KORBATANE N° 74 AL MOBAAHALAT .pdf


Nom original: KORBATANE N° 74 - AL MOBAAHALAT.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:09, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1 fois.
Taille du document: 277 Ko (2 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 74

2001 - 2021

AL MOBAAHALAT
ILAY FIFANOZONANA GOAVANA
Ny Mobaahalat dia midika hoe FIFANOZONANA. Anio 24 zhol Hidjat 1442/04 Aogositra 2021 no andro
fahatsiarovana an’ilay fifanozonana lehibe saika nifanaovan’i Mohammad (S) tamin’ireo mpitarika ny
fivavahana kristiana tany an-toerana. Toy izao no fandehan’ny tantara:
Tonga tamin’i Mohammad (S) mpaminany ireo mpitarika ny fivavahana kristiana tany an-toerana
indray andro. Tsy nino ny mahampaminany azy izy ireo koa dia nafana dia nafana ny adihevitra.
Nomen’i Mohammad (S) avokoa ireo porofo rehetra manambara ny mahampaminany azy sy ny maha
irak’i Zanahary azy saingy tsy nety resy lahatra mihitsy ireto mpitondra fivavahana ireto. Farany dia
tonga ny arkanjely Gabriely (A) nampitondrain’i Zanahary hafatra izay adikako amin’ny teny Malagasy
manao hoe :
“RAHA NY AMIN’IREO IZAY MBOLA MANOHITRA ANAO AORIAN’NY NAHATONGAVAN’NY FAHALALANA
TAMINAO DIA LAZAO AZY IREO HOE ANDAO ISIKA HIANTSO NY ZANAKAY SY NY ZANAKAREO, NY
VEHIVAVINAY SY NY VEHIVAVINAREO ARY NY TENANANY SY NY TENANAREO AVY EO DIA HIFANOZONA
KA HANGATAHANTSIKA I ZANAHARY HANOZONA IZAY MANDAINGA”
(in sorato AL IMRAN 3: ayat 61)
Ny faha 24 volana ZHOL HIDJAT no tapaka fa
hanaovana izany fifanozonana goavana izany. Ny
ankilany dia vory lanona avokoa ireo vahoaka
kristiana rehetra ary niandry ny vahoka silamo ho
tonga. Saingy i Hassan sy Houssen, Fatima al Zahra,
Ali (A) fotsiny no nentin’i Mohammad (S) tamin’izany
fotoana izany. Vao nahita azy ireo ny mpitarika ny
fivavahana kristiana dia tonga dia nilaza hoe: “ALEO
AJANONA ILAY FIFANOZONANA FA MAHITA TAREHY
MISY HAZAVANA AHO KA AZOKO ANTOKA FA NA
TENDROMBOHITRA AZA NO ANGATAHINY HO RAVA
DIA HO TANTERAKA TOKOA IZANY”…
Dia tsy raikitra moa noho izany ilay fifanozona fa dia nifandamina tamin’i Mohammad (S) no
nataon’ireto mpitondra fivavahana ireto sisa.
Ny andro faha 24 zhol hidjat koa dia ahatsiarovana an’ilay fihetsika nataon’ny Imamo ALI (A)
izay nanao sadaka nanome peratra olona mahantra tonga nangataka tamin’ny fotoana nanaovany
salato ka teo am-panaovana roko izy no nanolotra an-kolaka an’ilay peratra ka nahafahan’ilay
mpangataka naka izany. Voarakitra ao anaty koroany io tantara io ary dia miaiky avokoa ny
mpamakafaka rehetra fa porofo iray tsy azo lavina amin’ny maha WALIOLLAH (Sakaizan’i Zanahary)
an’i Ali (A) io ayato io. Ka amporisihina ny fanaovan’ny mpino sadaka amin’ity andro ity.
Manontany tena ianao hoe aiza ho aiza ao anaty koroany no misy an’io ayato io ?
KORBATANE 74 - AL MOBAAHALAT FB: Houssen Féli

04 Aogositra 2021 (03h07)

Pejy 1|2

Dia valiako hoe : TENA TSARA ILAY FANONTANIANA AN. Fa aleo karohinao ny valiny mba ho tsaroanao
lalan-dava ny momba azy avy eo. Fa hahazoanao fahasoavana marobe tokoa ny fanaovanao izany.
Misy zavatra efatra fanao amin’ity andro ity ka ireto avy izy ireo:
1- Ny fifehezana (saomo)
ASOMO HAZHAL YAWMA QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
(Hifehy aho androany hanakaiky bebe kokoa an’i Zanahary)

2- Fandroana manazava (ghroslo): azo atao manomboka mangiran-dratsy hatramin’ny maty
masoandro. Fa ny tsaratsara kokoa ny fanaovana izany 30 mn eo alohan’ny vavaka
atoandro. Fa tsy maintsy manao fidio manazava (wodho) alohan’ny hivavaka. (rohin’ny
video https://www.youtube.com/watch?v=J5jwFjl-s1E)
3- Salato rakato 2 atao alohan’ny mitatao vovonana Mitovy tanteraka amin’ilay vavaka fanao
isaky ny andron’ny Eidol Ghradir.
Mitovy lanja amin’ny HADJ
100.000 (iray hetsy) sy
OMRA iray hetsy ary
mahatanteraka
ny
faniriana mahakasika ny
fiainana an-tany sy fiainana
ankoatra…
Manao fandroana manaza,
avy eo manao fidio
manazava. Aorian’izany dia
manao rakato2 alohan’ny
mitatao vovonana ka ireto
avy no vakiana isaky ny rakato:





FATIHA x 1 (indray mandeha)
TAOHID/IKHRLAS x 10 (im-polo)
AYATOL KORSY x 10 (im-polo)
AL QADR x 10 (im-polo)
(Toy ny salato mostahabo rehetra dia azo atao mitsangana na mipetraka)

4- Mamaky Doa iray izay mitovitovy amin’ny doa famaky amin’ny maraina be amin’ny volana
Ramadany hoy ny shaikh AL MANSOURY, vakiany moa ny voalohandohany koa dia entaniko
ianao hamaky an’ilay doa antsoiko hoe DOA SALAWATO iny izay doa hitako fa feno dia feno
tokoa. Zaraiko mitokana ilay doa fa somary lava dia lava.
Ankoatra an’ireo, hoy ihany ny mpampianatra antsika ao amin’ny video nataony dia tokony
hanao zyarat ny Imamo ALI (A) amin’ity andro ity.
ZANAHARY ANIE HANONDROTRA VONINAHITRA SY HANOME FIADANANA HATRANY AN’I MOHAMMAD SY IREO
FIANAKAVIANY MASINA

KORBATANE 74 - AL MOBAAHALAT FB: Houssen Féli

04 Aogositra 2021 (03h07)

Pejy 2|2


Aperçu du document KORBATANE N° 74 - AL MOBAAHALAT.pdf - page 1/2
Aperçu du document KORBATANE N° 74 - AL MOBAAHALAT.pdf - page 2/2


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989069.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.