KORBATANE 70 DAHWOL ARDH .pdf


À propos / Télécharger Aperçu
Nom original: KORBATANE 70 DAHWOL ARDH.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:09, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 3 fois.
Taille du document: 573 Ko (5 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 70

2001 - 2021

DAHWOL ARHD
NY FAMELARANA NY TANY
Mpampianatra iray efa mahazatra antsika no iarahantsika indray anio amin’ity lesona iray
mahafinaritra ity miresaka tsotsotra ny fivoaran’ny famoronana ny tany izay nitranga ny 25 Zhil qienda
tamin’ny fanisan-taona voalohany indrindra (rehefa noforonin’i Zanahary ny fotoana). Ny fanisantaona maro mpanaraka indrindra ankehitriny moa dia:
- ny fanisan-taona gregoriana izay miainga amin’ny nahaterahan’ilay Mesia, Jesoa zanak’i Maria
(homba azy mianaka anie ny fiadanana) 2021 taona lasa. Manaraka ny fandehan’ny masondro ity
fanisan-taona ity ka dia tsy misy zavatra miovaova firy ankoatra ny fanampiana andro iray isaky ny
efatra taona amin’ny volana febroary satria misy 6 ora isan-taona tsy mahafeno andro iray.
- fanisan-taona islamika izay nanomboka tamin’ny fotoana nifindran’i Mohammad mpaminany
(Zanahary anie hanondrotra voninahitra sy hanome fiadanana hatrany azy sy ireo fianakaviany masina)
tamin’ny taon-jato faha 8 (1442 taona lasa). Manaraka ny volana ity fanisan’andro ity ka isaky ny
tsinana ny volana no manomboka ny volana iray. Misy eo amin’ny 11 andro eo ny elanelan’ny taona
iray amin’ny fanisan-taona gregoriana.
- ny fanisan-taona sinoa dia manambatra an’ireo roa ambony ireo. Ny volana dia isaina manaraka ny
tsinam-bolana fa ny taona kosa dia amparahina ny masoandro ka io 11 andro tsy ampy isan-taona io
dia ataon-dry zareo volana faha 13 isaky ny telo taona. Tsy idirantsika lalina ny amin’izay fa izay liana
dia hahita izany any amin’ny internet.
Fa ny tsy tokony hadinoina dia Zanahary no namorona ny fotoana. Izy no namaritra azy amin’ny
alalan’ny famoronany ny andro sy ny alina. Ka mazava ho azy fa ny taona voalohany no namaritra ny
famoronany ny zava-drehetra. Ary iarahantsika rehetra mahalala fa ny olom-belona no zava-boary
nataony farany indrindra. Raha tsorina dia izao: nomaniny avokoa ny zava-drehetra mba hahafahan’ny
zanak’olombelona miaina tsara sy hanatanteraka ny baikony. https://www.youtube.com/watch?v=J8Iprkwm6DE
Tenin’i Zanahary avy ao anaty koroany no anokafany ny lesona izay adikako amin’ny teny
Malagasy manao hoe : “Ary nataony maizina ny aliny, nataony mazava ny androny. Ary ny tany dia
novelariny taorian’izany. Ka navoakany tamin’izany ny rano sy ireo zava-maniry tao aminy. Ary ireo
tendrombohitra kosa dia nataony nahazo fototra lalina” (in sorato AN NAZIAAT 70, ayato 29 – 32)
Miresaka zavatra maromaro lalina mahatonga saina ity sorato An NAZIAAT ity ka anentanako anao
hamaky manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Ny dikan’ny teny hoe DAHWOL ARDH hoy ny shaikh Hassan AL
MANSOURY eto dia famelarana ny tany (toy isika Malagasy
mamelatra tsihy ireny raha alaina sary an-tsaina) mba hahatonga
azy ho mendrika honenana. Maro ireo hadisy miresaka azy ity, hoy
izy. Ary ny andon’ny tany dia niainga avy tao ambanin’ny kaaba.
Tany am-piandohana dia nisy oram-be ary dia rano no nameno ny
planeta tany. Ary nanomboka nipoitra tsikelikely ny tany taty
aoriana ka Lameka no tany nipoitra voalohany avy tao anatin’izany
rano izany. Avy eo novelariny ka lasa an’izao tontolo izao.
FAMELARANA NY TANY

FB: Houssen Féli.

04 Jolay 2021

Pejy 1 @ 5

Hoy indrindra ny Imamo Baaqir (A) momba izany : “ Rehefa namorona ny tany i Zanahary dia nanome
baiko an’ireo rivotra efatra nikapoka ny rano ho lasa onja lehibe. Avy eo nampanjariany vainga ka lasa
matiera/vaingan-javatra iray lehibe. Avy eo dia
nataony teny amin’ny toeran’ilay trano (izany hoe
toerana misy an’i Lameka). Ka nataony ho toy ny
tendrom-bohitra lehibe izany vainga izany. Ary
nivoaka avy tao ambanin’izany ny tany. Izany ilay
tenin’i Zanahary manao hoe MARINA DIA MARINA
TOKOA FA NY TRANO NATAO VOALOHANY HO
AN’NY ZANAK’OLOMBELONA DIA ILAY AO BAKKA
(MAKKA = Lameka), ILAY NOHASOAVINA SY TARIDALANA HO AN’IZAO REHETRA IZAO” (in sorato
AAAL IMRAAN 3 : ayato 96)

Ny teny hoe BAKKA fiantsoana an’i Makka na Lameka ankehitriny dia fampiasan’ireo olona taloha. Hita
izany amin’ireo boky mirakitra ny tenin’i Zanahary talohan’ny finoana Islamo izany.
Misy siteweb iray nahitako zavatra mahaliana momba ny tantaran’ny KAABA azonao jerena amin’ity
rohy ity http://sobhanak.canalblog.com/archives/2007/06/03/5178510.html fa adikako eto ny zavatra
notsongaiko taminy tsy misy novaina na iray aza fa tonga dia COPIER COLLER. Miresaka zavatra lalina ity site ity
fa sombiny no nalaiko fa izay liana dia afaka manokatra an’io rohy eo ambony io.

Et Sans chercher dans ces anciens livres, il nous suffit seulement de lire la Torah pour trouver que le
nom de la Mecque est citée par le même terme utilisé dans le sacré Coran qui est : Baca
Le sacré Coran a utilisé le même terme de l ‘ancien testament afin de Le faire rappeler aux gens du
livre , puisqu’ ‘on trouve dans les versets 5-6-7 : 84 du livre des Psaumes :
84 :5) Heureux ceux qui habitent ta maison ! Ils peuvent te célébrer encore. Pause.
84 :6) Heureux ceux qui placent en toi leur appui ! Ils trouvent dans leur cœur des chemins tout tracés.
84 :7) Lorsqu'ils traversent la vallée de Baca, Ils la transforment en un lieu plein de sources, Et la
pluie la couvre aussi de bénédictions
Nous constatons ici que le lieu plein de sources d’eau nous rappelle le puit de zam zam.
Mety hanontany tena ianao hoe fa maninona no ny Imamo Mohammad AL BAAQIR zafin-dohaliky ny
mpaminany Mohammad (S) no nanambara izany.
Valiny: Satria i Mohammad (S) no tanan-dehiben’ny fahalalana ary i Ali no vavahadiny. Ka izay rehetra
te ho any amin’izany tanan-dehibe izany dia tsy maintsy mandalo amin’ny vavahadiny. Teny malaza sy voamarina
nataon’i Mohammad Mpaminany (S) io ary tsy misy olona na iray aza manda an’io. Ka ny fahalalana moa ety antany no ilana azy fa tsy misy ilana azy intsony any am-pasana koa dia nifandovana teny ny fahalalana. Izay dia
voaporofo amin’ilay teny malaza voarakitra amin’ny boky silamo rehetra manao hoe
“MAMETRAKA ZAVATRA ROA MANAN-DANJA LEHIBE AMINAREO AHO MBA TSY HAHAVERY LALANA
ANAREO VELIVERY AORIAKO DIA NY BOKIN’I ZANAHARY SY NY TARANAK’IREO FIANAKAVIAKO. IZY ROA IREO
DIA TSY HISARAKA VELIVELY MANDRAPAHATONGA ANY AMIN’NY DOBON’NY PARADISA”

FAMELARANA NY TANY

FB: Houssen Féli.

04 Jolay 2021

Pejy 2 @ 5

Raha mikaroka anaty boky silamo voarakitra hatrizay ianao dia tsy hahita afa-tsy io teny io. Fa maro
anefa ireo milaza fa zavatra hafa ny eo amin’ny faharoa saingy tsy misy ahitana an’izany ireo boky malaza
rehetra na iray aza. Fa asakasak’izay manaiky ho rebirebena. Fa izaho dia mangataka amin’i Zanahary isan’andro
mba hotarihiny amin’ny lalana mahitsy sy marina fa tsy ny lalan’ireo niharan’ny hatezerany na koa ireo very
lalana manaraka an-jambany. Fa safidy ny fiainana. Katolika ny tenako taloha. Ny tsy faneken’ny saiko ny
fampianarana tany no nialako. Ka rehefa naheno momba ny finoana silamo aho tamin’ny faha-19 taonako dia
nanadihady lalina amam-bolana maro aloha, nitety ireo sekoly rehetra nampianatra tao Antananarivo. Niezaka
nanontany ireo olona avy nianatra ivelany (Egypte, Arabie Saodita, Soudan, Iran …) vao nanapa-kevitra ny ho
lasa mpanaraka ny finoana silamo sy hanaraka an’ireo AHLELBAYT (A) araka an’io hadisy voalaza eo ambony io.
Fantantsika rehetra fa niatrika ady maro dia maro tsy voaisa amin’ny rantsan-tanana sy rantsan-tongotra
i Mohammad (S) tao anatin’ny 23 taona nampielezany ny finoana silamo io. Ankoatra an’ireo fahavalo ivelany
dia nisy koa ireo fahavalo anatiny (jereo ny sorato AL MONAFIQOON fa ahitanao ny tenin’i Zanahary manambara
ny mombamomba azy ireo). Tamin’ny adin’i Tabouk, izay any amin’ny an-jato kilometatra maro miala an’i
Madina, dia nisy sahaba 14 nikasa hamono azy rehefa niveriny nitodi-doha nody izy ireo. Tantara mampalahelo
mahavaky fo ho an’olona tena TIA SY MANKASITRAKA an’i Mohammad (S) amin’ny asa rehetra nataony
hahatonga ahy sy ianao ho mpanompo an’ilay Nahary amin’ny tokony ho izy. Saingy ireo
Monafikona/mpihatsara vela-tsihy kosa zava-doza no tao an-dohany satria ry zareo tsy nino fa niseho amin’ny
endrika ivelany fotsiny fa nifandray tendro tamin’ireo mpanenjika ny finoana silamo hatrany.
Vao tamin’ity taona ity no nahenoako an’io tantara io fa hataontsika lohahevitra/lesona iray lavalava
mihitsy ny momba ny fiverenana avy tamin’ny adin’i Tabouk io. Itondrana eto, toy ny mahazatra, ny
fitantaran’ireo manam-pahaizana amin’ny tany silamo malaza (Arabie Saodita, Egypta sy Irak). Fa tantara tokony
ho hain’ny daholo be izy io. Fa izaho 27 taona taty arian’ny nidirako silamo vao naheno azy io tamin’ny video
nataona marokana iray amin’ny teny arabo. Tena nivalan-ketraka aho naheno azy. Ka tsy tiako ianao sy ny
taranakao hihaina amin’ny tsifahalalana izany tantara izany. Satria tantara iray nahatezitra an’i Zanahary izany
ary nahaory ny mpaminaniny sy mampalahelo an’ireo rehetra tia azy toa anao…
Hiverina amin’ny datin’ny 25 Zhol qienda aloha isika, ilay daty namoronan’i Zanahary ny tany. Ny zavatra
voalohany nipoitra teto an-tany dia ny kaaba. Ary avy eo novelarin’i Zanahary izany ka nahazoana ny planeta
tany manontolo sy izay rehetra ao anatiny. Ny trano kaaba hitantsika ankehitriny dia naorin’i Abrahama sy ny
zanany lahy matoa, Ismael (Fiadanana anie homba azy mianaka ireo). Efa noresahintsika ny mombamomba izany
tamin’ilay lesona nitondra ny lohateny hoe NY ANKIKA. Tsy nahagaga raha nandefa an’i Mosesy hanavotra ny
zanak’Israely tany Egipta i Zanahary ka nanao lalana manapaka teo amin’ny ranomasina hamonjy an’ilay tany
nampanantenainy (Lameka io). Raha mijery sarin-tany ianao dia sisin-tany no manasaraka an’i Israely sy Egipta.
Tsy misy miampita ranomasina akory. Fa nivadika tamin’i Mosesy moa ny zanak’Israely ka niharan’ny hatezeran’i
Zanahary satria hadinon’izy ireo ny fahasoavana goavana nomen’i Zanahary azy ireo ka namorona omby vavy
volamena notompoina izy ireo. Koa dia tsy tonga tany amin’ilay tany nampanantenaina fa nivenjivenjy teny
an’efitra sisa.
Misy asa fanompoana maromaro fanao amin’ity faha 25 zhol qienda ity, na amin’ny alina na amin’ny
atoandro ka indreto tanisaina ireto ireo ambaran’ny shaikh AL MANSOURY anatin’ity video ity:
NY ALINA :
-

Isan’ireo alina tokony hanaovana fiaretan-tory sy alim-bavaka izy ity araka ny fampianarana silamo.
Alina nahaterahan’i Abrahama sy Issa bn Maryam (A)
Ireo asa fanompoana sy fiderana ary fahatsiarovana an’i Zanahary rehetra dia azao atao avokoa
Ny mpaminany (S) dia niteny fa mampidina ny indrafony i Zanahary amin’ny alina faha 25 zhol qienda

NY ANDRO/ATOANDRO
1. Ny fifehezana (saomo): voalaza koa fa izay mifehy amin’ity andro ity dia ho toy ny nifehy 70
taona
FAMELARANA NY TANY

FB: Houssen Féli.

04 Jolay 2021

Pejy 3 @ 5

-

Ny Imamo Ali (A) dia nanambara fa ny fotoana nidinan’ny famindrampon’i Zanahary voalohany tety
an-tany dia ny faha 25 zhol qienda. Ka izay manao alim-bavaka sy mifehy ny atoandro amin’izany dia
hahazo valisoana fanompoana 100 taona. Ary izao olona mivorivory manao asa fanompoana na doa
amin’io fotoana io dia ho voavaly ny doan’izy ireo alohan’ny hisarahany. Ary ’i Zanahary dia
mampidina famindram-po 1.000.000 (iray tapitrisa) ka ny 99% dia atokany ho an’ireo mpahatsiaro
azy sy ny mifehy ary ny miari-tory amin’izany fotoana izany.
Ny Imamo Mosa AL KAAZHIM (A) dia nanambara fa nampidin’i Zanahary ny kaaba tamin’ny 25 zhol
qienda ka izay olona mifehy amin’izany andro izany dia ho voafafa ny fahotany nandritra ny 70 taona.
Ary ity no datinandro nampidinan’i Zanahary famindrampo voalohany tamin’i Adama (A).

Azo atao, hoy ny shaikh AL MANSOURY ny
manao fikasana fifehezana hanolo iray amin’ireo tsy
vita tamin’ny volana ramadany (fikasana : ASOMO
HAZHAL
YAOMA
AMMA
FI
ZHIMMATY
KORBATANE….) ary miangavy ihany koa ny mba
hahazo valisoan’ny mpifehy amin’ity andro ity.
2. Ny
fandroana
manazava
(ghroslo) azoa tao manomboka
amin’ny
mangoran-dratsy
mandram-pilentiky
ny
masoandro. Toy izao ny
fikasana amin’izany:
AGHRTASILO GHROSLA HAZHAL YAOM QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
Tsy mahasolo fidio manazava (wodho) ity fandroana manazava atao eto ity.
3. Salato rakato roa (tsy asiana azhany na ikama toy ny salato mostahabo rehetra)
Atao amin’ny fotoan’ny DHOHA (misandratrandro: alohan’ny mitatao vovona)
OSAL’LY RAKA’ATAYNY QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
dia ireto no vakiana isaky ny rakato:
FATIHA 1 + AL SHAMSO 5
rehefa vita ny salamo dia miteny hoe : LA HAWLA WA LA QOWWATA ILLA BILLAHIL ALY-IL AZHIM
Aorian’izay dia mamaky an’io DOA manomboka amin’ny YA MOQILAL ANTHARAAT io ambony io. Ary
tokony hanao zyarat an’ny Imamo ALI RIDHA (A) ihany koa

4. Mamaky ny doa voatokana ho an’ity andro ity

َّ‫ َّأسألُكَّ َّفِي َّهذا َّالي ْو َِّم‬،‫شفَّ َّ ُك ِ َّّل َّك ُْرب ٍة‬
َّ ‫صار‬
ِ ‫ف َّالل ْزب َِّة َّوكا‬
ِ َّ َّ‫اللّ ُهم‬
ِ ‫داحيَّ َّالك ْعب َِّة َّوفا ِلقَّ َّالحب َِّة َّو‬
َّ‫امكََّّال ِتيَّأعْظ ْمتََّّحقهاَّوأ ْقد ْمتََّّسبْقهاَّوجع ْلتهاَّ ِع ْندََّّال ُم ْؤ َِّم ِنينََّّودِيعةََّّو ِإليْكََّّذ ِريع َّة‬
َّْ ‫ِم‬
ِ ‫نَّأي‬
َّ‫الق‬
َِّ ‫ب َّي ْومَّ َّالت‬
َِّ ‫يثاق َّالق ِري‬
َِّ ‫الم‬
َّ ِ‫ب َّف‬
َِّ ‫ي َّعلى َّ ُمحم ٍَّد َّع ْبدِكَّ َّال ُم ْنتج‬
َّ ّ‫سيع َِّة َّان َّتُص ِل‬
َّ ِ‫و ِبرحْ مت‬
ِ َّ ‫ي‬
ِ ‫ك َّالو‬
َّ‫ارَّو ُوال َِّة‬
َِّ َّ‫نارَّدعائَِّ َِّمَّالجب‬
َِّ ‫هارَّال ُهدا َِّةَّالم‬
َِّ ‫قَّوعلىَّأ ْه َِّلَّب ْيتِ َِّهَّاال ْط‬
ٍَّّ ‫داعَّإِلىَّ ُك ِ َّّلَّح‬
ٍَّ ‫قَّو‬
ٍَّ ْ‫قَّ ُك ِ َّّلَّرت‬
َِّ ِ‫فات‬
ُ ‫ونَّغيْرََّّم ْق‬
َّ َّ‫َّتجْ م َُّع‬،‫وع‬
ٍَّ ‫ط‬
َِّ ‫نَّعطائِكََّّالم ْخ ُز‬
َّْ ‫َّوأع ِْطناَّفِيَّي ْو ِمناَّهذاَّ ِم‬،‫الجن َِّةَّوالن ِار‬
ٍ ُ‫وعَّوالَّم ْمن‬
FAMELARANA NY TANY

FB: Houssen Féli.

04 Jolay 2021

Pejy 4 @ 5

‫َّ‬

‫يَّ‬
‫نَّلُ ْطفُ َّهَُّخ ِف َّ‬
‫سنََّّاال ْوب ِة‪َّ،‬ياَّخيْرََّّم ْدع ٍَُّّوَّوأ ْكرمََّّم ْر ُج ٍَّّوَّياَّكفيََّّياو ِفي‪َّ،‬ياَّم َّْ‬
‫لناَّ ِب َِّهَّالت ْوبةََّّو ُح ْ‬
‫أُل ُ‬
‫سنِيََّّك ِريمَََّّّ ِذ ْك ِركَََّّّ ِب ُوال َِّةََّّأ ْم ِركََّّ‬
‫ط َّْ‬
‫س ِع ْدنِيََّّ ِبع ْف ِوكَََّّّوأ ِيّ ْدنِيََّّ ِبنص ِْركَََّّّوالََّّت ُ ْن ِ‬
‫فََّّ ِليََّّ ِبلُ ْط ِفكَََّّّوا ْ‬
‫ئكَّ ِع ْندََّّ‬
‫بَّالد ْه َِّرَّإِلىَّي ْو َِّمَّالحش َِّْرَّوالنش َِّْرَّوأش ِْه َّْدنِيَّأ ْو ِليا َّ‬
‫نَّشوائِ َِّ‬
‫س ِ ّرك‪َّ،‬واحْ ف ْظنِيَّ ِم َّْ‬
‫وحفظ َِّةَّ ِ‬
‫يََّّاللّ ُهمَََّّّو ْ‬
‫يََّّعلىََّّ ُ‬
‫طو َِّلَّ‬
‫اذك ُْرنِ َّ‬
‫طاعََّّعم ِليََّّوا ْنقضاءََّّأج ِل َّ‬
‫س َّ‬
‫يََّّو ُحلُو َِّلََّّر ْم ِ‬
‫وجََّّن ْف ِ‬
‫ُخ ُر َِّ‬
‫سي َّوا ْن ِق َِّ‬
‫يَّ‬
‫دارَّال ُمقام َِّةَّوب ّ ِوئْ ِن َّ‬
‫سونََّّ ِمنََّّالورىَّواحْ ِل ْل ِنيَّ َّ‬
‫تَّبيْنََّّأ ْط َِّ‬
‫ذاَّحل ْل َُّ‬
‫ال ِبلىَّ ِإ َّ‬
‫باقَّالثرىَّون ِ‬
‫سي ِنيَّالنا ُ‬
‫يَّ ِلقائِكََّّ‬
‫كَّ ِليَّفِ َّ‬
‫بار َّْ‬
‫كَّوأ ْه َِّلَّاجْ تِبائِ َّ‬
‫قيَّأ ْو ِليائِ َّ‬
‫نَّ ُمرافِ َّ‬
‫مَّ ْن ِزلََّّالكرام َِّةَّواجْ ع ْلنِيَّ ِم َّْ‬
‫كَّواص ِْطفائِك‪َّ،‬و ِ‬
‫وء َّالخط َِّل َّ َّ‪َّ ،‬اللّ ُهمَّ َّوأ ْو ِر ْدنِيَّ‬
‫س َِّ‬
‫ار ُز ْقنِي َّ ُح ْ‬
‫سنَّ َّالعم َِّل َّقبْلَّ َّ ُحلُ ِول َّاالج َِّل َّبريئاَّ َّ ِمنَّ َّالزل َِّل َّو ُ‬
‫و ْ‬
‫يَّ ِم ْن َّهَُّمشْرباَّر ِو َّياَّسائِغاَّهنِيئاََّّ َّالَّأ ْظمَّأ َُّب ْعدهََُّّ‬
‫س ِقنِ َّ‬
‫ح ْوضََّّنبِ ِيّكََّّ َُّمحم ٍَّدَّصلّىَّهللاَّعل ْي َِّهَّوآ ِل َِّهَّوا ْ‬
‫فىَّ ِميعا ٍَّدَّي ْومََّّيقُو َُّمَّاالشْهادَُّ‪َّ .‬‬
‫والَّاُحالَّ ِو ْرد َُّهَّوالَّع ْن َّهَُّأُذادُ‪َّ،‬واجْ ع ْل َّهَُّ ِليَّخيْرََّّزا ٍَّدَّوأ ْو َّ‬
‫ستأْثِ ِرين‪َّ،‬اللّ ُهمََّّو ْ‬
‫اق ِص َّْمَّدعائِم ُه َّْمَّ‬
‫نَّجبا ِبرةََّّاألوَّ ِلينََّّواآلخرينََّّو ِب ُحقُ َِّ‬
‫اللّ ُهمََّّوا ْلع َّْ‬
‫وقَّأ ْو ِليائِكََّّال ُم ْ‬
‫نَّ‬
‫قَّعلي ِْه َّْمَّمسا ِلك ُه َّْمَّوالع َّْ‬
‫سلُ ْب ُه َّْمَّمما ِلك ُه َّْمَّوض ِيّ َّْ‬
‫وا ْه ِل َّْ‬
‫عامل ُه َّْمَّوع ِ ّج َّْلَّمها ِلك ُه َّْمَّوا ْ‬
‫كَّأشْياع ُه َّْمَّو ِ‬
‫قَّ‬
‫ار ُد َّْدََّّعلي ِْه َّْم َّمظا ِلم ُه َّْمََّّوأ ْظ ِه َّْرََّّ ِبالح َِّّ‬
‫شارك ُه ْم‪ََّّ،‬اللّ ُه َّمََّّوع ِ ّج َّْلََّّفر َّ‬
‫جََّّأ ْو ِليا ِئكَََّّّو ْ‬
‫ُمسا ِهم ُه َّْمََّّو ُم ِ‬
‫ْرَّ‬
‫ك َّ ُم ْؤت ِمرا َّ‪َّ ،‬اللّ ُهمَّ َّاحْ فُ ْف َّهُ َّ ِبمالئِك َِّة َّالنص َِّ‬
‫ي َّأعْدائِ َّ‬
‫ك َّفِ َّ‬
‫را َّو ِبأ ْم ِر َّ‬
‫ك َّ ُم ْنت ِص َّ‬
‫قائِم ُه َّْم َّواجْ ع ْل َّهُ َّ ِلدِينِ َّ‬
‫يَّليْل َِّةَّالقد َِّْرَّ ُم ْنت ِقماَّلكََّّحتىَّت ْرضىَّويعُودََّّدِينُكََّّ ِب َِّهَّوعلىَّيد ْي َِّهَّ‬
‫و ِبماَّأ ْلقيْتََّّ ِإل ْي َِّهَّ ِمنََّّاالَّ ْم َِّرَّفِ َّ‬
‫جدِيداََّّغ ّ‬
‫يعَّ‬
‫االباطلََّّر ْفضا‪َّ،‬اللّ ُهمََّّص ِ َّّلَّعل ْي َِّهَّوعلىَّج ِم َِّ‬
‫ضَّالحقََّّمحْ ضاَّوي ْرفُضََّّ‬
‫ضاَّوي ْمح َّ‬
‫ِ‬
‫نَّأعْوانِ َِّهَّ‪َّ،‬اللّ ُه َّمَّ‬
‫يَّزمانِ َِّهَّ ِم َّْ‬
‫ُونَّفِ َّ‬
‫يَّكرتِ َِّهَّحتىَّنك َّ‬
‫سرتِ َِّهَّوَّابْعثْناَّفِ َّ‬
‫آبائِ َِّهَّواجْ ع ْلناَّ ِم َّْ‬
‫نَّصحْ بِ َِّهَّوا ُ ْ‬
‫هللاَّ‬
‫ار ُد َّْد َّ ِإليْنا َّسالمهُ‪َّ ،‬والسال َُّم َّعل ْي َِّه َّورحْ م َّةُ َّ َّ‬
‫أد ِْر َّْ‬
‫ك َّ ِبنا َّقِيام َّهَُّوأش ِْهدْنا َّأّيام َّهَُّوص ِ َّّل َّعل ْي َِّهَّو ْ‬
‫وبركات ُ َّهَُّ‬
‫‪Ahitana an’io doa io amin’ny video ataon’ny shaikh AL MANSOURY sady ahenoana azy mamaky azy tsara.‬‬
‫‪Mbola tena maro tokoa ny zavatra tsy hay sy tsy fantatra koa dia mangataka amin’i Zanahary hatrany‬‬
‫‪isika hampitombo fahalalana antsika sy hanome fahasalamana hahafahana manohy ny ezaka fizarana izay kely‬‬
‫‪azo‬‬

‫‪Hasondrotr’i Zanahary voninhahitra sy homeny fiadanana hatrany anie i Mohammad‬‬
‫‪sy ireo fianakaviany masina‬‬
‫‪Anio Alahady dia tokony ho 23 zhol qienda 1442‬‬

‫‪Pejy 5 @ 5‬‬

‫‪04 Jolay 2021‬‬

‫‪FB: Houssen Féli.‬‬

‫‪FAMELARANA NY TANY‬‬


Aperçu du document KORBATANE 70 DAHWOL ARDH.pdf - page 1/5
Aperçu du document KORBATANE 70 DAHWOL ARDH.pdf - page 2/5
Aperçu du document KORBATANE 70 DAHWOL ARDH.pdf - page 3/5
Aperçu du document KORBATANE 70 DAHWOL ARDH.pdf - page 4/5
Aperçu du document KORBATANE 70 DAHWOL ARDH.pdf - page 5/5


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989064.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.