Fichier PDF

Partage, hébergement, conversion et archivage facile de documents au format PDF

Partager un fichier Mes fichiers Convertir un fichier Boite à outils Recherche Aide Contact



Ahoana no fikolokoloana ny fitadidiana .pdf



Nom original: Ahoana no fikolokoloana ny fitadidiana.pdf
Titre: Ahoana no fikolokoloana ny fitadidiana?
Auteur: Naina RAKOTOMALALA

Ce document au format PDF 1.5 a été généré par PScript5.dll Version 5.2 / Acrobat Distiller 6.0 (Windows), et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 15/06/2013 à 13:36, depuis l'adresse IP 41.204.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 1727 fois.
Taille du document: 633 Ko (12 pages).
Confidentialité: fichier public




Télécharger le fichier (PDF)









Aperçu du document


Hadihady iarahana amin’i Naina RAKOTOMALALA
Mpanofana momba ny Fifeheza-mitarika sy fampivoaran-tena

Tsy vitsy amin’ ny tanora, indrindra ny mbola mpianatra no handalo
amin’ ny fisedrana fotoam-panadinana ato ho ato.Ilaina araka izany ny
manamboatra sy mandamina ny fombafomba samihafa entina
hiomanana azy.Na ahoana na ahoana anefa dia tsy maintsy miainga
amin’ ny fikolokoloana ny fitadidiana (Mémoire mentale) izany satria
io no miantoka ny dingana rehetra. Fahombiazana rahateo no
tanjontsika ka dia mahakasika ny fitadidiana no hodinihantsika eto.

INONA MARINA MOA NY TADIDY?

Mitondra sy miantoka ny fiainan-janak’olombelona ny fitadidiana ary
izy no mampiavaka antsika amin’ ny zava-manan’aina rehetra.Vao
hanomboka hiteny ny zaza iray dia ny tadidy no ahafahany manao an’
izany voalohany ka miha-mitatra arakaraka ny fitombony sy ny taonany
izany.

Ao amin’ ny saina no toerana misy azy ary ao amin’ ny faritry ny atao
hoe “Subconscient” .Io faritra io dia tsy manao afa-tsy ny mandray sy
mitana izay hitan’ ny maso sy ren’ ny sofina ka izay ampahany tavela
ary tafaraikitra amin’ izany no atao hoe tadidy.Araky ny voalazan’ ireo
Pédopsychiatre dia eo anelanelan’ ny 12 taona ka hatramin’ ny18 taona
no tena mahatsara ny fitadidiana.Aorian’ izay, hatreo amin’ ny faha 25
taona dia somary mihena tsikelikely indray ny fahazoana
mitadidy.Manampy sy mameno ny fitadidiana kosa ny fiheverana, ny
fandanjalanjana,ny fahaizana mandamim-piainana, ny finiavana, …
rehefa mitsidiky ny 25 taona ny olona iray. Izany hoe efa miatrika ny
fiainana tanteraka izy manomboka eo. Ireo voatanisa ireo moa dia
asan’ ny faritra faharoa ao amin’ ny saina (Conscient).
2

TSY MITOVY NY TSIRAIRAY

Misy karazany ny olona ary azontsika tsapaina eny amin’ ny fiarahamonina eny izany. Ao ny mora mandray sy mahatadidy zavatra..Ao
kosa ireo somary votsavotsa. Misy ray aman-dreny manana ankizy
tezainy ao an-trano no tonga manontany tena noho ireo zanany izay
manjary samihafa mihitsy eo amin’ ny fianarany.Samy zaza omentsakafo sy fitaizana mitovy izao saingy ny sasany lasa matsilo sy
manana tadidin’elefanta,ny hafa toa zara raha mahovoka firy.Misy
fahitan’ ny olona maro koa fa somary miverin-tsaina ny olona rehefa
antitra.Tsy misy tsaroany ny zavatra vao niseho,eny na dia ny vao
haingana aza.Ny mahagaga kosa anefa dia arany tsara ery sy
voapetrapetrany amin’ny antsipirihany ny zava-nisy tamin’ ny
fahazazany amam-pahatanorany. Izany rehetra izany dia nohon’ ny
fiasan’ ny “Subconcient” ao amin’ ny saintsika avokoa.

INONA KOSA NO FOMBA MAHOMBY?

Azo ambara àry fa be dia be ny fomba ahazoana mikolokolo an’ io
saintsika io na ny marimarina kokoa momba izay hampitomboana ny
fahazoana mitadidy mba hanapoitra vokatsoa toy ny eo amin’ ny
fianarana ohatra.Izay tena avoitrantsika eto dia ireo dingana amin’ ny
fikarakaràna ny ara-tsaina ho amin’ izany sy ny fampahavitrihana ny
ara-batana ihany koa izay tsy afaka hosarahina amin’ ny fampivoarana
ny tenan’ olombelona.

3

I-EO AMIN’NY ARA-TSAINA

1/Ny Méthode Coué
Ny fomba mahazatra antsika dia ny
miainga
amin’
ny
alalan’ny
famerimberenana. Rehefa averina sy
matetika amintsika ny zavatra iray dia
miforona ho tadidy ho azy satria
mamoha sy mameno ny velaran’ ny
fahatsiarovana mitoetra ao amin’ ny
loha izany.Tsy ho voatery izay hitan’
ny maso sy ren’ ny sofina ihany io fa
mety ho tadidy nifaka tamin’ ny zavanisy natrehina nohon’ ny hevitra na nohon’ ny sary an-tsaina
(Imagination).

Ingahy Emile Coué izay farmasiana frantsay dia nalaza tamin’ ny
fitrandrahana ny vokatr’io famerimberenana io tamin’ ny alalan’ ny
nantsoiny hoe “Autosuggestion” ka tondroin’ ny maro mandraka
ankehitriny hoe “Méthode Coué” izany fombafomba izany.

Tsy teo amin’ ny tontolon’ ny fitsaboana ihany fa na teo amin’ ny
sehatry ny fampivoaran-tena ankapobeny no nampiharana ny
“Autosuggestion”.Ny mpandraharaha mpanefoefo toa an-dry Will
Clement Stone dia isan’ ny nigoka ny fahombiazan’ ity “Méthode
Coué“ ity teo amin’ ny fampiharana azy tamin’ ireo sehatr’asany.
4

Ny “Autosuggestion” dia tsy inona akory fa famolavolanao mivantana
amin’ ny alalan’ ny famerimberenana ao amin’ ny faritry ny
“Subconscient“ amin’ ny saina an’ ireo hevitra tianao ampidirina sy
hotanany ao anatiny ao. Ny famerimberenana “suggestion” iray dia
manova tsikelikely ny Subconscient hanana fizarana sy finoana ary
mitarika tsy nahy ho amin’ny fanatantanterahana ilay hevitra natsofoka.

Raha baiko tsara tahaka ny hoe izay hahatafitana eo amin’ ny fianarana
ohatra no omena ny Subconscient dia mazava ho azy fa hahazoana
vokatra miabo.Raha mifanohitra amin’izay kosa dia hivangongo ny
fahavoazana.

Tahaka ny zavatra rehetra anefa dia mitaky fifehezana matotra ho
an’izay mampiasa azy ito toromarik’i Ingahy Emile Coué ito satria na
ny fihetseham-po be loatra mianjady amin’ ny tanora sy ny fisovoky ny
tahotra samihafa hiatrika fanadinana dia azo resena amin’ ny
famohazana “Autosuggestion” avokoa ankoatra ny fanitarana tadidy.Ny
tsy fahampian’ ny fahatokisan-tena eo amin’ ny tsirairay avokoa mantsy
no mahatonga ireny ka azo folahina amin’ ny fomba toa ity.

Mety hanavao ny sasany amintsika angamba ny Méthode Coué saingy
amporisihana hatrany isika hikaroka sy handalina raha liana aminy, ary
izay ihany koa no fomba mendrika indrindra ahafahana mampiakatra ny
tahan’ ny fampivoaran-tena efa ananana.

5

Na izany aza, misy ihany endrika saika mahazatra fanaon’ ny
besinimaro niainga avy amin’ ity “Méthode” ity. Toy ny hoe
mampahomby kokoa ho an’ ny fitadidiana eo amin’ ny fianarana
lesona ny sady famakiana azy amin’ ny maso no sady tononina mihitsy
amin’ ny vava.Misy koa ny mampiasa fanafohezana mba hahatsotra ny
fandraisan’ ny saina azy.Ity misy ohatra iray: “Mais ou est donc
ornicar? Io dia fanafohezana ireo karazana “conjonctions” amin’ ny
teny frantsay.Eo koa ny mpianatra izay mamorona tondro apetaka amin’
ny taratasy kely ka ataony mora talaky maso toy ny ao amin’ ny
efitrano fatoriany izany.Matetika moa dia ny raikipohy amin’ ny taranja
siantifika no tena fanao amin’ity farany ity ka ny hiverimberenan’ ny
fahatsiarovana azy tsy tapaka no tanjona.

2/Mifandray amin’ ny fitiavana.

Rehefa ray aman-dreny dia samy malaina ny hanan-dratsy ka tsy miroa
fo amin’ ny fampianarana ny zanany ary tsy misy tsara tokoa tahaka
izany hoe tanora namiratra sy tafita teo amin’ ny fianarany izany.Dia
misy ray aman-dreny mandany vola aman-karena ka mahavatra
mampanao fampianarana tovana (Cours) ho an’ ny zanany ivelan’ ireo
ora sy fotoana any amin’ ny sekoliny.Ny mampalahelo ho an’ ny sasany
amin’ izy ireny dia zara ilay zatovo raha mba manana ora hafa toy ny
hoe ilalaovana satria saika feno amin’ ireo fampianarana any an-tsekoly
sy mety ho any an-trano avokoa ny fandaharam-potoanany rehetra.Ary
dia toy izany hatrany ao anatin’ ny herinandro tsy miova.Aterak’ ireny
matetika dia tsy mahazo vokatra miabo toy ny naoty ambony akory ilay
ankizy ka valalanina ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ka mety hitsara
hoe ilay zaza mihitsy no maditra.Misy koa ny zatovo no tsy manao
6

ireny “cours” ireny saingy tahaka ny inona ny fibedesana azy raha vao
tsy mianatra lesona sy mamita enti-mody rehefa hariva iny avy mirava.

Aoka anefa hofantatsika fa tsy ny fanaovana sesi-montotra
fampianarana na zavatra hafa ao an-doha isaky ny mihetsika izao no
miteraka fampilentehan-tsaina avy hatrany .Andeha angamba ataontsika
hoe eo amin’ ny 50% eo ho eo ny taham-pahombiazan’izany.Ilaina dia
ilaina kosa ary izay no tokony isantarana azy ny fampifandraisana ny
fianarana amin’ ny fitiavana.Tsy ho afa-mitadidy mantsy na asesika toy
ny inona aza raha tsy eo aloha ny fankafizana an’ilay fianarana.

Tsy ireo mpandalina ihany no mahatsapa fa na isika tsirairay aza afaka
mandrefy fa mampitombo fifantohana sy mora tsaroana kokoa ny
zavatra omen-danja sy mahafinaritra ary tiana.Araka izany dia ny paika
hampahazo laka ny fitiavana sy fitadiavana fahalalana hampivoatra eo
amin’ ny fiainana no mila imasoana ho laharam-pahamehana.Misosa ho
azy avy eo ny manaraka ary izay vao ho feno ny 50%n’ ny tahampahombiazana fanampiny apoitran’ilay famerimberenana voalaza tetsy
ambony.Rehefa atrehin’ ny ankizy ho toy ny miaina an’ireo kilalao
fanaony ny fianarany dia ho azo antoka ny hisondrotan’ ny
fahakingany.Indrindra moa eo amin’ny fitadidiana izay resahintsika eto.
Isan’ ny azo hanamarinana ny herin’ ny fitiavana eo amin’ ny saina ny
fisian’ ny olona maro manao kilalao mampandrangitra atidoha toy ny
Scrabble, mots croisés,echec,….

7

3/Ny fahaiza-mampita

Andaniny,ny mpianatra dia mila manao ny fomba fandraisany ho
miandalana (Hiérarchisation par étapes) eo amin’ ny fianarany fa tsy
ankatoky ny adina vao mikoropaka milofo.Ary ny mpampianatra koa
etsy ankilany dia tsy tokony ho latsa-danja. Miankina aminy ny
fahazoam-bokatsoa satria raha tsy tomombana tsara ny fahaizany
mampita an’ ireo lesona tokony ho tandrify dia ho toy ny zava-poana
avokoa ny finiavan’ny mpianatra .Anjarany araka izany ny mitady ny
fomba fiatrika (Approche pédagogique) antonona ny sokajin’ ny
mpianany mba hahamora sy hahatsotra ny fahatakarana azy.

II-EO AMIN’NY ARA-BATANA

Ao anatin’ ny vatana salama ihany no misy ny saina tomady hoy ny
fiteny.Ilaina ary tsy azo atao ambanin-javatra ny mikolokolo ny vatana
mba hananany vitrika lalandava satria mety hisy fiantraikany any amin’
ny saina izay tsy afaky ny hahaleo tena samirery izany fa mifameno.

1/Ny fanatanjahan-tena:

Tokony tsy hananosarotra ho an’ ny zatovo ny manao fanatanjahantena, ohatra, na dia ireny lazaina fa madinidinika ireny toy ny mandeha
tongotra aza.Efa taranja iray rahateo any amin’ ny ambaratonga sasany
8

izany.Saingy rehefa tafita amin’ ny ambaratonga ambony tsy ahitana
intsony an’ity taranjam-panatanjahan-tena ity dia matetika no toa
adinodino. Ny tsy fahampian’ ny hetsi-batana mantsy dia mitarika ny
tsy fahalavorarian’ ny fikorianan’ ny rà mankany amin’ ny atidoha
nohon’ ny fahateren’ ny lalan-drà.

2/Ny lafiny ara-tsakafo:

Misy tokoa ny karazan-tsakafo mandrisika ny fitadidiana ka ireo misy
“Protides” toy ny hazandrano na maina na lena, ny hena, ny atody, ny
fromazy, ny voamaina no manome azy betsaka.Tsara ny
fampifandimbiasana ny fihinanana azy ireo matetika ary tsy hoe rehefa
akaiky ny fotoam-panadinana vao miletra azy ireo tsy an-kijanona fa
dia mandavan-taona. Tsy mampihodina ny fitadidiana loatra ny fotoana
aorian’ ny sakafo sy ny fandevonan-kanina.Voalaza aza fa amin’ ny
andro maraina vao avy mifoha iny no mampisokatra azy bebe kokoa.

9

3/ Ny fisorohana ny havizanana

Mety hitranga io mialoha na mandritra ny fotoam-panadinana.Ny
havizanana mantsy dia mametra ny enti-mandinika sy ny entimitadidy.Mety hanararaotra hisovoka amin’ izany koa ny aretina
mamizana toy ny tazo.Indrindra saika amin’ ny ririnina toy izao no
fanatontosana fanadinana ka tsy vitsy no tsy mahazaka ny fiovan’ ny
vanim-potoana ka mora andairan’ ny tazo.
Tahaka ny taova rehetra ao anatin’ ny tena ihany koa ny lohantsika.Mba
mila fotoana ialana sasatra ho fisorohana ny mety fahavizanany.

3/ Ny torimaso:

Ny tsy fahampian’ny torimaso dia tena mandreraka ny saina amambatana.Tsara anefa ny manamarika fa tsy ny habetsahan’ ny ora
natoriana no fandrefesana azy.Ny atao hoe “matory am-pilaminana”
angamba no sarobidy satria araka ny filazan’ireo mpitsabo dia mizara
roa (02) ny torimaso.Eo ny torimaso ivelany na ny firendremana
(Sommeil paradoxal) sy ny torimaso lalina (Sommeil profond).Misy ny
olona no manana fotoana natoriana lavabe saingy tsy tafiditra tamin’ ny
torimaso lalina mihitsy.Ny olona efa somary vokivoky taona aloha
matetika no mazàna tratran’izy ity.

10

4/ Ny rivotra:

Ny tsy fahampian’ny rivotra madio dia manembantsembana ny fiainana
ankapobeny.Voakasik’izany manokana ireo izay voan’ ny kambontenda
na kambonorona.Sakanan’ ilay kambo ny lalan-drivotra ahafahana
miaina ka mahatsiaro voaelingelina foana.Ny fanatonana dokotera
ihany moa no mety raha sendra tratran’ izany.Saingy amin’ ny toerana
izay mety ianarana rehetra dia tsara hatrany raha mba ifamezivezen’ ny
rivotra fa tsy mihiboka loatra.Mamelona ny selan’ ny atidoha rahateo
ny”Oxygène”.

FEHINY

Ho famehezana dia antenaina fa azontsika hisintonana an’ izay
hamparoroka ny tadidy avokoa ireo teboka nambara ireo.Eny, tsy ho an’
ny mpianatra hanala fanadinana irery ihany izay irariana ho afaka soa
aman-tsara daholo fa ho antsika rehetra tsy an-kanavaka izay mikatsaka
fampivoaran-tena.Satria tokoa isan’ andro isan’andro io dia manadina
antsika foana ny fiainana.Dia samia mahatadidy sy mahereza àry e!

Naina RAKOTOMALALA
Hadihady nivoaka tao amin’ ny Bulletin RANITRA laharana faha 09

11

Fanamarihana:

Azonao ampitaina amin’ireo olona heverinao fa mila izany ity
tahirin-kevitra ity.
Raha tianao ny hanaraka ny Hadihady amin’ ny Bulletin
RANITRA miaraka amin’ ny lohahevitra hafa dia tsindrio eto.
Raha hifandray mivantana amin’ ny mpanoratra kosa dia
tsidiho ny tranonkala:

http://www.naina.vitrineweb.com

12


Documents similaires


Fichier PDF ahoana no fikolokoloana ny fitadidiana
Fichier PDF korbatane 6 ny volana masina ramadany
Fichier PDF korbatane 6 ny volana masina ramadany version 2016
Fichier PDF korbatane 5 ny volana masina shaabany
Fichier PDF korbatane 5 ny volana masina shaabany
Fichier PDF ny teny arabo boky voalohany


Sur le même sujet..