KORBATANE 60 FANALAHIDY TELON'NY FANAMBINANA .pdf


Nom original: KORBATANE 60 FANALAHIDY TELON'NY FANAMBINANA.pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 20:04, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 0 fois.
Taille du document: 182 Ko (1 page).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH N° 60

fébr 2021

IREO LAKILEN’NY FANAMBINANA (TAWFIQ)
LESONA MAFONJA DIA MAFONJA nomen'ny ayatoullah Sayyed Adil al ALAWI momba ny
fahazoana fanambinana (tawfiq) amin'ny fitadiavana zavatra amin'ilay Nahary. Hafatra nomena
manam-pahaziana iray mpampianatra azy ka nampihariny dia nahitany
voka-tsoa tokoa. Tsotra ilay ka azon'ny tsirairay ampiharina tsara
mandavan-taona.
Ambarany fa misy zavatra telo tokony atao lalan-dava ho an'ireo
izay mitavandra/miandrandra zavatra amin'ilay Nahary:
VOALOHANY (misy fizarana telo):
1- Fidio manazava (wodho) tsy tapaka satria hazavana miampy hazavana izany hoy izy. Ka
mba hampazava hatrany anao ka hifandray tsy tapaka amin'ilay TOMPON'NY NY HAZAVANA dia
ezahana foana ny manao an'io fidio manazava io raha vao tapaka.
2- Manao salato rakato 2 (mostahabo) eny fa na tsy manam-potoana hanaovana an'izany
amin'ny toerana voatokana aza DIA AZO ATAO NY MANAO IZANY NA ENY AM-PANDEHANANA
toy ireo salato NAFILAT sy MOSTAHABO rehetra.... Ary tsarovy hoy izy fa isaky ny avy nanao an'io
FIDIO MANAZAVA io dia tokony hanao salato foana na aiza na aiza toerana misy, na mipetraka, na
mitsangana, na mandeha (fa mila mifantoka fotsiny).
3- Zanahary hoy izy dia miandry ny olona nahavita an'ireo HANGATAKA AMINY. Efa
haintsika rehetra ilay ayato anaty koroany ilazany fa "MARINA DIA MARINA TOKOA FA MAMALY
NY HATAK'IZAY MIANTSO AHY AHO REHEFA MIANTSO/MANGATAKA AMIKO IZY". Saingy aza
hadinoana fa ny DOA dia voasakana raha tsy miaraka amin'ny fanaovana salawato. (Zanahary ô !
Asondroty voninahitra sy omeo fiadanana hatrany i Mohammad sy ireo fianakaviany masina)
FAHAROA
Isaky ny mahita olona mandeha mandevina ianao hoy izy, na dia olona tsy fantatrao akory
aza, dia MANARAHA NA DIA DINGANA ROA FOTSINY AZA (2 pas) fa ankasitrahan’i Zanahary izany
fihetsika izany.
FAHATELO
Miezaha hatrany MIKARAKARA ny hafa (mi rendre serevice) arak'izay azonao atao.
Dia miteny izy amin'ity video ity hoe ATOVINAREO IREO ZAVATRA IREO dia ho hitanareo ny
FAHASOAVANA HO AZONAREO ANATIN'NY ROA HERINANDRO FOTSINY.... Indro ny rohy
ahafahana manarana ny video anazavany azy:
https://www.youtube.com/watch?v=d3L60ziKGXw&fbclid=IwAR2U7lWtMqfa80XCo01HKF7vbNb6lKp4rK_OHSNQuSOn5wV11kxAzQ3FYU

MARIHO TSARA: Raha resaka trano no resahina, dia efa any amin'ny rihana ambony io, ka aoka tsy
handigana ny fototra sy ny tohatra: fahadiovana, ny fanompoana, ny fitiavana ny Mpaminany (S) sy ireo
fianakaviany masina/Ahlelbayt (A), fitondran-tena mendrika indrindra ny fanajana ny mpiray vodirindrina na
inona na inona finoany, ny fifandraisana amin'ireo raimanadreny sy ireo iray tampo, sns… sns…

ZANAHARY Ô ! ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO
AHLELBAYT-NY (fianakaviany) NODIOVINAO TANTERAKA.
FB: Houssen Féli

09 féb 2021


Aperçu du document KORBATANE 60 FANALAHIDY TELON'NY FANAMBINANA.pdf - page 1/1


Télécharger le fichier (PDF)




Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989053.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.