KORBATANE 80 hafatra sy anatra 10 AL ZALZALA .pdf


À propos / Télécharger Aperçu
Nom original: KORBATANE 80 hafatra sy anatra 10 - AL ZALZALA.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:09, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 5 fois.
Taille du document: 413 Ko (6 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH 80

febroary 2021

HAFATRA / ANATRA FOLO LEHIBE
Manam-pahaizana vaovao indray no nofidiako nakana lesona omaly. Tsara dia tsara ilay
fampianarany ka dia indro indray ho zaraiko
aminao mba hahatsaratsara kokoa hatrany
ny fiananao sy hahatonga anao hitombo
fahasalamana sy finoana ka hanakaiky an’i
Zanahary bebe kokoa hatrany eo amin’ny
fiainanao.
Nanome anatra sy hafatra folo an’ireo
olona tonga nivavaka tao amin’ny Moskendry zareo ao Koweit, ny Zoma nialoha ny
volana Rajabo 1442 (Zoma 12 fébroary 2021)
i Mostafa AL ZALZALAT .Mananatra ny
tenako sy anareo aho, hoy izy, hanaraka sy
hanatanteraka an’ireto hafatra folo ireto. Ireo
hafatra folo ireo dia samy zava-dehibe avokoa saingy ireo dimy faharoa dia lehibe kokoa noho
ireo dimy voalohany.

1)

NY FANARAHANA FEPETRA ARA-PAHASALAMANA

Fanarahana an-tsakany sy an-davany ny toromarika omen’ireo mpitsabo sy ny fanjakana
mahakasika ny aretina mandoza miparitaka malaza, ny COVID19. Ry zareo, hoy izy, no
tompon’andraikitra momba ny fahasalamam-bahoaka sy mahay kokoa izay mahasoa ny
vahoaka. Misy resaka, hoy ihany izy, hoe aretina noforonina io, sns…sns… Resaka toy ny
resaka rehetra mandeha izany ka aza miditra lalina ny amin’izany fa manjary manaparitaka
tahotra sy fitaintainana amin’ny fiaraha-monina. Fa ny zava-dehibe dia manao izay tsy
hahazoana an’ilay aretina sy izay tsy iparitahany ka izay no anarahana an’ireo fepetra omen’ireo
tompon’andraikitra ara-pahasalamana, rehefa mivoaka. Toy ny fanaovana tapim-bava,
fanasana tanana sy fanasiana elanelana amin’ny olona mifanerasera sns…
2)

NY FANARAHAM-BAOVAO

Manaraha vaovao, ary tsy mampita izany raha tsy efa nanadihady sy nahazo antoka ny
fahamarinany. Isaky ny maheno vaovao mampitaintaina sy manakorontana, hoy izy, dia
aza manely izany fa manahirana. Ka aoka ianao hoy izy tsy hataon’olona fitaovana
hanatratrarany ny tanjony hamafy korontana… Ary misy koa, hoy izy, ireo vaovao sasany
lainga afafy, ny sasany na marina aza mikendry fanakorontanana saim-bahoaka…
3)

NY FIJANONANA AN-TRANO SY FITRANDRAHANA NY FOTOANA

Fijanonana an-trano arak’izay azo atao dia ahazoana tombotsoa lehibe tokoa. Ekena,
hoy izy, fa misy anton-javatra tsy maintsy ivoahana. Saingy ny fitsangatsanganana sy ny dia tsy
tsy misy antony dia aoka aloha. Ary tsarovy fa tena mahafinaritra hoy izy ny mipetraka an-trano.
(Izay angamba nahatonga ny teny malaza hoe MAMY NY MODY)
HAFATRA /ANATRA 10 (Mostafa AL ZALZALA)

KORBATANE ILALLAH 80

20 féb 2021

Pejy 1 @ 6

Ezaho trandrahana ny fotoana ipetrahanao ao an-trano ka hampiasainao amin’izay
mahasoa anao sy ny fianakavianao ary ny mpiara-monina sy ireo tapaka sy namana. Mamaky
boky, Mijery internet mianatra dia manaparitaka izay fahalalana azo amin’ny hafa mba hahasoa
anao sy ny hafa. Ny zava-tsoa azo amin’izany rehetra izany hoy izy dia hamamiana sy
fahasoavana ka ezaho zaraina amin’ny hafa fa aza tazonina ho anao irery.
(Dia isaorako i Zanahary fa ny lafiny tsara amin’ny fisian’ny aretina COVID19 niteraka
fihibohana no nahatonga ahy voatery nividy ordinatera matanjaka nanarahana fampianarana sy
nananako fotoana nijerena video maro dia maro ka nahatongavana amin’ireny takelaka
korbatane maromaro nozaraina tato anatin’ny herin-taona izay. Ny mpanoratra).
(Ny fahalalana ambara eto dia tsy voatery mikasika ny finoana ihany fa na fahalalana rehetra
ilaina amin’ny fanatsarana ny fiaina an-tany dia mety avokoa toy ny mampianatra mahandro,
mampianatra manamboatra zavatra sns… tsy voatanisa)

4)

NY FANAMAFISANA NY HERY FIAROVANA

Ezaho hamafisina, hoy izy, ny hery fiaraovana ao aminao. Marina fa misy dikany hafa
io teny io amin’ny finoana, izay fanamafisana ny finoana tsy hikoro vokatry ny asan’ny satana
(manohitra ny: tsy fanaovana salato, haratsiam-panahy sy toetra, fanapahana fifandraisana
amin’ireo iray rà mivantana, fahotana isan-karazany…). Ka manamafy ny finoana no atao toy
ny fanamafisana ny fahatahorana an’i Zanahary. Fa eto dia resaka HERY FIAROVANA ARAPAHASALAMANA no tiana hambara.
➢ Ny voalohany amin’izany, hoy izy, aloha dia ny fahadiovana sy ny fidiovana satria izany no
fototry ny fahasalamana. Manasa tanana matetika, manasa tarehy ihany koa ary mandro.
➢ Ny manaraka dia misakafo ara-pahasalamana satria ny sakafo mifanohitra amin’izany dia
miteraka fahasimbana amin’ireo taova ao anaty toy ny lela, nify, vavony, aty sns… izany hoe ny
vatana mihitsy amin’ny ankapobeny. Ka sakafo sahaza sy feno araka ny programa ara-tsakafo
no arahina, indrindra moa fa eo amin’ny fihinanana voankazao sy legioma. Ireo manampahaizana manokana ara-tsakafo, hoy izy, dia mampianatra an’ireo karazan-tsakafo sahaza sy
mifanaraka amin’ny vanin’andro ahitana an’ireo singa rehetra ilain’ny vatana hahasalama sy
hampatanjaka azy hatrany ka hahatohitra an’ireo otrik’aretina tafiditra ao anatiny sy ireo
trangan’aretina atrehiny.
(Ny vatana tokoa dia nataon’i Zanahary tsara rafitra sy tsara voatra ka efa nataony ho mahaleo
tena amin’ny lafiny rehetra. Saingy mila fikolokoloana izy. Ary raha sendra ny tsy zakany na tsy
vitany izany dia nanafatra an’ireo mpaminaniny maro be Izy mba hampianatra an’ireo vahoaka
ny fomba fiantsoana Azy hamahana an’izany olana izany amin’ny fombany, izany hoe MITENY
HOE MISIA DIA MISY, na koa hoe SITRÀNA DIA SITRANA. Saingy takiany mialoha an’izany
ny fanatanterahana an’ireo zava-drehetra fikolokoloana ny vatana sy ny fanahy).
➢ Ny fanaovana fanatanjahan-tena (Misy endriny maro izy io. Fa ny dia an-tongotra eo amin’ny
4 – 5 km isan’andro no tena mahomby sady vitan’ny daholobe. Avy amiko mpanoratra io).


HAFATRA /ANATRA 10 (Mostafa AL ZALZALA)

KORBATANE ILALLAH 80

20 féb 2021

Pejy 2 @ 6

➢ Tori-maso feno. Tsy voatery ho mitohy hoy izy fa ny fitambarany no zava-dehibe. (Araka ny
henoko dia 11 ora ny an’ny zaza ka mihena 1 ora isaky ny folo taona io. Dia samia mikajy izay
torimaso sahaza azy araky ny taonany. Fa ny alina no tena nataon’i Zanahary hatoriana araka
ny ambarany ao amin’ny sorato At TAKWIR, ayat 17, 18)
Ny vatana manana hery fiarovana matanjaka, hoy izy, dia afaka mifehy ny otrik’aretina
tafiditra ao anaty ka mandresy izany avy eo…

5)

NY FANAVILARANA NY TAHOTRA SY NY FITAINTAINANA ARY
NY FIKORONTANAN-TSAINA (stress)

Ny fisian’ireo zavatra ireo, hoy izy, dia tena misy fiantraikany ratsy tokoa eo amin’ny
fahasalaman’ny olona iray. Ka tokony hiezaka ny tsy hisian’ireo na manafohy araka izay azo
atao ny fotoana isiany eo amin’ny fiainana rehefa misy trangan-javatra miteraka azy.
Indray andro, hoy izy, nisy dokotera malaza iray, Abou An Nafis no anarany.
Mpitsabo arabo teraka sy nipetraka tany Damasksosy fa saingy avy amin’ny foko arabo
KORAISY ny Rainy. Nisy nanontany azy mikasika ny valan’aretina. Dia izao no navaliny: “Ny
eritreritra ratsy/diso (illusion) amin’ny hoe voan’ny aretina iray dia efa toy ny voan’ny
aretina amin’ny taha 50%. Ny fahatoniana dia efa 50% n’ny fanafody. Ary ny fahatokisana
an’i Zanahary dia dingana voalohany mankany amin’ny fahasitranana”.
Lavalava moa ny tohiny fa aleo isika hiditra amin’ireo HAFATRA sy ANATRA DIMY IZAY
MANAN-DANJA KOKOA raha mitaha amin’ireo dimy voatanisa ireo.

1) NY FAMAKIANA NY KOROANY MASINA SY FAMPIHARANA
;
AZY AMIN’NY FIAINANA
Misy toerana sy fomba maro, hoy izy, ahafahana mamaky ny tenin’i Zanahary. Ao antrano, any amin’ny moské, amin’ny alalan’ny boky, amin’ny alalan’ny telofôna finday, tablette,
sns…sns… Ny koroany, hoy izy, dia tsy ilay boky azonao tsapaina tanana iny na koa hoe teny
hatao tsianjery fotsiny ihany. Fa ilay feo mirakitra an’ireo teny/hafatra nalefan’i Zanahary ho
antsika tamin’ny alalan’ny Arkanjely Gabriely (Homba azy anie ny fiadanana) nomena an’i
Mohammad mpaminany (Zanahary anie hanandratra voninahitra azy sy ireo fianakaviany
masina ary hanome fiadanana azy ireo hatrany). Ka aoka isika samy hamaky izany amin’ny
fifantohana tanteraka, araka ny fomba fanaovana azy ary haka lesona amin’izany sy hampihatra
azy amin’ny fiainantsika. Ary ezahana atao foana izany na amin’ny volana masina Ramadany
na amin’ireo volana rehetra hafa.
Misy hadith iray miresaka, hoy izy, manao hoe: “Izay olona mamaky ayato 10
amin’ny koroany isan’andro dia tsy mba ho voasoratra ho isan’ireo olona ho
varimbariana velively (amin’ny fanompoana an’i Zanahary)”.
Ireo ayato folo lazaina ireo dia ankoatra an’ireo sorato vakiana rehefa manao salato.
Izany hoe famakiana koroany ivelan’ny salato no resaka eto.

HAFATRA /ANATRA 10 (Mostafa AL ZALZALA)

KORBATANE ILALLAH 80

20 féb 2021

Pejy 3 @ 6

“Ary izay mamaky ayato 50 avy amin’ny koroany, isan’andro, dia ho voasoratra ho
isan’ireo mpahatsiaro an’i Zanahary”.
“Ary izay olona mamaky ayato 100 avy amin’ny koroany, isan’andro, dia ho voasotra ho
isan’ireo mpanao QONOT”
Resaka voaray avy amin’ny Mpaminany Mohammad (S) io noresahako io, hoy i Mostafa
ZALZALA.
2) - NY FAMAKIANA DOA MARO
Famakiana no resaka eto satria ireny doa voarafitr’ireo olo-masina no ampiasaina entina
mangataka amin’i Zanahary. Ary ireo manam-pahaizana dia mamporisika hatrany ny
fampiasana an’ireny doa ireny. (Antony: ireo olona ireo no mahafehy ny “valeur numérique”-ny
teny tsirairay sy mahalala ny “codes secret”-n’ireo varavaran’ny VALIM-BAVAKA).
Maro be sy isan-karazany ireo doa nampianarin’ireo olona ireo indrindra moa fa ho an’ireto
volana telo mifanaraka ireto (RAJABO sy SHAABANY ary RAMADANY).
Maro ireo boky mirakitra karazan-doa, indrindra fa ireo doa atao rehefa misy
manahirana na sendra kapoaka mangidy. Ao anatin’ny boky SAHIFAT As SADJADYA, misy
doa iray, laharana fahavalo no misy azy ao, doa nataon’ny Imamo SADJAD (A), imamo faha 4,
rehefa mitady fahasitranana na sendra fahasahiranana, na sendra zava-tsarotra na niatrika
loza… Miantomboka amin’ny hoe “ YA MAN TOHIL-LO ON-QADOL MAKAARIH….”
Doa tena goavana/matanjaka tokoa izy io, hoy ny sayyed. Maro ireo efa nampiasa
azy ka nahita voka-tsoa. Tao ireo lavitra fianakaviana, ireo narary, ireo voafonja izay nomen’i
Zanahary fanambinana ho afaka tamin’ny fonjany, …sns… Anafarako ny tenako sy anafarako
anareo tsirairay avy ny fampiasana an’io doa io amin’izay zava-manjo na manahirana rehetra.
Misy doa faharoa ity izay efa nataoko imbetsaka, hoy ihany ny sayyed, an’ny
mpitarika ny mpino, ny imamo ALI (A) izay nilazany hoe : “Rehefa sendra zava-tsarotra ianao,
na mikasika anao, na fianakavianao, na amin’ny fanananao, ny taranakao na koa matahotra
tsindrihazolena na fanjakazakana ataon’olona ratsy fitondran-tena ianao dia vakio ity doa ity fa
marina dia marina tokoa fa Zanahary dia hiaro anao amin’ny ratsy rehetra, ary hanome anao
izay manahirana anao.
AL-LAHOM’MA IN-NY ATAWADJ-DJAHO ILAIKA BINABI-YIKA NABI-YIR RAHMATY S’ALLALLAHO ANLAIHY WA AALIH, WA AHLY BAITIHY, AL-LAZHINA IKHRTARTAHOM AN-LAL
AN-LAMIYN. AL-LAHOM-MA FA ZHAL-LIL LY SO-ON-BATAHA WA KHROZOONATAHA,
WAKFINY SHAR’RAHA FA INNAKA AL KAAFY AL MO-AN-FY WAL GHRAALIBOL QAAHIR”.
Maro ireo mpino fantako, hoy ihany i Mostafa AL ZALZALA, nampihatra an’io ary dia
nitantara ny fahasoavana sy fahaganana vokatr’izany avy eo.
3) NY FANGATAHANA FANELANELANANA
Ny fangatahana fanelanelanana amin’ny Mpaminany (S) sy ireo fianakaviany masina (A)
dia tena zava-dehibe tokoa. Izy ireo dia efa haintsika fa nomen’i Zanahary toeram-boninahitra
ambony dia ambony. (Ankoatr’izay dia amina miliara ireo olona mangataka hatrany ny
HAFATRA /ANATRA 10 (Mostafa AL ZALZALA)

KORBATANE ILALLAH 80

20 féb 2021

Pejy 4 @ 6

fanandratana an’izany toeram-boninahitra izany isan’andro ho fanatanterahana an’ilay baiko
nomen’ilay Nahary ao amin’ny sorato AL AHAZABO 33, ayato 56. Fa singanina manokana hoy
ny sayyed ny fangatahana fanelanelanana ho an’ilay Imamo faha 12, izay mbola velona saingy
nesorin’i Zanahary ivelan’ny fotoana. Indraindray izy dia tonga amin’ireo manam-pahaizana
manambara azy ireo izay tsy hainy fa tsy mitonon-tena izy fa matetika tonga dia lasa mandeha,
ary afaka fotoana fohy dia tsy hita izay nalehany, dia izay no ahafantaran’ny olona hoe izy no
tonga teo nanome vahaolana iny. Matetika mitranga ny tantara toy izany any Irak sy ny
manodidina azy any.
Misy doa maro hita any anaty boky maro isan-karazany any fa ny mpanara-dia ny
AHLILBAYT (A) dia mahay tsara ny antsoina hoe DOA TAWASSOL izay vakiana isaky ny Talata
hifoha alarobia.
4) NY FANAOVANA SADAKA (fanomezana ho an’olona tsy mahavita tena)
Amin’ny teny arabo misy voambolana roa samy hafa, HADIA sy SADAQA, ilazana ny
fanomezana. Samy manana ny dikany mazava tsara anefa izy roa ireo:
- HADIA: Fanomezana tsotra, amin’ny fotoana rehetra, ho an’olona tiana. Io ilay antsoina
amin’ny teny vazaha malaza hoe “CADEAU”.
SADAQA (atao amin’ny teny Malagasy hoe SADAKA): dia fanomezana atokana ho
an’olona manana olana ara-pivelomana na tsy mahavita tena. Ka mazana dia mifantoka amina
sakafo, na lamba fitafy na vola izany fanomezana izany. Fa misy koa ireo fanomezana goavana
atolotra ny vahoaka toy ny fanamboarana lalana, hopitaly, vovon-drano, moské sns…indrindra
moa fa ny fizarana fahalalana.
Fihetsika iray tena isan’ny ankasitrahan’i Zanahary ny fanaovana an’io Sadaka io. Tsy
mahagaga izany satria ny Mpaminany Mohammad (S) dia nanambara fa Zanahary dia
sakaizan’ireo mahantra. Ny atao hoe mahanatra amin’ny finoana silamo dia izay rehetra tsy
mahavita tena ao anatin’ny taona iray. Izany hoe ny zavatra rehetra miditra aminy anatin’ny
taona iray dia tsy mahaefa ny fandaniana ilainy (sy ny fianakaviany) amin’ny lafiny rehetra (trano
fonenana, fahasalamana, fitafiana, fianarana indrindra moa fa amin’ny ara-tsakafo).
Ny fanaovana an’izany SADAKA izany, hoy ny Sayyed, dia tokony hatao isan’andro. Na
Zoma na amin’ny andro hafa satria misy fiantraikany goavana sy mivantana amin’ny fianana ny
fanaovana izany: 1 – fivalian’ny doa, 2 – fiaro amin’ny loza (indrindra moa fa ny fahafatesana
amin’ny tranga ratsy) 3 – fitadiavana fahasitranana haingana (tsaboy amin’ny sadaka ny
mararinareo, hoy izy). Afaka manova sy manatsara ny ho avy ny fanaovana an’ity sadaka ity.
Tamin’ny andron’i Jesoa zanak’i Maria (Homba azy mianaka anie ny fiadanana) dia nisy
olona iray nanambarany ny andro sy ny fotoana hahafatesany. Dia nivavaka mafy ilay ranamana
nangataka “PROLONGATION” tamin’ilay Nahary no sady nanao SADAKA. Dia azony tokoa
izany tombon’andro izany. Nandeha nanantona an’i Jesoa zanak’i Maria (A) izy niteny hoe
“Nilaza tamiko ianao fa ho faty aho tamin’ny andro nambaranao. Indro aho mbola velona soa
aman-tsara”. Dia namaly azy Jesoa (A) nanao hoe “Nanao SADAKA kosa angamba ianao an!”
dia novaliany hoe “ENY, ary nangataka tamin’i Zanahary aho mba halavainy ny andro iainako”.

HAFATRA /ANATRA 10 (Mostafa AL ZALZALA)

KORBATANE ILALLAH 80

20 féb 2021

Pejy 5 @ 6

Tantara malaza amin’ny finoana silamo izy io satria heno foana isaky ny misy miresaka ny
voka-tsoa aterak’ity fanaovana sadaka ity.
5) FANAOVANA MATETIKA FAHATSIAROVANA (ZHIKR) MANOKANA AN’ILAY NAHARY

Maro be ireo fahatsiarovana (Zhikr) misy sy azo atao fa vitsivitsy no entina eto:
➢ Ny famerimberenana matetika ny hoe LAA ILAAHA IL-LA ALLAH (Tsy misy Zanahary
afa-tsy Allah)
Ho an’ireo izay manana tahotra anaty, fisalasalana, tsy mahatoky tena, feno fisalasalana
lava dia mamerimberina an’io lava no isan’ireo vahaolana mahomby . Indray andro i Djamil ibn
DARRADJ, izay iray tamin’ireo mpanaradia mahatokin’ ny Imamo SAADIQ (A), dia tonga
nanantona ny Imamo ary nilaza taminy hoe : “Izaho dia ohatra ny tsy milamina mihitsy na
amin’ny salato ataoko, na amin’ny fidiovana ataoko, toa voarebirebin’ny satana foana aho dia
tsy mety mifantoka”. Dia namaly azy ny Imamo Sadiq (A) nanao hoe : “Mitenena matetika
arak’izay vitanao hoe LAA ILAHA IL-LA ALLAH”.
Taty aoriana izy dia nitantara fa isaky ny mandrebireby azy ilay Satana mpamitaka dia
namerimberina an’io teny io foana izy ka dia nilamina tsara avy eo.
➢ Ny famerimberenana matetika ny teny hoe ASTAGHRFIROLLAHA WA AS’ALOHO AT
TAOBAH (mifona amin’i Allah, ilay Nahary, aho no sady mangataka fibebahana aminy)
Izany fehezanteny izany dia zava-dehibe tokoa satria zavatra mifamatotra amin’ny
mahaolombelona. Mitondra riziky indrindra indrindra. (Ao amin’ilay video an’i Shaikh Abdol
Haamid AL MOHADJIR nozaraiko ao amin’ny groupe tamin’ny 05 septambra 2020 dia
voaresaka fa ireo olona mitady taranaka dia tokony hamerimberina matetika an’io teny io, saingy
misy tohiny kely ilay izy amin’izay…Hiezaka hanokanana fotoana atsy ho atsy ny handrakitra
an-tsoratra an’io video io, insha Allah).
Ny mpaminany Mohammad (S) dia nilaza hoe : “izaho dia mangataka fifonana im-70
isan’andro amin’i Zanahary na dia tsy manao fahotana velively”. (Ka ahoana izaho sy ianao ? )
➢ LA HAWLA WA LA QOW-WATA IL-LA BIL-LAAH (EL ALY-YIL AN-ZHIYM)
Azo ajanona eo amin’ny BIL-LAAH, araka ny nambarany, saingy raha tohizana vao maika
tsara. Misy hadisin’ny Mpaminany (S) sy ireo fianakaviany masina (A), hoy izy, manambara fa
ny teny hoe LA HAWLA WA LA QOW-WATA IL-LA BIL-LAAH dia iray amin’ireo tobin-karena
(trésors) n’ny paradisa. Ary fanafana ho an’ny aretina 70.
Raha misy zavatra mampalahelo na vaovao tsy mampilamina dia mamerimberina matetika an’io
fehezan-teny io.
➢ SALAWATO
Ny salawato no zhikr farany tsara indrindra ka tokony hatao matetika be tokoa satria ao no
misy fahasambarana ho an’ny fiainana an-tany sy ny fiainana ankoatra. Tsy misy, hoy ny
sayyed, loza izay tsy voasakan’ity zhikr ity. Tsy misy faniriana tsy tanteraka miaraka amin’ny
salawato. Tsy misy fahotana tsy voafafany ihany koa. (Efa maro ny zavatra voasotra momba
an’ity salawato ity fa amin’ny mahazava-dehibe loatra azy dia mbola hisy foana hatrany
fandraketana an-tsoratra fampianarana manampahaizana momba azy, na ho fampatsiahivana
izany, na koa hanovozana fahalalana vaovao).
Zanahary ô ! Asondroty voninahitra sy omeo fiadanana hatrany i Mohammad sy ireo fianakaviany nidiovinao
HAFATRA /ANATRA 10 (Mostafa AL ZALZALA)

KORBATANE ILALLAH 80

20 féb 2021

Pejy 6 @ 6


Aperçu du document KORBATANE 80 hafatra sy  anatra 10 - AL ZALZALA.pdf - page 1/6
Aperçu du document KORBATANE 80 hafatra sy  anatra 10 - AL ZALZALA.pdf - page 2/6
Aperçu du document KORBATANE 80 hafatra sy  anatra 10 - AL ZALZALA.pdf - page 3/6
Aperçu du document KORBATANE 80 hafatra sy  anatra 10 - AL ZALZALA.pdf - page 4/6
Aperçu du document KORBATANE 80 hafatra sy  anatra 10 - AL ZALZALA.pdf - page 5/6
Aperçu du document KORBATANE 80 hafatra sy  anatra 10 - AL ZALZALA.pdf - page 6/6


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989067.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.