KORBATANE 57 MIAINA MIARAKA AMIN'NY SORATO AL QADR .pdf


Nom original: KORBATANE 57 - MIAINA MIARAKA AMIN'NY SORATO AL QADR.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:06, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 171 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


Bismihi Ta’ala

KORBATANE ILALLAH N° 57

taona faha 20 (2001 – 2020)

MIAINA MIARAKA AMIN’NY SORATO AL QADR
Lesona navoaka tao amin’ny groupe facebook KORBATANE ILALLAH tamin’ny 17 mai 2020 izy ity. Nisy nangataka mba
hatao amin’ny takelaka mora ho zaraina sy tehirizina. Ezahana ampiana arak’izay tratra ihany koa ny resaka.
Isan’ny sorato manana ny lanjany goavana tokoa ity sorato ity. Tsy olona tsy ampy fahalalana ohatra ny tenako mihitsy
no hiambo hahavita hiresaka ny rehetra momba azy koa dia ialana tsiny fa toy ny voamason-tsokina hoy ny Ntaolo izay ka izay kely
ananana ihany no ahiratra.
Ny sorato AL QUADR dia manamafy fa ny alin’ny ANJARA (AL QUADR) no nidinan’ny koroany. Tsy manana fahalalana
ahafahana hamakafakana azy aho fa ataoko ady amin’ny mamban’i Kirijavola, tonga dia ny voamasony no hopotsiriko. Izany hoe
inona no valisoa omen’i Zanahary ny mpino mamaky azy. Bitika dia bitika hoy aho ny fahalalako saingy zaraiko aminao ihany sao
misy mahasoa anao. Efa iarahantsika mahalala angamba ilay tenin’ny mpaminany Mohammad (S) mamporisika antsika hamaky ny
soratol Quadr rehefa mamaha fehivava iny ka tsy ho resahina intsony. Ny famakiana azy ity matetika dia mahatonga ny tena ho
mamy hoditra eo amin’ny vahoaka sy hitombo riziky. Vakiana in-jato isan’andro (shaikh Mohammad al Assadi/BELGIQUE). Iray
amin’ireo video iresahany an’ity sorato ity https://www.youtube.com/watch?v=mlH6Lia_FZc
Ilay vavaka (salato) miantoka ny fandriam-pahalemana mandritra ny volana manontolo fanao isaky ny voalohan’ny volana
silamo iny izao dia ahitana famakiana ny sorato AL QUADR (jereo KORBATANE N°1). Ary maro be ireo karazana salato ahitana azy
io. Fa ny shaikh Salim Marouf (Zanahary anie hanalava ny andro iainany sy hampisondro-boninahitra azy hatrany) indray andro dia
nilaza fa nisy mpaminanatra azy ireo taloha tsy namaky afa-tsy ny sorato AL QUADR amin’ny rakato voalohany amin’ireo salato
fanao isan’andro noho ny fahalalany fa zava-dehibe sy mitondra soa goavana ny fanaovana izany.
NY SORATO AL QADR RAHA VAKIANA IM-7 isan'andro amin'ny izay fotoana mampalalaka ka anaovana nyat/fikasana hoe
: “HAMAKY AN'ITY SORATO ITY MBA HAMPITOMBO NY RIZIKY sy HO VOAARO AMIN'NY LOZA SY FIALONANA ARY NY SOMPATRA…”
dia ho tanteraka tokoa izany.
Azo vakiana ihany koa, araka ny nambaran’ny shaikh iray izay, IM-7 AMIN'NY OLONA MARARY ARY ATAO HO
FAHASITRANANY NY HAMAKIANA AZY... Mety amin'izay zavatra soa rehetra kasaina no anaovana fikasana amin'ny famakiana
an'ity sorato ity im-7 (oh: hivoaka ny trano dia atao hiaro amin'ny loza mety hitranga, ho fahazoana taranaka, ho fanambadian'ny
zanaka vavy, ho fiarovana amin'ny vosavy, sns...mety avokoa satria sorato manana voninahitra sy lanjany manokana izy ity). Raha
VAKIANA im-7 ny sorato Al Quadr im-7 ary ny FATIHA IM-70 anaty rano ka atao eo akaikin'ny vava ny rano mba ho fahasitranan'ny
marary dia ho tanteraka tokoa izany…
Ao amin’ny boky MAFATIHOUL DJINAN (ireo lakilen’ireo paradisa) dia ahitana fa izay olona mamaky an’ity sorato AL
QUADR ity im-polo aorian’ny vavaka folak’andro (ASR) dia homen’i Zanahary, ilay Tompon’ny fankasitrahana valisoa mitovy
amin’ny fanompoana nataon’ny olombelona sy djin rehetra mandrita an’izany andro izany. Ary raha vakiana im-7 aorian’ny vavaka
alina (Isha) dia ho eo ambany fiarovan’i Zanahary mandra-parain’ny andro. Ary ny maraina vita vavaka dia im-polo no amakiana
azy mba hahatanteraka izay rehetra iriana (manao fikasana alohan’ny hanombohana azy) . Raha te ho voaaro amin’ny
fiatsarambelatsihy dia mamaky an’ity sorato ity in-jato amin’ny alin’ny Zoma. Ary voalaza koa fa in-jato no amakiana an’ity sorato
ity rehefa vita salato ASR amin’ny andron’ny Zoma (ahazoana valisoa goavana).
Farany horesahiko dia ny famakiana azy mifandray amin’ny fananan-taranaka. Raha misy lehilahy iray maniry hiteraka dia
manao fidio manazava dia manao salato rakato roa alohan’ny hiraisany amin’ny vadiny. Ka alohan’ny hanombohana ny firaisana
dia apetrany eo ankavanan’ny foitran-dravehivavy ny tanany havanana sady mamaky ny soratol Quadr im-7 izy dia hahazo zaza
lahy mahafinaritra avy amin’ilay Nahary izy. Rehefa afaka iray volana ka azo antoka tsara fa nipetraka ilay zaza dia averina indray
ireo rehetra ireo. Tsindriako tsara FA VADY VITA FOMBA eo anatrehan’ilay Nahary no resaka eto. (fanambadiana amin’ny silamo).
Rehefa bevohoka ny vehivavy dia aoka tsy hanadino fa misy vavaka atao tsy tapaka manomboka amin’ny fotoana
ipetrahan’ny zaza mandrapaha-terany. (afaka manontany an’ireo mpampianatra akaiky anareo indrindra momba izany na maka
an’ity boky kely ity ao an’ireo namana ao La Réunion, amin’ny teny vazaha mazava ho azy) https://shia974.fr/pdf/De-jeunesmaries-a-parents-la-voie-vers-le-Paradis.pdf. Aoka isika tsy hanadino fa fahasoavana lehibe tokoa avy amin’i Zanahary ny taranaka
ka nampianariny vavaka maro ny Mpaminaniny (S) fanao amin’ny vehivavy mihetsi-jaza na saro-piterahana… ka iray amin’ny izany
ny famakiana ny soratol quadr eo amin’ilay vehivavy saro-piterahana…
Araka ny nambarako teny amboalohany dia sombim-pahalalana no ananako ka zaraiko. Fa te hanaitra ny sain’ny besinimaro
aho mba hanatanteraka ny tenin’i Mohammad Mpaminany (S) manao hoe: “Ny fitadiavana fahalalana dia adidin’ny mpino
tsirairay na lahy na vavy”, “ Mitadiava fahalalana manomboka eo amin-ny berceau ka hatrany amin’ny tombeau”, “Ny olona
tsara indrindra aminareo izay mianatra ny koroany sy mampianatra azy avy eo”. “Izaho no tanan-dehiben’ny fahalalana ary Ali
no vavahadiny. Ka n’iza n’iza te ho an’ny amin’izany tanan-dehibe izany dia tsy maintsy mándalo amin’ny vavahadiny”…
ZANAHARY ANIE HANONDROTRA VONINAHITRA SY HANOME FIADANANA HATRANY AN’I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY VOADIO

21 Desambra 2020 16h22


Aperçu du document KORBATANE 57 - MIAINA MIARAKA AMIN'NY SORATO AL QADR.pdf - page 1/1


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989062.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.