KORBATANE 63 AMAL 10 andro voalohany ZHOL HIDJAH .pdf


Nom original: KORBATANE 63 - AMAL 10 andro voalohany ZHOL HIDJAH.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:04, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 0 fois.
Taille du document: 656 Ko (4 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 63

2001 - 2021

ASA FANOMPOANA FANAO AMIN’IREO ANDRO
FOLO VOALOHANY AMIN’NY VOLANA ZHOL HIDJAH
Tokony ho rahampitso 12 Jolay no andro voalohany amin’ny volana ZHOL HIDJAH ka ny alina
miditra eo no alina voalohany. Misy zavatra 5 tiana asongadina fanao amin’ny alina sy andro folo
voalohany amin’ity volana ity iarahantsika hatrany amin’ny shaikh Hassan AL MANSOURY (Ho ela velona
anatin’ny fahasalamana anie izy). Misy hadisin’ny Mpaminany Mohammad ampatsiahiviny ato manao
hoe: “Tsy misy andro anaovana asa soa tian’i Zanahary indrindra mihoatra an’ireo andro folo dia ny
andro folo voalohany amin’ny volana ZHOL HIDJAH izany”. Dia nanontany moa ireo naheno azy niteny
izany hoe : “Na dia ny EZAKA NANARENANA NY TSY METY AMIN’NY LALAN’I ZANAHARY (DJIHAD) ve ry
irak’i Zanahary ?” Dia novaliany hoe : “Na dia ny EZAKA NANARENANA NY TSY METY AMIN’NY LALAN’I
ZANAHARY (DJIHAD) aza”.
Atombotsika amin’ny alina aloha ny resaka satria ny alina no mialoha ny andro na dia faharoa no
nandaharan’ny shaikh AL MANSOURY azy ao amin’ny video. Ny alina voalohany dia tsingerin-taonan’ny
fanambadian’i Fatima al Zahra sy ny Imamo Ali (A). (Alina tokony hamakiana hadith AL KISAA izany an !)
1 – SALATO RAKATO 2 ATAO ISAN’ALINA
Hoy ny Imamo Djaafar AS SAADIQ (A) : “Niteny tamiko ny Raiko hoe AZA AVELANAO MIHITSY ILAY VAVAKA
RAKATO ROA ATAO ANELANELAN’NY MAGHRIB SY ISHA AMIN’IREO ALINA FOLO VOALOHANY AMIN’NY
VOLANA ZHOL HIDJAH SATRIA REHEFA MANAO IZANY IANAO DIA HAHAZO VALISOA HO TOY NY NANAO
HADJ NA DIA TSY TONGA ANY AKORY AZA”
Ity salato ity dia atao anelanelan’ny Maghrib sy Isha ary atomboka amin’ny alina voalohany.
Tokony ho rahariva izy ity saingy mila mijery tsinam-bolana ihany. Mandritra ny alina folo no anaovana
azy. Toy izao no fanaovana azy:
Isan’ny rakato : Roa (2)
Nyat : OSALLY RAKA’ANTAYNY QORBATANE ILALLAHY
TA’ALA

Ireo vakiana isaky ny rakato :
FATIHA 1 + IKHRLASS/TAOHID 1 + AYATO 142 SORATO
A’ARAF 1

(vakiana ilay ayato manontolo)
Ampatsiahivina hatrany fa ny vavaka
ankoatra an’ireo 5 voadidy hatao isan’andro dia
azo atao mipetraka ho an’izay tsy manana hery na
tsy te hanao azy mitsangana (malalaka ny safidy).
2 – FIFEHEZANA MANDRITRA NY SIVY ANDRO VOALOHANY
Sivy andro ihany no ifehezana amin’ity andro folo ity satria ny andro fahafolo dia EID LEHIBE. Ary
nambaran’ny Imamo As SAADIQ (A) fa izay mifehy amin’ireo andro ireo dia ho toy ny nifehy nandritra ny
androm-piainany manontolo eo anatrehan’i Zanahary.

N° 63 - AMAL 10 ANDRO ZHOL HIDJAH

(Houssen Féli.)

11 jolay 2021

Pejy 1 @ 4

Aoka hazava hoy ny shaikh AL MANSOURY fa tsy midika akory izany hoe TSY HANOLO AN’IREO
FIFEHEZANA tsy vitanao amin’ny volana Ramadany intsony ianao raha nanao ireo fifehezana ireo. Tsia. Ny
valisoa azonao no betsaka fa izany akory tsy manala ny adidinao eo anatrehan’i Zanahary, ilay Masina sy
Avo indrindra. Ka aoka tsy ho diso hevitra toy ilay olona iray naheno an’ilay teny hoe RAHA MANAO ASA
SOA IRAY IANAO DIA HAHAZO VALISOA FOLO. ARY RAHA MANAO FAHOTANA IRAY DIA SAZY IRAY IHANY
NO AZONOA. Dia niketrika ny vendrana hoe HANDEHA HANGALATRA ZAVATRA IRAY dia hahazo sazy iray
avy eo angalany ilay zavatra nangalariny hanaovany asasoa mba hahazoana valisoa folo avo heny dia 10 1 = 9 dia mbola hanana fahasoavana 9 hono izy. Kkkkkkkk nefa zavatra azo tamin’ny maloto no entiny
hanaovana asa soa. Donc, 0 x 10 = 0 ary ny 0 – 1 = -1
Fa azo atao hoy ny shaikh AL MANSOURY ny manao fifehezana amin’ireo andro sivy ireo fa manao
fikasana hanolo ny fifehezana RAMADANY no atao
ASOMO HAZHAL YAOMA AMMA FY ZHIMMATY QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
(Hifehy aho androany ho solon’ny iray amin’ireo tsy vitako hanakaiky kokoa an’i Zanahary ilay Avo indrindra)

Fa avy eo mangataka sy miangavy amin’i Zanahary mba hahazo ny valisoan’ireo olona mifehy amin’ireo
andro ireo.
Fa raha fifehezana an-tsitrapo tsotra no atao dia toy izao no fikasana (nyat) atao
ASOMO HAZHAL YAOMA QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
(Hifehy aho anio hanakaiky kokoa an’i Zanahary ilay Avo indrindra)

Ho an’ireo izay tsy mahatadidy na mbola misy fifehezana tokony ho soloina na tsia dia afaka manao
an’ity fikasana ity amin’ny fifehezana ataony
ASOMO HAZHAL YAOMA LIL AMRI AL MOTAWADJIH ILAY’YA QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
(dia Zanahary no mandray azy hifanaraka amin’izay mety)

3 – DOA VAKIANA AORIAN’NY VAVAKA MARAINA SY HARIVA ALOHAN’NY HILENTEHAN’NY
MASOANDRO

N° 63 - AMAL 10 ANDRO ZHOL HIDJAH

(Houssen Féli.)

11 jolay 2021

Pejy 2 @ 4

4 – DOA VAKIANA AORIAN’NY VAVAKA MARAINA SY HARIVA ALOHAN’NY HILENTEHAN’NY
MASOANDRO
Mamaky an’ireto doa 5 nentin’ny arkajely Gabriely avy amin’i Zanahary fanomezana ho an’i Jesoa
zanak’i Maria (A) ireto:

1) ASH-HADO AL LAA ILAAHA IL-LA ALLAHO WAHDAHO LAA SHARIYKA LAHO, LAHOL MOLKO WA LAHOL HAMDO, BI-YADIHIL
KHRAYR WA HOWA ANLA KOL-LY SHAY-IN QADIR
2) ASH-HADO AL LAA ILAAHA IL-LA ALLAHO WAHDAHO LAA SHARIYKA LAHO, AHADAN SAMADAN LAM YAT-TAKHRIZ
SAAHIBATAN WA LAA WALADAN
3) ASH-HADO AL LAA ILAAHA IL-LA ALLAHO WAHDAHO LAA SHARIYKA LAHO, AHADAN SAMADAN LAM YALID WA LAM
YOOLAD WA LAM YAKOL LAHOO KOFOWAN AHAD
4) ASH-HADO AL LAA ILAAHA IL-LA ALLAHO WAHDAHO LAA SHARIYKA LAHO, LAHOL MOLKO WA LAHOL HAMDO, YOH-I WA
YOMITO WA HOA HAY-YON LA YAMOOTO, BI-YADIHIL KHRAYRO WA HOA ANLA KOL-LO SHAY-IN QADIR
5) HASBYA ALLAHO WA KAFAA, SAMIANLLAAHO LIMAN DAAN-HO, LAYSA WARAA-ALLAAHY MONTAHAA ASH-HADO
LILLAAHY BIMA DA-AN WA AN-NAHO BARiiii-ON MIMAN TABAR’RA WA AN-NA LILLAHY AL AKHRIRATO WAL OWLA.

N° 63 - AMAL 10 ANDRO ZHOL HIDJAH

(Houssen Féli.)

11 jolay 2021

Pejy 3 @ 4

5 – TAHLIL (FANAMAFISANA NY FAHATOKANAN’I ZANAHARY)
Araka ny nambaran’ny Imamo ALI (A), izay mamaky an’ity TAHLIL ity mandritra ny andro
folo voalohany amin’ny volana ZHOL HIDJAH dia homen’i Zanahary voninahitra iray avy amin’ny rubis sy
… isaky ny TAHLIL iray. Koa dia aoka hamaky izay afaka manao izany.
r

LA ILAAHA IL-LA ALLAHO ANDADAL LAYLY WAD DOHOOR,
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO ANDADA AMWADJIL BOHOOR,
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO RAHAMATOHO KHRAYRON MIM-MA YADJMA-OON
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO ANDADASH SHAOKY SH SHADJAR
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO ANDADA SH SHA’ANRY WAL WABAR
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO ANDADAL HADJARY WAL MADAR
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO ANDADA LAMHIL ON-YOON
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO FIL LAYLY IZHA ANS-ANSA WA S SOBHY IZHA TANAF-FAS
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO ANDADA R RIAHY FIL BARAARA WAS SOKHROOR
LA ILAAHA IL-LA ALLAHO MINAL YAOMI ILA YAWMI YONFAKHRO FI S SOOR.
Ampatsiahivina hatrany fa tsy misy feo Ô amin’ny teny arabo fa dia O avokoa no amakiana azy. Ny OO dia O
taritina lavalava toy ny misy tsindrim-peo
Ireo roa ireo ihany aloha no tratra amin’ny fônetika fa ny sasany lava loatra koa dia aleo arahinao
mivantana amin’ny video ny famakian’ny shaikh AL MANSOURY azy amin’ny feo tena mahafinaritra tokoa.
Azonao arahina amin’ity rohy ity ny video
https://www.youtube.com/watch?v=_J5HW8uCAk4&t=368s

Fa averiko ihany fa alina ahatsiarovana zavatra goavana tokoa ny alina
voalohany dia ny fanambadian’i Fatima al Zahra (A) sy ny Imamo Ali (A)
izay tokony ho fety be tokoa amintsika mpanaraka ny finoana silamo.

ZANAHARY Ô! ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
MASINA TOY NY NANAOVANAO IZANY TAMIN’I ABRAHAMA SY NY FIANAKAVIANY

N° 63 - AMAL 10 ANDRO ZHOL HIDJAH

(Houssen Féli.)

11 jolay 2021

Pejy 4 @ 4


Aperçu du document KORBATANE 63 - AMAL 10 andro voalohany ZHOL HIDJAH.pdf - page 1/4
Aperçu du document KORBATANE 63 - AMAL 10 andro voalohany ZHOL HIDJAH.pdf - page 2/4
Aperçu du document KORBATANE 63 - AMAL 10 andro voalohany ZHOL HIDJAH.pdf - page 3/4
Aperçu du document KORBATANE 63 - AMAL 10 andro voalohany ZHOL HIDJAH.pdf - page 4/4


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989054.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.