KORBATANE 7 SALATOL LAYL .pdf
À propos / Télécharger Aperçu
Nom original: KORBATANE 7 SALATOL LAYL.pdf
Auteur: TSARAFARA
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 19:58, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 5 fois.
Taille du document: 2.2 Mo (13 pages).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
Bismihi Ta’ala
KORB AT A N E
I L A L L A H
N °7
2001-2022
NY VAVAKA MAMATONALINA
الصالة الليل
As SALATOL LAYL
Arakany volazan’ny Mpaminany Masina Mohammad (S) ka nampitain’ireo Fianakaviany Masina (A) dia maro
tokoa ny tombotsoa azo avy amin’ny fanaovana an’ity vavaka mamatonalina ity. Indro misy vitsivitsy
ampahafantarina antsika etoana :
➢
➢
➢
➢
➢
➢
➢
➢
➢
Mahasalama ny vatana
Mampazava ny tarehy
Mahatsara ny lela (amin’ny asany)
Mampitombo riziky
Mamafa ny fahotana vita ny atoandro
Mahatsara ny fitondran-tena
Manatsara ny fofona mivoaka amin’ny vatana
Manamora ny fahafahana manefa trosa
Manala fahanginana any am-pasana rehefa maty…sns…sns…
Ny harena sy ny taranaka dia haingon’ny fiainana an-tany fa ny salato rakato 8 sy ny witr amin’ny faran’ny alina
kosa dia haingon’ny fiainana ankoatra.
Nisy olona iray nantsoina hoe Anis. Izy dia nitantara fa naheno ny Mpaminany Masina (S) niteny hoe :
“Ny salato rakato roa atao amin’ny mamatonalina dia ankafiziko lavitra noho ny fiainana an-tany sy izay
rehetra ao anatiny”.
Hoy ihany ny Irak’i Allah (S) :“Tena marina fa rehefa matory ianareo tsirairay avy dia asian’ny satana fatotra
telo eo amin’ny loha…koa dia resin-tory. rehefa taitra ka mahatsiaro an’i Allah dia mivaha ny fatotra voalohany.
Rehefa manao fidiovana masina (wodho) dia mivaha ny fatotra faharoa. ary rehefa mitsangana anao salato dia
mivaha ny fatotrafahatelo farany koa dia lasa mavitrika sy mahazo aina. Fa raha tsy izany kosa no atao dia kasa
kamokamo sy tsy hahazo aina rehefa mifoha”.
Vorakitra ao anatin’ny bokin’ny tantaran’ny finoana silamo fa ny Mpaminany (S) dia nanafatratra mafy ny Imamo Ali
(A) mba hanatanteraka tsy tapaka an’ity vavaka mamatonalina ity.
Tandremo nefa fa tokony hitandrina isika amin’ny fianinatsika an-davanandro mba hahafahantsika
manatanteraka an’ity vavaka ity.
Hoy ny Imamotsika Ali (A) :MISY ZAVATRA TELO TSY METY MIARAKA AMIN’NY TELO HAFA :
1. Ny fitsanganana amin’ny mamatonalina hivavaka sy ny fihinanana sakafo maro (be)
2. Ny fahazavan’ny tarehy sy ny fatoriana mandritra ny alina iray manontolo
3. Ny fahatoniana (satria voaaro amin’ny zava-dratsin’ny fiainana) sy ny fiarahana amin’ny olona mpanao
ratsy/tsy manjary
Zanahary,Ilay Masina sy Avo indrindra, dia nanome baiko an’ilay farany tiany amin’ny zavaboahariny
rehetra (tsy iza izany fa i Mohammad ‘S’) mba hifoha amin’ny alina ka hanatanteraka an’ity salato al layl ity.
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 1 @ 13
Jereo ireo andiany maromaro voalohany ao amin’ny sorato AL MOZAM-MIL (laharana faha-73 tokony ho
pejy 574 amin’ny kor’any).
Moufdhel Ben Omar dia nanambara fa naheno tamin’ny Imamo Saadiq (A) nilaza hoe:
“Anisan’ny resaka nataon’i Allah tamin’ny Moosa/Mosesy (a) ny hoe: Ô ry zanak’i Imran! Mandainga/diso hevitra izay
mieritreritra fa tia Ahy nefa rehefa mandrakotra azy ny alina dia matory izy ka tsy mahatsiaro Ahy akory. Moa va ny olona tia
tsy mankafy ny miresaka mangingina amin’ny tiany. Indro Aho ry zanak’i Imran mahita tsara ireo izay tia Ahy rehefa
mandrakotra azy ireo ny haizina. Ataoko ao amin’ny fon’izyireo ny fahitan’izy ireo. Ary ataoko eo anelanelan’ny masondrizareo (abaribariko) ny saziko ary ataoko ho toy ny manatrika Ahy sy miresaka amiko ry zareo ary ireharehako izany. Ô ry
zanak’i Imran! Omeo ahy ny tahotra avy amin’ny fonao, ny fanetrenao tena, ny ranomasonao amin’ny haizin’ny alina ary
.
miantsoa sy mangataha amiko fa ho tsapanao fa eo akaikinao Aho”
Hitatsika amin’ny tantara tokoa fa Ilay Lalain’i Allah, Mohammad (S), isaky ny misasakalina dia nifoha ary
namoha ireo Fianakaviany Masina (A) mba hanatanteraka tsy tapaka an’ity vavaka mamatonalina ity. Tsy
isalasalana fa noho ny haben’ny fitiavan’izy ireo an’i Allah no nanaovan’izy ireo izany.
Voalaza ao amin’ny boky Dhya as S’alihin fa makroho (ankahalaina/tsy tokony hatao) ny mamela ny
fanaovana an’ity salato al layl/vavaka mamatonalina ity.
NY FOMBA FANAOVANA AZY
Misy endriny efatra eo raha ny hita amin’ireo boky maromaro novakiana ny fanatanterahana azy ity. Fa telo
ihany no ampianarina eto satria mety tsy ho latsaky ny 20 pejy raha hampidirina eto ilay endriny fahaefatra izay
ahitana doa mafonja dia mafonja isaky ny mahavita rakato roa. Izay liana ny amin’izany dia afaka mijery ny boky
mitondra ny lohateny hoeس الدّاعيوالزائر
ُ آنِيnavoakan’ ny DAR AL ALIFAIN-KOWEÏT
Ny fotoanany
Manomboka amin’ny fisasahan’ny alina ka hatramin’ny mangiran-dratsy (alohan’ny Azhan maraina). Ka arakaraky
ny maha-akaiky ny mangiran-dratsy no mampitombo ny lanjan’ny valisoa azo
Ny fiomanana
Rehefa taitra amin’ny alina dia miankohoka ka tsaratsara kokoa raha miteny hoe
Alhamdo lil-laahy al-lazhy ah-yaany ba’ada ma amaatany oa ilayhin-noshoor
Alhamdo lil-laahy al-lazhy rad-da a’lay-ya roohy li-ahmodaho oa a’anbodoho
(Dera ho an’i Allah izay namelona ahy indray tao aorian’ny namonoany ahy ary mankany aminy ny
fifohazana/fitsanganana)
(Dera ho an’i Allah izay namerina amiko ny fanahikomba hiderako sy hanompoako azy indray).
➢ Endriny voalohany
Miisa 11 ny rakato ao anatin’ity salatoal layl ity. Ka toy izao no anaovana azy
Manao salato rakato roa antsoina hoe NAFILATAL LAYL ohatra ny vavaka maraina faaverina
in’efatra (2x4=8).Izany hoe valo no fitambarany fa atao tsiroaroa. Atao indray mandeha eny amboalohany
ny fikasana hanao azy valo saingy atao tsiroaroa toy vavaka maraina miverina in’efatra. Izany hoe misy
Takbirat al ihram 4 sy salamo 4. Toy izao no fanaovana fikasana :
OS’AL-LY NAAFILATAL LAYLY THAMAAN RAKA’AT KORBATANE ILAL-LAAHY TA’ALA
(Hanao Naafilat al layl aho, rakato valo hanakaiky an’i Allah bebe kokoa)
Asiana konoto (fangatahana) ohatra ny vavaka maraina avokoa eo amin’ny rakato faharoa.
Avy eo manao rakato roa hafa antsoina hoe SALATO ASH SHAF’IN.
Toy izao ny fikasana :OS’AL-LY SALATA ASH SHAF’I RAKA’ANTAYN KORBATANE ILAL-LAAHY TA’ALA
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 2 @ 13
(Hanao salat ash shaf’in aho, rakato roa hanakaiky an’i Allah bebe kokoa).
Eto indray dia tsy asiana Konoto (doa) amin’ny rakato faharoa. Ny sorato vakiana amin’ity dia tsaratsara
kokoa raha :
Rakato 1 : Fatiha 1 + Naas 1
Rakato 2 : Fatiha 1 + Falaq 1
Rehefa vita izany dia mitsangana manao rakato tokana antsoina hoe AL WITR
Mamaky fatiha 1 +qol hoallah ahad 3 + Falaq + Naas 1
Dia manao manandratra tanana manao doa. Avy eo ny tanàna havia mangataka ny havanana kosa manias
dia manao ireto manaraka ireto :
1. Mangatam-pamelana ho an’ny mpino lahy velona 40 isa ka miteny hoe:
AL-LAHOM-MA-GHRFIR LI …(oh: Allahomma-ghrfir li-Rakoto, Allahomma-ghrfir li-Rabe..)
(dikany : Tomponay ô ! Avelao ny helok’i Rakoto, Tomponay ô ! Avelao ny helok’i Rabe… )dia
tanisaina tsirairay eo ny anaran’ireo mpino 40 ireo. Atao amin’ny teny arabo avokoa ankoatra
ny anaran’olona.
2. Mangata-pamelana sy mibebaka im-70 miteny hoe:ASTAGHRFIROL-LAAHA OA ATOOBO ILAYH.
(Mifona sy mibebaka amin’i Allah aho).
3. Miteny im-7 hoe ASTADJIRO BIL-LAAHY MINAN-NAARY(Mitady fialofana amin’ny Allah aho mba tsy
ho any amin’ny afobe)
4. Miteny in-300 (telonjato) hoe:AL ANFWO, AL ANFWO…. Aorian’izany dia miteny hoe:RAB-BY IGHRFIR
LY OARHAMNY OA TOB A’LAY-YA. IN-NAKA ANTA AT-TAW-WABO, AL GHRAFOOROR- RAHIYM. (Tompo ô!
Mamela ny heloko,mangoraha ahy, ary diovy amin’ny fahotana aho (satria) Tena marina fa
ianao dia Mpandio amin’ny fahotana sy Mpamela heloka ary Be fihantrana).
➢ Endriny faharoa
Rehefa tsy ampy hanatanterahana an’ireo rakato 11 ireo ny fotoana dia ny salato ashshaf’in (rakato 2) sy ny witr (ilay rakato tokana farany) ihany no atao. Aza hadino ny manao
ny salato rakato roa antsoina hoe NAAFILAT AS SOBH izay ampirisihina tokoa ny fanaovana
azy mialoha ny hanaovana ny salato al fajr, eny na dia efa miditra azany fotoana fanaovana
vavaka maraina, satria ny WITR sy ny rakato roa alohan’ny vavaka maraina dia sahala
amin’ny nahavita vavaka mamatonalina feno.(araka ny hita ao amin’ny boky DHYA ASS’AALIHIN)
➢ Endriny fahatelo
Araka ny voalaza etsy ambony dia miisa 11 ny rakato ao anatin’ity salatoal layl ity. Ka toy
izao no anaovana azy :
✓ Ny rakato valo voalohany antsoina hoe NAAFILATOL LAYL ka atao tsiroaroa ohatra ny manao salato
maraina in ‘efatra (2 rakato x 4) fa ny fikasana hanao azy valo rakato dia atao eny am-piandohana. Toy izao
ny fikasana atao ny fikasana : OS’AL-LY NAAFILATAL LAYLY THAMAAN RAKA’AT KORBATANE ILAL-LAAHY TA’ALA
(Hanao Naafilat al layl aho, rakato valo hanakaiky an’i Allah bebe kokoa)
Mariho tsara : Tsaratsara kokoa raha mamaky ny sorato QOL HOALLAHO AHAD in’enimpolo (60 fois)
amin’ny rakato roa voalohany (izany hoe mamaky in-30 isaky ny rakato) dia manao Tasbih Zahra (A) ao
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 3 @ 13
aorian’ny salamo mba tsy hisy fahotana tavela intsony manelanelana an’ilay mpino sy ny Tompony
(Allah). Fa raha tsy vita izany dia mamaky :
Rakato voalohany : Fatiha 1 + Qol Hoallaho Ahad 1
Rakato faharoa : Fatiha 1 + Kaafiroon 1
✓ Ny rakato enina (rakato 2 in-telo samy hafa) kosa dia malalaka ny safidy amin’ny sorato vakiana.
Mariho tsara : Isaky ny tonga amin’ny rakato faharoa amin’ireo rakato 2 in’efatra ireo dia manao Konoto
(fangatahana) fa tsy maintsy amin’ny teny arabo rano iray.
Indreto misy vitsivitsy azo isafidianana :
•
•
•
•
Sobhaanallaah in-3
AL-LAHOM-MA IGHR-FIR LANA OARHAMNA OA ANF AN-NA FID-DONYA OAL AAKHRIRAH, INNAKA A’LA KOL-LY SHAY-IN QADIR.
(Tompo ô ! Mamela ny helokay ary mangoraha anay. Arovy izahay eto an-tany sy any ankoatra.
Marina dia marina tokoa fa Ianao dia Mahefa ny zava-drehetra).
AL-LAHOM-MA KAIFA AD-ON-KA OA QAD ANS’AITOKA, OAKAIFA LA AD-ON-KA OAQAD AN-RIFTO
HOB-BAKAFY QALBY. OA IN KONTO AANS’YAN MADADTO ILAIKA YADAN BIZH-ZHONOOBY
MAMLOO-ATAN OA AYANAN BIR-RADJAA-Y MASHOODAH
(Tompo ô! Ahoana no hiantsoako Anao nefa izaho efa nanota taminao. Ary ahoana koa no tsy
hiantsoako Anao nefa tsapako fa ny fitiavako Anao ato am-poko ato. Ary raha nanota taminao aho
ka mampitsotra aminaro ireto tanako feno fahotana miaraka amin’ny maso feno talaho…
Rehefa vita ireo rakato valo ireo dia miankohoka (sojod) dia miteny im-polo (10 fois) hoe YA ALLAHO.
Rehefa izany dia mitraka ka miteny hoe: S’ALLY A’LA MOHAMMADIN OA AALIHY OAGHRFIR LY
OARHAMNY OA THABITNY A’LA DINIKA IZH HADAITANY …
(Tahio Mohammad sy ny Fianakaviany Masina sy mamela ny heloko, mangoraha ahy ary hamafiso ny
fijoroako amin’ny finoanao rehefa notarihinao làlana aho…)
Mitsangana manao rakato roa hafa (faha-9 sy faha-10) izay antsoina hoe SALATO ASH SHAF’I
Toy izao ny fikasana : OS’AL-LY SALATO ASH - SHAF’I RAKA’ANTAYN KORBATANE ILAL-LAAHY TA’ALA
(Hanao salat ash shaf’in aho, rakato roa hanakaiky an’i Allah bebe kokoa).
Eto indray dia tsy asiana Konoto (doa) amin’ny rakato faharoa. Ny sorato vakiana amin’ity dia tsaratsara
kokoa raha :
Rakato 1 : Fatiha 1 + Naas 1
Fatiha 1 + Falaq 1
Tadidio tsara : tsy asiana konoto amin’ity salato ity.
Rehefa vita ny salamo dia mamaky an’ity doa ity izay vakiana ihany koa amin’ny alina faha-15 amin’ny
volana masina Sha’abany.:
Ilaahy ta’aradha laka fy hazhal layl al mota’aridhooon. wa qas’adaka al
qas’idooon. wa am-mala fadhlaka oa ma’arooofoka at-t’aalibooon. wa laka fy hazhal
layly nafahaaton, oa djawaa-iz, oa mawaa-hib, tamon-no biha a’la man tashaa-o min
aibaadik. Wa tamnao’ha man lam tasbiq lahol ainaa-yato minka. Wa haa ana zha
onbaydokal faqiro ilaika, Al mo-am-malo fadhalaka wa ma’aroofok. Fa in konta ya
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 4 @ 13
mawlaya fy hàzhihil laylaty a’la ahadin min khralqik , wa ondta a’laihy bi-a’a-idatin min
a’tfika, fas’al-ly a’la Mohammadin wa aalihy at-t’ay-ybiina at-t’ahiriina, al khrayriina al
faadhiliin. Wa djod a’lay-ya bitaolika wa ma’aroofik, ya rab-bal a’alamin. Wa s’al-lalaaho
a’la khratimi-n-nabiy-yna wa aaalihy-t-t’aahiriin wa sal-lama taslima. In-na Allaha
hamidon madjid. Al-lahom-ma in-ny ad-o’ka kamaa amartany fastadjib ly kamaa
wa’adtany in-naka la tokhrlifol mi-a’ad.
Indro izy amin’ny teny arabo :
Aorian’izany dia mitsangana indray manao an’ilay rakato tokana antsoina amin’ny teny arabo hoe SALATO AL
WITR mameno azy ho 11 ka ireto avy ny sorato vakiana amin’izany :
Fatiha 1 + Qol hoallaho Ahad 3 + Falaq 1 + Naas 1
Avy eo dia manao konoto (manandratra tànana) dia mangataka izay rehetra manahirana (tsy maintsy
amin’ny teny arabo manontolo). Maro dia maro ny doa azo atao eto fa ny Mpaminany Mohammad (S) dia namaky
an’ity araka ny voalazan’ny tantara :
AL-LAHOM-MA-H-DINY FY MAN HADAITA, OA AN-F AN-NY FY MAN AN-FAYTA, OA TAWAL-LANY FY MAN
TAWAL-LAYTA, OA BARIKNY FY MAN AN-TAYTA, OAQINY SHAR-RA MAQADHAYTA. FA IN-NAKA TAQDHY OA
YOQDHA A’LAYKA. SOBHAANAKA RAB-BAL BAYT. ASTAGHRFIROKA OA ATOOBO ILAYK. OA OWMINO BIKA OA
ATAWAK-KALO A’LAIKA, OA LA HAOLA OA LA QOW-WATA IL-LA BIKA YAA RAHIM.
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 5 @ 13
Tsaratsara kokoa ao anatin’ity konoto ity raha azo atao. Avy eo :
1.
Mangatam-pamelana ho an’ny mpino lahy velona 40 isa ka miteny hoe : AL-LAHOM-MA-GHRFIR LI ….(oh :
Allahomma-ghrfir li-Rakoto, Allahomma-ghrfir li-Rabe…)
(dikany :Tomponay ô ! Avelao ny helok’i Rakoto) dia tanisaina tsirairay eo ny anaran’ireo mpino 40
ireo. Atao amin’ny teny arabo avokoa ankoatra ny anaran’olona.
2.
3.
Mangata-pamelana sy mibebaka im-70 miteny hoe :
ASTAGHRFIROL-LAAHA OA ATOOBO ILAYH. (Mifona sy mibebaka amin’i Allah aho).
Miteny im-7 hoe ASTADJIRO BIL-LAAHY MINAN-NAARY
(Mitady fialofana amin’ny Allah aho mba tsy ho any amin’ny afobe)
4.
Miteny in-300 (telonjato) hoe : AL ANFWA, AL ANFWA…
(mifona, mifona…)
Aorian’izany dia miteny hoe : RAB-BY IGHRFIR LY OARHAMNY OA TOB A’LAY-YA. IN-NAKA ANTA AT-TAW-WABO,
AL GHRAFOOROR- RAHIYM.
(Tompo ô ! Mamela ny heloko,mangoraha ahy, ary diovy amin’ny
fahotana aho (satria) Tena marina fa ianao dia Mpandio amin’ny
fahotana sy Mpamela heloka ary Be fihantrana).
Marihina tsara : tokony halavaina araky izay azo atao ny fangatahana eto ho an’ireo izay mahay doa (arabo)
Rehefa vita ny konoto dia miondrika amin’izay manao roko. Ary rehefa mitraka avy eo dia miteny hoe :
HAZHA MAQAAMO MAN HASANTAHO NI-EN-MATAN MINKA OA SHOKROHO DHA-IN-FO OA
ZHANBOHO AN-Z’YIM. OA LAISA LIZHALIKA IL-LA RIZQOKA. FA IN-NAKA QOLTA FY KITABIKAL MONZALY
A’LA NABIY-YKAL MORSAL S’AL-LAL-LAHO A’LAYHY OA AAALIH: KAANOO QALYILAN MINAL LAYLY MAA
YAHDJAOON, OA BIL AS-HAARY HOM YASTAGHRFIROON. T’ALA HODJOO-Y OA QAL-LA QIYAAMY OA
HAZHA AS-SAHAROOA ANA ASTAGHRFIROKA LIZHONOOBY ISTIGHRFAARO MAN LA YADJIDO LINAFSIHY
DHAR-RAN OA LA NAF-AN OA LA MAOTAN OA LA HAYATAN OA LA NOSHOORAH
Dia miankohoka amin’izay mamarana tanteraka ny salato al layl.
Rehefa izany dia manao Tasbih Zahra (A) : ALLAHO AKBAR
34
ALHAMDO LIL-LAAH 33
SOBHAANAL-LAAH 33
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 6 @ 13
Dia misy doa lavalava tokony ho vakiana avy eo fa ity fohifohy ity fotsiny no ataotsika ato. Fa izay
liana amin’izany doa lavalava izany dia afaka mahita azy any amin’ny bokina doa toy ny MAFATIH AL JINAN :
AL HAMDO LIRAB-BIS-S’ABAAH, AL HAMDO LIFALIQIL ISBAAH
SOBHAANA RAB-BIAL MALIKIL QOD-DOOSY AL AZIZ AL HAKIM (in-3)
AL-LAHOMAR ZOQNY MINAT-TIDJAARATY, A-AZHAMOHA FADHLAN
OA AWSA-AN-HA RIZQAN, OA KHRAYRA AN-QIBATAN
FA IN-NAHO LA KHRAYRA FY MA LAA AN-QIBATA LAH
Dia manao sojod ary miteny in-5 hoe:
SOB-BOOHONN, QOD-DOOSONN, RAB-BOL MALAA-IKATY WAR-ROOH
Dia mitraka ka mamaky AYATOUL KOURSY indray mandeha dia miverina miankohoka indray dia mamerina
ilay notenenina tao in-5 ihany koa.
Azo ampiana izay karazana fiderana tiana atao raha mbola misy ny fotoana.
Rehefa vita izany dia mihomana hanao ny vavaka maraina (fajr/sobh). Manao rakato roa antsoina hoe
naafilat as-sobhalohan’ny tena hanaovana ny vavaka maraina fanao isan’andro. Amin’io rakato roa io sy ny vavaka
maraina (salato al fajr) dia tsaratsara kokoa raha mamaky:
-
Al Kaafiroon ny amin’ny rakato voalohany ary
Qol hoallaho ahad amin’ny faharoa.
Dia mino sy manantena ny mpanoratra fa mba samy hanatanteraka an’ity vavaka mahasoa ity ny mpamaky.
Maro dia maro tokoa ny karazana salato na vavaka tokony ho tanterahan’ny mpino ankoatra an’ireo dimy (5)
isan’andro. Efa an-jatony no efa nampahafantarina ny mpamaky ny KORBATANE ILALLAH hatramin’ny taona 2001.
Nefa mbola maro lavitra noho izany koa no tsy mbola voaresaka koa dia mazotoa mampitombo ny fahalalana amin’ny
alalan’ity KORBATANE ity. Azonao anontania koa ireo manam-pahaizana eo akaikinao fa azo antoka fa hanome
fahalalana ho anao izy ireny.
Zanahary anie hanondrotra voninahitra sy hanome fiadanana hatrany an’I
Mohammad sy ireo fianakaviany voadio
Nohavaozina sy nohatsaraina ny Aprily/Ramadhany 2022
Houssen Féli
Misy Sombin’ny pejin’ny boky MAFATIH AL DJINAN ataoko manaraka eo ho an’izay liana.
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 7 @ 13
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 8 @ 13
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 9 @ 13
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 10 @ 13
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 11 @ 13
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 12 @ 13
Korbatane n°7
Ny vavaka mamatonalina (As salatol layl)
version 03 avril 2022
Pejy 13 @ 13
Sur le même sujet..
salatol
manao
izany
version
korbatane
miteny
vavaka
rakato
mamatonalina
allah
salato
rehefa
maraina
avril
kokoa