KORBATANE 68 VAVAKA MIARO SAINA HO SALAMA LALAN DAVA .pdf
Nom original: KORBATANE 68 VAVAKA MIARO SAINA HO SALAMA LALAN DAVA.pdf
Auteur: Utilisateur
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:04, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 225 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
BISMIHI TA’ALA
KORBATANE ILALLAH N° 68
2001 - 2021
VAVAKA MIARO NY SAINA HAHATONGA AZY HO SALAMA TSARA
HATRAMIN’NY FOTOANA HANDAOZANA NY TANY
Isaorantsika hatrany ireo manam-pahaizantsika izay tsy mitsahatra miketrika ka manolotra sakafompanahy matsiro dia matsiro tokoa hatrany ho antsika tsirairay mba hahasambatra antsika amin’ny fiainana antany sy fiainana ankoatra. Tato ho ato dia ny lesona avy amin’ny shaikh Hassan AL MANSOURY no noraiketiko
an-tsoratra. Maro ireo manam-pahaizana ahazoana fampianarana isan’andro saingy araka ny ambarako
ombieny ombieny dia tsy matihanina (tsy mivelona) amin’ny fampianarana finoana ny tena ka ny fotoana tsy
iasana rehefa afaka havizanana avy manao ny anjara andraikitra nofaritan’ny “patron” no ezahana ankehitriny
hanoratana izay heverina fa tokony hasongadina mba ho hay, hifampizarazarana amin’ny tapaka sy namana tia
mivavaka sy manompo an’ilay Nahary. Marihina fa zaraina maimaim-poana ny KORBATANE…
Video iray tonga tamiko ny 22 Jolay 2021 harivariva izy (efa tahiry satria nataon’ny shaikh volana maro
lasa) ity ka nezahako nosoratana tsotsora tao amin’ny FACEBOOK mba ho maro hahafantatra sy hanatanteraka
amin’ny fotoana tokony hanaovana azy satria matetika dia ny Alahady aho vao tena afaka manoratra amin’ny
ordinatera. Ka mino aho fa tsy latsaka ny isan’ny ratsan-tanana sy ratsan-tongotra miaraka ny isan’ireo olona
nanatanteraka an’ity vavaka ity voalohany omaly
alina. Fa araka ny tanjona kendrena moa dia ilaina ny
mizara azy an-takelaka amin’ny tapaka sy namana ary
koa mitahiry azy ho an’ny zaanaka aman-jafy koa dia
izay no anoratako azy anio.
Ny olombelona no zavaboary farany tsara sy be
voninahitra indrindra amin’ireo namboarin’i
Zanahary. Samy mahita angamba isika an’ireo andianteny ao amin’ny koroany mitantara ny famoronana ny
Raibentsika Adama (Homba azy anie ny fiadanana) sy
ny nanomezan’i Zanahary baiko an’ireo anjely rehetra
hiankohoka eo anatrehany. Ary amin’ny taova ao
amin’ny vatan’olombelona iray manontolo dia ny
SAINA no farany be voninahitra indridra satria izy no mampiavaka ny olombelona amin’ny biby ka hahafahany
manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mety sy ny tsy mety. Ary amin’ny alalany no hanomezana valisoa na sazy ny
olona iray. Rohy ahazoana mijery ny video https://www.youtube.com/watch?v=Jpk_IQYAhzs
Misy ireo olona sasany verivery saina rehefa mahazoazo taona (harovan’i Zanahary amin’izany anie ianao
sy ny fianakavianao rehetra): manadinodino eny fa na ny varavarana miditra ny tranony aza indraindray. Tsy
tsaroany intsony na ireo namany aza sns…Ka amin’ity video ity ny shaikh Hassan AL MANSOURY dia mitondra
amintsika tenin’i Mohammad Mpaminany (S) iray miaro antsika amin’izany no sady ahazoana valisoa goavana koa
amin’ny andro fitsanganana (andro farany).
“Izay manao an’ity salato ity dia hazava toy ny volana fenomanana ny tarehiny amin’ny andro fitsanganana ary
homen’i Zanahary fahafinaretana amin’ny alalan’ny fampiasana ny sainy izy mandrapahafatiny ”
Vavaka rakato 2 toy ny vavaka maraina izy ity. Tsy asiana azany na ikama fa tonga dia manao fikasana:
OSAL-LY RAKA’ANTAINY QORBATANE ILALLAHY TA’ALA (hanao rakato 2 aho hanakaiky bebe kokoa an’i Allah)
Ka ireto avy no vakiana ao anatiny isaky ny rakato tsirairay : FATIHA + AYATOL KORSY + A’ANLA + IKHRLAS
(Ny ayatol korsy dia ny ayato 255, 256 ary 257 ao amin’ny sorato AL BAQARA. IKHRLAS = QOL HOWALLAHO AHAD)
ZANAHARY ANIE HANONDROTRA VONINAHITRA SY HANOME FIADANANA HATRANY AN’I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY MASINA
Houssen Féli.
25 Jolay 2021

Télécharger le fichier (PDF)
Sur le même sujet..
video
manao
andro
farany
vavaka
ahazoana
rakato
zanahary
olona
tsara
antsika
fotoana
voninahitra
shaikh
hatrany