DEPLIANT RAMADANY .pdf


Nom original: DEPLIANT RAMADANY .pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 18:41, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 14 fois.
Taille du document: 365 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


Tompo ô ! Omeo izay rehetra Mendrika ny valisoany ary
omeo izay rehetra tsy mendrika kosa ny saziny. Izany antso
izany dia mitohy foana mandrapahatongan’ny tsinambolana manaraka dia ny volana SHAWWAL…”.
Maro be ireo tenin’ny Mpaminany Masina MOHAMMAD (S) manambara fa ny Volana masina RAMADHANY no
Volana farany tsara sy manan-danja indrindra ka ny andro
tsirairay ao anatiny dia manan-danja lavitra mihoatra ny andro
hafa rehetra ary toy izany koa ny alina sy ny fotoana rehetra
ao anatiny. Ny mpino silamo rehetra dia asain’i ALLAH (ho
vahininy) mandritra ny Volana iray manontolo ka ataony eo
akaikin’ny voninahiny.
Ny fofon’aina (respiration) rehetra ataon’nizy ireo dia ho
toy ny fiderana an’i ALLAH (tasbyih) avokoa ary ny
torimason’izy ireo dia toy ny asa fanompoana. Ny asa
fanompoana rehetra atao ankoatr’izany dia hekena avokoa.
Ny fangatahan’izy ireo tsirairay dia ho valiana avokoa koa
mangataha amin’i ALLAH Tompotsinka amin’ny fikasana
marina/matotra sy fo madio mba hahazo fitahiana hifehy ho
azy sy hamaky ny bokiny masina satria ny olona tena ratsy
vintana dia izany tsy nahazo ny famelan’i ALLAH amin’ity
Volana masina ity. Ary tsarovy ny mosary sy ny hetaheta
manjo amin’izany sy ireo hetaheta sy mosary hanjo amin’ny
andro fitsanganana.
Manomeza ny mahantranareo, manaja an’ireo olondehibe eo aminareo ary mangoraha ihany koa an’ireo
zazakely. Aravino ny fiahavananare, tandremo ihany koa ny
resaka avoakan’ny vavanareo. Aza ampijerena an’ireo zavatra
voarara ny masonareo. Aza ampihainoina an’ireo zavatra
voarara ihany koa ny sofinareo. Manaova soa amin’ireo
kambotin’olona dia hanao soa amin’ny anareo koa izy ireo.
Mibebaha amin’ny ALLAH amin’ireo fahotanareo. Asandrato
ny tànananeo amin’ny fangatahana aminy rehefa manao
s’alat satria izany no fotoana tsara indrindra hijeren’i ALLAH
an’ireo mpanompony amin’ny famindram-po…
Hoy ny Imamo As SADIQ (A) : “…Rehefa mifehy ianao vao
maraina dia tokony hifehy avokoa ny sofinao, ny masonao,
ny volonao, ny hoditrao ary ireo ratsam-batanao rehetra; tsy
amin’ny zavatra HARAMO ihany fa amin’ireo zavatra
MAKROHO ihany koa. Ary ny andro ifehezanao dia tsy
ampitoviana amin’ny andro ihinananao. Marina dia marina

tokoa fa ny S’AOMO (fifehezana) dia tsy amin’ny fihinanana
sy fisotroana fotsiny ihany ka rehefa mifehy ianao dia
tandremo (diniho tsara) ny resaka avoakanao, fadio ny
mandainga, aza mijery an’ireo zavatra nandraran’i ALLAH
…”(sy ireo fihetsika rehetra tsy Mendrika ara-piarahamonina).
Indray andro ny Mpaminany MOHAMMAD (S) dia naheno
ramatoa nifehy iray nanompa ny mpifanolo-bodirindrina
taminy. Nampandrosoin’ny Mpaminany Masina (S) izy
hisakafo dia namely izy hoe : “Mifehy aho ry irak’i ALLAH”. Dia
hoy ny Mpaminany (S) taminy
hoe : “Ahoana no ifehezanao nefa ianao nanompa ny
mpifanolo-bodirindrina aminao ? Ny fifehezana anie ka tsy
amin’ny fisotroana fotsiny ihany e ! Fa nataon’i ALLAH ho
efitra manasaraka amin’ny fahotana atao amin’ny fihetsika
sy fiteny. Ka inona no dikan’ny fifehezana kely (fifehezantena) mitaha amin’ny mosary be ?”
Fantaro sy tsarovy lalan-dava fa isan’y zavatra farany
manan-danja indrindra amin’ity Volana ity ny fiatahana lavitra
an’ireo fahotana rehetra tsy an-kanavaka sy ny fangatahampitahiana ho an’i MOHAMMAD (S) sy ireo Fianakaviany
Masina (A).
Fampatsiahivana : Ny fifehezana dia manomboka fotoana
fohy mialoha ny mangiran-dratsy ka tsy mifarana raha tsy
fotoana fohy ao aorian’ny filentehan’ny masoandro efa miala
tanteraka ny taratra mena eny amin’ny fara-vodilanitra
atsinanana. Tsy tokony hisy olona mifehy ho tratrin’io fotoana
io ao anatin’ny loto mitaky fandroana toy ny janaba…
Tsaratsara kokoa ny mahavita ny salat Magrib sy Isha vao
manapaka fifehezana raha tsy sanatria hoe efa tena
malemilemy be ka tsy manana hery hiatrehana an’izany
intsony na koa manam-bahiny hajaina (tsy mifehy) miandry
hiara-misakafo.
Misy fehezan-dalana mifehy ny fifehezana (CODE DU JEÛNE)
izay TSY MAINTSY ianaran’ny tsirairay mba hahatomombana
azy fa tsy izay rehetra atao araka ny eritreritra akory dia ho
eken’i Zanahary avokoa. Tsarovy ny fototry ny olana teo amin’i
Kaina sy Abela izay samy nanao fanatitra ho an’i Zanahary ka
ny iray tsy nankatoavin’i Zanahary satria tsy nahafeno
fepetra…

Araka ny resaka voaray tamin’ny Imam Ja’afar as-S’aadiq
sy Moosal Kaazhim (A) dia amporisihinany famakiana an’ity
doa ity isaky ny nahavita ny iray amin’ireo s’alat dimy tsy
maintsy atao isan’andro mandritra ny volana Ramadhany :

َ ‫ يا‬،‫ي يا عَظي ُم‬
‫ب‬
َ ‫يا‬
ُّ ‫الر‬
َّ َ‫ اَ ْنت‬،‫ور يا َرحي ُم‬
ُ ُ‫غف‬
ُّ ‫ع ِل‬
‫سمي ُع‬
َّ ‫ْس ك َِمثْ ِل ِه شَي ٌء َو ُه َو ال‬
َ ‫ا ْلعَظي ُم الَّذي لَي‬
َّ ‫عـ‬
ُ‫ َوش ََّر ْفتَه‬،‫ظـ ْمتَهُ َوك ََّر ْمتَ ْه‬
َ ‫شه ٌْر‬
َ ‫ َوهذا‬،‫صير‬
ُ َ‫ا ْلب‬
ْ ‫شه ُْر الَّذي فَ َر‬
َّ َ‫َوف‬
َ‫ضت‬
َ ُ‫ض ْلتَه‬
َّ ‫ َو ُه َو ال‬،‫ور‬
ُّ ‫علَى ال‬
ِ ‫ش ُه‬
َ ‫شه ُْر َر َم‬
َ‫ الَّذي اَ ْن َز ْلت‬،‫ضان‬
َ ‫ َو ُه َو‬،‫ي‬
َ ُ‫ِصيا َمه‬
َّ َ‫عل‬
َ ‫في ِه ا ْلقُ ْر‬
‫اس َو َب ِيّنات ِم َن ا ْل ُهدى‬
ِ ّ‫دى ِللن‬
ً ‫ ُه‬،‫آن‬
ً ‫ َو َج َع ْلتَها َخيْرا‬،‫ َو َج َع ْلتَ في ِه لَ ْيلَةَ ا ْلقَد ِْر‬،‫قان‬
َ ‫َوا ْلفُ ْر‬
‫ ُم َّن‬، َ‫علَ ْيك‬
َ ‫ فَيا ذَا ا ْل َم ِّن َوال يُ َم ُّن‬،‫شهْر‬
َ ‫ف‬
ِ ‫ِم ْن اَ ْل‬
،‫علَ ْي ِه‬
َ ‫كاك َرقَبَتي ِم َن النّ ِار في َم ْن تَ ُم َّن‬
َ
ِ َ‫ي ِبف‬
َّ َ‫عل‬
َ ‫اح‬
. ‫مين‬
ِ ‫الر‬
ّ ‫َواَد ِْخ ْلنِى ا ْل َجنَّةَ ِب َرحْ َمتِكَ يا اَ ْر َح َم‬
Ô ry Avo (indrindra) ! Ô ry Lehibe (indrindra) ! Ô ry Mpamela
heloka ! Ô ry Mpamindra fo ! Ianao ilay Tompo Lehibe. Ilay
tsy misy na inona na inona mitovy Aminy. Ary Izy ilay
Maheno sy Mahita ny zava-drehetra. Ity dia volana
nomenao lanjany lehibe, nohamasininao, nomenao
voninahitra ary nomenao lanja mihoatra an’ireo volana
(hafa) rehetra. Izany no volana Ramadhany. Izay
nampidinanao ny boky masina koroany, (mba ho) taridalana ho an’ny zanakolombelona sy famantarana mazava
ny fahamarinana sy ny fanavahana ny tsara sy ny ratsy
(forqan). Ary nataonao ao anatiny ny alin’ny anjara. Ary
nataonao ho tsara noho ny arivo volana izany (alina izany).
Ô ry mpanome fahasoavana ary tsy mba mila fahasoavana
avy amin’ny hafa. Asoavy aho amin’ny fanavotana ahy avy
amin’ny afobe. Ho isan’ireo hasoavinao. Ary ampidiro ao
amin’ny paradisa . Ô Ry faran’izay Be indr afo indrindra !
Araka ny hita ao amin’ny dhya as-S’aalihin, ny Mpaminany (S)
dia nilaza fa izay mamaky an’ity doa manaraka ity isaky ny

nahavita ny iray amin’ireo s’alat ireo dimy isan’andro fanao
isan’andro mandritra ny volan Ramadhany dia ho fafan’I
Allah ireo fahotany hatramin’ny andro farany.

‫ور اَللّـ ُه َّم اَ ْغ ِن‬
ُّ ‫ور ال‬
َ ‫س ُر‬
ِ ُ‫اَللّـ ُه َّم اَد ِْخ ْل عَلى اَ ْه ِل ا ْلقُب‬
ْ َ‫أللّـ ُه َّم ا‬،‫ُك َّل فَقير‬
‫س ُك َّل‬
ُ ‫ش ِب ْع ُك َّل جائِع اَللّـ ُه َّم ا ْك‬
ْ‫ اَللّـ ُه َّم فَ ِ ّرج‬،‫ض َدي َْن ُك ِ ّل َمدين‬
ِ ‫ اَللّـ ُه َّم ا ْق‬،‫ع ُْريان‬
َ ‫ اَللّـ ُه َّم ُر َّد ُك َّل‬،‫ع َْن ُك ِ ّل َم ْك ُروب‬
َّ‫ اَللّـ ُه َّم فُك‬،‫غريب‬
‫ور‬
ْ َ‫ اَللّـ ُه َّم ا‬،‫ُك َّل اَسير‬
ِ ‫ص ِل ْح ُك َّل فا‬
ِ ‫سد ِم ْن ا ُ ُم‬
َ ‫س ِل‬
‫س َّد‬
ْ ‫ا ْل ُم‬
ِ ‫ اَللّـ ُه َّم اش‬،‫مين‬
ُ ‫ اللّ ُه َّم‬،‫ْف ُك َّل َمريض‬
َ ‫ اَللّـ ُه َّم‬، َ‫فَ ْق َرنا ِب ِغناك‬
‫س ِن‬
ْ ‫سو َء حا ِلنا ِب ُح‬
ُ ‫غ ِيّر‬
،‫عنَّا ال َّدي َْن َواَ ْغ ِننا ِم َن ا ْلفَ ْق ِر‬
َ ‫ض‬
ِ ‫ اَللّـ ُه َّم ا ْق‬، َ‫حا ِلك‬
.
‫دير‬
ٌ َ‫اِنَّكَ عَلى ُك ِ ّل شَيء ق‬
Tomponay ô! Omeo fifaliana ireo olona ao amin’ny kobory;
Tomponay ô! Omeo harena ireo mahantra rehetra;
Tomponay ô! Vokiso ireo noana rehetra;
Tomponay ô! Tafio lamba ireo olona tsy misy lamba rehetra
Tomponay ô! Efao ny trosan’ireo manana trosa rehetra;
Tomponay ô! Vonjeo ireo latsaka an-katerena rehetra;
Tomponay ô! Ampio ireo olona lasa lavitra rehetra mba ho
tafaverina any aminy (amin’ny taniny) ;
Tomponay ô! Omeo fahafahana avokoa ireo migadra
rehetra ;
Tomponay ô! Hatsarao avokoa ireo zava-dratsy rehetra
amin’ny raharahan’ny mpino silamo;
Tomponay ô! Sitrano avokoa ireo marary rehetra ;
Tomponay ô! Takony amin’ny fanananao harena ny
fahantranay;
Tomponay ô! Soloy amin’ny Hatsaranao ny haratsian’ny
mombamomba anay.
Tomponay ô! Ampio izahay hanefa ny trosanay ary omeo
fahafahana hiala amin’ny fahantrana izahay.
Tena marina tokoa fa Ianao dia Mahefa amin’ny
zavadrehetra.
Tadidio : Ilaina ny mamaky matetika ny soorat al Qadr
mandritra ny volana Ramadhany indrindra fa eo amin’ny
fotoana anaovana famahana fehivava (iftar).

Ampatsiahivina : ireo fanao mandaban-taona koa tsy tokony
hadinoina. Toy ny:
_ ny famakiana al Qadr im-polo (10 fois) ao aorian’ny salato al
Asr mba ahazoana valisoa mitovy amin’ny fanompoana
nataony olombelona rehetra sy ny jiny rehetra ao anatin’ny
andro anaovana anatin’izany andro izany.
_ Mamaky alQadr im-pito (7 fois) raha vantany vao vita ny isha
mba ho eo ambany fiantohan’i Allah mandrapahatongan’ny
maraina.
Tsara ho fantatra sy ho tadidiana :






araka ny nambaran’ny Mpaminany (S) dia izay olona
mamaky andininy (ayat) iray avy ao amin’ny kor’any
ao anatin’ity volana Ramadhany ity dia homen’i
Zanahary valisoa ho toy ny namaky ny kor’any
manontolo. Tamin’ity volana ity tokoa mantsy no
nampidinan’i Allah, Ilay Masina sy Avo indrindra, ny
boky masina kor’any manontolo tao am-pon’i
Mohammad
(S)
Mpaminany
talohan’ny
nitongavan’ny Anjely Gabriely nitondra sy
nampianatra ary nanazava azy isan’andininy (par
ayat) arakakaraky ny toe-javatra nitranga taty
aoriana.
Tsarovy fa ny salaoat no asa farany manandanja
indrindra amintsika mpino. Eny fa na dia ireo s’alat 5
isan’andro aza tsy eken’i Allah raha tsy misy hoe
ALLAHOMMA S’ALLY A’LA MOHAMMADIN WA AALY
MOHAMMAD ao anatiny koa dia tokony
hanararaotra hiteny izany faran’izay matetika
mandritra ny volana Ramadhany.
Ny alina tsirairay dia samy manana vavaka manokana
(doa special) ho azy avokoa. Any amin’ny bokina doa
no ahitana azy. Manana salato manokana ihany koa
ireo alina ireo izay nezahana nohagasiana sy natao ao
anatina tabilao mba ho mora vakiana.

Famintinana ihany no hita amin’ity fa dia ao anatin’ny
bokikely KORBATANE 6 ahitana azy bebe kokoa.
WA SALLALLAHO ANLA MOHAMMADIN WA AAALIHY WA SALLAMA
Houssen Ch. 06/03/2021

KORBATANE ILALLAH
BISMIHI TA’ALA

taona faha 21

Aprily 2021

NY VOLANA MASINA RAMADHANY
Iaraha-mahalala fa ny volana masina RAMADHANY dia
volana iray tsy manam-paharoa ka tsy àry ho voatanisa eto
avokoa ny mombamomba azy rehetra fa sombitsombiny
fotsiny ihany no ezahina asongadina.
Ampahatsiahivina fa tokony hifehy ny mpino
farafaharatsiny telo andro farany amin’ny volana masina
SHA’ABANY ka mitohy avy hatrany amin’ny volana masina
RAMADHANY satria izay manao izany dia ho toy ny nifehy roa
volana misesy araka ny nambaran’ny Mpaminany Masina
Mohammad (S).
Hoy i Abo Ja’afar (A) « Ny Mpaminany Masina
MOHAMMAD (S) rehefa mitazana ny tsinambolana
RAMADHANY dia mitodika amin’ny qiblat ary miteny hoe :

‫ْالم َو العَافِيَ ِة‬
َ ُ‫اللّ ُه َّم أ ِهلَّه‬
ِ ‫ان َو السَّال َم ِة َو اإلس‬
ِ ‫علَ ْينَا بِاالَ ْم ِن و اإل ْي َم‬
‫آن َو ْال َع ْو ِن‬
ّ ِ ‫ْال ُم َجلّلَ ِة َو‬
ِ ‫ِالو ِة القُ ْر‬
ِ ‫الر ْز‬
َ ‫ِع َو َد ْف ِع اال ْسقَ ٍام ِوت‬
َ ‫ق‬
ِ ‫الواس‬
‫س ِلّ ْمهُ لَنَا َو‬
َ ‫س ِّل ْمنَا ِل‬
ّ ِ ‫صالةِ َو ال‬
َّ ‫علَى ال‬
َ ‫ش ْه ِر َر َم‬
َ
َ ‫ضانَ َو‬
َ ‫صيَ ِام اللَّ ُه َّم‬
ّ
ّ
ْ
َّ
َ
َ‫ت‬
‫غف َْرتَ لَنَا‬
َ ‫ضان َو قَ ْد‬
َ ‫ي‬
‫ض‬
‫ق‬
‫ن‬
‫ي‬
‫ى‬
‫ت‬
‫ح‬
‫ا‬
‫ن‬
ُ
‫ه‬
‫م‬
‫ل‬
‫س‬
ِ‫م‬
ْ
َ
َ ‫ش ْه ُر َر َم‬
ِ
َ
َ
َ
ALLAHOMMA AHIL-LAHO A’LAYNA BIL AMNY WAL IMAAN
WAS SALAAMATY WAL ISLAAMY WAL ANFIATY AL MODJALLILATY WAR RIZQIL WAASIAN, WA DAF’IN AL ASQAAM WA
TILAAWATIL QOR’AANY, WAL ANWNY ANLA S SALAATY WAS
SYAAMY ALLAHOMMA SAL-LIMNA LISHAHRY RAMADHANA
SA SAL-LIMHO LANAA, WA TASAL-LAMHO MIN’NA HAT’TA
YANQADHYA SHAHRA RAMADHANA WA QAD GHRAFARTA
LANAA.
Avy eo izy mitodika amin’ny vahoaka no sady miteny hoe : ô
ry mpino silamo rehetra ! rehefa miseho aminareo ny
tsinambolana ramadhany dia voafatotra izay ireo satana ary
midanadana kosa ireo varavan’ny lanitra sy ny varavaran’ny
paradisa ary ny vara-varan’ny famindram-pon’i allah. ny
fangatahana dia mivaly (avokoa) ary i allah dia manavotra
olona maro avy amin’ny afobe isa-minitra. Isaky ny alina koa
dia misy anjely miantso manao hoe : Misy manao
fangatahana ve ? Misy mangatam-pamelankeloka ve


Aperçu du document DEPLIANT RAMADANY .pdf - page 1/2
Aperçu du document DEPLIANT RAMADANY .pdf - page 2/2


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989034.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.