KORBATANE 64 NY LANJAN'NY SORATO AL IKHRLAS.docx .pdf
Nom original: KORBATANE 64 NY LANJAN'NY SORATO AL IKHRLAS.docx.pdf
Auteur: Utilisateur
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:04, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 324 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH N° 64
taona faha 21 (2001 – 2021)
NY SORATO AL IKHRLAS/TAOHID sy ny LANJANY AMIN’NY TA’AQIBAT
Hiaraka amin’i Mostafa ZILZALAT indray isika amin’ity lesona ity. Video iray iresahany momba ny famakiana ny
sorato AL IKHRLAS aorian’ireo salato 5 fanao isan’andro. Ny TA’AQIBAT hoy izy dia midika ho FAHATSIAROVANA AN’I
ZANAHARY, FANGATAHAM-PAMELANKELOKA, FAMAKIANA KOROANY, FANAOVANA DOA SY FITALAHOANA …atao
aorian’ireo salato wadjibo fanao isan’andro. https://www.youtube.com/watch?v=_7674PUuPFE
Misy hadisy maromaro miresaka ny mahazava-dehibe ny
fanaovana TA’AQIBAT isaky ny vao nahavita vavaka, indrindra
moa fa ny fanaovana doa. Hita ao amin’ny boky nosoratan’ny
shaikh SADOUQ mitondra ny lohateny hoe AL FAQIH ary ny shaikh
AT TOOSY amin’ny bokiny AT TAHZHIB hoy ny mpampianatra
antsika eto fa ny Imamo Ali (A) dia nampianatra zavatra
manokana momba ny TA’AQIBAT. Hoy izy hoe : “Rehefa nahavita
ny iray amin’ireo vavaka fanao isan’andro ianareo dia aoka
hanandratra tanana mankany amin’ny lanitra ka hanao doa
amin’i Zanahary”
Dia nisy olona iray tamin’ireo naheno izany nanontany hoe : “Ô ry mpitarika ny mpino ! Moa ve Zanahary tsy
amin’ny toerana rehetra no mahatonga antsika hanadratra tanana mankany an-danitra rehefa mangataka aminy ?”
Dia novaliany hoe : “Eny”. Dia nanohy ny fanontaniany ilay olona nanao hoe: “Ka inona no antony anandratantsika
tanana mankany an-danitra raha izany ?”
Namaly azy ny Imamo Ali (A) nanao hoe: “Moa ve ianao tsy mamaky an’ilay ayato ( adikako amin’ny teny
Malagasy manao hoe ): “Ary any an-danitra ny rizikinareo sy izay nampanantenaina anareo” sorato Az ZHARIYAT
51, ayato 22. Izany no antony anandrantsika ny tanantsika mankany amin’ny toerana misy ny riziky sy izay
nampanantenaina antsika dia ny lanitra izany”.
Ny resaka antsipirihany momba ny lanitra misy ny riziky io , hoy i Mostafa AL ZALZALAT, dia lohahevitra hafa
manokana mihitsy. Fa ny TA’AQIBAT dia ahitana zavatra ankoatra ny doa toy ny famakiana sorato vitsivitsy... Misy
dokotera iray nanontany azy hoe im-piry tokoa moa no amakiana ny sorato TAOHID amin’ny TA’AQIBAT. Dia novaliany
fa ny mostahabo dia in-12 (roa ambin’ny folo) isaky ny nahavita namaky ny iray amin’ireo salato 5 fanao isan’andro.
Ary misy doa iray manokana vakiana aorian’izany izay malaza amin’ny anarana hoe DOA AL MAKHRZOON sy DOA AL
MAKNOON. Ahazoana fahasoavana sy fankasitrahana goavana tokoa ny fanaovana izany tsy tapaka.
Ny doa atao amin’ny TA’AQIBAT dia mandaitra tokoa araka ny fampianaran’i Mohammad (S). Hoy indrindra izy
manambara izany: “Ianareo dia manana fotoana anaovana doa sy ahazoana valiny raha manao izany isaky ny vao
avy nahavita vavaka iray”. Izany hoe izay miantso an’i Zanahary sy mangataka aminy amin’io fotoana io dia ho valiany.
Ankoatra ny doa dia maro ireo zavatra nampianarina azo atao amin’izany fotoana izany ( fa tsy tokony mbola miresaka
amin’olona aloha amin’izany fotoana izany raha tsy vita avokoa izay tiana atao sy angatahina).
Hoy ny Imamo Dja’afar As SAADIQ (A): “Izay olona mino ny fisian’i Zanahary sy ny andro farany dia tokony
tsy hamela ny famakiana ny sorato AL IKHRLAS isaky ny nahavita vavaka iray (amin’ireo 5 isan’andro). Fa
hatambatr’i Zanahary ho an’izay mamaky an’io sorato io ny zava-tsoa eto an-tany sy ny zava-tsoa any ankoatra, ary
havelan’i Zanahary ny fahotany sy ny an’ny Raiamandreniny ary ireo niteraka azy ireo”.
Ny zava-tsoa eto an-tany dia maro tokoa. Misy ireo hainao ary misy koa ireo tsy hainao, hoy i Mostafa AL
ZILZALAT. Ny zava-tsoa any ankoatra dia maro isan-karazany toy ny fankasitrahan’i Zanahary, paradisasoa, renirano
isan-karazany sns…sns… Ka na ireo hainao na ireo tsy hainao dia atambany ho anao avokoa amin’ny famakiana an’io
sorato io amin’ny TA’AQIBAT. Tsy mandany fotoana akory ny manao izany. Asa tsotra sy maivana nefa sandain’i
Zanahary zavatra tena goavana tokoa. (Tonga amin’ilay teny malaza iny hoe aza ny haben’ny “fil” no jerena fa ny
fidoboky ny “baffle”).
KORBATANE 64
NY LANJAN’NY SORATO AL IKHRLAS amin’ny TA’AQIBAT
12 Jona 2021
Pejy 1@2
Tsy voadidy hanao izany akory ianao saingy ny fanaovanao izany dia hahazoanao fahasoavana tsy hita
pesipesenina. Ary tsy ianao irery ihany fa na ireo Raiamandreninao sy Raibe sy Renibe koa. Ka afaro avokoa ny tapaka
sy ny namana rehetra mba hamaky an’ity sorato ity fa tena fahasoavana lehibe no azo avy amin’izany.
Ny Sayyed Mahdi BAHROUL OULOUM izay Mardja lehibe fony androny, hoy AL ZALZALAT. Maro dia isan’ireo
anovozan’ireo manampahaizana sasany ankehitriny fahalalana ny rakim-pahalalany ( ireo boky nosoratany). Amin’ny
boky iray izay mitondra ny lohateny hoe Ad DORRA An NADJAFYAT izay miresaka LALANA (Fiqh) rehefa tonga amin’ny
TOKO iray miresaka ny FAMPORISIHANA NY FAMAKIANA NY SORATO AL FATIHA, AYATOL KORSY, AYATO
SHAHIDALLAHO ANNAHO LAA ILAHA ILLA HOA, AYATO ALLAHOMMA MALIKAL MOLK (avereno jerena ilay tabilao
miresaka ny salato fanao isan’alina amin’ny volana Ramadany fa hita ao avokoa ny momba ireo ayato voalaza ireo).
Ampatsiahiviny ao ireo hadisy miresaka fa mihantona any amin’ny seza fiandrianan’i Zanahary izy ireo. Ary nobaikony
nidina tety an-tany ny sorato AL FATIHA ka izay mamaky azy dia …(tsy notohizany moa ny resaka).
Ny Sayyed BHAROUL OULOUM, rehefa miresaka an’ireo ayato ireo dia nanambara hoe ampio ny ayato As
SAKHRRA (ayato faha 54, 55, 56 ao amin’ny sorato AL A’ARAF 7), ary ny sorato AL IKHRLAS x 12. Avy eo asandrato ny
tananao dia mamakia ny DOA AL MAKNOON izay isan’ireo MAKHRZOON (VOATAHIRY) . Izany hoe amin’ireo fahalalan’i
Zanahary voatahiry nampitainy tamin’i Mohammad (S) ka tonga amin’ireo Imamo (A).
Ny Imamo ALI (A) dia nilaza hoe : “Izay olona te hivaoka eto an-tany tsy hisy fahotana toy ny volamena avy
nodiovina sy tsy hisy olona hanarakaraka azy amin’ny tsindrihazolena (izany hoe tsy hisy olona hitaraina amin’ny
zavatra tsy nety nataony tety an-tany) dia aoka hamaky tsy tapaka isaky ny vao nahavita iray amin’ireo salato 5
isan’andro ny sorato AL IKHRLAS x 12. Avy eo dia manadratra ny tanana mankany an-danitra sy miteny hoe
ALLAHOMMA INNY AS’ALOKA BI-ISMIKA AL MAKNOONY, AL MAKHZOONY, AT TAHIR AT TOHORIL MOBARAK, WA
AS’ALOKA BI-ISMIKAL AZHIM, WA SOLTAANIKAL QADYIM, YA WAAHIBAL ANTAYA, YA MOTLIQAL OSARA, YA
FAK’KAKAR RIQABY MINAN NAARY, AS’ALOKA AN TOSAL’LY ANLA MOHAMMADIN WA AAALY MOHAMMAD AN
TONTIQA RAQABATY MINAN NAARY, WA AN TOKHRIDJANY MINAD DONYA SALIMAN, WA TODKHRILANIL
DJANNATA AAMINAN, WA AN TADJ’ALA YAWMY: AWWALAHO FALAHAN, WA AWSATAHO NADJAHAN WA
AAKHRIRAHO SALAHAN, INNAKA ANTA AN-L’LAMOL GHROYOB
Ity doa ity dia nampianaran’i Mohammad (S) ahy ary nasainy nampianariko an’i Hassan sy Hossain (A) koa
avy eo”. (noho ny mahazava-dehibe azy). Doa efa hitako sy efa novakiako izy io taloha saingy tsy nisy fanazavana feno
toy izao. Koa dia manantena aho fa hiova ny fanaovantsika tsirairay TA’AQIBAT manomboka izao.
Tamin’ny fotoana nanasan’i Zanahary an’i Mohammad tany an-danitra dia nobaikony hanao fidio manazava (wodho)
tamin’ny renirano SAAD (anarany) ary hanao salato roa ka tamin’ny rakato voalohany dia ny AL FATIHA + INNA ANZALNAAHO (AL
QADR) ary tamin’ny rakato faharoa dia AL FATIHA + AL IKHRLAS. Ka tokony hataotsika @ salato isan’andro koa izany.
n’
ZANAHARY Ô ! ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
KORBATANE 64
NY LANJAN’NY SORATO AL IKHRLAS amin’ny TA’AQIBAT
12 Jona 2021
Pejy 2@2


Télécharger le fichier (PDF)
Sur le même sujet..
salato
fotoana
ikhrlas
miresaka
zanahary
izany
tamin
mohammad
andro
ayato
aqibat
nahavita
olona
sorato
famakiana