Aller au contenu

KORBATANE 127 RESAKA NIFANAOVAN'I ADAMA (A) t@ ZANAHARY TAORIAN'NY FAHAFAHAM PON I IBLIS

Aperçu du document KORBATANE 127 RESAKA NIFANAOVAN'I ADAMA (A) t@ ZANAHARY TAORIAN'NY FAHAFAHAM-PON I IBLIS.pdf, page 1 sur 1
Page 1 sur 1Lire le document
Texte de la première page
Bismihi Ta’ala

KORBATANE ILALLAH N° 127

(2001 – 2022)

IREO ZAVATRA NANGATAHIN’I ADAMA (A) TAMIN’I ZANAHARY SY NAMPITOMBOANY
VONINAHITRA HO AZY SY IREO TARANANY
Hitantsika tamin’ny laharana teo aloha ireo resaka nifanaovan’i Zanahary sy ingahibe Iblis
voahozona, lasa satana mpamitaka, izay nangatahany an’ireo valin’asa fanompoany nandritra ny 6.000
taona. Rehefa naheno i Adama hoe nomen’i Zanahary, ilay Masina sy Avo indrindra, zavatra maro izy
entina handrebirebena sy hitarihan-dalana ho amin’ny afobe ny taranany ity
satana ity dia niresaka tamin’i Zanahary izy. Mbola ilay hadisin’ny Imamo
Dja’afar As SAADIQ (A) ihany no mitohy mitantara azy, ampitain’ny shaikh
HASSAN AL MANSOURY amintsika amin’ity video manaraka ity.
Hoy i Adama (A) : « Tompo ô! Nomenao fahefana amin’ny taranako
i Iblis. Nomenao fahafahana hanaraka ny lalandran’izy ireo. Ary nomenao
zavatra maro hafa. Ka ahoana izany ny momba ahy sy ireo taranako
ireo?”.
Dia namaly azy i Zanahary hoe : “Ry Adama, ny fahotana ataonao sy
ny taranakao dia ho soratana iray ihany. Ireo asa soa ataonareo kosa dia
hampitomboiko folo avo heny”. (Amin’ny hadisy hafa : Tsy ho soratana izay
fikasan-dratsy hataonareo. Raha manatanteraka izany fikasan-dratsiny izany
izy dia ho soratana ho iray ihany izany. Izay mikasa hanao soa kosa dia efa hosoratana ho toy ny nanao
izany indray mandeha. Rehefa manatanteraka izany izy dia ho soratana ho folo avo heny).
Dia niteny i Adama (A) hoe: “Tompo ô! Ampio ihany”.
Namaly azy i Zanahary hoe : “Ny fibebahana dia misokatra ho anareo mandrapahafatinareo na
dia fotoana fohy alohan’ny hahatongavan’izany”.(Mahaly an’i Zanahary tokoa ny fibebahan’ireo
mpanompony).
Dia mbola niteny ihany i Adama (A) hoe: “Tompo ô! Ampio ihany”.
Valiny: “Ry Adama, hamela heloka aho, ary hameloka heloka foana foana, tsy asiako fetra”
Nahafaly an’i Adama izany ka hoy izy hoe: “AMPY AHY TSARA IZANY”
Lesona azo tsoahina: Nosokafan’i Zanahary, Ilay Be fitiavana sy Be fihantrana ny varavaran’ny
famelan-keloka sy fibebahana ho an’izay rehetra manao fahotana na kely izany ankoatra ny FANAOVANA
ANDRIAMANINKAFA.
Tsy voaresaka amin’ity video ity fa tsy nomen’i Zanahary fahefana hanimba ny vatan’olombelona ireo
satana akory na dia miditra amin’ny vatan’olombelona iray. Ary betsaka ireo zavatra azo atao handroahana azy ireo
avy ao raha misy mijanona ao. Matetika ireny olona mihetraketraka amin’ny toerana filalaovan’ny Djin na
fonenan’izy ireo ireny ihany no iharan-javatra. Antsoin’ny olona ao Antananarivo hoe toerana misy vazimba. Fa ireo
mpino sy mpitandrin-tena kosa dia hilamina tanteraka ny amin’izany. Isika silamo ankehitriny dia manana ny
koroany sy ireo sorato sy ayato ao anatiny ho fitaovana ampiasaina amin’izay manahirana rehetra ankoatra an’ireo
zavatra tsy tambo isaina voarakitra ao (siansa rehetra isan-karazany, tantara, ekonomia, rafim-piarahamonina,
fitondran-tena, ny finoana sy ny sisa rehetra mahakasika an’izao rehetra izao).
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA MOMBA NY FINOANAO HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY NODIOVINAO

KORBATANE N° 127

IREO FANGATAHAN’I ADAMA (A) - FB : Houssen Féli - 19 Jona 2022 22h18

Pejy 1 @ 1



Partager ce document

KORBATANE 127 RESAKA NIFANAOVAN'I ADAMA (A) t@ ZANAHARY TAORIAN'NY FAHAFAHAM PON I IBLISfichier-pdf.frPDF1 page

Vos contacts verront cette carte, avec la première page en image.

QR Code de ce document
Sur un téléphoneScannez le code pour ouvrir le document.Enregistrer le QR Code

Télécharger le fichier

Faire un lien vers ce document

Lien permanentpour un message, un forum, un réseau social
Lien courtpour un SMS ou un profil
Code HTMLpour un site ou un blog

Du même auteur

Voir les autres documents de cet auteur

Sur le même sujet

Les mots qui reviennent le plus dans ce document. Chacun lance une recherche dans les fichiers publics.

Commentaires

Pour voir les commentaires déjà publiés ou ajouter un commentaire, Connectez-vous ou Créez un compte.