Aller au contenu

AMALY ALINA SY ANDRO 1 RAMADANY

Aperçu du document AMALY ALINA SY ANDRO 1 RAMADANY.pdf, page 1 sur 3
Page 1 sur 3Lire le document
Texte de la première page
BISMIHI TA’ALA

KORBATANE ILALLAH

Taona faha 21 (2001 – 2021)

AMALY ALINA SY ANDRO VOALOHANY RAMADANY
Hiaraka amin’ny Sayyed Mostafa AL ZALZALAT indray isika anio hampatsiahivana an’ireo zavatra tokony
hatao amin’ity fiandohan’ny volana masina RAMADANY ity.
Volana fanaovana an’ireo soa rehetra izy ity, araka ny voalazany. Fa amin’ny alina voalohany hoy izy dia
hita ao amin’ny boky MAFATIH AL DJINAN nosoratan’ny shaikh ABBAS AL QOUMMI dia ahitana fa misy zavatra 17
tokony hatao amin’ny alina voalohany ary fito
kosa amin’ny andro voalohany. Ireo ihany no
voaresaka hoy ny mpanoratra ny boky fa raha ny
zavatra tokony hatao amin’io fotoana io dia maro
dia maro tokoa ka izay liana amin’izany dia afaka
mitrandraka izany any amin’ny boky hafa toy ny
AL MISBAH nosoratan’ny shiakh AT TOUSSI,
IQBAL AL AAMAL an’ny shaikh IBN TAAWOUS… .
Fa ny volana tsirairay amin’ny fanisan-taona
silamo, hoy ny sayyed, dia samy manana ny
mombamomba azy manokana avokoa fa
indrindra moa ny volana masina RAMADANY izay
ahitana an’ireo vavaka atao andro aman’alina na
koa ireo voatokana ho an’ny alina sy ny atoandro
fotsiny.
https://www.youtube.com/watch?v=5We22WL8vwQ
A - Ireo zavatra tokony hatao amin’ny alina voalohany
1 – Mijery tsinam-bolana amin’ny fotoana ilentehan’ny masoandro ka manao doa rehefa mahita azy
Maro be ireo doa fanaon’ny Mpaminany (S) sy ireo AHLELBAYT (A) amin’izany. Indreto misy vitsivitsy azo
isafidianana (Mitodika amin’ny KIBLA rehefa manao ny doa):
-

RABBY WA RABBOKALLAHO RABBOL AALAMIN, ALLAHOMMA AHILLAHO ANLAYNA BIL AMNY WAL
IMAAN, WAS SALAAMATY WAL ISLAAM, WAL MOSAARA-ANTY ANLA MA TOHIBBO WA TARDHA,
ALLAHOMMA BARIK LANAA FY SHAHRINA HAZHAA, WARZOQNAA KHRAYRAHO WA AN-WNAH,
WASRIF AN-NA DHORRAHO WA SHARRAHO WA BALAA-AHO WA FITNATAH.

-

ALLAHOMMA AHILLAHO ANLAYNA BIL AMNY WAL IMAAN, WAS SALAAMATY WAL ISLAAM WAL
AAFIATIL MODJALLALAT, WA DAF’IN AL ASQAAM, WAL AWNY ANLA SAALATY WAS SYAAM, WAL
QYAAMY WA TILAAWATIL QOR’AN, ALLAHOMMA SALLIMNA LISHAHRY RAMADHANA WA
TASALLAMHO MINNAA, WA SALLIMNA FIHY HATTA YANQADHYA ANNA SHAHRA RAMADHANO WA
QAD AN-FAWTA ANNA WA GHRAFARTA LANA WA RAHIMTANAA.

-

Misy doa iray tena malaza izay hita ao amin’ny SAHIFAT ASSADJADYA doa n° 43 ou 44 (selon edition)

2 – Manao fandroana manazava (ghrosl) avy hatrany avy eo (izay tokony ho vita mialoha ny salato). Dia
mandraraka rano in-30 eo amin’ny lohany. Amporisihina mafy tokoa ny fanaovana an’ity fandroana ity amin’ity
alina ity eny fa na dia aorian’ny salato aza. Ny fanaovana ani’izany eny amin’ny rano mandeha dia miantoka ny
fiarovana amin’ny aretina sy fananintainana mandritra ny taona iray feno. Averina atao ihany koa amin’ny andro
voalohany.
Houssen Ch.

13 aprily 2021

Pejy 1 sur 3

3 – Manao salato 1.000 rakato (arivo). Atao toy izao : 20 rakato isan’alina mandritra ny alina 20 voalohany. (400 rakato fitambaran’izay). Amin’ireo alina 10 farany kosa dia manao rakato 30 isan’alina. Ka ny rakato
valo atao anelanelan’ny Maghrib sy Isha ary ny 12 ambiny kosa atao aorian’ny ISHA…. Ary hameno ny isa dia
ampiana rakato 100 isaky ny iray amin’ireto alina manara ka ireto: faha 19, 21 ary ny 23. (Azo atao mipetraka na
mitsangana na mifameno arak’izay mety aminao. Azo atao ihany koa hoe ny sorato al fatiha isaky ny rakato ihany
no vakiana ho an’ireo mbola tsy zatra).
4 – Manao Zyarat ny Imamo HOUSSAIN (A) izay tena manana ny lanjany lehibe tokoa amin’ity alina ity.
Maro ireo alina amin’ity volana Ramadany ity no tokony hanaovana an’ity famangiana ny Imamo Houssain (A) ity.
Misy Zyarat manokana mihitsy amin’izany. Vakiana amin’ny alina voalohany, ny fisasahany ary ny alina farany sy
ny alin’ny EID. Isaky ny alin’ny Zoma ihany koa ary indrindra moa fa ireo alina telo lehibe dia ny 19, 21 ary 23.
5 – Famakiana ny doa DJAWSHAN AL KABIR
Ity doa famaky amin’ireo alina telo voalaza eo ambony ireo saingy voaresaka ihany koa ny famakiana azy
amin’ity alina voalohany ity. Satria ny alina voalohany amin’ny volana Ramadany dia toy ny alina voalohany
amin’ny taona ho an’ny mpanompo an’i Zanahary.
Ireo ihany no notainisain’ny sayyed Mostafa fa efa misy maro noresantsika any amin’ny korbatane 6 izay
inoako fa efa anananao. Fa aza hadino mihitsy ny manao SALATOL LAYL (in Korbatane 7) sy ireo NAFILAT rehetra.
Dia aza hadino koa ilay DOA SALAWATO iny na amin’ny alina na amin’ny atoandro indrindra moa amin’ity
fiandohan’ny volana ity.

B - Ireo zavatra tokony hatao amin’ny andro voalohany
1- Manao an’ilay fandroana manazava voaresaka eo ambony fa eny amin’ny renirano no fanaovana
azy. (Ho an’izay lavitra renirano dia miezaha manao ihany na ao amin’ny douche aza)
2- Rehefa tonga ny mangiran-dratsy dia mamaky an’ity doa ity:

ALLAHOMMA QAD HADHARA SHAHRO RAMADHANA WA QADIFFTARADHTA ANLAYNA SYAAMAHO
WA ANZLATA FIHIL QOR’AN, HODANN LIN NAASY WA BAYYNATIN MINAL HODA WAL FORQAAN,
ALLAHOMMA A-IN-NA ANLA SYAAMIHY WA TAQABBALHO MINNA WA TASALLAMHO MINNA WA
SALLIMHO LANAA FY YOSRIN MINKA WA AAFIAT, INNAKA ANLA KOLLY SHAY-IN QADYIR.
3- Manao an’ilay salato fanao isaky ny voalohan’ny volana silamo (in korbatane 1)
4- Manao salato rakato 2 amin’ny fidiran’ny volana Ramadany amakiana FATIHA + FATH (INNA
FATAHNA LAKA …) amin’ny voalohany ary FATIHA + izay tiana amin’ny faharoa. (afaka mamaky
amin’ny koroany na telefona). Izay manao izany dia MBA HAROVAN’I ALLAH AMIN’NY RATSY REHETRA
SY HO EO AMBANY FIAROVAN’I ALLAH TANTERAKA mandrapiherin’ny taona.
Ireo no famintinana nataon’ny sayyaed Mostafa AL ZALZALAT fa hataoko eo ambany ireo doa sasany amin’ny teny
arabo.

Zanahary anie Hanondrotra voninahitra sy hanome fiadanana hatrany an’i Mohammad sy
ireo fianakaviany masina
Houssen Ch.

13 aprily 2021

Pejy 2 sur 3

Sombiny amin’ireo zavatra atao isan’alina avy amin’ny boky MAFATIH AL DJINAN

Houssen Ch.

13 aprily 2021

Pejy 3 sur 3



Partager ce document

AMALY ALINA SY ANDRO 1 RAMADANYfichier-pdf.frPDF3 pages

Vos contacts verront cette carte, avec la première page en image.

QR Code de ce document
Sur un téléphoneScannez le code pour ouvrir le document.Enregistrer le QR Code

Télécharger le fichier

Première page du document
Téléchargement gratuit

AMALY ALINA SY ANDRO 1 RAMADANY.pdf

PDF 1.7405 Ko3 pages

Faire un lien vers ce document

Lien permanentpour un message, un forum, un réseau social
Lien courtpour un SMS ou un profil
Code HTMLpour un site ou un blog

Du même auteur

Voir les autres documents de cet auteur

Sur le même sujet

Les mots qui reviennent le plus dans ce document. Chacun lance une recherche dans les fichiers publics.

Commentaires

Pour voir les commentaires déjà publiés ou ajouter un commentaire, Connectez-vous ou Créez un compte.