KORBATANE 53 ZAVATRA ATAO REHEFA MIDITRA NY TRANO (miverina avy niasa,niantsena ...) .pdf
Nom original: KORBATANE 53 ZAVATRA ATAO REHEFA MIDITRA NY TRANO (miverina avy niasa,niantsena ...).pdf
Auteur: Utilisateur
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 19:58, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 187 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
BISMIHI TA’ALA
KORBATANE ILALLAH N° 53
taona faha 20 (2001 – 2020)
ZAVATRA ATAO REHEFA MIDITRA NY TRANO MBA
HAMPITOMBO NY RIZIKY
Video iray vao nojerena teo ao amin’ny YOUTUBE fohy nefa mafonja ka ezahina zaraina. Ny shaikh
Mouhammad AL ASSADI no miresaka ao anatiny. Tantara iray nitranga tamin’ny andron’ny Mpaminany
Mohammad (S) no tantarainy. Asiana “lien”/rohy eny ambany ho an’izay te hijery azy.
Indray andro hoy izy raha niaraka tamin’ireo mpanaradia azy tao amin’ny Moské tao Madina ny
Mpaminany Mohammad (S) dia nisy olona iray nitsangana ary niteny hoe :
“Mitaraina aminao aho fa tafalatsaka lalina anaty fahantrana nefa manana fianakaviana”.
Dia hoy ny Mpaminany Mohammad (S) namaly azy nanao hoe:
“Rehefa miditra ny tranonao ianao, vao mandingana voalohany dia manaova SALAMO na misy olona
ao an-tranonao na tsia. Aorian’izany dia mamakia ny sorato
IKHRLAS indray mandeha monja”.
Fotoana fohy taty aoriana dia nilaza ilay rangahy fa
nampihariny ara-bakiteny io fampianarana azony tamin’ny
mpaminany Mohammad (S) io koa dia niova tanteraka ny
fiainany satria tsapako, hoy izy, fa novohain’i Zanahary ho ahy
ny varavaran’ny fahasoavana sy ny harena.
Video manazava
https://www.youtube.com/watch?v=ZWnkJt68Lyc
Zavatra tsotra, tsy mandany fotoana nefa miterabokatsoa. Izay dia isan’ireo famindram-pon’ilay Nahary ho an’ireo mpanompo azy. Ezahina horesahina
amin’ny manaraka ny momba an’ireo fanao rehefa mivoaka ny trano.
Ny salamo dia ny fitenenana hoe ASSALAMOU ALAYKOUM WA RAHMATOULLAHY WA
BARAKAATOUH. Ny IKHRLAS dia ny sorato TAOHID izay maro dia maro tokoa ny fahasoavana omen’i
Zanahary ny olona mamaky azy. Ary ahitana azy matetika amin’ireo vavaka fanompoana anarivony maro
fanao izay voarakitra amin’ireo bokina DOA sy AMAL toy ny MAFATIHOUL DJINAN, MISBAHOUL KAF’AMI,
DHYA-OU S’AALIHIN, MAKAARIMOUL AKHRLAQ, DJAMALOUL OUSBOU sy ireo maro be hafa tsy ho
voatanisa sy mbola tsy hita… Ny KORBATANE moa tao anatin’izay roapolo taona izay, niezaka hatrany
nampahafantatra izay noheverina fa tokony hataon’ny daholo be. Saingy toy ny trondro kely anatin’ny
Ranomasim-be ireny. Raha manjono ianao ka mihinana dia ho voky androany. Fa ireo karazan-trondro
anaty ranomasina mety tsy ho hitanao avokoa. Ary ny ampitso dia mila trondro hafa indray izay ho
azaonao mora fotsiny noho ny famindram-pon’ilay Nahary.
Ny fahalalana moa araka ny nambaran’ny Imamo Ali (A) dia tsy misy fetrany satria ny koroany
mirakitra azy dia toy ny ranomasimbe. Haintsika rehetra angamba ilay teniny hoe:
“Raha ny litera BA amin’ny BISMILLAH no vahavahaiko sy fakafakaiko dia tsy hahazaka ny boky
voasotra mirakitra azy na rameva 70 aza”.
ZANAHARY ANIE HANANDRATRA VONINAHITRA SY HANOME FIADANANA HATRANY AN’I
MOHAMMAD sy IREO AHLELBAYT-NY (voadio)
5 Desambra 2020 15h02

Télécharger le fichier (PDF)
Sur le même sujet..
sorato
mohammad
trondro
fahasoavana
tamin
indray
anatin
mpaminany
famindram
mirakitra
rehefa
zanahary
hatrany
anaty
olona