KORBATANE 51 Zavatra atao alohan'ny hatory .pdf


Nom original: KORBATANE 51 - Zavatra atao alohan'ny hatory.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 19:58, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 220 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


Bismihi Ta’ala

KORBATANE ILALLAH - N° 51

taona faha 20 (2001 – 2020)

IREO ZAVATRA TOKONY HATAO ISAKY NY ALOHAN’HATORY
Araka ny resahana ombieny ombieny dia voaresaky ny finoana silamo avokoa ny momba ny fianan’ny
zanak’olombelona rehetra mandritra ny fiainany manontolo eto an-tany sy any ankoatra. Marobe tsy tambo isaina
ny tenin’ny Mpaminany (A) sy ireo AHLELBAYT (A) miresaka an’izany.
Androany dia fampianarana iray amin’ireo
zavon-tany nomen’ny Mpaminany Mohammad (S)
ny Imamo Ali (A) no atolotra. Ny shaikh Djawad T.
amin’ny video miresaka azy dia manafatrafatra hoe
AZA ASIANA NA ALINA IRAY AZA TSY
ANAOVANAREO AN’ITY ZAVATRA ITY MANDRITRA
NY ANDROM-PIANANAREO. Manafatra ity Shaikh
ity fa ny zavatra voalohany atao alohan’ny hatory
dia ny manao fidio manazava (wodho) satria ny
Imamo Saadiq (A) hoy izy dia nilaza fa ho lasa ho toy
ny moské ny fandriana raha manao izany (izany hoe
ho toy ny manompo Zanahary izy mandritra ny torimasony). Misy hadisy iray aza miresaka hoe ho
voasoratra ho toy ny nanao alim-bavaka mandramparain’ny
andro
izay
manao
izany.
.

https://www.youtube.com/watch?v=XS2B9CwsaRQ

Hoy ny Mpaminany (S) : “Ô ry Ali ! Aza matory mihitsy ianao raha tsy mahavita zavatra dimy:






namaky ny koroany manontolo;
nanao sadaka (fanomezana) 4.000 dirham;
namangy ny ka ba;
niaro ny toeranao any amin’ny paradisa;
Ary manome hafaliana an’ireo fahavalo”.

Dia nanontany i Ali (A) nanao hoe : “Ahoana izany ry Irak’i Zanahary ?”
Dia hoy ny Mpaminany (S) namaly azy hoe : “Moa ve tsy hainao fa:







izay mamaky ny sorato TAOHID/IKHRLAS intelo dia toy ny nahavaky ny koroany manontolo ?
Ary rehefa mamaky sorato AL FATIHA in’efatra ianao dia toy ny nanao sadaka 4.000 dirhams ?
Ary raha miteny ianao hoe : LA ILAAHA IL-LALLAHOU (WAHDAHOU) LAA SHARIKA LAHOU LAHOUL
MOULK WA LAHOUL HAMDOU YOUH-Y WA YOUMITOU WA HOUA A’LA KOUL’LY SHAY-IN QUADIR
im-polo dia toy ny namangy ny kaba ?
Ary raha miteny ianao hoe LA HAWLA WA LA QOUW-WATA IL-LA BIL-LAAHY AL ALY-YIL AZHYIM impolo dia efa niaro ny toeranao any amin’ny paradisa ?
Ary raha niteny ianao hoe ASTAGHRFIROULLAHA AL AZHIYMA AL-LAZHY LAA ILAAHA IL-LA HOUWA
AL HAY-YOU AL QUAY-YOUMOU WA ATOUBO ILAYH indray mandeha monja dia toy ny nanome
hafaliana an’ireo mankahala anao (fahavalonao) ?”

Manampy an’io hadisy io dia tokony manao TASBIH AZ ZAHRA (A) koa alohan’ny tena hatoriana satria
voalaza fa izay manao izany dia ho isan’ireo olona mpahatsiaro betsaka/matetika an’ilay Nahary. Farany dia ny
AYATOUL KOURSY satria betsaka tokoa ny valisoa amin’ny famakiana azy.
NB: Efa tafiakatra ambony fandriana mahazo toerana tsara hatory iny no anaovana ireo voatanisa rehetra ireo
ZANAHARY ANIE HANONDROTRA VONINAHITRA SY HANOME FIADANANA FENO AN’I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY

3 Desambra 2020 16h35


Aperçu du document KORBATANE 51 - Zavatra atao alohan'ny hatory.pdf - page 1/1


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989046.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.