa mbola mety amin’izao vanim-potoana
izao ny Soratra Masina, fa tsy lany andro.
4-2-1-2-Mizara sy mampianatra kosa ny laika

Nozarazaraina ny fanomezam-pahasoavana ary manana talenta samihafa ny tsirairay
ao am-piangonana. Inona no misakana ny mpianakavin’ny finoana tsy mba hifampizara ? Ny
fitiavan-tena sy ny fitiavan-kely.
Tanjaky ny sekta io fifanohanana io : mahay mampandray anjara ny isam-batan’olona
izy, mahay manome lanja ny maha-izy ny mpiara-dia aminy. Miakatra ny lentan’ny
besinimaro, ary ilay mpizara traikefa kosa dia mitombo hafanam-po hatrany satria mahatsiaro
tena ho « ilaina ». Tsy mahagaga raha miroborobo izy. Ary isika ?
Adidy sy andraikitry ny kristiana izay manana ny fahalalana sy fahefa-manao ny mba
mizara ny traikefany ho fampandrosoana ny fiangonana : ny vatan-trano sy ny vahoaka ao
aminy ary ny mpitondra fivavahana.
Tsy hoentina amin’ny fieboeboana na filan-dera izany fa atao amin’ny fitiavana tokoa,
ary izay mandray kosa, dia handray amin’ny hitsim-po tanteraka.

Tokony hiara-manaiky fa tsy ampy ny fahalalana Soratra Masina fotsiny. Raha hay ho
an’ny tena ihany fa tsy ahatafitana hafatra dia zava-poana. Mivoatra isan’andro ary
mirimorimo fatratra ny haitao fampitana izany ka tokony mba ho fantatra na tsy ho voafehy
aza.
Azon’ny laika atao tsara ny mba manome fanampim-piofanana sy fanavaozampahalalana ny mpitondra fivavahana amin’ny zavatra maro.
Raha mizotra anatin’ny fitiavana sy ny fanetren-tena ny fifampizaràna toy izany, dia
ho betsaka no ho tamàna ao an-tranon’Andriamanitra, ary korontam-piangonana maro no ho
voasoroka.
4-2-2-Tsy manome vahana ny korontana

Antony iray lehibe mampitombo isa ny mpitsoa-ponenana ny tsy filaminana ao
amin’ny toerana iray. Mitombina koa izany eo amin’ny fiainan’ny mpino ka endrika iray
isehoan’ny fiaraha-miasa ny tsy fanomezana vahana ny korontana.
4-2-2-1-Korontana ao am-piangonana

Toerana ikatsahan’ny olona fitsaharana any am-piangonana. Hitady fifaliana ao
amin’ny Tompo sy fanasitranana amin’ny zava-tsarotra mianjady aminy no alehan’ny olona
any, fa tsy hijery fampisehoana na hampitombo ny olana hovahana.
Anton-javatra miteraka sahotaka sy lonilony ao am-piangonana ny fiadiana
tombontsoa sy voninahitra :
-hifidy mpitandrina na hifidy birao dia mifanaritaka mihoatra noho ny adilahy
politikan’izao tontolo izao ; mitombo tsy sazoka ny isan’ny mpiangona, mahay manarato
olona tampoka sy haingana satria mila mpikarama an’ady.
-hanao asa fanamboarana na hividy fampitaovana dia mifandrombaka hahazo
ampahany (9). Mampalahelo fa hatramin’ny mpitondra fivavahana dia roboka amin’ny ady
tsena toy izany.
-handany hevitra iray na teti-bola dia mifandrirotra ela dia ela. Ampiasaina ifandresendahatra daholo ny rehak’izao tontolo izao : laharam-boninahitra, anaram-pianakaviana, vola
aman-karena, zava-bita teo amin’ny fiangonana, sy ny sisa.
Dia mijoro ny antokon’olona mifanandrina ka izay resy dia tafintohina, miendaka
manaraka sekta efa misy na mamorona vaovao mba hanindriana ilay nilaozana.
Henatra ho an’ny fiangonana ny fivoahan’ny disadisa an-gazety sy ny fidiran’ny
mpitandro filaminana an-tsehatra, ny fiakarana fitsaran’ny tany, ary ny fanakatonampiangonana ataon’ny fitondram-panjakana.
Mananty mora foana ny sekta izay efa miandry kendrintohina fotsiny.
Ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny mpitondra fivavahana dia tena manana adidy
amin’ny fisorohana sy fanatsaharana ny korontam-piangonana. Tokony hoekena ka tsy
hiadian-kevitra tsy misy farany izay lany eran’ny maro an’isa. Hoy i Paoly : « mazoto mitana
ny firaisana avy amin’ny fanahy amin’ny fehim-pihavanana » (Efes.4 : 3)
Mety ho an’ny ao an-tokantrano indrindra indrindra koa izany.

4-2-2-2-Korontana ao an-tokantrano

Fakam-panahy mahazo ny olona maro ny hanasaraka sy hanavaka ny fiainana any ampiangonana sy ny ao an-tokantrano : hafa mihitsy ny fihetsika sy ny firesaka rehefa any ampiangonana hono izany. Ny kristiana anefa dia nantsoina ho vavolombelona manomboka ao
Jerosalema, izay vao mitatra lavidavitra kokoa. (Asa 1 : 8)
Ao amin’ny ankohonana io Jerosalema io. Tokony hanjakan’ny filaminana arabakiteny sy amin’ny lafiny rehetra ny ao an-tokantrano ao.
Ho teny voalanjalanja sy hendry ary tsapa fa amim-pitiavana no hifanaovana ao antokantrano. Teny na fihetsika tsy tsaroana dia ampy hanapaka ny fifandraisana. Ilàna
fitandremana ny dinika sy ny fanamarihana ary ny anatra atao. Tsy izay zava-miseho rehetra
dia anaovana kabary be, tsy resaka mihodina amin’ny lohahevitra iray foana no roritina
tontolo andro sy ampahatsiahivina isaka ny toe-javatra rehetra. Tsy manampy ny olona izany
fa « izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka ka tsy hisy
fahasitranana » (Ohab.29 :11). Raha isaka ny hihaona dia hamerina kabary iray hatrany satria
mikasa ny ho mpanarato olona sy hanao ho mpianatra ny firenena rehetra, dia tsy tokony ho
gaga raha vao mainka nanalavitra ny olona.
Rehefa tsy voapetraka any amin’ny tokony ho izy ny fifampitondrana ao amin’ny
ankohonana, dia tsy misy ny filaminana, ary manampy trotraka izany rahateo ny trano
mikorontana sy maloto izay tena mahatamana ny faharatsiana rehetra tokoa.
Ka rehefa mikitran-dava tsy ahitam-pahasambarana ao an-trano, rehefa miala
andraikitra amin’ny maha-ray aman-dreny azy ny lehibe, na manampatra fahefana manao kely
tsy mba mamindro, dia hiparitaka samy hitady izay mety aminy ny ankohonana.
Mpampiantrano mahafatra-po sy mandray an-tanan-droa ny sekta amin’izay fotoana
izay.
Toeram-ponenana tena mahatamana ny devoly ny korontana ka tokony hohalavirina.
Asan’ny devoly tokoa mantsy ny fisarahana sy fampisarahana ka mila manamafy ny
fiambenana isika.
4-3-Miambina
Ny tena mpiambina dia tsy mandry andro, tsy mandry alina. Vonona mandrakariva
hiaro an’izay ambenany satria ny fahavalo mpanafika koa dia miandry fotsiny izay fotoana
mahaketraka ny herin’ny mpiambina. Miandry tataka, hoy ny fitenin-jatovo. Rehefa mety ho
mpiambina koa, dia manana ny fara fahakelin’ny fitaovam-piadiana, na dia kiririoka fotsiny
aza mba hanairana ny manodidina. Andriamanitra dia manolotra fitaovam-piadiana, izay
tokony horaisina AVOKOA (Efes.6 :11a sy 13a), ary iray amin’ireny ny Teniny.
4-3-1-Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ho sabatra

Sabatry ny Fanahy tokoa ny Tenin’Andriamanitra(10) (Efes 6 :17) ary ny mpanao
salamo dia mankalaza ny lalàn’Andriamanitra. Amin’ny ankapobeny dia ny tanora no tena
remby hazain’ny sekta, kanefa inona moa no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho
voaloto ? Ny fitandremana araka ny Tenin’Andriamanitra (Sal.119 : 9). Mbola manamafy ny
maha-zava-dehibe ny fianarana Soratra Masina ihany izany, satria ahoana moa no hahaizana

mampiasa an’izay zavatra tsy ananana akory ? Baiko nomena ny kristiana ny hoe « Aoka ny
Tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara »
(Kol.3 :16) satria ao am-po no iraketana ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hanotana aminy
(Sal.119 :11).
Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny valin-teny rehetra ho an’ny fanontaniana rehetra
mipetraka mikasika ny fiviliana ho amin’ny sekta. Tsiahivina kely fa ny Tenin’Andriamanitra
ihany koa no adikan’ny ankamaroan’izy ireny vilana mba hamiliviliana izay tsy mahafahatra
tsara. Fitaovam-piadiana azon’ny kristiana raisina sy ampiasaina ny Tenin’Andriamanitra, fa
moa va tsy Teny no naharian’Andriamanitra an’izao tontolo izao (Jao.1 :3) ; Teny koa no
nampitsaharan’i Jesoa ny fisamboaravoaran’ny rano noho ny tafio-drivotra (Lio.8 : 24).
Tena ilaina araka izany ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra mba tsy ho voaray antendrony ka tsy hahomby amin’ny maha-fitaovam-piadiana azy. Inona moa no fandresena
hantenaina, raha ny tena mbola mibadabada, ny namana etsy an-kilany efa malama vava
izaitsizy manangoly ?
Fa ny namana tokoa mantsy mazàna no mitarika ho amin’ny lalan-kafa, ka tokony
hohalavirina ny fisakaizana fahatany tsy azo antoka.
4-3-2-Manalavitra ny naman-dratsy

Oha-pitenenana misy dikany eran-tany ny hoe « izay miaraka amin’ny mpanihika dia
maimbo lanin-trondro » ; « izay miaraka amin’ny amboalambo dia amboalambo » ; « atoroy
ahy ny namany dia ho fantatro izy », sy ny maro hafa.
Matetika tokoa dia ny fiarahana amin’ny heverina ho namana no mampibirioka. Izay
tontolo ilonana sy ifaneraserana dia ahazoana fahazarana ; koa rehefa « zatra » dia tsy tsapa
intsony ny maha-mety na tsia an’izay atao. Fiambenana ara-bakiteny ny tena sy ny
ankohonana mihitsy no ilaina, ary ny ampaham-potoana kely hahavariana dia mety hiteradoza sarotra harenina. Ny Soratra Masina dia manan-kambara betsaka ny amin’izany :
« Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino » (II
Kor.6 : 14a)
« Aza mety hofitahina ianareo : ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny
fitondrantena tsara » (I Kor 15 : 33)
« Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry, fa izay misakaiza amin’ny adala dia
hidiran-doza » (Ohab.13 : 20)
Ary ny Tompo dia nampitandrina hoe « tandremo sao azon’ny masirasiran’ny Fariseo
sy ny Sadoseo » (Mat.15 :11b). Ahoana moa no ho tratr’izany raha tsy miharoharo aminy nefa
tsy manana fiarovan-tena ?
Tsy misy tandroka koa anefa ny ratsy, ary ady sarotra tokoa izany satria ao anatin’ny
andavanandrom-piainana tsy ampoizina mihitsy no mety hisehoan’ny toe-javatra samihafa.
Raha ny herin’olombelona ihany, dia tsy haharaka izany ady izany, tsy hahavita izany
fiambenana izany. Ilaina ny Herin’Andriamanitra, ary ny vavaka no ahazoana mangataka
izany.

4-3-3-Mivavaka

Efa tsinjon’ny Tompo hatry ny ela fa hisy ny sekta, ka maro dia maro ny
fampitandremana ao anaty Soratra Masina. « Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo, fa
maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe Izaho no Kristy ka maro no ho voafitany »
(Mat.24 : 4-5), « Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana sy hamitaka ny maro »
(Mat.24 : 11), « Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho
famantarana lehibe sy fahagagana, ary na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny » (Mat.24 :
24).
Izy Tompo ihany koa no nanoro fa tsy vita an-dresaka ny fiambenana sy ny
fitandremana fa mila vavaka. Nasainy nivavaka ny mpianany « Mitandrema, miambena ka
mivavaha » (Mat.13 : 33) , « Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy »
(Lio.22 : 40) ; asaina mivavaka isika « Mahareta amin’ny fivavahana » (Rom.12 : 12c),
« Mivavaha ka aza mitsahatra » (I Tes.5 : 17). Nasaina nifampivavaka ny olona « Mifamelà
heloka ianareo ary mifampivavaha » (Jak.5 : 16). Nivavaka ho an’ny tenany ny Tompo tao
Getsemane « Fadiranovana Izy ka nivavaka mafimafy kokoa ary niova ho ra mihitsy ny
dinitra nipotrapotraka tamin’ny tany » (Lio.22 : 44) ; ary nivavaka ho an’ny mpianany koa i
Jesoa (Jao.17) fa hosinganina ny andininy faha-15 manao hoe «Izaho tsy mangataka aminao
mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy ».
Rehefa nitanisa ny fiadiana rehetra atolotr’Andriamanitra eo anatrehan’ny adimpanahin’ny kristiana ny Efesiana toko faha-6, dia nofaranany hoe « ary mivavaha
mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka
miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina
rehetra ».
Manana toerana ao amin’ny Soratra Masina manontolo ny vavaka, hatrany amin’ny
Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Endriky ny firaisana amin’Andriamanitra ny vavaka,
koa raha misaraka amin’Andriamanitra, izany hoe misaraka amim-bavaka, dia tsy hahefa na
inona na inona (Jao.15 : 5c). Fitaovam-piadiana iray handresena ny fampianaran-diso koa
izany ny vavaka.

FAMARANAN-TENY
Tsy zava-baovao tokoa ny Sekta, ary tsy voalohany amin’ny asa fandalinana mikasika
izany no natolotra teto.

Ny famaritana ny atao hoe sekta sy ny tanjona kendreny dia tsy miova. Ny miova noho
ny fivoatry ny toetr’andro, dia ny fomba fiadiny. Ny fiatrehana ny fahavalo rehetra anefa dia
ilàna fahafantarana ny paikadiny, ny fitaovam-piadiana ananany, ny miaramilany. Tsy afaka
hitondra vahaolana raha tsy mazava tsara ny olana. Ary isika tsy natao hiala sy handositra ny
olana fa natao hiatrika azy, hiady dia handresy.

Tsy miady irery anefa isika fa Andriamanitra mihitsy no manolotra fiadiana ho
antsika. Nomeny antsika ny fahazavan-tsaina hamantatra fa lalana tsy izy no eo anoloana.
Nomeny antsika ny fahafahana mamakafaka sy mandalina, nomeny antsika ihany koa ny
safidy, ary indrindra natorony antsika ny fitaovana sy paikady ihany koa hoenti-miady sy
mandresy.
Ho fehiny dia indramina ny voasoratra ao amin’ny Galatiana 6 : 17 manao hoe
« Amin’izao sisa izao, aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony ; fa izaho mitondra ny marik’i
Jesosy voatomboka eo amin’ny tenako »
Eto am-pamaranana tanteraka dia irariana tokoa ilay voalazan’ny Mpitandrina
RAMINO Paul ao amin’ilay bokikely torolalana (11) manao hoe « mba tsy ho farany amin’ny
fikarohana teolojika hosoratana anie ity fa ho santatra ihany »
Ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany !

FANAMPIM-PANAZAVANA
(1)

FFKM : fiombonan’ny fiangonana kristiana eto Madagasikara, ivondronan’ny FJKM,
FLM, EEM, EKAR.

(2)

Ny hoe « préhistoire » dia ilazana ny vanim-potoana teo amin’ny tantaran’ny
zanak’olombelona hatramin’ny nahitana ny soratra tany Mesopotamia (tokony ho
3 300 taona talohan’i Jesoa Kristy). Ny fiantombohany dia tamin’ny 2 600 000 taona
talohan’io (fony mbola nampiasa ny vato ho fitaovana ny olombelona) ary nifarana teo
anelanelan’ny taona 8 000 sy 2 000 talohan’i Jesoa Kristy (efa nahay namboly sy
niompy ny olombelona).

(3)

Hatramin’ny tapatapaky ny taonjato faha-XX dia ny teny latina no nampiasaina
tamin’ny litorjia katolika. Nanomboka teo dia nitsoka ilay rivotry ny fampiasana ny
tenin-drazana isam-piangonana satria zary piliavava fotsiny, tsy misy mahazo afa-tsy
ny pretra sy olona vitsivitsy angamba. Ankehitriny dia kasaina haverina indray ny teny
latina eo anivon’ny Eglizy katolika.

(4)

Tsipelin-teny : fiarahamonina dia ilazana ny vondrona (société), ny fiaraha-monina
kosa dia fampitambarana ny teny roa fiarahana sy monina (fiarahana monina).

(5)

Ny Mormons, na ireo mpanaraka ny Eglise de Jésus-Christ des Saints des derniers
jours dia mankatò ny voasoratra ao amin’ny Genesisy 2 : 25 manao hoe « ary samy
nitanjaka izy mivady, ralehilahy sy ravehivavy nefa tsy nahalala henatra izy ». Ny
fanazavana omeny dia hoe nitanjaka i Adama sy i Eva fony tsy mbola nanota, koa
isika rehefa afaka ota ka hihaona amin’i Kristy, dia tsy maintsy mitanjaka koa. Ny
fotoam-pivavahana ao amin’ny Mormons dia ho an’ireo vita sedra sy fianianana ihany
(initiés). Ka ireo vehivavy « initiées » izay mazava ho azy fa mihanjaka mandritra ny
fotoam-pivavahana, dia anamparan’ny mpanefoefo ny filàn-dratsiny. Izay no ataony
hoe fijangajangana masina (prostitution sacrée). Misy mpitarika iray amin’ny
Mormons nilatsaka hofidina ho filoham-pirenena amerikana amin’izao 2008 izao.
Mangetaheta fahefana.

(6)

Ny siansa antsoina hoe exobiologie dia miezaka mandalina ny amin’ny fisian’ny
« fiainana » (na aina) ankoatra ny eto amin’ny planeta tany. Fiainana « extraterrestre »
no ilazany azy. Ny sekta raélien (tarihin’i Raël) dia milaza fa avy any ny fiavian’ny
fiainana eto an-tany ary hisy « zavatra » extraterrestre handray ny olombelona hifindra
monina tsy ho ela. Mitovitovy firehana aminy ihany ny Ufologie izay mandalina ny
amin’ireo « fiara » ampiasain’ny extraterrestres (UFO : unidentified flying object, na
OVNI : objet volant non identifié). Ny tsy fahitan’ny siansa fanazavana sy porofo
amin’ireo angamba no androritana azy ho zava-panahy.

(7)

Pyramide des besoins : miainga avy any ambany amin’ny kisary narafitr’i Maslow ny
filàn’ny olombelona. Tsy mitady ny eo ambony mihitsy raha tsy efa milamina tsara ny

eo amin’ny fototra ambany : filàna fototra : sakafo, fitafiana, fialofana ; manaraka ny
vola, ny fianarana, ny filàna ho mpikambana amin’ny vondrona iray, ny fahefana, ary
fara tampony ny fivelaran’ny tena amin’ny tontolo hafa mihitsy
(8)

Ilay mpilalao sarimihetsika Tom Cruise, ohatra, dia mpikambana ao amin’ny église de
scientologie ; ireo mpihira malaza Madonna sy Britney Spears dia manaraka antokompivavahana mampisaraka azy amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina

(9)

Ny ankamaroan’ny fahazoana tsena iray (marché) dia sandaina fanomezana ampahany
amin’ny teti-bidy ho an’ilay olona na vaomiera mpikarakara. Io ilay atao hoe
« commissions », manana endrika maro : 5 na 10% araka izay ifanarahana, na tambiny
hafa. Kolikoly izany. Matetika dia fombafomba tsy maintsy atao ihany no anaovana
antso tolo-bidy, fa raha ny marina dia efa misy orinasa na olona homena ny « asa »

(10)

Sabatry ny Fanahy Masina ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no
mampahatsiaro
antsika ny Tenin’Andriamanitra mba hampiasaina hiadiana
amin’ny fanangolen’ny devoly

(11)

« Ny lahatsoratra famaranana » : boky kely nosoratan’ny Mpitandrina RAMINO Paul,
misy toromarika ho fanatanterahana ny lahatsoratra famaranana eo amin’ny SETELA

TOVANA
Sary 1 :
Mariazy miara-mizotra Sekta Moon
Fanambadiana an’arivony nankalazaina tany Séoul
(Corée) tamin’ny 1982. Ny Révérend Moon ihany
no nijery ireo sary nomena azy dia nampikambana
lahy iray sy vavy iray hivady, araka izay itiavany
azy.

Sary 2 :
Temple mormon
Naorin’i Joseph Smith tamin’ny 1830 ny Église de JésusChrist des saints des derniers jours. Mormons no iantsoana
ireo mpikambana ao anatiny. Noho ny fanenjehana azy
ireo dia nifindra tany amin’ny fanjakan’i Utah izy (Etazonia)
nanomboka ny taona 1847 ary nanorina ny tanàna Salt
Lake City. Tamin’ny fiandohan’ny 1990 dia nisy 4 tapitrisa
mahery ny mormons tany Etazonia.

Sary 3 :
Presbyteriana sy Anabatista
Sary sokitra amin’ny hazo tamin’ny taonjato fahaXVIIe mampiseho anabatista iray manolotra ny lohan-jaza notapahiny
ho an’ilay presbyteriana. Mariky ny fandavan’ny sekta anabatista ny
batisan- jaza.

Ny ambaratongan’ny filàna araka an’i Maslow :

5-Mila fiheveran-tena ho zavatra
4-Mila manao zavatra ho an’ny hafa (mba hiseho hoe « ilaina »)
3-Mila mifampikasoka amin’ny hafa (manan-kavana, namana, fikambanana, …)
2-Mila tokin’aina (mahazo antoka fa tsy tandindonin-doza)
1-Filàna fototra mba ho velona (hanin-kohanina, ady amin’ny hatsiaka sy ny hafanana)

BIBLIOGRAFIA

Boky :
ABGRALL Jean-Marie-LA MECANIQUE DES SECTES
Ed. Pajot & Rivages
Paris 1996

ANDRIAMAMPIANINA Zaka-MARKETING SY FIANGONANA
Antananarivo 2006

ANDRIAMIHAJA Abel-MAMANTATRA SY MANDALINA NY FINOAKO AHO
Coll.Fiainana kristianina
Ed. Md Paoly/Filles de St Paul
Antananarivo 2005

CENTRE

D’EDUCATION

PERMANENTE

DES

ADULTES-

FIFANDRAISAN’NY OLONA SAMY OLONA
CEPA
Antananarivo 1994

FOURNIER Anne-Marie & MONROY Michel-LA DERIVE SECTAIRE
PUF-Paris 1999

HASSAN Steven-PROTEGEZ-VOUS CONTRE LES SECTES
Ed. du Rochet
Paris 1995
LARDEUR Thomas-LES SECTES DANS L’ENTREPRISE, L’ENQUETE
Ed. D’Organisation
Paris 1999
RABEHATONINA James-S.O.S. SEKTA-VONJEO TSY HO LASAN’NY SEKTA
NY OLONA
TPFLM Antsahamanitra 2001

RAKOTOARIMANANA Milson-SEKTA : MPIARA-MIASA SA FAHAVALO ?
TPFJKM Imarivolanitra
Antananarivo 2001
RAKOTOARIMANANA Milson -LOZA MITATAO VE NY TEMOINS DE
JEHOVAH ?
TPFJKM Imarivolanitra
Antananarivo 1999
RAMBOASOLOMANANA Bonaventure-INONA MOA NY SEKTA ?
Coll. Tanjona
Ed. Md Paoly/Filles de St Paul
Antananarivo 1993
TAKIDY Emile-NY SEKTA SY IREO ANTOKOM-PINOANA VAOVAO
Coll. Fiainana kristianina
Ed. Md Paoly/Filles de St Paul
Antananarivo 2000
CD-ROM :
Microsoft® Encarta® 2006
Lahatsoratra :
ANDRIANTAVY Jean-Carl : Les sectes à nos portes in Revue de l’Océan Indien,
1998, n°183-septembre 1998, p.43-48

DELEAGE Jean-Rémi & coll. : Les OVNIs ont 50 ans in Sciences et Avenir, 1997,
n° 605-juillet 1997

GUYON Michel : Sectes : comment elles vous piègent in Phosphore, 2000, n° 224février 2000, p. 44-54
HEIDE Martin : La musique rock est-elle chrétienne ? in L’Appel de minuit, 1989, n°
89403/04-mars/avril 1989, p. 16-17

Le plus de Midi : Sectes : un business qui rapporte in Midi Madagasikara, 2006, n°
6883-22 mars 2006, p. 16
MALGO Wim : L’identification de l’homme sous l’autorité de l’antéchrist in L’Appel
de Minuit, 1988, n° 88409-septembre 1988, p. 10-13
RATSIAZO Léa : Les mormons ont leur première chapelle in Dans les Média
Demain, 1999, n° 629-20 mai 1999, p.25-26

Dinidinika :
RAFALIMANANA Martin-NY SEKTA
Nandritra ny fiofanan’ny Diakona sy Loholona SP Iarivo Avaradrano
Anosy Avaratra, Antananarivo 14 febroary 2004

Tranokalam-pifandraisana :
www.mygale.org
www.unadfi.com

DRAFITRA
Teny Fanolorana
Dinidinika mikasika ny Mpiadina
Fitarihan-teny
Votoatin-kevitra
1-Famaritana ny Sekta
1-1-Araka ny tantaran’ny voambolana
1-1-1-Eo amin’ny fiarahamonina malagasy
1-1-2-Hevi-teny grika
1-1-3-Hevi-teny latina
1-2-Araka ny foto-kevitra sy endrika isehoany
1-2-1-Sekta mivavaka
1-2-1-1-Sekta kristiana
1-2-1-2-Sekta tsy kristiana
1-2-2-Sekta miorina amin’ny filôzôfia samihafa
1-2-2-1-Ireo mitondra anara-mamitaka
1-2-2-2-Ireo efa miharihary amin’ny anarany sy ny fisehony
2-Ny tanjon’ny Sekta
2-1-Vola aman-karena
2-1-1-Avy amin’ny mpikambana
2-1-2-Avy amin’ny asa fiharian’ny fikambanana
2-2-Fahefana sy voninahitra
2-2-1-Hifehy vondron’olona
2-2-2-Hanapaka amin’ny sehatra mivelatra kokoa

3-Ny paikady ampiasain’ny Sekta
3-1-Manarato olona
3-1-1-Fampiasana andinin-tSoratra Masina hanozongozonana
3-1-2-Fanararaotana toe-javatra mandalo
3-1-3-Fahafehezana ny hairaha
3-2-Mitana izay olona azo ho tamana tsara
3-2-1-Fanolorana vaha-olana amin’ny filàny
3-2-2-Famotehana ny maha-olona
3-2-3-Fanasarotana ny fiverenana ilalana
3-3-Mampitombo izaitratra ny ambaindainy
3-3-1-Amin’ny alalan’ny mpikambana voataona
3-3-2-Amin’ny alalan’ny fitaovana manaraka ny toetr’andro
4-Ny ampinga hiarovan-tena amin’ny Sekta
4-1-Mamantatra ny zavatra rehetra
4-1-1-Mandalina ny finoan’ny tena
4-1-1-1-Mianatra Soratra Masina
4-1-1-2-Mijoro ho vavolombelona
4-1-2-Manita-pahalalana
4-1-2-1-Manara-baovao
4-1-2-2-Manaraka fanampim-pihofanana
4-2-Miara-miasa
4-2-1-Mifampizara traikefa
4-2-1-1-Mitory mazava ny mpitondra fivavahana
4-2-2-2-Mizara sy mampianatra kosa ny laika
4-2-2-Tsy manome vahana ny korontana

4-2-2-1-Korontana ao am-piangonana
4-2-2-2-Korontana ao an-tokantrano
4-3-Miambina
4-3-1-Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ho sabatra
4-3-2-Manalavitra ny naman-dratsy
4-3-3-Mivavaka

Famaranan-teny
Fanampim-panazavana
Tovana
Bibliografia
Fizahan-takila

Fanitsiana voambolana sy fitsipi-panoratana : Rondro H RAKOTOBE


Aperçu du document SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO.pdf - page 1/36

 
SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO.pdf - page 3/36
SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO.pdf - page 4/36
SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO.pdf - page 5/36
SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO.pdf - page 6/36
 




Télécharger le fichier (PDF)


Télécharger
Formats alternatifs: ZIP Texte



Documents similaires


sekta ny paikadiny sy ny ampingako
specialementpourtoin 51
article gbut 2014
article gbut n 02 2014
malagasy how satan stops our prayers
tady laharana 186

Sur le même sujet..




🚀  Page générée en 0.013s