KORBATANE 71 MIAINA MIARAKA AMIN'NY KOROANY (SORATO IKHLAS, AL KAOTHAR, MOZAMMIL) .pdf


Nom original: KORBATANE 71 - MIAINA MIARAKA AMIN'NY KOROANY (SORATO IKHLAS, AL KAOTHAR, MOZAMMIL).pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:09, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 214 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 71

(2001 - 2021)

MANOVA ZAVATRA MARO AMIN’NY FIAINANA NY FIARAHANA
AMIN’NY KOROANY MASINA
Nanana fikasana izay aho hamoaka an’ilay boky kely nampitondraiko ny lohateny hoe MIAINA
MIARAKA AMIN’NY KOROANY (KORBATANE 10 – B io) tamin’ny faran’ny taona. Fa sendra
voambolana sarotra aho amin’ireo karazam-pahotana sy ireo vokany amin’ny fiainana koa dia tsy
nivoatra firy ilay fanoratana. Niezaka nanontany shaikh Malagasy maromaro aho saingy tsy nisy
namaly aloha hatramin’ny faran’ny taona nankaty. Tsy ifanomezantsiny fa sarotra ny fiainana. Zavadehibe loatra ny voresaka ao anatin’ity lohahevitra ity koa dia aleoko maka fotoana sy mampitombo
fikarohana aloha. Fa ny zavatra hitako sy tsapako dia izao: isaky ny mahazo fahalalana vaovao aho
dia toa ny mahatsapa hoe tena mbola anatin’ny tsifahampiana fahalalana ny tena ka aleo miezaka
manatevina foana ihany aloha.
Hiaraka amina shaikh andrarezina iray isika amin’ity takelaka iray ity, tsy iza izany fa
ny
shaikh Abdoul Hamid AL MOUHAADJIR.
Isan’ny
olona
mahafinaritra
sy
mahavariana ny maheno/mahita azy
miresaka satria dia miresaka zavatra
lalin-dalina kokoa noho ny hafa izy. Ary
nambarany fa misy ireo olona sasany
manome tsiny azy. Indray andro izy
henoko nilaza fa izy no shaikh no
mpianatra kely taona indrindra nasiana
Ammama tamin'ny androny tao amin'ny
toerana
nianarany.
Ary
mbola
namafisiny tao anatin’io vidéo iray
nataony mivantana 2 na 3 andro lasa io,
fa efa ho 70 taona nitondrana Ammama
izy...ARY AZA ATAONAREO MAHAGAGA NY ZAVATRA RESAHIKO HOY IZY FA AVY AMIN'IREO
AHLILBAYT (A) NY ZAVATRA AMPITAIKO. https://youtube.com/watch?v=SiHNGMlDAL0&feature=share
Amin’ity video horesahantsika anio ity dia manambara zavatra momba sorato telo ao amin’ny
koroany izy dia ny sorato AL IKHRLAS/TAOHID, AL KAOTHAR ary AL MOZAMMIL. Ndeha hojerentsika
hoe inona avy ny zavatra lazainy momba an’ireo sorato ireo izay tena maro zavatra vaovao tokoa be
amiko:
1) Ny sorato AL IKHRLAS na TAOHID na QOL HOALLAHO AHAD (izay fiantsonao azy)
izay mamaky ny sorato al ikhlas:
➢ x 1 hoy izy dia ho eo ambany fiarovan'i Allah ary harovany amin'ny loza;
➢ x 2 hoy izy dia harovan'i Zanahary izy ny fianakaviany;
x 3 dia izy sy ny fianakaviany ary ireo djiraniny (voisin-ny);
➢ x 100 dia ho soratana ho toy ny nanao asa fanompoana nandritra ny 25 taona;
➢ x 1000 dia hahazo fahafahana avy amin'ny afobe ka ho lasa mponin’ny
PARADISA... Toy izany ny koroany hoy izy.
NY KOROANY DIA MANOVA ZAVATRA MARO AMIN’NY FIAINANA

Pejy 1|2

28 taona no naha SILAMO ahy izay ary niezaka nikarokaroka foana aho hatrizay saingy tsy
mbola naheno an'izany raha tsy omaly faha 12 May 2021...na dia maro aza ny olona heno niresaka
an'io sorato AL IKHLAS io sy ireo boky novakiako mirakitra izany....

2) Ny sorato AL KAOTHAR
Ny famakiana ny soraton'i Fatima Az Zahra (A) x 1000 (ny sorato AL KAOTHAR)
amin'ny alin'ny Zoma , izay 50 mn eo ho eo hoy ny shaikh AL MOUHAADJIR, dia
HANOMEZAN'I ZANAHARY ANAO FAHITANA NY IRAY AMIN'IREO MA'ASOMINA (OLO
MASINA SILAMO) 14, IZAY ATAONAO AN'ERITRERITRA AMIN'NY FOTOANA
HANAOVANAO NY FAMAKIANA. RAHA MISY FANONTANIANA TIANAO HO VALIAN'NY
IRAY AMIN'IZY IREO HOY IZY DIA HOMEN’I ZANAHARY FAHITANA IZANY OLONA IZANY
MAMALY AZY HO ANAO.... Fampianarana avy amin’ireo AHLELBAYT (A) izany hoy izy fa
tsy mitady fahalalana ankoatra ny avy amin’izy ireo aho hoy izy. Ary efa nisy nanao izany
ka nahita ny vokatra nantenaina, hoy ny shaikh
Dia te hino Aho hoe MPAMAKY AN’ITY SORATO AL KAOTHAR x 1000 isaky ny alin'ny ZOMA
angamba ity shaikh ity izany ka izay no mampiavaka azy ankoatra ny fikarohana maro isan-karazany
ataony. (Eritreritra fotsiny ny ahy io).

3) Ny sorato AL MOZZAMIL
Ny famakiana an’ity sorato ity ho an’ny fianakaviana hoy izy dia mahavaha ny olana
fianakaviana rehetra ka mahatsara ny resaka fidiram-bola, manamafy/manatsara ny fo,
miaro amin’ny loza, manokatra ny varavaran’ny fahasoavana sy ny varavaran’ny lanitra.
Ny Imamo Jaafar Sadiq (A) hoy ny shaikh dia nilaza hoe vakionareo amin'ny ZAVADREHETRA ANKOATRA NY RANO ITY SORATO ITY... (amin’ny zava-pihinana rehetra toy ny
jus, sakafo sns…, ankoatra ny rano izay norarany manokana).
Ity shaikh ABDOUL HAMYID AL MOUHADJIR ity no mpianatra kely taona indrindra nasiana
Ammama tamin'ny androny tao amin'ny toerana nianarako Ary vidéo iray nataony mivantana 2 n'a
3 andro lasa izay no nahenoako azy nilaza fa efa ho 70 taona nitondrana Ammama izy...ARY AZA
ATAONAREO MAHAGAGA NY ZAVATRA RESAHIKO HOY IZY FA AVY AMIN'IREO AHLELBAYT (A) NY
ZAVATRA REHETRA AMPITAIKO.
Tena mahafinaritra hoy aho manaraka ny fampianaran’ireto andrarezina ireto.
Mampahatsiaro an’ilay teny malaza hoe ANTITRA MAMPIADY KALO KA NY ANTITRA ANTITRA IHANY.
Dia mirary ny soa sy ny tsara rehetra ho anao ny tenako ary miarahaba anao manokana
amin’ny fahavitanao an’ireo adidy masina rehetra nandritra an’iny volana nanasan’i Zanahary
antsika iny ary mivavaka ho anao mba hahatratra indray an’izany volana izany amin’ny taona ho avy.
ZANAHARY Ô ! ASONDROTY VONINAHITRA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY MASINA
zarazarao hatrany amin’ireo tapana sy namana rehetra KORBATANE ILALLAH...

NY KOROANY DIA MANOVA ZAVATRA MARO AMIN’NY FIAINANA

Pejy 2|2


Aperçu du document KORBATANE 71 - MIAINA MIARAKA AMIN'NY KOROANY (SORATO IKHLAS, AL KAOTHAR,  MOZAMMIL).pdf - page 1/2
Aperçu du document KORBATANE 71 - MIAINA MIARAKA AMIN'NY KOROANY (SORATO IKHLAS, AL KAOTHAR,  MOZAMMIL).pdf - page 2/2




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989065.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.