KORBATANE N° 76 MITADY FAHASALAMANA amin'ny sorato AL QADR .pdf


Nom original: KORBATANE N° 76 MITADY FAHASALAMANA amin'ny sorato AL QADR.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:09, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 0 fois.
Taille du document: 218 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 76

2001 - 2021

NY FITADIAVANA FAHASALAMANA AMIN’NY SORATO AL QADR
Video iray avy amin’ilay mpampianatra efa mahazatra antsika, ny shaikh Hassan AL MANSOURY, hatrany
no anohizantsika ny fampitomboana fahalalana. Misy andiana lesona nataony mikasika sorato maromaro avy
amin’ny koroany ka iray amin’izany ity miresaka ny sorato AL QADR ity. Ny mahafinaritra sy mahaliana amin’ny
fampianarana ataony dia matetika zavatra sambany heno no resahany ao.
Manahiana tokoa ankehitriny ity resaka fahasalamana ity indrindra hatramin’ny niparitahan’ilay
valan’aretina COVID19 manerana an’izao tontolo izao. Very fanahy mbola velona ny ankamaroan’ny olona ka tsy
mahay intsony hoe inona no tena tokony hataoka ka matetika dia andramandramana avokoa izay resahin’olona
etsy sy eroa. Tsy handà ianao raha ilazako fa ny vahaolana amin’ny zava-manjo rehetra dia hitanao ao anatin’ny
finoana silamo avokoa. Fa ny manahirana na dia ireo mpampianatra finoana silamo aza toa tsy mahatoky loatra ny
vahaolana henony na koa ireo ampianariny.
Tsaroantsika angamba ilay tantara miresaka ny BASMALA sy ilay mpianatra nanatanteraka ny tenin’ny
mpampianatra azy rehefa tara be izy indray andro vao tonga tany am-pianarana fa voatery nihodidina lavitra be fa
niakatra ny rano tamin’ny lalany isan’andro. Nambaran’ny mpampianatra azy hoe manao BASMALA fotsiny dia
manitsia eo amin’ny rano fa tsy hilentika ianao. Dia notanterahiny tokoa izany. Ny ampitso dia tsy tara izy ary gaga
indray ingahy mpampianatra. Dia novaliany hoe tena nanaraka ny teninao tokoa aho koa dia nitety rano toy ny
mandeha ambony tanety ihany. Dia gaga ilay mpampianatra (tsy mahagaga anao ve hoe inona no nahagaga azy ?).
Rehefa nirava ka nody ilay mpianatra dia narahiny nojereny “Fa tsy mino maty hono raha tsy avy mandevina kkkkk).
Dia nanao BASMALA tokoa ilay mpianatra ary dia nandeha teo ambony rano tsy nilentika. Dia niteny ilay
mpampianatra hoe : “Aleo koa aho MBA HANANDRANA”. Dia niroso izy ary dia nilentika tsikelikely ka nataon’ny
mpianany fihomehezana…Ny tiana hiaviana etoana dia tsotra: Mila fahatokisana sy finoana tanteraka ny zavatra
toy izany. Ka na mahalala aza ianao ka tsy mino dia tsy handaitra aminao io satria araka ny resaka ataoko matetika
dia “connexion” amin’ilay Tompo Mahefa ny zava-drehetra no resaka eto. Ka na inona na inona fahalalanao ka ratsy
“connexion” nao aminy dia tsy hisy pejy hisokatra eo fa dia ny omaly tsy miova ihany.
Efa nisy resaka maromaro nataontsika momba ny sorato AL QADR tamin’ilay nampitondraiko ny lohateny
hoe MIAINA MIARAKA AMIN’NY SORATRO AL QADR. Fa ity zavatra resahan’ny shaikh Hassan AL MANSOURY ity dia
tena zava-baovao amiko tanteraka na dia efa maromaro ihany aza ireo zavatra heno hatrizay momba an’ity sorato
iray ity. Fa eto dia ny fitadiavana fahasalamana amn’ny fampiasana azy no lesona avy amin’Imamo Djaafar As
SAADIQ (A) ampitain’ny shaikh Hassan AL MANSOURY amintsika. https://www.youtube.com/watch?v=-kYKDv4Hfg4
Izay manana aretina dia afaka mampiasa azy
avokoa. Hoy ny Imamo Djaafar As SAADIQ : “Izay
manana aretina aminareo dia aoka haka fasian-drano
ary hanisy rano ao anatiny (ilay olona marary ihany fa
tsy ampanaoviny olon-kafa). Ary aoka hamaky ny
sorato AL QADR in-telopolo misesy. Isotroana sy
hanaovana fidio manazava (wodho) izany rano izany
ary asiana azy ihany koa ny faritra maharary
mandritra ny telo andro misesy ka isaky ny mihena
dia tapohina fa tsy avela ho ritra mihitsy. Marina dia
marina tokoa fa tsy hihoatra ny telo andro dia
hositranin’i Zanahary izany aretiny izany”.
NB: ny fasian-drano tsara ampiasaina etona dia tokony hisy sarony ary tsaratsara kokoa raha vita amin’ny vera. Fa
azo atao tavoahany ihany koa.
ZANAHARY Ô ! ASONDROTY VONINAHITRA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY MASINA
MITADY FAHASALAMANA AMIN’NY SORATO AL QADR

Houssen Féli.

10 Aogositra 2021 (13h017)


Aperçu du document KORBATANE N° 76  MITADY FAHASALAMANA amin'ny sorato AL QADR.pdf - page 1/1




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989071.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.