KORBATANE 126 IREO ZAVATRA NANGATAHAN'I IBLIS TAMIN'I ZANAHARY KA NOMENY AZY

Texte de la première page
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH N° 126
(2001 – 2022)
IREO ZAVATRA NANGATAHAN’IBLIS TAMIN’I ZANAHARY
TAORIAN’NY HOZONA KA NOMENY AZY
Ety am-piandohana dia tiako ho tsindriana fa maro amin’ireo olona nangataka ho namana ao
amin’ny FB no mandefa hafatra amiko. Aleo dia tsorina ny resaka. Tsy manam-potoana hamaliana ny
ASSALAMALEKOUM sy INONA VAOANAO ? MANAO AHOANA FAHASALAMANAO ? sns… sns… aho. Saingy
raha misy zavatra tsy azo na tsy mazava amin’ireo lesona zaraiko dia misokatra malalaka ny varavaran’ny
fanontaniana. Ezahiko valiana avokoa izy ireny. Tsy hoe tsy te hiresaka sanatria na hoe miavona fa an-jatony
ianareo no namana ao. Ary ny nanaovako FB tsy hitafana akory (satria tsy manana fotoana firy amin’izany
aho) fa hifampizarana fahalalana fotsiny ihany na hifanakalozan-kevitra amin’ny raharaham-pinoana.
Amin’ity laharana ity dia video nataon’ny shaikh Hassan AL MANSOURY mitantara ny fangatahan’i
Iblis tamin’i Zanahary taorian’ny nahavoahozona azy. Mampahafantatra antsika bebe kokoa ny momba azy
sy ireo paika malotony sy ireo taranany ary ny
firongony izany ka inoako fa tsara ny
hahafantarana azy satria dia nomena azy avokoa
ireo nangatahany rehetra tamin’izany (mety ho
gaga ianao amin’izany).
Resaka nampitain’ny Imamo Ja’afar As
SAADIQ (A) no itondrany ny tantara amin’ity video
ity https://www.youtube.com/watch?v=RTUwUnT7kSI.
Rehefa
nomen’i
Zanahary
baiko
hiankohoka teo anatrehan’i Adama avokoa ireo
anjeliny rehetra dia nanao izany avokoa izy rehetra ireo. Fa Iblis kosa, izay niaraka tamin’izy ireo tany andanitra, satria nomen’i Zanahary toerana ho mpampianatra azy ireo ny mombamomba Azy nahary (izany
hoe NANANA FAHALALANA MARO TOKOA MOMBA AN’I ZANAHARY) dia nanda tsotra izao ka tsy nety
niankohoka.
Nahatezitra an’i Zanahary izany fandavan’i Iblis ny baikony izany, satria mahay Azy tsara ity Iblis ity,
ka tsy tokony hanana fandavana ny baikony na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona. Noho izany
fananany fahalalana maro izany dia sazy faratampony no nomen’i Zanahary azy. Toy izao no fandehan’ny
tantara:
Rehefa tsy nanatanteraka ny baiko hiankohoka teo anatrehan’i Adama i Iblis dia nanontanian’i
Zanahary ny antony. Dia namaly izy hoe : “Izaho dia tsara kokoa mihoatra an’i Adama. Izaho noharianao
avy amin’ny afo fa izy kosa noharianao avy amin’ny fotaka”. (Ny tena marina anefa dia fialonana no tena
ao am-pony satria nihevi-tena ho farany ambony teo amin’ny zavaboarin’i Allah rehetra izy ka tsy zakany
ilay voninahitra goavana nomena an’i Adama. Ny hadinony dia Mahefa ny zava-drehetra sy Tompon’ny
fahendrena i Zanahary, ary tsy mba miangatra izany. Ka matoa io voninahitra io nomeny an’i Adama dia
mazava ho azy fa izy no mendrika azy)
Lesona tsoahina 1 : TSY IADIAN-KEVITRA NY SITRA-PO SY BAIKON’i ZANAHARY.
Dia nohozonin’i Zanahary i Iblis satria nambarany fa mpamitaka (Radjim) ka hiaran’ny hozony
hatramin’ny andro fitsarana. Izany hoe noroahiny hiala avy ao amin’ny famindram-pony ka hiala tao
KORBATANE N° 126
IREO FANGATAHAN’IBLIS
FB : Houssen Féli
12 Jona 2022 15h12
Pejy 1 @ 2
amin’ny paradisa. Rehefa naheno izany i Iblis dia niantso Azy nanao hoe : “Tompo ô ! Ianao ilay Marina sy
Tompon’ny fahamarinana, tsy mba miangatra. Dia ho rava avokoa ve izany ireo tambin’ireo asa
fanompoana nataoko ?” (voalaza mantsy fa nandritra ny 6 000 taona no nanompoany an’i Zanahary).
Namaly azy Zanahary nanao hoe : “Tsia. Angataho izay rehetra ilainao amin’ny fiainana an-tany fa
homena anao. Fa ny mahakasika ny fiainana ankoatra kosa dia tsy hisy ho anao velively”.
Lesona tsoahina 2 : Ny fandikana ny didin’ilay Nahary dia mety hahazoana fahafinaretana, harena,
fahefana… eto an-tany saingy ny fahaverezana any amin’ny farihy mirehitra afo no valiny any ankoatra.
➢ Ny zavatra voalohany nangatahin’i Iblis dia ny FAHAVELOMANA HATRAMIN’NY ANDRO FITSARANA
ka azony izany.
➢ Ny faharoa dia fahafahana mandrebireby ny taranak’i Adama. Azony ihany koa izany.
➢ Ny fahatelo dia ny fahafahana miditra ao anatin’izy ireo hanaraka ny lalan-dra sy ho tonga any
amin’ny ati-doha. Azony ihany koa izany.
➢ Ny fahaefatra dia ny hananany taranaka 2 isaky ny misy teraka iray amin’ny taranak’i Adama.
Nomena fahafaham-po koa izy tamin’izany.
➢ Ny fahadimy : Ny hahitany an’ireo taranak’i Adama nefa izy ireo tsy afaka ny hahita azy. Nekena koa
izany.
➢ Ny fahaenina: ny fahafahana miovaova endrika izay tiany amin’ireo zavaboary. Azony ihany koa
izany.
Taorian’izany rehetra izany dia mbola nangataka ihany izy hoe “Ampio ihany ry Tompo ô !”. Dia
namaly azy Zanahary hoe “Nomeko fahafahana hitoetra ao am-pon’i Adama sy ny taranany ianao sy ny
taranakao”.
Dia niteny Iblis hoe “AMPY HO TSARA/TOKOA IZANY ry Tompo ! Ary amin’ny alalan’ny fahefanao
dia horebirebeko avokoa izy rehetra ankoatra an’ireo mpanomponao tena matotra. Ka hitongavako izy
ireo avy eo alohan’izy ireo, avy aoriana, avy eo ankavia sy ankavanana ka ho vitsy amin’izy ireo no hahay
hankasitraka anao”.
Lesona tsoahina 3 : Rehefa mangataka amin’i Zanahary (manao doa), indrindra moa rehefa mahazo valimbavaka, dia farano foana hatrany amin’ny fangatahana fanampiny manao hoe “YA RABBY ZIDNY MIN
FADHLIKA = Tompo ô ! Ampio ny fahasoavanao amiko”.
Rehefa naheno izany rehetra izany i Adama dia nitaraina tamin’i Zanahary ka nangataka tamin’i
Zanahary ihany ka nangataka fiarovana avy amin’i Zanahary amin’ity satana mpamitaka nomena fahefana
handrebireby ity. Amin’ny laharana manaraka no ahitantsika ny antsipirihan’izany, hoy ny shaikh AL
MANSOURY. Fa entaniko ianareo hiverina hijery ny KORBATANE N°97 NY SATANA SY NY PAIKANY mba
hahatonga anareo ho mailo lalan-dava ka tsy ho tafalatsaka sanatria ao anatin’ireo velam-pandrik’ilay
satana mpamitaka sy ireo firongony ary ireo taranany.
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA MOMBA NY FINOANAO HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY NODIOVINAO
KORBATANE N° 126
IREO FANGATAHAN’IBLIS
FB : Houssen Féli
12 Jona 2022 15h12
Pejy 2 @ 2

Partager ce document

Vos contacts verront cette carte, avec la première page en image.

Télécharger le fichier

Téléchargement gratuit
KORBATANE 126 IREO ZAVATRA NANGATAHAN'I IBLIS TAMIN'I ZANAHARY KA NOMENY AZY.pdf
PDF 1.7244 Ko2 pages
Faire un lien vers ce document
Lien permanentpour un message, un forum, un réseau social
Lien courtpour un SMS ou un profil
Code HTMLpour un site ou un blog
Du même auteur
- KORBATANE N° 143 NY FAHOTANA SY NY TONTOLONY26/12/2023
- KORBATANE N° 141 SALATO AT TAOBAH26/12/2023
- KORBATANE N° 136 INONA NO VITAN'NY ISTIGHRFAR 326/12/2023
- KORBATANE N° 135 IREO MILA FENOANA HAHATOMOMBANA NY ISTIGHRFAR26/12/2023
- KORBATANE N° 134 IREO ZAVATRA TELO MILA ATSAHATRA NY FISIANY AO AN-TRANO26/12/2023
- KORBATANE N° 133 IREO TOERANA ENINA IPETRAHAN'NY SATANA AO AN-TRANO26/12/2023
- KORBATANE N° 132 SALATO FANAO AMIN'NY ALINA VOALOHANY MOHARRAMO26/12/2023
- KORBATANE N° 131 SALATO FANAO AMIN'NY ALINA VOALOHANY MOHARRAMO26/12/2023
Voir les autres documents de cet auteur
- KORBATANE 129 NY TASBIH ZAHRA (A)26/12/2023
- KORBATANE 128 SAZIN'IREO MPANAO ATSIRAMBINA SALATO26/12/2023
- KORBATANE 127 RESAKA NIFANAOVAN'I ADAMA (A) t@ ZANAHARY TAORIAN'NY FAHAFAHAM-PON I IBLIS26/12/2023
- KORBATANE 125 FOMBA TSOTRA SADY TSY IALANA VOLA AHAFANTARANA NY MOSAVY26/12/2023
- KORBATANE 124 - IREO TOERANA 20 TSY TSARA ANAOVANA SALATO26/12/2023
- KORBATANE 123 - NY FAHASOAVAN NY SORATO AL DJIN26/12/2023
- KORBATANE 122 - VAVAKA ALIN'NY EIDOL FITR26/12/2023
- KORBATANE 121 - SALATO AL EID26/12/2023
- KORBATANE 120 - VAVAKA MAMAFA FAHOTANA 40 TAONA (vakiana amin'ny volana Ramadany)26/12/2023
- KORBATANE 118 NY IMAMO HASSAN IBN ALI (A)26/12/2023
- KORBATANE 117 IDHINA S SIRAATAL MOSTAQIM 3 NY FOTOANA FAMAHANA FEHIVAVA (IFTAR)26/12/2023
- KORBATANE 116 IDHINA S SIRAATAL MOSTAQIM 226/12/2023
Proposés d'après le contenu
Documents similaires

Sur le même sujet
Les mots qui reviennent le plus dans ce document. Chacun lance une recherche dans les fichiers publics.
Commentaires
Pour voir les commentaires déjà publiés ou ajouter un commentaire, Connectez-vous ou Créez un compte.