KORBATANE 73 EIDOUL GHRADIR .pdf


Nom original: KORBATANE 73 - EIDOUL GHRADIR.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:09, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 2 fois.
Taille du document: 439 Ko (4 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 73

2001 - 2021

EIDOUL GHRADIR
Eid lehibe amin’ny tantaran’ny finoana SILAMO tokoa ity Eidoul Ghradir ity. Satria ahatsiarovana
an’ilay andro lehibe namenoan’i Zanahary ny finoana ka nilazany ao anaty araka an’ilay andian-teny hita
ao adika amin’ny teny Malagasy manao hoe : “…ANIO DIA HO KETRAKA IREO IZAY MITSIPAKA NY
FINIAOANAREO. FA AZA MATAHOTRA AZY IREO FA AOKA IANAREO HATAHOTRA ANIO DIA
NOFENOIKO HO ANAREO NY FINOANAREO. ARY NOFENOIKO TANTERAKA KOA NY FAHASOAVAKO EO
AMINAREO ARY ANKASITRAHIKO HO ANAREO NY SILAMO HO FINOANA… ”. (AL MAIDA 5: ayato 3)
Tena zava-dehibe tokoa izany ary fahasoavana tsy manam-paharoa. Raha tsiahivina tsotsotra
hoe inona moa no nitranga tamin’izany andro izany dia toy izao:
1- Ny manam-piandohana rehetra dia manam-piafarana avokoa koa dia efa akaiky ny fotoana
hifaranan’ny androm-piainan’i Mohammad (S) koa dia ilaina nampahafantarina ampahibe maso
ny olona nomanin’i Zanahary hisolo azy hanohy ny fifehezana sy fitarihana ny vahoaka. Izay no
dikan’ilay teny malaza henontsika lazain’ireo manam-pahaizana silamo rehetra manao hoe
“MAN KONTO MAWLA FA ALI MAWLAHO” izy adika amin’ny teny Malagasy tsotra manao hoe
“IZAY OLONA NANAIKY NOFEHEZIKO DIA INDRO I ALI HIFEHY AZY”.
Tsy nahafaly olona maromaro izany zavatra izany. Satria ireo Jentilisa izay nifandray
tendro tamin’ireo mpihatsaravelatsihy tao anatin’ny finoana silamo rehefa hitan-dry zareo hoe
nandamoka avokoa ireo tetika maizina rehetra nikendrena hamonoana an’i Mohammad (S) dia
efa niandry fotsiny ny hahafatesany sisa. Saingy ketraka tanteraka ireo mpihatsara velatsihy raha
vao nahita ny mpaminany Mohammad (S) nanambara izany teo imasom-bahoaka. Ka tsy
nahagaga raha nisy an’ireo MONAFIKONA 14 lahy niketrika ny hamona azy rehefa niverina avy
namonjy ady tany Tabouk izy taorian’izay. Nambaran’ny Mpaminany Mohammad (S) an’i
Khouzaif sy ilay olona iray nasainy nitari-dalana azy nitsoaka moa ny anaran’ireo olona efatra
ambin’ny folo nifofo ny ainy ireo ka nisy olona sahirana mihitsy taty aorina sasatra manontany
an’i Khouzaif hoe ISAN’IREO OLONA 14 nambaran’i Mohammad ve hono ny anarany. Tsy indray,
tsy indroa fa dia matetika mihitsy araka ny hita ao amin’ireo bokin’ny tantara. Tsy idirantsika
lalina moa ny amin’iny fa Zanahary niaro hatrany sy nitari-dalana ny Mpaminaniny (S) koa dia
nandamoka ny ketrika maloto.
2- Tsy eken’ny saina salama sy mandinika ny hoe TSY NANOMANA OLONA hanohy ny fitarihana ny
finoana i Zanahary ilay Tompon’ny FAHENDRENA sy ny FAHAIZA-MANDRIDRA sy MANDAMINA.
Misy ireo olona tsy misalasala akory milaza an’io fa dia azy sy ny Tompony izany koa ho hitany
amin’ny andro fitsanganana ny fandehany sy ny valin’izany.
3- Fantatry ny Mpaminany Mohammad (S) fa misy ireo olona ho tohina maheno an’io voavao io ka
nangatahany fotoana ny nilazany azy. Ka tonga ny hafatra nanambara hoe (adikako amin’ny teny
Malagasy) : “Ô ry Iraka ! Ambarao (aelezo) ilay hafatra napidinina taminao avy amin’ny
Tomponao. Fa raha tsy manao izany ianao dia toy ny tsy nanely ny hafatra avy aminy rehetra).
Zanahary dia miaro anao amin’ireo vahoaka. Marina dia marina tokoa fa i Allah dia tsy mitaridalana an’ireo vahoaka mpitsipaka”. (in Sorato AL MAA-IDA 5 – ayato 67)
KORBATANE N° 73 EIDOUL GHRADIR

FB : Houssen Féli

28 jolay 2021 (22h55)

Pejy 1 @ 4

4- Misy lehilahy iray tezitra mafy rehefa naheno
an’io fanendrena an’i Ali ampahibe maso io ka
niteny tamin’i Mohammad (S) hoe tena tsy rariny
hono ny ataony. Nasainy nanao izao rehetra izao
hono ny vahoaka dia nanaraka avokoa (nifehy,
niatrika ady sns…sns…). Ka tsy rariny, hoy ity
ranamana ity, “raha ny havanao no atinginao eny
ambony lohanay”. Dia nangataka loza avy amin’i
Zanahary moa ilay ranamana raha tena marina fa
avy aminy marina ilay hafatra koa dia nisy vato
nilatsaka avy any amin’ny afobe nilentika teo
amin’ny lohany ary nivoaka tamin’ny lavaky ny fitombenany koa dia tapitra teo ny tantarany.
Ankona tsy nisy nahateny ny rehetra nahita izany. Satria araka ny voalaza ao amin’ny koroany
hoe nangataka loza mihatra…koa dia BOOM.
5- Dia nifandimbidimby niaraharaba an’i Ali (A) avokoa ireo mpino ary tsy tara ihany koa ireo
mpihatsara velatsihy. Saingy ny mpaminany Mohammad (S) dia nahalala azy ireo tsara.
Raha tsorina dia ity no andro tena farany lehibe sy manan-danja ho an’ny mpanaradia an’i
Mohammad (S) satria ANDRO IRAY NAHAFENO NY FINOANA SY NY FAHASOAVAN’I ZANAHARY ho
an’ireo mpanompony. Hoy indrindra ny Imamo Saadiq (A) indray andro raha nisy nanontany hoe
“Moa ve ry zafin’ny Irak’i Zanahary mbola misy andro EID ankoatra ny EIDOL FITR sy EIDOL ADHA ary
ny andro Zoma amin’ny finoana silamo ?” dia novaliany hoe
“Eny, ary manan-danja kokoa noho ireo andro ireo aza”. Dia nanontany ilay ranamana hoe : “Fa
EID inona ary izany ?” dia novaliany hoe: “Izany dia ny andro nanendren’ny Mpaminany ny mpitarika
ny mpino ALI ibn Abi Taalib ka nilazany hoe IZAY OLONA NANAIKY NOFEHEZIKO DIA INDRO I ALI
HIFEHY AZY”
Efa hitantsika tamin’ny zavatra nosoratana ho fahatsiarovana ny tsingerin-taonan’ny Imamo ALI
(A) iny fa samy manambara an’io hadisy io avokoa ireo manam-pahaizana silamo malaza rehetra.
Izany dia midika fa tsy isalasalana ny fahamarinan’io teny io. Saingy samy manana ny andikany azy
moa koa dia tsy ifanomezan-tsiny fa rehefa mifankahita amin’i Mohammad (S) amin’ny andro farany
samy mitsara tena sy mahita hoe nanaraka SIRATOL MOSTAQIM ve sa isan’ireo DHALLLINN.
Maro ireo zavatra tokony hatao amin’ity andro lehibe ity. Video nataon’ny shaikh Hassan AL
MANSOURY ihany no entintsika anovozana fahalalana anio. Azonao arahina amin’ity rohy ity
(amin’ny teny arabo mazava ho azy) https://www.youtube.com/watch?v=xXYtvssgboM&t=24s
Folo eo ho eo ireo asa fanompoana fanao amin’ity andro ity fa efatra ihany voasoratro:
1- Fifehezana (saomo): Amin’ny mahaandro tena goavana azy ity dia ny fifehezana no voalohany
amin’ny asa fanompoana tsara atao. Araka ny hita ao amin’ny boky IQBAL nosoratan’ny
sayyed ibn Tawwous dia mamafa fahotana manditra ny 60 taona ny fanaovana izany. Misy
riwaya ihany koa ahitana, hoy ny shaikh Hassan AL MANSOURY, fa toy ny nifehy ny andrompiainana manontolo ihany koa sy ahazoana valisoana HADJ sy OMRA arivo.

KORBATANE N° 73 EIDOUL GHRADIR

FB : Houssen Féli

28 jolay 2021 (22h55)

Pejy 2 @ 4

Marihina tsara, hoy ny shaikh AL MANSOURY, fa tsy afaka manao fifehezana mostahabo ireo
olona mbola manana trosa amin’ny fifehezana ramadany na hafa. Saingy afaka mifehy ihany
izy fa manao fikasana hanolo andro iray amin’ireo tsy vitany amin’ny fikasana manao hoe :
ASOMO HAZHAL YAWMA QADHA-AN AM’MA FY ZHIM’MATY QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
(Hifehy aho androany ho solon’izay tsy vitako…) fa homen’i Zanahary valisoan’ny fifehezana
amin’izany andro izany, insha Allah.

Ho an’ireo hanao fifehezana mostahabo kosa dia toy izao no fikasana atao :
ASOMO HAZHAL YAWMA QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
(Hifehy aho androany hanakaiky bebe kokoa an’i Zanahary)

2- Fandroana manazava (ghroslo): azo atao manomboka mangiran-dratsy hatramin’ny maty
masoandro. Fa ny tsaratsara kokoa ny fanaovana izany 30 mn eo alohan’ny vavaka atoandro.
Fa tsy maintsy manao fidio manazava (wodho) alohan’ny hivavaka.
3- Zyarat AMIR AL MOWMIN ALI (A)
Araka ny voalaza dia hoe n’aiza n’aiza misy anao dia mamangia ny mpitarika ny mpino amin’ny
andron’ny Ghradir. Fa i Zanahary dia mamela fahotana 60 taona ho an’ny mpino lahy sy vavy
amin’io andro io. Manafaka olona avy amin’ny afobe mitovy isa amin’ireo nafahany tamin’ny
volana Ramadany, ny alin’ny Qadr, ny alin’ny Fitr. Ary ny ariary iray avoakanao (sadaka) amin’io
dia toy ny mitovy sanda amin’ny 1000 ariary amin’ny andro hafa. Atoavy izay mahafinaritra sy
mahafalifaly an’ireo rahalahinao (na rahavavinao) mpino amin’io andro io. Nianiana ny Imamo
ALI RIDHA (A) fa raha tena fantary ny vahoaka tokoa ny tena lanjan’ity andro ity dia
nitongavan’ireo anjely maro be im-polo ry zareo isan’andro.
Misy zyara manokana fanao ho an’Imamo ALI (A) amin’ity andro ity hita amin’ireny bokina
doa sy zyarat ireny
4- Salato rakato 2 atao alohan’ny mitatao vovonana (hita ao amin’ny mafatihol djinan, hoy ny
shaikh AL MANSOURY)
Mitovy lanja amin’ny HADJ 100.000 (iray hetsy) sy OMRA iray hetsy ary mahatanteraka ny
faniriana mahakasika ny fiainana an-tany sy fiainana ankoatra…
Manao fandroana manaza, avy eo manao fidio manazava. Aorian’izany dia manao rakato2
alohan’ny mitatao vovonana ka ireto avy no vakiana isaky ny rakato:





FATIHA x 1 (indray mandeha)
TAOHID/IKHRLAS x 10 (im-polo)
AYATOL KORSY x 10 (im-polo)
AL QADR x 10 (im-polo)
(Toy ny salato mostahabo rehetra dia azo atao mitsangana na mipetraka)

Tsaratsara kokoa raha manao sodjody dia miteny hoe SHOKRAN LILLAH x 100 avy eo mamaky an’ity doa
ity:

KORBATANE N° 73 EIDOUL GHRADIR

FB : Houssen Féli

28 jolay 2021 (22h55)

Pejy 3 @ 4

Avy eo miverina miankohoka indray miteny hoe ALHAMDO LILLAH x 100 sy SHOKRAN LILLAH x 100
ZANAHARY ANIE HANONDROTRA VONINAHITRA SY HANOME FIADANANA HATRANY AN’I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY MASINA

KORBATANE N° 73 EIDOUL GHRADIR

FB : Houssen Féli

28 jolay 2021 (22h55)

Pejy 4 @ 4


Aperçu du document KORBATANE 73 - EIDOUL GHRADIR.pdf - page 1/4
Aperçu du document KORBATANE 73 - EIDOUL GHRADIR.pdf - page 2/4
Aperçu du document KORBATANE 73 - EIDOUL GHRADIR.pdf - page 3/4
Aperçu du document KORBATANE 73 - EIDOUL GHRADIR.pdf - page 4/4


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989066.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.