KORBATANE N° 62 NY TOERAN'NY RAIAMANDRENY EO AMIN'NY FINOANA SILAMO .pdf


Nom original: KORBATANE N° 62 NY TOERAN'NY RAIAMANDRENY EO AMIN'NY FINOANA SILAMO.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:04, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 266 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 62

2001 - 2021

NY TOERAN’NY RAIAMANDRENY EO
AMIN’NY FINOANA SILAMO
Andro iray malaza maneran-tany natokana ho an'ny RENY ny andro anio faha 30 n’ny volana May
koa MIARAHABA NY RENY REHETRA SY MIRARY ANAREO TSIRAIRAY AVY HIFANANTITRA MAHARITRA
ANATY FAHASAMBARANA MIARAKA AMIN'NY ZANAKA AMAN-JAFY.
TSAROVY LALAN-DAVA fa ny olona iray mbola velona RAY sy/na RENY dia MANANA ADIDY
isan'andro, isan'ora amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny toerana rehetra amin'ny valim-babena amin'izy
roa ireo. Ny AYATOULLAH SAYYED TAQUI AL MODARRESI dia nanazava indray andro tamin'ny vidéo iray
nataony fa amin'ny fanohanana azy ireo ara-bola indrindra indrindra no tena adidy tsy maintsy ataon'ny
zanaka...ankoatra an'ireo fikarakarana azy ireo rehefa osa toy ny nanaovan'izy ireo izany taminao fony
ianao mbola nalemy, nipipy sy nangery an-kiloty, nitomany amin'ny alina nanapa-tori-maso azy ireo,
narary ka nampitototo azy ireo andro aman’alina narahina tebiteby sns...maro tsy voatanisa....
Nataon'i Zanahary ho toy ny masoandro ny fianan-janakolombelona...Misy fotoana iposahany sy
ilentehany ka samy kely ny heriny amin'ireo fotoana roa ireo....Ary nasiany SOLOFO sy DIMBY
hokarakarainy amin'ny fotoana ahatongavan'izy ireo eto an-tany ka hikarakara azy ireo kosa amin'ny
faramparan'ny fotoana iainan'izy ireo (VALIM-BABENA).
AZA VARIANA FA NY OLONA MANANA OLANA AMIN'IREO RAIAMANDRENINY DIA TSY HAHAZO
ALALANA HIDITRA ANY AMIN'NY PARADISA SOA VELIVELY. Didy napetrak'ilay NAHARY izany...Ary tsy ny
fiainana ankoatra ihany no simba amin'izany fa na ny fiainanao eto an-tany koa aza…satria ny alahelon’izy
ireo dia hitambesatra aminao n’aiza n’aiza misy anao sy alehanao. Ao anatin’ny baiboly ohatra dia ahitana
teny maromaro mifandray amin’izany (oh: DEOTORONOMIA 27:16 izay miresaka mihitsy hoe
VOAHOZONA IZAY OLONA MANIRATSIRA SY MAMINGAVINGA NY RAINY NA NY RENINY…)
Ireo manam-pahaizana silamo dia tsy sasatra mampatsiahy ny vahoaka ny fampianaran'i
Mohammad Mpaminany (Zanahary anie hanondrotra VONINAHITRA sy hanome fiadanana ho azy sy ireo
fianakaviany masina) fa LOZA AMIN'ATAMBO NY FANIRATSIRANA RAIAMANDRENY, NY FANAPAHANA
FIFANDRAISANA AMIN'IZY IREO SATRIA MIFANDRAY MIVANTANA AMIN'NY SEZA FIANDRIANAN'I
ZANAHARY IZANY ka hahazoana sazy mavesatra eto an-tany sy fahaverezana mandrakizay any ankoatra.
Niteny mihitsy aza moa i Mohammad (S) hoe : "NY PARADISA DIA AO AMBANY FALADIAN'NY
RENY". Izany hoe very izay olona ananan’ny Reniny alahelo. Ary Zanahary dia manafatra ao anaty koroany
milaza mazava amin'ilay teniny ao amin'ny sorato AL ISRA, ayato 23 - 24 izay adikako amin'ny teny
Malagasy manao hoe :
23 - " Ary efa nandidy anao ny Tomponao ny tsy hanompoanao afa-tsy Izy irery ihany sy ny hanaovanao
soa an'ireo niteraka anao. Ka raha tahiany ka tratra antitra eo aminao ny iray amin'izy ireo na izy roa
mihitsy dia aza miteny amin'izy ireo hoe OUF/SHHHH/TSSSSS....Ary aza manilikilika sy manimbazimba azy
ireo fa TENY SOA SY MIHAJA no aoka hataonao amin'izy ireo..."
24 – Ary arovy sy karakarao tsara izy ireo ary aoka ianao hiteny hoe TOMPO Ô ! MANGORAHA AZY ROA
IREO TOY NY NITAIZANY AHY FAHAZAZA"
NY TOERAN’NY RAIAMANDRENY @ FINOANA SILAMO

KORBATANE

30 May 2021

Pejy 1 @ 2

Ny sorato ISRA dia ilay
sorato faha 17 ao amin’ny koroany.
Miresaka
ny
fivahinian'i
Mohammad (S) tany an-danitra ity
sorato ity...Tsy mahagaga raha ao
no ahitnatsika an'ity HAFATRA
MAFONJA ity satria mifamatotra
amin'ny seza fiandrianan'i Zanahary
mihitsy io didy io... Ny finoana
silamo dia manamafy hatrany fa TSY
AZO ATAO NY MANDA NY
BAIKON’NY
RAIAMANDRENY
ankoatra ny FANIRAHANA HANAO
FAHOTANA INDRINDRA MOA FA NY
FANAOVANA ANDRIAMANINKAFA
(Fanompoana olona na zavatra hafa) satria izy Nahary dia tokana sy efa teo hatrizay ary ho mandrakizay
(Alfa sy Omega hoy ilay fehezan-teny malaza izay AZALY sy ABADY amin’ny voambolana arabo). Tsy nisy
fotoana tsy nampisy azy na dia iray segondra aza. Ny tena marina aza dia izy no namorona ny fotoana sy
ny zava-drehetra.
Maromaro ireo resaka momba ny RAIAMANDRENY ao anatin’ny koroany ao fa entaniko indray
ianao mba hanokatra ny bokinao mirakitra ny tenin’ilay Nahary fa homeko eto ny laharana misy azy ireo
hitako ao:
123456-

Baqarah 2 : 83
Nisâ sorato faha 4 : ayato faha 36
Maryam (Maria) 19 :12-15 ; 28 – 32
Isrâ 17 : 23 – 24
Ankaboto 29 : 8
Loqman 31 : 14 - 15

Maro ireo teny nataon’ny Mpaminany Mohammad (S) nampianarany ny fifandraisana amin’ny
Raiamandreny sy nampitandremany mafy ny olona mino an’ilay Nahary sy ny fisian’ny andro farany. Ary
nampahafantariny mihitsy aza ny zon’izy ireo eo amin’ireo naterany…
Indro misy KASSIDA iray mitondra ny lohateny hoe UMMI (Ny
reniko/Mama/Neny) isan'ny nankafiziko 14 taona lasa miresaka tsotsotra
an-kira an'ireo voalazako ireo nataon’i HADDAD ALWI sy SULIS ahitana
andian-teny manao hoe:
ALLAHO TA’ALA AWSAANY
ZANAHARY ILAY AVO INDRINDRA DIA NANAFATRA AHY
FIS SIRRY WA LAW FIL ENLAANY NA MIAFINA NA AN-KARIHARY
BIL BIRRY LAKY WAL IHSAANY
NY FANAOVANA NY SOA SY NY TSARA AMINAO https://youtu.be/tJaP-IhgLO4

ZANAHARY ANIE HANONDROTRA VONINAHITRA SY HANOME FIADANANA HATRANY AN’I
MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY MASINA

NY TOERAN’NY RAIAMANDRENY @ FINOANA SILAMO

KORBATANE

30 May 2021

Pejy 2 @ 2


Aperçu du document KORBATANE N° 62 NY TOERAN'NY RAIAMANDRENY EO AMIN'NY FINOANA SILAMO.pdf - page 1/2
Aperçu du document KORBATANE N° 62 NY TOERAN'NY RAIAMANDRENY EO AMIN'NY FINOANA SILAMO.pdf - page 2/2




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989058.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.