KORBATANE 52 Ireo zavatra atao alohan'ny hivoaka .pdf
Nom original: KORBATANE 52 - Ireo zavatra atao alohan'ny hivoaka.pdf
Auteur: Utilisateur
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 19:58, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 255 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH N° 52
taona faha 20 (2001 – 2020)
ZAVATRA ATAO REHEFA MIVOAKA NY TRANO MBA
FIAROVANA NY TENA SY IZAY ANANANA REHETRA
Maro dia maro tokoa ny zavatra nampianarin’ny Mpaminany Mohammad (S) ny vahoaka rehefa
hivoaka ny trano mba ho voaaro amin’ny hetraketrak’i Satana sy ny firongony ary izay loza isan-karazany
mety hitranga eny an-dalana. Misy vitsivitsy notsongaina ireto izay azo antoka fa ho vitan’ny daholobe. Ny
sasany amin’izy ireto fahalalana dia vao azoko vao maraina teo.
Ny Imamo Ja’afar As Sadiq (A): “Izay mamaky ny sorato QOUL HOUWALLAH AHAD x 10
rehefa mivoaka ny tranony dia ho eo ambany fiarovan’i Zanahary foana mandram-piveriny ao antrano”.
Momba an’io sorato io ihany dia niteny ny Imamo Ali (A) fa izay mamaky azy io intelo rehefa
mamonjy fandriana dia handefasan’i Zanahary anjely 50 000 hiaro azy mandritra ny alina manontolo.
Ny Imamo Aboul Hassan (A): “ Ô ry Sabah ! Rehefa misy olona, aminareo, handeha hanao dia lavitra
dia aoka hijoro eo am-baravarany
(mitodika mankany ivelany) dia
mamaky ny sorato FATIHA eo
alohany, eo anilany havanana, ary eo
anilany havia, ny sorato FALAQ (toy
izay ihany koa) avy eo ny sorato
NAAS (mitovy amin’izay ihany)
ampiana ny sorato IKHRLAS koa (toy
izay) ary ny AYATOL KORSY vakiana
aloha, havanana sy havia ihany koa.
Avy eo miteny hoe ALLAHOMMA
IHFIZHNY, WAHFIZH MAN MA’IY, WA
SALLIMNY
WA SALLIM MAN
MA’IY,
WA BALLIGHRNY WA
BALLIGHR
MAN
MA’IY
BIBALAAGHRIKAL
HASSANIL
DJAMIL”
r
Ny Imamo Mouhammad al Baaquir (A) indray dia nilaza fa izay mamaky ny sorato INNA
ANZALNAAHO rehefa hanao dia lavitra na hivoaka ny tranony dia ho tafaverina soa aman-tsara raha
sitrak’ilay Nahary.
Ny Farany ho resahana eto dia tantara iray nataon’i Abou Hamza al Thoumaali izay nandeha
nankany amin’ny tranon’imamo Ali bin Houssein (A) ka sendra azy teo am-baravana handeha hivoaka
dia henony niteny hoe BISMILLAH, AAMANTOU BILLAH, TAWAKKALTOU A’LALLAH. (Amin’ny
anaran’i Allah, Mino an’i Allah aho, Miankina tanteraka aminy). Dia nasian’ny Imamo fanazavana
lavalava momba an’ireo teny ireo avy eo…
Misy zavatra roa tsy tokony hadino rehefa hivoaka ny trano. Ny voalohany dia ny mamonjy trano
kely mba hialana amin’ny fahaporetana eny an-dalana (raha azo ialana). Ny faharoa dia ny fanaovana
fidio manazava (woudhou). Ary raha mbola misy fotoana dia manao salato rakato roa anaovana fikasana
hahatsara mandroso sy hahatsara miverina ary hahatanteraka ny anton-dia.
Zarazarao amin’ny tapaka sy namana KORBATANE ILALLAH
Zanahary anie hanondrotra voninahitra sy hanome fiadanana hatrany an’i Mohammad
sy ireo fianakaviany voadio
7 Desambra 2020 11h59

Télécharger le fichier (PDF)
Sur le même sujet..
hivoaka
dalana
imamo
zanahary
sorato
zavatra
havanana
korbatane
ireto
havia
ihany
hahatsara
rehefa
mamaky
trano