KORBATANE N° 72 salato andro Alahady zhol quienda .pdf
Nom original: KORBATANE N° 72 salato andro Alahady zhol quienda.pdf
Auteur: Utilisateur
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:09, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 244 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
BISMIHI TA’ALA
KORBATANE ILALLAH N° 72
2001 - 2021
SALATO ANDRO ALAHADY AMIN’NY VOLANA ZHOL QIENDA
Tokony anio Alahady 11 Jolay 2021 no mifarana ny volana ZHOL QIENDA izay volana iray lehibe
manana ny mahaizy azy tokoa. Nihomankomana ny hanoratra an’ireo zavatra lehibe tokony hatao amin’ny
folo andro voalohany amin’ny volana ZHOL HIDJAH hiditra io alina aho no tonga tamiko ity video ity vao
tsy ela teo. Salato mbola tsy haiko mihitsy no voaresaka teo ka ezahako hatao ary inoako fa hahaliana
anao koa dia nosoratako ho mora zarainao amin’ny tapaka sy ny namana rehetra mba samy hisitraka ny
fahasoavan’ny finoana avokoa isika rehetra.
Ny shaikh Hassan AL MANSOURY no nanao ny video. Hadisin’ny Mpaminany Mohammad (S)
miresaka an’ity salato ity sy ireo fahasoavana goavana maro be no hazavainy ato. Indro ny rohy ho an’izay
liana https://www.youtube.com/watch?v=ANTi4FUrZSE. Efa tamin’ny taona lasa ilay video fa anio no
hitako vao tonga tsy ela teo.
Mitatitra an’ity hadisy ity daholo hoy izy ireo mpanoratra boky malaza lehibe toa an’i Ibn Tawoos sy
Abbas AL QOMMY ka toy izao ilay izy: Indray andro dia nivoaka namonjy an’ireo mpanaradia azy ny
Mpaminany Mohammad (S) ary nanontany hoe: “ IZA AMINAREO NO MILA FIBEBAHANA AMIN’I
ZANAHARY ?” Dia mazava ho azy ny valiny
nomen’izy ireo nanao hoe : “IZAHAY REHETRA RY
IRAK’I ZANAHARY”. Dia hoy izy hoe :
➢ Manaova fandroana manazava (ghrosl) (azo
atao amin’ny fadjr hatramin’ny maty masoadro)
➢ Manaova fidio manazava avy eo
➢ Ary manaova salato rakato efatra (4) (mariho
tsara: tsy misy azhany na ikama. Atao tsiroaroa toy
ny vavaka maraina. Fa ny fikasana hanao 4 rakato
no atao eny am-piandohana dia atomboka ny salato
ka faranana tsara ny rakato 2 voalohany dia
mitsangana tonga dia manokatra avy hatrany ny rakato roa faharoa)
OSALLY ARABAA RAKA-AN QORBATANE ILALLAH TA’ALA na koa hoe OSALLY SALATA YAMIL
AHAD ARABAA RAKA-AN QORBATANE ILALLAH TA’ALA
isaky ny rakato dia mamaky FATIHA 1 + TAOHID 3 + FALAQ 1 + NAAS 1
➢ Aorian’ny salamo dia miteny hoe ASTAGHRFIROLLAHA x 70 (fitopolo)
➢ Ary farany dia miteny indray mandeha (x1) hoe
LA HAWLA WA LA QOWWATA IL-LA BIL-LAAHYIL ALY-IL AZHIYM
Avy eo miteny hoe
YA ANZIZO YA GHRAF-FAARO
IGHRFIR LY ZHONOOBY WA
ZHONOBA DJAMI-IN L MOWMINIYN
WAL MOWMINAAT
FA IN-NAAHO
LAA YAGHRFIROZH ZHONOOBA
IL-LA ANTA
Ô RY BE VONINAHITRA SY MAHERY ARY MPAMELA
HELOKA, AVELAO NY FAHOTAKO SY NY FAHOTAN’IREO
MPINO LAHY SY MPINO VAVY REHETRA
FA TSY MISY MAMELA HELOKA TOKOA ANKOATRA
ANAO (dikan-teny fotsiny ity mba hahazaoanao ny
dikany fa ny doa amin’ny teny arabo ihany no anaovana
azy)
Araka ny ambaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY dia azo atao amin’ny volana hafa koa ity salato ity
SALATO ANDRO ALAHADY ZHOL QIENDA
(Houssen Féli.)
11 jolay 2021
Pejy 1 @ 2
Toy izao izy ireo amin’ny teny Arabo:
Tsy misy olona avy amin’ny vahoakako, hoy i Mohammad (S) nanao an’izany rehetra izany ka tsy
hahazo an’ireto manaraka ireto:
1. Hisy anjely hiantso azy avy any an-danitra hanao hoe : “Ô ry Mpanompon’i Allah, manohiza sy
mitandrema tsara amin’ny asanao fa efa nofafan’i Zanahary avokoa ny fahotanao rehetra”.
2. Hisy anjely avy eo ambanin’ny seza fiandrianan’i Zanahary hiantso manao hoe : “Ô ry mpanompo!
Nomen’i Zanahary fahasoavana ianao sy ny fianakavianao ary ny taranakao”
3. Hisy hafa indray hiteny hoe : “Ô ry mpanompo ! Hataon’i Zanahary ho faly aminao avokoa
amin’ny andro farany ireo olona nifahavalo taminao tety an-tany (fa tsy ireo olona nanaovanao
tsindry hazolena na nangalarinao ny zony, hoy ny shaikh AL MANSOURY fa ny toy izany dia mila
vahana ety an-tany ihany fa Zanahary tsy miditra amin’ny zon’olona manokana)
4. Hisy hafa koa hiteny hoe : “Ho faty am-pinoana ianao ary tsy hisy hanimba ny finaoanao (dine).
Halalahana ihany koa ny fasanao ary hasiana hazavana”.
5. Dia mbola misy hafa indray hiteny hoe: “Ô ry mpanompo ! Homen’i Zanahary faharavoana ireo
Ray sy Reninao na dia nisy zavatra nahatezitra azy ireo nataonao tamin’izy roa ireo aza. Havelan’i
Zanahary ny fahotan’izy roa ireo sy ireo taranakao ary hahazo riziky maro ianao eto an-tany sy
any ankoatra”.
6. Farany dia ny arkanjely Gabriely (A) no hiteny hoe : “Hiaraka amin’ny anjely mpaka fanahy aho
rehefa ho tonga haka anao izy mba tsy hijaly ianao amin’ny fialan’aina ka hivoaka ampahasambarana avy amin’ny vatanao ny fahaninao”.
Efa haintsika fa ny Arkanjely Gabriely no lehiben’ny anjely rehetra ka afaka mibaiko azy ireo
amin’izay ataony rehetra, araka ny sitrapon’i Zanahary.
Salato maivana sy teny maivana aoriany fotsiny no angatahin’i Zanahary aminao nefa dia sandainy
valisoa goavana dia goavana sy mavesatra dia mavesatra. Ka tsy mino aho hoe mahita an’ity takelaka
ity ianao nefa tsy hanao an’ity vavaka ity raha tsy hoe olona tsy manana herim-pinoana na dia kely aza
na koa hoe tsy miraharaha izay iafaranao sy izay hanjo anao amin’ny andro farany. Fa safidy ny fiainana
koa dia samy tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony. Fa ny ahy dia averimberiko foana ihany hoe
FAHASOAVANA LEHIBE HO AHY NY NAHITAKO NY FINOANA SILAMO SY IREO ZAVA-TSOA MARO TSY
TAMBO ISAINA AO ANATINY koa dia ataoko adidy ny mampita an’izany fahazavana izany manodidina
ahy ary inoako fa hiampitampita hatrany amin’ny taranaka faramandimby any mba ho fahazavana
amin’ny fianan’izy ireo any aoriana ho reharehan’i Mohammad (S) sy ireo fianakaviany masina (A).
ZANAHARY Ô! ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
MASINA TOY NY NANAOVANAO IZANY TAMIN’I ABRAHAMA SY NY FIANAKAVIANY
SALATO ANDRO ALAHADY ZHOL QIENDA
(Houssen Féli.)
11 jolay 2021
Pejy 2 @ 2


Télécharger le fichier (PDF)
Sur le même sujet..
ianao
rakato
tonga
salato
olona
mohammad
izany
hiteny
farany
rehetra
zanahary
andro
indray
alahady
volana