KORBATANE 45 SALATO MAMPITOMBO RIZIKY .pdf


Nom original: KORBATANE 45 SALATO MAMPITOMBO RIZIKY.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 19:58, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 3 fois.
Taille du document: 220 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH 45

2001 - 2021

SALATO MAMPITOMBO RIZIKY
Video iray nataon’ny Sayyed Adil AL ALAWI izy ity. Video nivoaka tamin’ny taona 2016 tao
amin’ny Youtube no nahitako azy. Indro ny rohy https://www.youtube.com/watch?v=0khAVMv_47s
Salato azo avy tamin’ny Mpaminany Mohammad (S) nampitain’ireo Ahlelbayt (A). Fanaoko
matetika izy ity, hoy ny Sayyed AL ALAWI ary nampianariko ny fianakaviako sy ireo tapaka sy namana
rehetra nitady fitomboan’ny riziky ka nahitanay vokany hatrany hatrany. Ny fanaovana azy matetika dia
mety hahazoana riziky mandeha manao fivahiniana masina any Lameka mihitsy raha araka ny fitantarany
azy ato. Fa mialohan’ny hiresahana momba an’ireo salato mikasika ny riziky dia tsara faritana ny dikan’ity
teny RIZIKY ity.
Ny atao hoe RIZIKY (AL RIZQ) dia izay zavatra rehetra omen’ilay Nahary ny zavaboariny mba
ahafahany manatsara ny fiainany eto an-tany toy ny FAHASALAMANA, FANAMBINANA, ZANAKA SY
TARANAKA, VOLA SY HARENA, FITONDRAN-TENA MENDRIKA sns…sns…
Ny Mpaminanin’ny finoana silamo, Mohammad (Homba azy sy ny fianakaviany masina anie ny
fiadanan’ny Tompo) dia nampianatra zavatra maro dia maro tokoa mahakasika an’izany ary amin’ny
endriny maro samihafa toy ny ZHIKR (fahatsiarovana an’ilay Nahary) ny DOA (Vavaka fangatahana
amin’ilay Nahary) ny SALATO (vavaka fanompoana an’ilay Nahary) ary indrindra fa ny fahazaoana
an’izany amin’ny alalan’ny famakiana ny tenin’ilay Nahary… (Azo inoana fa maro amintsika no efa
naheno fa ny famakiana ny sorato AL WAQIA isan-kariva dia sady miaro amin’ny fahantrana no
mampitombo riziky). Ireo olona nifanerasera amiko koa maro no efa nambarako fa misy sorato 4 vakiana
isan’andro mampitombo riziky sy ahazoana valiny haingana.
Fa androany dia resaka momba salato iray
mampitombo riziky no nofidiana hampahafantarina ny
daholobe. Noezahako ho amin’ny alalana video ataon’ireo
manam-pahaizana any Irak foana aloha amin’ity taona 2020 ity
no angalako ireo salato rehetra ampahafantarina amin’izay
SADY AFAKA MAHAZO TOMBONY AVOKOA NA IREO MAHAY
TENY ARABO NA IREO MBOLA VAO MIANATRA. Fa ny
KORBATANE kosa dia miezaka manao azy amin’ny teny
ahaizan’ny besinimaro azy. Ka iray amin’ireo salato roa
ampianariny ato no ho raiketintsika an-tsoratra.
Araka ny voaresako eny am-piandohana izay mbola tsindriako mafy dia nambaran’ny Sayyed
ADIL AL ALAWI amin’ity video ity fa dia nampihariny matetika izy ity dia nahitany fahombiazana,
nampianarany an’ireo fianakaviany dia nahitan’ireo valiny nahafa-po koa. Nampianariny an’ireo tapaka
sy namany dia samy nahatsapa ny valiny avokoa ry zareo. Ka izay no nahatapakevitra azy hampianatra
ny vahoaka momba an’ity SALATO iray ity.
SALATO azo avy amin’ny Mpaminany Mohammad (S) izay niampitampita tamin’ireo taranany
(A) sy ireo mpanaradia azy ireo rehetra. SALATO RAKATO ROA (2) ka toy izao no fanaovana azy :

NYAT : OUSAALY RAKA’ANTAYNY LIZYADATIR RIZQ QORBATANN ILALLAH
(hanao salato rakato 2 aho mba hitombo riziky hanakaiky bebe kokoa n’i Allah)
KORBATANE 45 - SALATO MAMPITOMBO RIZIKY

FB : Houssen Féli. 07 May 2020

Pejy 1|2

Dia atomboka ny SALATO ka rehefa avy namaky ny sorato AL FATIHA dia mamaky indray ny
sorato AL QUADR indray mandeha avy eo miteny hoe ASTAGHRFIROULLAH x 15.
Avy eo miondrika (manao ROKO) dia manao ny ZHIKR mahazatra ary alohan’ny hitsangana dia
miteny im-10 ny hoe ASTAGHRFIROULLAH
Dia mitraka toy ny mahazatra dia alohan’ny handeha hiankohoka dia miteny im- 10 hoe

ASTAGHRFIROULLAH
Vita izany vao mamonjy miankohoka. Rehefa vita ny ZHIKR fanao anatin’ny fiankohofana dia
miteny x 10 hoe ASTAGHRFIROULLAH alohan’ny hitrakana.
Rehefa izany dia mamonjy mipetraka dia miteny x 10 ny hoe ASTAGHRFIROULLAH fa tsy
asiana an’ilay mahazatra hoe WA ATOBO ILAYH.
Vita izany dia miverina miankohoka indray. Rehefa vita ny ZHIKR fanao anatin’ny fiankohofana
dia miteny x 10 ny hoe ASTAGHRFIROULLAH alohan’ny hitrakana.
Avy eo miverina mitraka dia miteny x 10 ny hoe ASTAGHRFIROULLAH alohan’ny
hitsanganana. Vita izany vao mitsangana sy miteny hoe BIHAOLIL-LAHY WA QOUW-WATIHY

AQOUMOU WA AQ’OUND
Dia mitovy tanteraka amin’io rakato voalohany io ny faharoa fa misy KONOTO (fangatahana) fotsiny.
Aorian’ny salamo dia :
➢ Miteny avy hatrany indray mandaha hoe LA ILAAHA IL-LALLAHOU WAHDAHOU WAHDAH
➢ Vita izany vao manao ny TASBIH n’i Fatimat Az Zahra(A), fiderana nampianarin’ny Rainy azy
(ALLAHOU AKBAR 34, ALHAMDOU LILLAHY 33, SOUBHANNALLAHY 33)
➢ Avy io miankohoka sady miteny hoe :

YA MOUKHRAL-LISOU YOUNOUS IBN BAT’TA MIN BATNIL HOUT , KHRAL’LIS-NY X 3
(Ô ! RY MPANAFAKA AN’I JONASY ZANAK’I BATTA AVY ANY AN-KIBON’NY BALENA, AFAHO AHO).

Dia mitraka amin’izay avy eo satria vita tanteraka ilay vavaka. Araka ny nambaran’ity sayyed ity
dia hahita riziky vaovao ianao anatiin’ny herinandro itsahinao raha manao an’ity salato ity. Tsy mifidy
fotoana na andro fa mety avokoa. Fa izaho manokana no manindry hoe Alakamisy atoandro na Zoma
alina sy atoandro no tsara indrindra ifidianana fotoana anaovana azy ankoatra an’ireo alina amin’ny
volana masina rehetra.
Dia mirary soa ho antsika tsirairay avy ary mirary antsika samby hitombo riziky hatrany.
Mametraka zavatra mavesa-danja roa aminareo aho ka raha mifikitra tsara amin’izy roa ireo
ianareo dia tsy ho very lalana velively aoriako, dia ny bokin’i Zanahary ilay tady mampitohy ny lanitra
sy ny tany ary ny taranako, ny fianakaviako. Izy roa ireo dia tsy hisaraka velively
mandrapahatongan’izy ireo any amin’ny dobon’ny paradisa” Ny mpaminany Mohammad (S)
Zanahary ô ! Asondroty voninahitra sy omeo fiadanana hatrany i Mohammad sy ireo Ahlelbaytny nodiovinao ary aza avelanao ho voarebirebin’ireo mankahala azy ireo izahay.
Zarazarao amin’ny tapaka sy namana KORBATANE ILALLAH TA’ALA
KORBATANE 45 - SALATO MAMPITOMBO RIZIKY

FB : Houssen Féli. 07 May 2020

Pejy 2|2


Aperçu du document KORBATANE 45 SALATO MAMPITOMBO RIZIKY.pdf - page 1/2
Aperçu du document KORBATANE 45 SALATO MAMPITOMBO RIZIKY.pdf - page 2/2


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989045.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.