KORBATANE N° 65 NY ANKIKA .pdf
Nom original: KORBATANE N° 65 - NY ANKIKA.pdf
Auteur: Utilisateur
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:04, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 0 fois.
Taille du document: 275 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
BISMIHI TA’ALA
KORBATANE ILALLAH N° 65
2001 - 2021
NY ANKIKA
Ny Ankika (Al Anqiqat )العقيقةdia fanaovana sorona biby iray ataon’ny Raiamandreny amin’ny
fahazoana zaza iray ka rehefa feno herinandro ny zaza no fanaovana azy. Ny Raiben’ny mpino, ny
mpaminany Abrahama (Homba azy anie ny fiadanana) no nampanaovin’i Zanahary izany voalohany ary
nanaovany fifanekena (pacte) mihitsy.
Raha tsiahivina ny tantara dia nampanantena zazalahy an’i Abrahama Zanahary. Mbola tanora izy
no nahazo an’io fampanantenana io. Saingy antitra ihany izy fa tsy nety niteraka ny vadiny. Rehefa
nitaraina tamin’i Zanahary momba izany izy dia nambarany fa efa ao an-tranony ny vehivavy hitondra
an’ilay zaza ambohoka dia i Hagara izany. Ity vehivavy ity moa dia vehivavy tandapa Egiptiana, nataon’ny
mpanjaka fanomezana ho an’i Abrahama mpaminany (A) rehefa nivahiny tany Egipta izy. Betsaka ny olona
miezaka mamadika sy mandiso ny tantara ka sahy milaza tsotra izao fa ANDEVO hono ity Hagara ity. Dia
apetrako mahitsy sy mazava ny fanontaniana : MANDANDEVO OLONA VE NY OLO-MASINA ? TSY
HIHARAN’NY HATEZERAN’ILAY NAHARY VE IZY RAHA MANAO IZANY ? Lava be ity lohahevitra iray ity raha
fakafakaina fa tsy izay no tanjona eto.
Rehefa nitondra vohoka i Hagara dia tonga tamin’i Abrahama (A) ny arkanjely Gabriely nanambara
azy ny vaovao ary nilaza fa lahy io zaza io ary atao hoe ISMAEL (ZANAHARY DIA MAHENO) no anarany.
Rehefa teraka ilay zaza, mazava ho azy fa zanak’i Abrahama (H) lahimatoa dia nandefa hafatra taminy
Zanahary ny hampanao sorona azy eny amin’ny tendrombohitr’i Moria (Genesisy 22:2) taty aoriana. Ao
Lameka ankehitriny io Tendrombohitra voalaza io, Marwa no iantsoan’ny arabo azy. Zanakao lahitokana
no voaresaka ao fa ilay anarana hafa no hitanao ao…(Tantara lava be koa ny momba an’izany). Efa
lehibebe ilay zaza, mbola tokana ihany izy tamin’izany dia nolazain’ny
Rainy taminy fa nanafatra azy i Zanahary hanao sorona ny zanany lahy
tokana (raha mijery ny baiboly amin’ny teny anglisy ianao dia hahita hoe
YOUR ONLY SON = ny zanakao tokana izany hoe mbola tsy nisy faharoa
tamin’io fotoana io saingy ny mahavariana dia manino no ISAKA no
anarana nosoratana ao ?). Tany Arabie Saodita ankehitriny no nitranga ny
tantara ary ny zanany voalohany sy tokana no nampanaovina sorona azy
sy nanaovany fanekena na dia maro ireo tsy te hanaiky izany sy manosopotaka ny Reniny. Fa azy ireo sy Zanahary izany. Misy aza ireo mpitarika fivavahana sahy mamahan-dalitra
vahoaka sahy milaza tsotra izao hoe: “NIJANGAJANGA I ABRAHAMA”. Dia valiako hoe mitondrà andianteny avy ao anaty baiboly milaza izany na milaza fa tezitra tamin’i Abrahama i Zanahary noho ny
nanambadiany an’i HAGARA sy niterahany an’i ISMAELA fa ho sandaiko 200 000 ariary isaky ny andininy…
Ny mifanohitra amin’izay no hitanao ao. Sady nampian’i Zanahary i Hagara sy Ismaela no nomeny
fampanantenana goavana ary nanaovany fifanekena. Fa lozan’izay mampianatra lainga sy manova ny
tantara… (jereo AL BAQARA 2:79)
Hita ao amin’ny koroany fa rehefa notantarain’i Abrahama (H) tamin’ny zananany lahy tokana
Ismaela (H) izany nofiny izany dia namaly am-panetren-tena ilay Zaza izay adikako amin’ny teny Malagasy
manao hoe : “Ataovy izay nanirahan’i Zanahary anao ry Raiko fa ho hitanao fa ho isan’ireo mpiaritra
aho insha Allah…” (in sorato AS SAFFAT 37: 102)
Izany hoe zaza efa niteny sy efa nisaina tsara i Ismaela (A) tamin’io. Raha hiverina kely isika dia
mbola mena vava dia efa nasain’i Zanahary naterina tany Lameka ankehitriny izy mianaka. Tany efitra,
mafana izy tamin’izany fotana izany. Teo anelanelana tendrombohitra roa Saffat wa Marwa (Moria). Ary
Ny ANKIKA
KORBATANE ILALLAH
(Houssen Ch.)
13 Jona 2021
Pejy 1 @ 2
sahirana ny Reniny nivezivezy tamin’ireo tendrombohitra roa ireo nitady rano ho an’ilay zaza satria
nitomany nangetaheta. Dia nalefan’i Zanahary ny arkanjely Gabriely nikapoka tamin’ny elany ny tao
ambany tongotr’ilay zaza ary dia nisy loharano niboiboika nivoaka avy ao. Mbola ao io loharano io
mandrakankehitriny ary mamatsy rano ny tananan’i Lameka manontolo ary mahavatsy an’ireo olona efa
ho 3.000.000 manao fivahiniana masina any mahatsiaro ny tantaran’i Adama sy Abrahama ary io
tantaran’i Ismaely sy ny Reniny io.
Tamin’ny fotoana voatondro hanaovana ny sorona dia niezaka ny nanatanteraka ny baiko i
Abrahama, ilay saikaizan’i Zanahary. Ka tamin’ny fotoana nanapahany ny tendan-janany no nisy feno
niantso azy (jereo SAFFAT 37 ayato 100 – 108). Dia nandefasan’i Zanahary ondry avy any an-danitra natao
sorona teo amin’ny toeran’ilay zaza. Ary notendren’i Zanahary ho mpitarika ny zanakolombelona rehetra
(Imamo) i Abrahama (A) nanomboka teo. Taty aoriana moa dia nasain’i Zanahary naorin’izy mianaka ilay
trano fanompoana voalohany indridra teto an-tany (in BAQARA 2:117) izay naorin’i Adama (A) sy
nampiasainy sy ireo taranany saingy rava tamin’ny safo-drano tamin’ny andron’i Noah/Noé (A). Ary
nomeny baiko izy hiantso ny mpino rehetra ho avy hanao fivahiniana masina any isan-taona.
Ilay resaka sorona moa no tena resahantsika androany. Rehefa mahazo zaza iray ny fianakaviana
dia nodidian’i Zanahary hanao sorona biby fihinana iray, tsy misy kilema, amin’ny fahafito andro. Eo no
anomezana anarana an’ilay zaza. Raha zazalahy moa dia foraina ary raha zazavavy kosa dia tevehina. Ary
tapahina ny volony ka lanjaina dia amoahana volafotsy mitovy lanja amin’izany na ny valerany hatao
fanomezana mahantra. Ny biby atao sorona kosa dia tsy tokony ho vakiana na tapahina ny taolany.
Andrahoina sy amahanana mpino maromaro ny henany. Fa ny iray rà amin’ilay zaza tsy misy mahazo
mihinana na kely azy. Izay tsy azo hanina rehetra dia alevina avokoa: hodiny, taolany sns…sns… fa tsy
tokony hariana).
Ity doa ity no vakiana amin’ny fotoana anaovana sorona an’ilay biby (efatra tongotra fa tsy akoho
na gana akory sanatria …). Nalaiko tamin’ny boky DHYA AS SAALIHIN, ao amin’ny pejy faha 38
DOAN’NY ANKIKA
Niteny iaban’i Abdellah As SAADIQ (A) hoe : « Rehefa hamono biby
amin’ny fanaovana ANKIKA ianao dia mitenena hoe:
YA QAWMY IN’NY BARIY-ON MIM’MA TOSHRIKOONA,
IN’NY WADJ-DJAHTO WADJHY LIL’LAZHY FATARA AS
SAMAAWAATY WAL ARDHA HANIYFAN MOSLIMAN WA
MA ANA MINAL MOSHRIKIYNA, IN’NA SALAATY WA
NOSOKY WA MAH’YA-YA WA MAMATY LIL’LAAHY RAB’BIL
ANLAMIYNA, LAA SHARIYKA LAHO WA BIZHAALIKA
OMIRTO WA ANAA MINAL MOSLIMIYNA
ALLAHOM’MA MINKA WA LAKA, BISMILLAHY, WA
BILLAHY, WALLAAHO AKBARO, ALLAHOMMA SAL’LY ANLA
MOHAM’MADIN WA AAAALY MOHAM’MA WA TAQABBAL
MIN … (ianona zanak’i ianona) tononinao eo ny anaran’ilay
zaza sy ny Rainy dia tapahina ilay biby
Ny shaikh Mohammad AL ASSADI amin’ity video ity https://www.youtube.com/watch?v=akU3JgC7TMs&t=66s
dia manambara fa tsy voadidy ho tsy maintsy hatao akory ny ankika saingy tena amporisihina mafy ny
fanaovana azy ary tokony hatao isan-taona aza, ho an’izay afaka manao izany, satria miaro ny olona
anaovana izany amin’ny loza maro isan-karazany izany. Ary azo atao ny manao sorona biby iray ho an’ny
fianakaviana manontolo, hoy izy. Makroho (ratsy) ny fihinanan’ny fianakavian’ilay zaza amin’ny henan’ilay
biby natao sorona, indrindra moa fa ny Reniny.
ZANAHARY Ô! ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
MASINA TOY NY NANAOVANAO IZANY TAMIN’I ABRAHAMA SY NY FIANAKAVIANY
Ny ANKIKA
KORBATANE ILALLAH
(Houssen Ch.)
13 Jona 2021
Pejy 2 @ 2


Sur le même sujet..
olona
hagara
manao
ankika
tantara
rehefa
abrahama
reniny
zanahary
tokana
izany
sorona
saingy
mbola
tamin