Amaly alina 10 30 Ramadany combiné .pdf
À propos / Télécharger Aperçu
Nom original: Amaly alina 10 - 30 Ramadany-combiné.pdf
Auteur: Utilisateur
Ce document au format PDF 1.7 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 19:29, depuis l'adresse IP 91.175.x.x.
La présente page de téléchargement du fichier a été vue 6 fois.
Taille du document: 3.8 Mo (27 pages).
Confidentialité: fichier public
Aperçu du document
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
DOA ALINA FAHA 10 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
DOA 10eme nuit du mois de RAMADAN
Doa ny alina ity fa ny an’ny andro efa fahitantsika isan-taona.
Fahalalana vaovao vao azoko avy amin’ny shaikh Hassan AL
MANSOURY ka zarazraina mba hahasoa ny besinimaro.
https://www.youtube.com/watch?v=brq4045qwQA
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 22 Aprily 2021
21h32
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
VAVAKA ALINA FAHA 11 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 11eme nuit du mois de RAMADAN)
1 – salato : rakato 2 amakiana : AL FATIHA x 1 sy AL KAOTHAR x 20
Fankasitrahana : Tsy hisy fahotana hanaraka azy amin’io andro io. Izany hoe
ZANAHARY dia hiaro azy amin’ny fandrebirebena isan-karazany sy ny fahotana.
Fotoanany : manomboka amin’ny vita Maghrib mandrapahatongan’ny mangirandratsy. Izay hahafahanao sy mety anaovanao azy.
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT KORBATANE ILALLAHY TA’ALA
Fanamarihana: Tsy asiana Azhany na iqama ary azo atao mipetraka na
mitsangana araka izay mety aminao (toy ny mahazatra rehefa manao salato mastahabo
rehetra). Satria sorato no averimberina eto dia aza hadino ny mamaky BASMALAH isaky ny
hanomboka hamaky ny sorato, izay AL KAOTHAR amin’ity salato ity.
2 – Doa alina faha 11
Ireo tsy mahay mamaky dia aoka hihaino am-pifantohana tsara ny famakian’ity shaikh ity
azy ao amin’ny video, any amin’ny faramparany.
https://www.youtube.com/watch?v=brq4045qwQA
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 23 Aprily 2021
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
VAVAKA ALINA FAHA 12 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières du 12ème nuit du mois de RAMADAN)
Mitohy ihany ny fanarahantsika ny fampianaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY.
Amin’ity video ity izy dia mampianatra an’ireo vavaka atao amin’ny alina faha 12 amin’ny
volana masina Ramadany.
https://www.youtube.com/watch?v=0dPDbmY1Mrc
Tenin’ny Imamo Ja’afar As Saadiq
(A) no anomboahany azy, manao hoe :
“Rehefa tonga ny volana Ramadany dia
miezaha ianareo miady amin’ny filandratsinareo (mifehy tena mafy) satria
volana fizarana riziky sy fanamafisana
izay voasoratra amin’ny fotoana hamaranana nyandrom-piainana ety an-tany,
ary fanoratana ny fandehanana manao fivahiniana masina. Ary ao anatin’ity volana ity
dia ahitana alina iray izay sandaina mitovy amin’ny asa natao mihoatra ny arivo volana
ny asa rehetra vita mandram-parain’ny andro” (izany hoe ny ALIN’NY QADR/ANJARA).
Ny vavaka atao amin’ity alina faharoa ambin’ny folo ity:
1 – salato : rakato 8 amakiana : AL FATIHA x 1 sy QADR x 30
Fankasitrahana : Izay mahavita an’ity vavaka ity, araka ny nambaran’ny
mpaminany Mohammad (S) dia hahazo valisoan’ireo olona mpankasitraka sy
mpisaotra an’i Zanahary, ary amin’ny andro fitsanganana dia ho isan’ireo olona
avotra. (ireo mpaminany, ireo sakaizan’i Zanahary ary ireo olona namelan’izy ireo
hafatra/mpandimby azy ireo).
Fotoanany : manomboka amin’ny vita Maghrib mandrapahatongan’ny mangirandratsy. Izay fotoana hahafahanao sy mety hanaovanao azy.
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
Fanamarihana: Atao tsiroaroa hatrany ny vavaka mostahabo rehetra ary tsy
maintsy anatin’ny fahadiovana manazava (wodho) no anaovana azy. Somary
mavesabesatra izy ity, hoy ny shaikh AL MANSOURY, ka azo atao mifanelanelana ny
fanaovana azy. Raha nahavita rakato roa, hoy izy, dia afaka manao zavatra hafa aloha.
Rehefa afa-bizana dia miverina indray manao rakato roa hafa indray. (tena voavao be
amiko mpanoratra izany, saingy manam-pahaizana no miteny azy eto koa dia tsy
isalasalako ny fanarahana izay voalazany).
VAVAKA ALINA FAHA 12 RAMADANY
videO Shaikh AL MANSOURY
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
Azo atambatra amin’ny salato layl ihany koa ity vavaka ity, hoy izy, ka fikasana hanao
an’ilay rakato valo NAFITOL LAYL ihany no atao fa AL FATIHA + AL QUADR 30 isaky ny rakato
no vakiana isaky ny rakato ka hahazo fankasitrahana roa sosona avy hatrany dia ny an’ny
salato AL LAYL sy ny an’ity salato fanao amin’ity alina faha 12 ity. Koa dia fidio izay
tianao/mety aminao.
Ampatsiahivina foana ihany fa ny salato mostahabo rehetra dia: a) azo atao
mipeteraka na ampifamenoana raha “volo/maritra” ny tongotra : mipetraka amin’ny
rakato voalohany, mitsangana amin’ny rakato faharoa na ny mifamadika amin’izay (Tena
mampahatsiaro an’ilay tenin’i Zanahary manambara fa tsy mitady izay hahasarotra zavatra
amintsika Izy fa ny mahamora na facile no ilainy”, b) tsy asiana azhany na ikama.
2 – Doa alina faha 12
Araka ny ambaran’ny shaikh AL MANSOURY amin’ity video ity, dia aoka samy hanao
fikasana hahazo valisoa amin’ny famakiana an’ity doa ity ho an’ny tena, ireo Raiamandreny
niteraka sy ireo Raiamandrein’izy ireo, ny zanaka sy ireo tapaka sy namana rehetra. Fa
tsaratsara kokoa, hoy izy, raha ampiana an’i Mohammad Mpaminany “S” (sy ireo
AHLILBAYT “A”) ny fikasana mba havesatra kokoa ny valisoa ho azo.
Ezaho alefa ilay video dia avereno izay lazainy, azonao ampiasaina tsara ny “PAUSE” isaky ny fehezan-teny iray.
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 24 Aprily 2021
VAVAKA ALINA FAHA 12 RAMADANY
videO Shaikh AL MANSOURY
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
VAVAKA ALINA FAHA 13 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 13ème nuit du mois de RAMADAN)
Mitohy ihany ny fanarahantsika ny fampianaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY.
Amin’ity video ity izy dia mampianatra an’ireo
vavaka atao amin’ny alina faha 13 amin’ny volana
masina Ramadany.
https://www.youtube.com/watch?v=rHmwAP-I-oo
Misy zavatra efatra asongadiny tokony
hatao amin’ity alina ity:
1 – Fandroana manazava (ghrosl)
Araka ny efa nambara hatrizay dia ilaina ny
manao fandroana manazava isaky ny alina tsy
ankasa (impair) rehetra mandritra ny volana Ramadany. Manomboka amin’ny fotoana ilentehan’ny masoandro ka hatramin’ny iposahany indray dia azo anaovana azy avokoa.
(Saingy ilay alohan’ny hanaovana salato Maghribo no tsara indrindra mba ho anaty
hazavana avokoa no anaovana ireo asa rehetra atao).
Tsindriana foana hatrany fa tsy mahasolo FIDIO MANAZAVA ny FANDROANA
MANAZAVA (mostahabo) toy itony. Noho izany tsy maintsy manao fidio manazava ihany
avy eo rehefa hivavaka. Fa azo atao mialoha ny fandroana koa nefa izany. Ny fanaovana ny
fandroana dia mitovy tanteraka amin’ireo fanaovana fandroana manazava miala amin’ny
loto mahazatra ireny fa ny fikasana no samy hafa ka toy izao no lazaina rehefa hanao ny
an’ity alina ity :
AGHRTASSILO GHROSLA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAH TA’ALA
2 – salato : rakato 4 amakiana : AL FATIHA x 1 sy TAOHID 25 isaky ny rakato
Fankasitrahana : Handalo eo amin’ny Pont Sirat ( mankany amin’ny paradisa izay
manify noho ny singam-bolo sy maranitra noho ny hareza) ho toy ny tselatra.
Fotoanany : manomboka amin’ny vita Maghrib mandrapahatongan’ny mangirandratsy. Izay fotoana hahafahanao sy mety hanaovanao azy.
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
Fanamarihana: Atao tsiroaroa hatrany ny vavaka mostahabo rehetra ary tsy
maintsy anatin’ny fahadiovana manazava (wodho) no anaovana azy. Ny sorato rehetra dia
tsy maintsy atomboka amin’ny bismillahir rahmanir rahim foana isaky ny averina vakiana.
VAVAKA ALINA FAHA 13 RAMADANY
videO Shaikh AL MANSOURY
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
3 – Salato rakato 2 amakiana FATIHA + YASIN + AL MOLK + TAOHID isaky
ny rakato. Voalohany amin’ireo alina antsoina hoe LAYALOL BYDH (alina ahitana ny volana
fenomanana sy mandrapahafenony) ny faha 13 volana ka io no salato io no anombohana
azy. Dia mbola miverina io salato io amin’ireo alina faha 14 sy 15 fa mitombo fotsiny ny
isan’ny rakato. Ho hitantsika eo ny tohiny fa ny aina no mateza.
4 – Doa alina faha 13
Araka ny ambaran’ny shaikh AL MANSOURY amin’ity video ity, dia aoka samy hanao
fikasana hahazo valisoa amin’ny famakiana an’ity doa ity ho an’ny tena, ireo Raiamandreny
niteraka sy ireo Raiamandrein’izy ireo, ny zanaka sy ireo tapaka sy namana rehetra. Fa
tsaratsara kokoa, hoy izy, raha ampiana an’i Mohammad Mpaminany “S” (sy ireo
AHLILBAYT “A”) ny fikasana mba havesatra kokoa ny valisoa ho azo.
Ezaho alefa ilay video dia avereno izay lazainy, azonao ampiasaina tsara ny “PAUSE” isaky ny fehezan-teny iray.
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 25 Aprily 2021
VAVAKA ALINA FAHA 13 RAMADANY
videO Shaikh AL MANSOURY
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
VAVAKA ALINA FAHA 14 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 14ème nuit du mois de RAMADAN)
Mitohy ihany ny fanarahantsika ny fampianaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY.
Amin’ity video ity izy dia mampianatra an’ireo vavaka atao amin’ny alina faha 14 amin’ny
volana masina Ramadany.
Anatra avy amin’ny Imamo Ali (A) no
anokafany ny resaka, manao hoe :
“Manaova fangataham-pamelan-keloka
sy doa marobe tokoa ianareo mandritra
ny volana Ramadany. Fa ny doa dia
miaro anareo amin’ny loza. Ary ny
Fangataham-pamelan-keloka kosa dia
mamafa an’ireo fahotanareo”.
Salato roa sy doa hatao amin’ny ity alina ity no atolotry ny shaikh Hassan AL
MANSOURY ho antsika. Isaorantsika lehibe izy ary angatahintsika amin’ny Zanahary mba
ho ela velona sy hiriaria maharitra anaty fahasalamana ka hahavita hanohy maharitra ny
fizarana fahalalana toy izao.
1 – salato : rakato 6 amakiana : AL FATIHA x 1 sy IZHA ZILZALAT 30 /ny rakato
Fankasitrahana : Hesorin’i Zanahary aminy ireo zava-tsarotra amin’ny
fihatrehana ny fialana aina sy ny fanadihadian’i Monkar sy Nakir (ireo anjely roa
mpanadina ny olona amin’ny alina voalohany ipetrahany any am-pasana.
Ny iray amin’ireo zava-tsarotra amin’ny fahafatesana dia mitovy amin’ny vely
sabatra in-3 000.
Fotoanany : manomboka amin’ny vita Maghrib mandrapahatongan’ny mangirandratsy. Izay fotoana hahafahanao sy mety hanaovanao azy.
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
Fanamarihana: Atao tsiroaroa hatrany ny vavaka mostahabo rehetra ary tsy
maintsy anatin’ny fahadiovana manazava (wodho) no anaovana azy. Ny sorato rehetra dia
tsy maintsy atomboka amin’ny bismillahir rahmanir rahim foana isaky ny averina vakiana.
Ny salato mavesatra rehetra dia atao rakato tsiroaroa feno toy ny vavaka maraina feno ary
afaka miala sasatra kely na manao zavatra hafa vao manohy ny manaraka. Dia toy izay
VAVAKA ALINA FAHA 14 RAMADANY
video Shaikh AL MANSOURY
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
hatrany. Tsy asiana azhany na ikama. Azo atao mipetraka ihany koa na dia hoe tsaratsara
kokoa ny manao azy mipetraka.
2 – Salato rakato 4 amakiana FATIHA + YASIN + AL MOLK + TAOHID isaky
ny rakato. Faharoa amin’ireo alina antsoina hoe LAYALOL BYDH (alina ahitana ny volana
fenomanana sy mandrapahafenony) ny faha 14 volana ka izay no naha lasa averina indroa
an’ilay salato hitantsika omaly. Dia mbola miverina io salato io amin’ireo alina faha 15 fa
mitombo fotsiny ny isan’ny rakato. Ho hitantsika eo ny tohiny fa ny aina no mateza.
3 – Doa alina faha 14
Araka ny ambaran’ny shaikh AL MANSOURY amin’ity video ity, dia aoka samy hanao
fikasana hahazo valisoa amin’ny famakiana an’ity doa ity ho an’ny tena, ireo Raiamandreny
niteraka sy ireo Raiamandrein’izy ireo, ny zanaka sy ireo tapaka sy namana rehetra. Fa
tsaratsara kokoa, hoy izy, raha ampiana an’i Mohammad Mpaminany “S” (sy ireo
AHLILBAYT “A”) ny fikasana mba havesatra kokoa ny valisoa ho azo.
Ezaho alefa ilay video dia avereno izay lazainy, azonao ampiasaina tsara ny “PAUSE” isaky ny fehezan-teny iray.
Ity ny rohy ahafahana mijery an’ilay video https://www.youtube.com/watch?v=G0Dazs4pzko
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 26 Aprily 2021 (20h18)
VAVAKA ALINA FAHA 14 RAMADANY
video Shaikh AL MANSOURY
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
VAVAKA ALINA FAHA 15 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 15ème nuit du mois de RAMADAN)
Mitohy ihany ny fanarahantsika ny fampianaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY.
Amin’ity video ity izy dia mampianatra an’ireo vavaka atao amin’ny alina faha 15 amin’ny
volana masina Ramadany. https://www.youtube.com/watch?v=BCOH9owK3Os
Amin’izao alina masina izao hoy
ity shaikh ity dia manavao ny
firariantsoa ho anareo aho sy ny
fangatahana indrafo sy famelan-keloka
sy fankasitrahana ary mirary anareo
mba ho isan’ireo olona afahan’i
Zanahary amin’ny afobe.
Mangataka amin’i Zanahary hoy izy mba hanao antsika rehetra ho isan’ireo olona
hafahany amin’ny afobe.
Ny Imamo Ja’afar as Saadiq (A) hoy izy dia nanambara hoe : “Marina dia marina
tokoa fa i Allah dia manavotra olona marobe tokoa amin’ny afobe isan-kariva mandritra
ny volana Ramadany. Ary rehefa tonga ny alina farany amin’ny volana dia manafaka
olona mitovy isa amin’ireo rehetra nafahany isan’alina Izy”.
Mangataka amin’i Zanahary isika mba hataony anisan’ireo olona hafahany ireo
miaraka amin’i ireo havantsika ary ireo olona tiantsika rehetra.
Ny alina faha 15 dia fisasahan’ny volana Ramadany. Alina lehibe sy gaoavana izy ity
satria voalohany dia isan’ireo alin’ny BYID, faharoa alina fisasahan’ny volana Ramadany
ary fahatelo dia nanampy lanja an’ity alina ity ny nahateran’ny Imamo Hassan ibn Ali (A)
iray amin’ireo olona roa nambaran’i Mohammad (S) fa lehiben’ireo tanora any amin’ny
paradisa. Mangataka amin’i Zanahary isika, hoy ny shaikh AL MANSOURY mba hamela ny
fahotantsika rehetra amin’ny alalan’ny zon’ny Imamo Hassan (A) aminy
Misy zavatra efatra asongadiny tokony hatao amin’ity alina ity:
1 – Fandroana manazava (ghrosl)
Araka ny efa nambara hatrizay dia ilaina ny manao fandroana manazava isaky ny
alina tsy ankasa (impair) rehetra mandritra ny volana Ramadany. Manomboka amin’ny
fotoana ilen-tehan’ny masoandro ka hatramin’ny iposahany indray dia azo anaovana azy
VAVAKA ALINA FAHA 15 RAMADANY
videO Shaikh AL MANSOURY
Pejy 1 @ 3
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
avokoa. (Saingy ilay alohan’ny hanaovana salato Maghribo no tsara indrindra mba ho anaty
hazavana avokoa no anaovana ireo asa rehetra atao).
Tsindriana foana hatrany fa tsy mahasolo FIDIO MANAZAVA ny FANDROANA
MANAZAVA (mostahabo) toy itony. Noho izany tsy maintsy manao fidio manazava ihany
avy eo rehefa hivavaka. Fa azo atao mialoha ny fandroana koa nefa izany. Ny fanaovana ny
fandroana dia mitovy tanteraka amin’ireo fanaovana fandroana manazava miala amin’ny
loto mahazatra ireny fa ny fikasana no samy hafa ka toy izao no lazaina rehefa hanao ny
an’ity alina ity :
AGHRTASSILO GHROSLA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAH TA’ALA
Ny fotoana fanaovana azy dia manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro mandrapiposany indray.
2 – Zyarat Imamo Houssen (A)
Ny famangiana ny Imamo Houssen (A) amin’ity alina ity dia ho sandain’i
Zanahary amin’ny famafana ny fahotana sy ny hadisoana rehetra ho toy
teraka vaovao indray (madio amin’ny fahotana), sy homeny valisoa toy ny
nanao fivahiniana masina, hisy hiantso azy ary haheno izany antso izany
avokoa ny zavaboary rehetra ankoatra an’ireo manana fanahy (ny olombelona
sy ny djin) manao hoe : “Ô ry mpanompon’i Allah! Ankasitrahana ny asa
nataonao namangy ny Imamo Houssen (A), ka indro ny vaovao tsara ho
anao: Madio tanteraka amin’ny fahotana ianao fa miverena manao asa
vaovao indray.”
Izay zyarat atao dia mety avokoa amin’ity alina ity. Ho an’ireo izay afaka
tonga any Karbala dia vao maika tsara. Fa ho an’ireo izay tsy afaka mandeha
any dia afaka manao izany amin’ny toerana misy azy rehetra. Misy zyarat maro
isan-karazany azo vakiana. Fa aza hadino anefa ny miteny an’ity na nahavita
namaky zyarat ianao na tsia ASSALAAMO ANLAIKA YA ABAA ABDILLAHY,
ASSALAAMO ANLAYKA WA RAHMATOLLAHY WA BARAKAATOHO fa
voaresaka avy amin’ireo olomasina mpitarika ny finoana fa izay manao izany
dia hosoratan’i Zanahary ho toy ny nahavita fivahiniana masina amin’ny volana
fanaovana azy indray mandeha sy amin’ny volana hafa koa indray mandeha.
3 – Salato rakato 6 amakiana FATIHA + YASIN + AL MOLK + TAOHID isaky
ny rakato. Satria alina fahatelo amin’ireo alina antsoina hoe LAYALOL BYDH (alina ahitana
VAVAKA ALINA FAHA 15 RAMADANY
videO Shaikh AL MANSOURY
Pejy 2 @ 3
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
ny volana fenomanana sy mandrapahafenony) ny faha 15 ny volana dia averina in-3 ilay
salato rakato roa natao tamin’ny alina faha 13 iny. Izay no mahatonga azy ho rakato 6 eto.
Ampatsiahivina foana ihany fa ny salato mavesatra toy itony dia azo atao mifanelanelana
(afaka miala sasatra, mandeha manao zavatra hafa aloha izay vao miverina manao roa hafa
indray. Tsy asiana azhany na ikama satria salato mostahabo)
4 – salato : rakato 4 vavaka manokana amin’ny alina faha 15
Amin’ny rakato 2 voalohany AL FATIHA x 1 sy TAOHID 100 isaky ny rakato
Amin’ny rakato 2 voalohany AL FATIHA x 1 sy TAOHID 50 isaky ny rakato
Fankasitrahana : Ho voafafa avokoa ny fahotana rehetra na dia mitovy amin’ny
ranomasina aza, na mitovy amin’ny fasika sy ireo ravin-kazo na koa ny kintan’ny
lanitra ao anatin’ny indray mipi-maso ary homen’i Zanahary fahasoavana izay Izy
manome azy ihany no mahay azy.
Fotoanany : manomboka amin’ny vita Maghrib mandrapahatongan’ny mangirandratsy. Izay fotoana hahafahanao sy mety hanaovanao azy.
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
5 – Doa alina faha 14
Araka ny ambaran’ny shaikh AL MANSOURY amin’ity video ity, dia aoka samy hanao
fikasana hahazo valisoa amin’ny famakiana an’ity doa ity ho an’ny tena, ireo Raiamandreny
niteraka sy ireo Raiamandrein’izy ireo, ny zanaka sy ireo tapaka sy namana rehetra. Fa
tsaratsara kokoa, hoy izy, raha ampiana an’i Mohammad Mpaminany “S” (sy ireo
AHLILBAYT “A”) ny fikasana mba havesatra kokoa ny valisoa ho azo.
، المنان أنت موالي، الحنان أنت سيدي: )15( دعاء الليلة
، الحليم أنت سيدي، الغفور أنت موالي، الكريم أنت سيدي
القريب أنت موالي، العزيز أنت سيدي، الوهاب أنت موالي
الصمد أنت سيدي، القاهر انت موالي، الواحد انت سيدي،
واغفر لي، صل على محمد وآله، العزيز أنت موالي،
٠ وارحمني وتجاوز عني إنك أنت األج ّل األعظم
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 27 Aprily 2021
VAVAKA ALINA FAHA 15 RAMADANY
videO Shaikh AL MANSOURY
Pejy 3 @ 3
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
VAVAKA ALINA FAHA 16 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 16ème nuit du mois de RAMADAN)
Mitohy ihany ny fanarahantsika ny fampianaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY.
Amin’ity video ity izy dia mampianatra an’ireo vavaka atao amin’ny alina faha 16 amin’ny
volana masina Ramadany. https://www.youtube.com/watch?v=4oXxVwgSnaM
Tenin’i Mohammad (S) no
anokafany ny resaka : “Marina dia
marina tokoa fa izay mitandrina mafy
zavatra enina amin’ny volana
Ramadany dia ho fafan’i Zanahary
avokoa ny fahotany rehetra Zanahary
ireo fahotany :
- Miaro ny finoany
- ….ny vatany
- Mampitohy fihavanana na
mamangivangy amin’ireo iray rà aminy
- Tsy manelingelina na mampijaly ireo mpifanolo-bodirindrina aminy
- Mikarakara ny rahalahiny
- Mifehy ny lelany
Fa ny momba ny fifehezana kosa dia Zanahary irery ihany no mahalala ny valisoa omeny
izay manao izany”.
Zavatra roa no ambaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY fa tokony hatao amin’ity
alina ity dia salato sy doa:
1 – salato 12 rakato (atao tsiroarao feno averina in’6)
AL FATIHA x 1 sy TAKAA-THOR 12 isaky ny rakato no vakiana
Fankasitrahana : Hirehareha sy ho miramirana izy mivoaka ny fasany amin’ny andro
fitsanganana ary hiteny mafy ny shahadatainy ka hahazo baiko ny hiditra ny paradisa
tsy misy fitsarana (Mangataka amin’i Allah ilay Masina sy Avo indridra isika mba samy
ho isan’ireo olona ireo)
Fotoanany : manomboka amin’ny vita Maghrib mandrapahatongan’ny mangirandratsy. Izay fotoana hahafahanao sy mety hanaovanao azy.
VAVAKA ALINA FAHA 16 RAMADANY
video Shaikh AL MANSOURY
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAHY TA’ALA. Tsy asiana
Azhany na ikama fa tonga dia atomboka ary faranana amin’ny salamo foana hatrany isaky ny
nahavita rakato roa ary manomboka roa hafa indray. Ny fikasana dia eny amboalohany ihany
no atao.
Tsy voatery hivoaka amin’ny lela, hoy ny shaikh AL MANSOURY ny fikasana satria vao
maka toerana ianao hanao an’io salato io dia efa hain’i Zanahary ny zavatra hataonao.
Ny sorato rehetra vakiana dia tsy maintsy atomboka amin’ny basmalah foana ihany.
Ampatsiahivina hatrany fa azo atao mipetraka izy ity satria salato mostahabo. Fa bebe kokoa
ny fankasitrahana avy amin’i Zanahary raha manao azy mitsangana.
2 – Doa alina faha 16
Araka ny ambaran’ny shaikh AL MANSOURY amin’ity video ity, dia aoka samy hanao
fikasana hahazo valisoa amin’ny famakiana an’ity doa ity ho an’ny tena, ireo Raiamandreny
niteraka sy ireo Raiamandrein’izy ireo, ny zanaka sy ireo tapaka sy namana rehetra na efa
maty na mbola velona. Fa tsaratsara kokoa, hoy izy, raha ampiana an’i Mohammad
Mpaminany “S” (sy ireo AHLILBAYT “A”) ny fikasana mba havesatra kokoa ny valisoa ho azo.
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 28 Aprily 2021 (2Oh21)
VAVAKA ALINA FAHA 16 RAMADANY
video Shaikh AL MANSOURY
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
VAVAKA ALINA FAHA 17 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 17ème nuit du mois de RAMADAN)
Mitohy ihany ny fanarahantsika ny fampianaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY.
Amin’ity video ity izy dia mampianatra an’ireo vavaka atao amin’ny alina faha 17 amin’ny
volana masina Ramadany. https://www.youtube.com/watch?v=-gpVYVSBtlQ
Misy zavatra telo asongadiny
tokony hatao amin’ity alina ity. Fa
resak’i Mohammad Mpaminany (S) no
entiny manokatra ny tena resaka,
manao hoe : “Izay olona manamaro ny
fanaovana salawato amiko mandritra
ny volana Ramadany dia hataon’i
Zanahary ho mavesa-danja ny asa soa
vitany amin’ny andro mahamaivana ny
lanja/andro fitsarana”
ALLAHOMMA SALLY ANLA MOHAMMADIN WA AAALY MOHAMMAD
(sady alin’ny Zoma isika izao kao dia manararaota manao izany maro dia maro satria
mivahiny eto an-tany indray ireo anjely marobe mitondra penina volamena sy boky
volafotsy manoratra ny anaran’olona tsirairay izay manao salawato sy ny isan’ireo izay
vitany, ka Zoma maty masoandro ry zareo vao mandao ny tany indray).
Alina manan-danja ny anio alina, hoy ny shaikh AL MANSOURY, satria ahatsiarovana
ny ADIN’NY BADR, ilay ady natrehan’ireo mpino silamo voalohany rehefa tonga marobe
namaky ady tamin’izy ireo jentilisa. Noho izany dia mostahabo ny manao sadaka sy manao
fisaorana an’i Allah amin’ity alina ity. (efa hitantsika ny fanaovana salato fisaorana na
SHOKR). Ilaina ny misaotra an’i Allah, ilay Tompon’ny hery sy ny voninahitra, amin’ireo
fahasoavana nomeny antsika amin’ny fahasoavan’ny finoana silamo sy ny herin’ny finoana.
Misy zavatra telo, hoy izy, fanao anio alina, maivana nefa zava-dehibe sy ahazoana
valisoa goavana.
1 – Fandroana manazava (ghrosl)
Araka ny nambaran’ny Imamo Saadiq (A), hoy ny shaikh AL MANSOURY, dia ilaina ny
manao fandroana manazava isaky ny alina tsy ankasa (impair) rehetra mandritra ny volana
Ramadany. Manomboka amin’ny fotoana ilen-tehan’ny masoandro ka hatramin’ny
iposahany indray dia azo anaovana azy avokoa. (Saingy ilay alohan’ny hanaovana salato
VAVAKA ALINA FAHA 17 RAMADANY
KORBATANE ILALLAH 2021
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2021)
Maghribo no tsara indrindra mba ho anaty hazavana avokoa no anaovana ireo asa rehetra
atao). Amin’ity alina faha 17 ity, hoy ny shaikh AL MANSOURY, dia mahafaoka ny fidio
manazava ny fandroana manazava atao, araka ny fampianarana avy amin’ny Ayatoullahy
al Ouzma, ny sayyed ALI AL SISTANI (ho ela velona anie izy). Noho izany, tsy mila manao
wodho intsony izay nahavita ghrosl amin’ity alina faha 17 ity fa afaka manao salato avy
hatrany. (Ny an’ireo mardja hafa tsy haiko fa aoka samy hijery ny voalazan’ny mardja
arahiny. Na aleo manao wodho alohan’ny hanao ghrosl dia milamina amin’izay).
Fikasana : AGHRTASSILO GHROSLA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAH TA’ALA
2 – salato : rakato 2
Rakato voalohany: AL FATIHA x 1 sy IZAY TIANAO
Rakato faharoa: AL FATIHA x 1 sy IKHRLAS in-100 (in-jato)
Rehefa tapitra ny salato dia miteny in-100 (zato) hoe
LAA ILAAHA ILLA ALLAH (Tsy misy Zanahary afa-tsy i Allah)
Fankasitrahana : Hahazo valisoa toy ny nanao hadj (fivahiniana masina any Lameka
amin’ny fotoana voatondro fanaovana azy) in-1.000.000, Omra (fivahiniana masina
any Lameka amin’ny fotoana hafa) 1.000, ary toy ny nandray anjara tamin’ireo ady
natanon’ireo mpiono niarovana ny finoana, miisa 1.000.
(Ny hadj iray dia mamafa ny fahotana rehetra ka hahatonga ny olona hadio tanteraka
amin’ny fahotany toy ny vao teraka indray)
Fotoanany : manomboka amin’ny vita Maghrib mandrapahatongan’ny mangirandratsy. Izay fotoana hahafahanao sy mety hanaovanao azy.
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
4 – Doa alina faha 13
وأمرت، الذي أنزلت فيه القرآن، اللهم هذا شهر رمضان: )17( دعاء الليلة
فقد اجتهدنا، وضمنت لنا فيه اإلجابة، بعمارة المساجد فيه والدعاء والصيام والقيام
وارحمنا، فانك ربنا، واعف عنا، وال تجعله آخر العهد منا، وأنت أعنتنا فاغفر لنا فيه
. فإنك أنت األج ّل األعظم، واجعلنا ممن ينقلب إلى مغفرتك ورضوانك، فانك سيدنا
ضياء الصالحين/ 47
: 98 عنه البحار
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
Houssen ch. 29 Aprily 2021
VAVAKA ALINA FAHA 17 RAMADANY
KORBATANE ILALLAH 2021
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
VAVAKA ALINA FAHA 18 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 18ème nuit du mois de RAMADAN)
Mitohy ihany ny fanarahantsika ny fampianaran’ny shaikh Hassan AL MANSOURY. Amin’ity
video ity izy dia mampianatra an’ireo vavaka atao amin’ny alina faha 18 amin’ny volana masina
Ramadany. https://www.youtube.com/watch?v=O0xhA_cbRMs
Ampatsiahiviny etoana fa ity fa tokny volana Ramadany ity dia volana fiandrandrana famelankeloka amin’ilay Nahary. Ary araka ny nambaran’i Mohammad Mpaminany (Zanahary anie hanondrotra
voninahitra sy hanome fiadanana azy sy ireo
fianakaviany voadio) dia izay olona tsy voavela
heloka anatin’ity volana masina ity no olona
farany ratsy sy maty antoka indrindra. Ka aoka
mba samy hanararaotra ny hangataka
an’izany famelan-keloka
izany
andro
aman’alina mandritra ny volana Ramadany
manontolo.
Zavatra roa maivana ihany no zarain’ny
shaikh AL MANSOURY amin’ity video ity. Na
dia izany aza hoy izy dia aza atao ambaninjavatra fa ataovy amin’ny fo feno fitiavana sy
feno fifantohana satria Zanahary dia mila
antsika hiditra any amin’ny paradisa soa. Saingy mila ezaka avy amintsika tsirairay avy izany satria samy
handray ny valin’asany avokoa amin’ny andro fitsarana/farany. Ka mila miezaka manantona an’ilay
Nahary foana. Ka ny salato hoy izy dia iray amin’ireo fomba entina manakaiky hatrany an’ilay Nahary. Ka
salato iray sy doa no ampitainy eto:
1 – Ny salato
Momba azy: Rakato 4 atao tsiroaroa toy ny vavaka maraina feno. Tsy asiana azany sy ikama fa
ny fikasana hanao salato efatra rakato no atao eny am-piandohana. Ny sorato AL FATIHA 1 + AL
KAOTHAR 25 no vakiana isaky ny rakato.
Fankasitrahana avy amin’ilay Nahary (saoabo): Araka ny resaka nampitain’ny Imamo Ali (A), ny
Mpaminany Mohammad (S) dia nanambara fa izay nahavita an’izany vavaka izany dia hanambaran’ilay
anjely mpaka fanahy fa Zanahary dia faly sy ravo aminy.
Nyat : OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLAT QORBATANE ILALLAHY TA’ALA.
Tsy voatery hivoaka amin’ny lela, hoy ny shaikh AL MANSOURY ny fikasana satria vao maka
toerana ianao hanao an’io salato io dia efa hain’i Zanahary ny zavatra hataonao.
Ny sorato rehetra vakiana dia tsy maintsy atomboka amin’ny basmalah foana ihany.
Ampatsiahivina hatrany fa azo atao mipetraka izy ity satria salato mostahabo. Fa bebe kokoa ny
fankasitrahana avy amin’i Zanahary raha manao azy mitsangana.
VAVAKA ALINA FAHA 18 RAMADANY
Houssen Féli
19 Aprily 2022
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
Misy tantara kely moa nolazainy ato, entiny mandravaka azy, hoe indray andro i Abrahama
Mpaminany (Homba azy anie ny fiadanana) nahita an’ity anjely mpaka fanahy ity ka nanontany azy ny
fomba fibedany ny fanahin’ireo mpino. Dia nasainy nitodika ambadika kely aloha. Avy eo niverina
nijery azy avy eo ka olona tsara tarehy sy fitafy ary fofona no hitany teo. Dia hoy i Abrahama (H) taminy
hoe “Na tsy hahita afa-tsy ny endrikao mahafatifaty fotsiny aza mpino dia efa ampy azy ireo izany”.
Avy eo indray i Abrahama (H) niteny taminy hoe : “Asehoy hay indray hoe ahoana no ataonao
maka ny fanahin’ireo olona mpitsipaka/mafihatoka/jentilisa”. Dia niteny taminy ilay anjely mpaka
fanahy hoe: “Tsy zakanao/tantinao”. Dia namaly azy i Abrahama fa zakany tsara. Dia hoy nasainy nitodika
kely vetivety indray. Ka rehefa niverina nijery azy dia nahita olona mainty be sy goavana mampihoronkoditra, ny tongony roa eto an-tany, ny lohany manaka-danitra ary isaky ny singambolo amin’ny vatany
dia nahitana afo avokoa… Dia torana avy hatrany i Abrahama nahita izany. Avy eo rehefa nahatsiaro tena
izy dia niteny hoe : “Na tsy hahita ny afobe aza ireo mpitsipaka, ny fahitan’izy ireo ny endrikao toa an’io
dia efa ampy azy ireo izany”. Ka ny fanaovana an’io salato voalazo eo ambony io hoy ny shaikh AL
MANSOURY dia isan’ny manavotra amin’izany tranga izany.
2 – Doa alina faha 18
Araka ny ambaran’ny shaikh AL MANSOURY amin’ity video ity, dia manentana antsika tsirairay
hangataka ho an’i Mohammad Mpaminany (S) sy ireo fianakaviany masina, ho an’ireo
Raiamandrenitsika, ny havantsika, ny namana mpino rehetra, ary izy dia manao fikasana mangataka ho
an’izay rehetra manaraka ny fampianarany ao amin’ny “chaîne youtube-ny”.
BISMILLAHIR RAHMAANIR RAHIM
ALLAHOMMA SALLY A’LA MOHAMMADIN AALY MOHAMMAD
ALLAHOMMA NAB-BIHNY FIHY LIBARAKAATY AS’HAARIH
WA NAW-WIR QALBY FIHI BIDHYAAHY ANWAARIH
WA KRHOZ BIKOL-LY A’AN-DHAAA-Y ILA IT-TIBAA-Ï AATHAAARIH
BINOORIKA YA MONAW-WIRA QOLOOBIL AN-RIFIYN
Ialana tsiny fa tsy tratra ny nanoratra azy amin’ny teny arabo. Fa efa 21h22 izao fa dia aleo ho zokin’ny
ao aoriana e.
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
NODIOVINAO
Houssen Féli. 19 Aprily 2022 (21h26)
VAVAKA ALINA FAHA 18 RAMADANY
Houssen Féli
19 Aprily 2022
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
VAVAKA ALINA FAHA 27 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 27ème nuit du mois de RAMADAN)
Fampatsiahivana ny tenin’ny Mpaminany Mohammad (S) no anombohan’ny shaikh AL MANSOURY
ny fampianarany anio « Ireo vavahadin’ny lanitra dia misokatra midanadana avokoa manomboka amin’ny alina
voalohany amin’ny volana Ramadany ka tsy mikatona mihitsy mandrapahatapitry ny volana »
Amin’ity alina ity dia asa fanompoana telo no ampianariny antsika.
1) Fandroana manazava
Ny fandroana manazava moa dia efa noresahany hatrany amboalohany fa atao isak’ireo alina
tsy an-kasa (nuit impaire) mandritra ny volana masina Ramadany ary koa ireo alina folo farany
aminy. Ampatsiahivina ihany fa
tsy mahasolo ny fidio manazava
(na wodho) akory ity fandroana
manazava atao eto ity. Noho izany
ilaina foana ihany ny manao fidio
manazava rehefa hivavaka (na koa
hamaky koroany).
Efa voaresaka matetika moa ny
momba ny fanaovana azy hoe
mitovy amin’ny fanavovana fidio
manazava rehetra fanao (djanaba,
na koa ireo mostahabo rehetra
sns…) koa dia tsy iverenantsika
intsony. Ny fotoana azo anaovana
azy dia mitovy ihany, manomboka
amin’ny filentehan’ny masoandro mandrapahatongan’ny mangiran-dratsy (leran’ny azany
maraina). Rohy ahitana ny video https://www.youtube.com/watch?v=GQlYc7dq5FY&t=134s
2) Salato (vavaka fanompoana)
Salato efa hitantsika hatrizay ao amin’ilay tabilao namboariko mirakitra an’ireo vavaka fanao
amin’ny alina ramadany manomboka hatramin’ny alina voalohany hatramin’ny alina faha 30
no ampianariny antsika etoana.
Izay manao ity vavaka ity dia HO FAFAN’I ZANAHARY NY FAHOTANY SY FAHOTAN’IREO
RAIAMANDRENINY. Ka izay rehetra te hanao fanomezana ho an’ireo Raiamandreniny dia aoka
hanatanteraka azy ity hoy ny shaikh Hassan AL MANSOURY.
Ny sorato AL FATIHA sy AL MOLK no vakiana indray mandeha avy isaky ny rakato. Raha tsy
mahavita mamaky ny sorato AL MOLK dia azo soloina sorato AL IKHRLAS x 25 no vakiana isaky
ny rakato. Ampatsiahivina ihany fa tsy maintsy atomboka amin’ny basmalah avokoa ny
VAVAKA ALINA FAHA 27 RAMADANY
Houssen Féli
28 Aprily 2022 19h16
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
famakiana ny sorato ka raha hamaky ny sorato al ikhrlas x 25 izany dia mamaky ny basmalah
in-25 izay atao isaky ny hanomboka hamaky ny sorato.
Ampatsiahivina ihany fa ny salato ankoatra an’ireo 5 fanao isan’andro dia atao tsiroaroa ohatra
ny vavaka maraina izay atomboka amin’ny TAKBIRAT AL IHRAAM ary faranana amin’ny salamo.
Eto izany dia indroa averina izany satria efatra rakato ilay vavaka. Ho an’ireo salato folo rakato,
ohatra, dia averina in-dimy. Fa ny fikasana hanao salato sy ireo isan’ny rakato atao dia atao eny
am-piandohana avokoa.
3) Doa alina faha 27 Ramadany
Ampatsiahivin’ny shaikh AL MANSOURY etoana moa ny fisian’ireo doa iraisana famaky
isan’alina mandritra an’ireo alina folo farany amin’ny volana Ramadany izay nataony anatin’ity
rohy ity https://youtu.be/0lKRZ75koH8. Fa ny doa manokana ho an’ny alina 27 aloha resahintsika
سا ِب َع ِة وال ِعشرين
ّ دُعاء اللّيلة ال
ّ ِ يا مآد ال
ْ َعلَ ْي ِه َد ِليل ثُم قَب
يا ذَا،ًسيرا
َ س
ِ َضتَهُ قَبْضا ً ي
ِ ظ ِ ّل َو َلو
َ َو َجعَ ْلتَ الش ْم،شئْتَ َل َجعَ ْلتَهُ سا ِكنا
َ ال إِله،ب َوالشها َد ِة الرحْ م ُن الر ِحي ُم
ِ الجو ِد َوالط ْو ِل َوال ِكب ِْر
ِ ال إِلهَ إِالّ أ َ ْنتَ عا ِل ُم الغَ ْي،ياء َواآل ِالء
ُ سل ُم يا ُم ْؤ ِمنُ يا ُم َهي ِْمنُ يا ع َِز
ق يا
ُ ار يا ُمت َ َك ِبّ ُر يا هللا يا خا ِل
َ ُّوس يا
ُ يز يا َجب
ُ ِإالّ أ َ ْنتَ يا قُد
،سنى َواالَ ْمثا ُل العُ ْليا َوال ِكب ِْريا ُء َواآلالُء
َ ي يا ُم
ْ لَكَ االَسماء ال ُح،ُ يا هللا يا هللا يا هللا،ص ّ ِو ُر
ِ
ُ بار
،داء
َ ُ سأَلُكَ أ َ ْن ت
ِ س َع
ْ َوأ َ ْن تَجْ َع َل ا،ٍي عَلى ُم َحم ٍد َوآ ِل ُم َحمد
ْ َأ
ُّ س ِمي ِفي ه ِذ ِه اللّ ْيلَ ِة ِفي ال
َ ّص ِل
َ ّ َو ِإحْ سانِي فِي ِع ِلّ ِي،وحي َم َع الشُّهداء
ش ُر ِب ِه
ِ ب ِلي يَ ِقينا ً تُبا
ِ َو ُر
َ َوأ َ ْن ت َ َه،ًورة
َ ُ َو ِإسائَتِي َم ْغف،ين
ْ ً َوإِيْمانا،قَ ْلبِي
سنَةً َوفِي
َ هب الش ِّك
َ َوآتِنا فِي ال ُّد ْنيا َح،سمتَ ِلي
ْ َ َوت َ ْر ِضيَنِي بِما ق،ع ِنّي
ُ يذ
َش ْك َركَ َوالر ْغبَةَ ِإلَ ْيكَ َوا ِالنابَة
ُ ار ُز ْقنِي فِيْها ِذ ْك َركَ َو
َ اآلخر ِة َح
َ َوقِنا ع،ًسنَة
ْ َو،يق
َ
ِ َذاب النّ ِار ال َح ِر
علَي ِْه ْم
َ علَ ْي ِه َو
َ صلى هللا
َوالت ْوبَةَ َوالت ْوفِيقَ ِلما َوف ْقتَ لَهُ ُم َحمدا ً َوآ َل ُم َحم ٍد
َ
َ )روي أن اإلمام زين العابدين (عليه السلم
كان يَقول فيها ِمن أول اللّيلة الى آخرها
Ny Imamo Zainol Abidine (A) dia niteny an’ity nanomboka hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny
farany (alina)
ت
ِ ت قَ ْب َل ُحلُو ِل الفَ ْو
ِ ستِ ْعدا ِد ِل ْل َم ْو
ْ َوا ِال،ِدار ال ُخلُود
ْ الل ُهم
ِ َوا ِالنابَةَ إِلى،رور
ِ ُدار الغ
ِ ار ُز ْقنِي التجافِي ع َْن
Mbola misy doa iray vakiany ao anatin’ity video ity fa dia izay aloha no tratra anio fa mbola reradreraky
ny avy niasa fa dia mazotoa manararaotra manompo e. Dia mamerimberena fangataham-pamelan-keloka
faran’izay matetika amin’izao fotoana faramparany izao.
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
NODIOVINAO
VAVAKA ALINA FAHA 27 RAMADANY
Houssen Féli
28 Aprily 2022 19h16
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
VAVAKA ALINA FAHA 28 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 28ème nuit du mois de RAMADAN)
Mirary ny fifehezana nataontsika tsirairay mba heken’i Zanahary avokoa izy rehetra ny shaikh AL
MANSOURY. Toy ny mahazatra isan’alina moa dia ity dia asa fanompoana telo no ampianariny antsika.
1) Fandroana manazava
Ny fandroana manazava moa dia efa noresahany hatrany amboalohany fa atao isak’ireo alina tsy
an-kasa (nuit impaire) mandritra ny volana masina Ramadany ary koa ireo alina folo farany aminy.
Ampatsiahivina ihany fa tsy mahasolo ny fidio manazava (na wodho) akory ity fandroana manazava
atao eto ity. Noho izany ilaina foana ihany ny
manao fidio manazava rehefa hivavaka (na
koa hamaky koroany).
Efa voaresaka matetika moa ny momba ny
fanaovana azy hoe mitovy amin’ny
fanavovana fidio manazava rehetra fanao
(djanaba, na koa ireo mostahabo rehetra
sns…) koa dia tsy iverenantsika intsony. Ny
fotoana azo anaovana azy dia mitovy ihany,
manomboka
amin’ny
filentehan’ny
masoandro mandrapahatongan’ ny mangirandratsy (leran’ny azany maraina). Rohy ahitana
ny video https://www.youtube.com/watch?v=9QtUdEB9V6M
2) Salato (vavaka fanompoana)
Salato efa hitantsika hatrizay ao amin’ilay tabilao namboariko mirakitra an’ireo vavaka fanao
amin’ny alina ramadany manomboka hatramin’ny alina voalohany hatramin’ny alina faha 30 no
ampianariny antsika etoana.
Anio alina faha 28 ny volana Ramadany dia salato 6 rakato no fanao.
Ampatsiahivina ihany fa ny salato ankoatra an’ireo 5 fanao isan’andro dia atao tsiroaroa ohatra ny
vavaka maraina izay atomboka amin’ny TAKBIRAT AL IHRAAM ary faranana amin’ny salamo. Eto izany
dia indroa averina izany satria efatra rakato ilay vavaka. Ho an’ireo salato folo rakato, ohatra, dia
averina in-dimy. Fa ny fikasana hanao salato sy ireo isan’ny rakato atao dia atao eny am-piandohana
avokoa. SKa ny anio alina izany dia salato rakato 2 averina intelo ka ireto avy no vakiana isaky ny
rakato:
Fatiha 1 + Ayatol korsy 10 + Kaosar 10 + Ikhrlas 10
Ny tsaratsara kokoa hoy izy dia vakiana hatramin’ny HOM FIHA KHRALIDOONA ny Ayatol Korsy, izany hoe
ireo ayato telo misesy. Fa misy ihany ireo manam-pahaizana manambara fa azo atao ny mamaky an’ilay ayato
voalohany fotsiny (miafara amin’ny HOWAL ALY’OL AZHIM) indrindra, hoy izy, ho an’ireo mpanaraka ny Mardja
lehibe ny Ayatollah ny Sayyed AL SISTANI (ho lava velona anie izy).
Ny fikasana moa dia toy ny mahazatra ihany : OSSAL-LY SALATA HAZHIHIL LAYLATY QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
VAVAKA ALINA FAHA 28 RAMADANY
Houssen Féli
29 Aprily 2022 18h49
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
3) Doa alina faha 28 Ramadany
Ampatsiahivin’ny shaikh AL MANSOURY etoana moa ny fisian’ireo doa iraisana famaky isan’alina
mandritra an’ireo alina folo farany amin’ny volana Ramadany izay nataony anatin’ity rohy ity
https://youtu.be/0lKRZ75koH8. Fa ny doa manokana ho an’ny alina 28 aloha resahintsika izao.
دِعاءِاللِيلةِالثامِنِةِِواِلعِشرين
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
NODIOVINAO
VAVAKA ALINA FAHA 28 RAMADANY
Houssen Féli
29 Aprily 2022 18h49
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
VAVAKA ALINA FAHA 29 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 29ème nuit du mois de RAMADAN)
Efa manomboka manao veloma antsika ny volana masina Ramadany hoy ny shaikh Hassan AL
MANSOURY satria raha betsaka dia andro roa sisa no ananatsika azy. Koa dia aoka samy hanararaotra
amin’ity fotoana ity. Manararaota manao izay farany azo atao mba homen’i Zanahary tsy ho isan’ireo ho
voasoratra ho varimbariana (ghrafilona) satria amin’ny zavatra toy itony no tena ifaninanana. Ka misy
teny nahafinaritra izay henoko tamin’ny radio matetika fony fahazaza ka indramiko kely anio manao hoe
TSY NY NAMANAO NO IFANINANANAO FA NY
TSARA VITANAO OMALY.
1) Fandroana manazava
Araka ny efa noresahany hatrany
amboalohany fa atao isak’ireo alina tsy ankasa (nuit impaire) mandritra ny volana
masina Ramadany ary koa ireo alina folo
farany aminy. Ampatsiahivina ihany fa tsy
mahasolo ny fidio manazava (na wodho)
akory ity fandroana manazava atao eto ity).
Efa voaresaka matetika moa ny momba ny fanaovana azy koa dia tsy iverenantsika intsony.
https://www.youtube.com/watch?v=t6EesVQzAHc
2) Salato (vavaka fanompoana)
Salato efa hitantsika hatrizay ao amin’ilay tabilao namboariko mirakitra an’ireo vavaka fanao
amin’ny alina ramadany manomboka hatramin’ny alina voalohany hatramin’ny alina faha 30 no
ampianariny antsika etoana.
Anio alina faha 29 ny volana Ramadany dia salato 2 rakato maivana no fanao. Ny fikasana moa dia toy ny
mahazatra ihany : OSSAL-LY RAKA’ANTAYN HAZHIHIL LAYLATY QORBATANE ILALLAHY TA’ALA na koa
OSSAL-LY RAKA’ANTAYNY QORBATANE ILALLAHY TA’ALA
Ampatsiahivina fa ny fikasana dia ao am-po fa na tenenina (mivoaka ny vava) aza tsy olana, hoy ny shaikh AL
MANSOURY. Ireto avy no vakiana isaky ny rakato:
Fatiha 1 + Ikhrlas 20
Izay manao an’ity salato, araka ny nambaran’i Mohammad Mpaminany (S) dia ho isan’ireo angorahana ary
ny bokim-piainany dia hasandratra ho isan’ireo avo dia avo (tokoa).
3) Doa alina faha 29 Ramadany
Ampatsiahivin’ny shaikh AL MANSOURY etoana moa ny fisian’ireo doa iraisana famaky isan’alina
mandritra an’ireo alina folo farany amin’ny volana Ramadany izay nataony anatin’ity rohy ity
https://youtu.be/0lKRZ75koH8. Fa ny doa manokana ho an’ny alina 29 aloha resahintsika izao izay
nanatsongany ho antsika doa roa.
VAVAKA ALINA FAHA 29 RAMADANY
Houssen Féli
30 Aprily 2022 21h30
Pejy 1 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
دعاء اللّيل ِة التاسع ِة وال ِعشرين
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
NODIOVINAO
VAVAKA ALINA FAHA 29 RAMADANY
Houssen Féli
30 Aprily 2022 21h30
Pejy 2 @ 2
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
VAVAKA ALINA FAHA 30 AMIN’NY VOLANA RAMADANY
(Prières de la 30ème nuit du mois de RAMADAN)
Efa an-dalana mandao antsika ny volana Ramadany amin’izao fotoana anoratako izao satria tsy hay
na hita amin’ny maty masoandro eo ny volana na tsia. Raha hita moa izy dia mifarana izany ny volana
Ramadany. Raha tsy hita kosa dia misaora an’i Zanahary fa mbola nomeny 24 ivahiniana ao aminy ka
manararaota manao amaly maro. Maro kokoa noho ireo fanomeny isan’alina ireo zavatra atolotry ny shaikh
Hassan AL MANSOURY etoana. https://www.youtube.com/watch?v=LNoxjyiSeDs&t=30s
1) Fandroana manazava
Araka ny mahazatra moa dia atombony
amin’ity asa iray ity ireo zavatra omeny. Saingy
tsindriany tsara fa voadidy hatao akory izany fa
dia mijanona ho mostahabo fotsiny ihany ho
an’ireo
izay
mazoto
hanao
izany.
Ampatsiahivina ihany fa tsy mahasolo ny
fidio manazava (na wodho) akory ity
fandroana manazava atao eto ity). Noho
izany aza hadinoana ny manao fidio
manazava rehefa hivavaka.
2) Zyarat Imamo Houssen (A)
Isan’ireo zavatra tena lehibe fanao amin’ity alina ity izany. Azo atao amin’ny fomba maro. Hoo an’ireo
izay afaka mankany an-toerana moa ARAHABASOA ARAHABA TSARA. Ho antsika lavitra dia afaka
manao izany ao an-trano amin’ny famakiana an’ireny ziarat hita any anaty boky toy ny Mafatih al
Djinan, ireny. Fa ho an’ireo izay tsy afaka mamaky azy ireny dia farahafaharatsiny dia mitodika
mankany amin’ny fasan’ny Imamo Houssen (A) ary miteny hoe (jereo eo ambany) mba hahazoana
valisoa ho toy ny nanao fivahiniana masina any Lameka amin’ny fotoana fanaovana izany sy amin’ny
volana hafa:
ASSALAMO ALAYKA YA ABAA ABDILLAH, ASSALAMO ALAYKA WA RAHMATOLLAH WA BARAKAATOHO
(Homba anao anie ny fiadanana ry iaban’i Abdollah, Homba anao anie ny fiadanana sy ny indrafon’i Zanahary sy ny fahasoavany)
3) Famakiana sorato telo
Misy sorato telo izay tokony ho vakiana amin’ity alina faha 30 ny volana Ramadany ity dia ireto avy
izany:
-
AL AN’AM
AL KAHF
YASIN
VAVAKA ALINA FAHA 30 RAMADANY
Houssen Féli
01 May 2022 18h18
Pejy 1 @ 4
Bismihi Ta’ala
KORBATANE ILALLAH
(2001 – 2022)
4) Fangatahana famelan-keloka sy fibebahana
Miteny in’arivo (x 1000) hoe
ASTAGHRFIROLLAHA OA ATOOBO ILAYH
(Mifona sy Mibebaka amin’i Allah aho)
5) Salato (vavaka fanompoana)
Misy salato roa no ampianarain’ny shaikh AL MANSOURY etoana. Ny voalohany dia ilay salato fanao
amin’ny alina fahatelopolon’ny volana Ramadany izay efa fahitantsika ao amin’ilay tabilao namboariko
mirakitra an’ireo vavaka fanao amin’ny alina ramadany manomboka hatramin’ny alina voalohany
hatramin’ny alina faha 30. Ny faharoa dia somary vaovao amiko fa tiako satria feno fahasoavana raha
jerena ny firafitr’ilay vavaka.
A) – salato 12 rakato (rakato 2 feno toy ny vavaka maraina averina in-6)
Sorato vakiana isaky ny rakato : FATIHA 1 + IKHRLAS 20
Ny fikasana dia atao indray mandeha alohan’ny hanomboka an’ity vavaka ity. Avy eo isaky ny tapitra
ny rakato roa dia mitsangana dia manao TAKBIRAT AL IHRAM dia mamaky an’ireo sorato voalaza etsy
ambony ireo.
OSSALLY SALATA HAZHIHIL LAYLATY QORBATANE ILALLAH TA’ALA
Rehefa tapitra tanteraka ny vavaka dia (aza hadino ny Tasbih Az Zahra “A”) dia manao salawato
ALLAHOMMA SALLY ANLA MOHAMMADIN WA AAALY MOHAMMAD x 100 (zato)
B) – salato 10 rakato (rakato 2 feno toy ny vavaka maraina averina in-5)
Sorato vakiana isaky ny rakato : FATIHA 1 + IKHRLAS 10
Ny fikasana dia mitovy amin’ny voalaza eo ambony ihany. Fa ny fanatanterahana an’ilay salato no
misy mahasamihafa azy kely satria dia sady misy voanio no feno “épices” maro isan-karazany ity
vavaka ity koa dia matsiro dia matsiro ary inoako fa hazoto homana avokoa ny rehetra (izany hoe
hazoto hanao azy raha tsorina).
-
Isaky ny tonga eo amin’ny ROKO sy SODJODY dia mamerimberina im-polo ny BAQIAT As
SAALIHAT ( na koa ireo fiderana efatra fanao isaky ny rakato fahatelo sy fahaefatra amin’ny
vavaka an-davan’andro).
-
Rehefa vita ny tashah-hody amin’ny rakato farany (fahafolo) dia tsy tonga dia manao salamo avy
hatrany fa miteny hoe ASTAGHRFIROLLAHA x 1 000 (in’arivo). Vita izany dia miverina manao
sodjody ary miteny an’ireto manaraka ireto eo am-piankohofana:
VAVAKA ALINA FAHA 30 RAMADANY
Houssen Féli
01 May 2022 18h18
Pejy 2 @ 4
)(2001 – 2022
KORBATANE ILALLAH
Bismihi Ta’ala
ي يا قَيُّو ُم ،يا ذَا ا ْل َجال ِل َوا ِال ْكرام ،يا ِرحْ َ
االخ َر ِة َو َرحي َم ُهما ،يا اَ ْر َح َم
من ال ُّد ْنيا َو ِ
يا ِح ُّ
االخ َ
مين ،يا اِلـهَ االَ َّو َ
اح َ
صالتَنا َو ِصيا َمنا َو ِقيا َمنا
رين ،اِ ْغ ِف ْر لَنا ذُنُو َبناَ ،وتَقَبَّ ْل ِمنّا َ
لين َو ِ
الر ِ
ّ
YA HAY’YO YA QAY’YOOMO, YA ZHAL DJALAALY WAL IKRAAM
YA RAHMAANA d DON’YA WAL AKHRIRATY WA RAHIMAHOMA
YA ARHAMAR RAAHIMIYNE, YA ILAAHAL AWWALYINA WAL AKHRARYINE
IGHRFIR LANAA ZHONOOBANA, WA TAQAB’BAL MIN’NA SALAATANA,
WA SYAAMANA WA QYAAMANA
Rehefa izany dia mitraka amin’izay mamarana ny tanteraka ny salato.
Ny mpaminany Mohammad (S) dia nanambara sy nianiana tamin’ilay nandefa azy ho mpaminany
amin’ny fahamarinana fa izay mahavita an’ity vavaka ity dia ho voavela ireo fahotany sy hanaiky ireo
asa fanompoana rehetra nataony nandritra ny volana masina Ramadany alohan’ny hitrakany
amin’ilay sodjody farany nataony.
6) Ireo doa vakina amin’ny alina faha 30 Ramadany
ادعية الليلة الثالثين
ور
هلل ال شَريكَ َلهُ ،ا ْل َح ْم ُد ِ
ا ْل َح ْم ُد ِ
ور يا نُ َ
وس يا نُ ُ
هلل كَما يَ ْنبَغي ِلك ََر ِم َوجْ ِه ِه َو ِع ِ ّز َجال ِل ِه َوكَما ُه َو ا َ ْهلُهُ ،يا قُ ُّد ُ
طيف يا َجلي ُل،
سبُّو ُ
ح يا ُم ْنتَهى الت َّ ْ
ْس ،يا ُ
ا ْلقُد ِ
َبير ،يا اَهللُ يا لَ ُ
بيح ،يا َرحْ مـ ُن يا فا ِع َل َّ
الرحْ َم ِة ،يا هللاُ يا عَلي ُم يا ك ُ
س ِ
ساَلُكَ ا َ ْن
سنىَ ،واالَ ْمثا ُل ا ْلعُ ْلياَ ،وا ْل ِكب ِْريا ُء َواالال ُء ،ا َ ْ
سما ُء ا ْل ُح ْ
صير ،يا اَهللُ يا اَهللُ يا اَهللُ ،لَكَ االَ ْ
يا اَهللُ يا َ
سمي ُع يا بَ ُ
داء،
داءَ ،و ُروحي َم َع ال ُّ
تُ َ
ش َه ِ
سعَ ِ
ي عَلى ُم َح َّمد َوآ ِل ُم َح َّمد َوا َ ْه ِل بَ ْيتِ ِهَ ،وا َ ْن تَجْ عَ َل ا ْ
سمي في ه ِذ ِه اللَّ ْيلَ ِة فِي ال ُّ
ص ِلّ َ
َواِحْ ساني في ِع ِلّيّ َ
عنّيَ ،وت ُ ِرضيَني
ب الشَّكَّ َ
ب لي يَقينا ً تُبا ِ
ينَ ،واِسا َءتي َم ْغفُورةًَ ،وا َ ْن ت َ َه َ
ش ُر بِ ِه قَ ْلبيَ ،وايمانا ً يُ ْذ ِه ُ
شك َْركَ
ار ُز ْقني فيها ِذك َْركَ َو ُ
سنَةً َوفِى ِ
االخ َر ِة َح َ
س ْمتَ ليَ ،وآتِنا فِي ال ُّد ْنيا َح َ
بِما قَ َ
سنَةًَ ،وقِنا ع َ
ريقَ ،و ْ
َذاب النّ ِار ا ْل َح ِ
علَ ْي ِه
صلّى هللاُ َ
ق ِلما َوفَّ ْقتَ لَهُ َم َح َّمدا ً َوآ َل ُم َح َّمد
الر ْغبَةَ اِلَ ْيكَ َوا ِالنابَةَ َوالت َّ ْوبَةَ والت َّ ْوفي َ
َ
َو َّ
علَي ِْه ْم.
َو َ
Dia mamaky an’ity doa manaraka ity indray avy eo:
َ
ض َ
هر ر َم َ
ب ِإ ِنّي
هر
نز َل القُران وهذا َ
ب َ
رمضان قَد ت َ َ
وتدعو فيها بهذا الدعاء اللهم َر َّ
ص َّر َم أي َر ّ ِ
ش ُ
ان َو ُم ِ
ش ِ
َ
رمضان َولَكَ ِعن ِدي ت َ ِب َعة أو ذَنب
هر
ج َ
خر َ
ش ُ
جر ِمن لَيلَ ِتي هذه أ َو َي ُ
جهكَ ال َكريم أ َن َيطلُ َع الفَ ُ
اعوذُ ِبكَ و ِب َو ِ
علَي ِه َيو َم ألقاك اِال َ
اح ِم َ
ين اللهم صل على محمد
ت ُ ِري ُد أن ت ُ َع ِذّ َب ِني َ
الر ِ
غفَرت َهُ ِلي ِب َك َر ِمكَ َو ُجو ِدكَ ،يا ا َر َح َم َّ
وال محمد اِنّكَ َح ِميد َم ِجيد.
وأكثر أن تقول وأنت قائم وقاعد وراكع وساجد :ويَا ُم َد ِّب َر اال ُمور ،يا با ِع َ
ي البُ ُحور ،يا
ث َمن في القُبُور يا ُم ِ
جر َ
او َد عليه السالم ،صل على محمد وآل محمد ،وافعَل بي كذا وكذا ،الساعة الساعة ،
ُملَ ِيّ َن ال َحدي ِد ِل َد ُ
.
(tsyالليلة الليلة ( -حتى ينقطع النفس). .
)miaina mihitsy eo am-pamerimberenana azy dia atao izay farany tratra ao anatin’izany
dia mitanisa izay tianao hataon’i Zanahary aminao eny fa naكذا وكذا Eo amin’ny toeran’ilay
amin’ny teny izay hainao aza. Fa tsaratsara kokoa hatrany raha amin’ny tenin’ny koroany no
anaovana azy izany hoe amin’ny teny Arabo.
Pejy 3 @ 4
01 May 2022 18h18
Houssen Féli
VAVAKA ALINA FAHA 30 RAMADANY
)(2001 – 2022
KORBATANE ILALLAH
Bismihi Ta’ala
وان يدعو بهذا الدّعاء الذي رواه الكليني عن الصّادق (عليه السالم)
ضان الَّذي ا َ ْن َز ْلتَ في ِه ا ْلقُ ْر َ
شه ُْر َر َم َ
ب أ ْن َي ْطلُ َع
اَللّـ ُه َّم هذا َ
آنَ ،وقَ ْد ت َ َ
ص َّر َم َواَعُو ُذ ِب َوجْ ِهكَ ا ْلك ِ
َريم يا َر ّ ِ
شه ُْر َر َم َ
ضان َولَكَ ِق َبلي ت َ ِب َعة ا َ ْو ذَ ْنب تُري ُد ا َ ْن ت ُ َع ِذّ َبني ِب ِه َي ْو َم ا َ ْلقاك
ص َّر َم َ
ا ْلفَجْ ُر ِم ْن لَ ْيلَتي ه ِذ ِه ،ا َ ْو َيت َ َ
و أن يودّع شهر رمضان فعن الصّادق (عليه السالم) قال َ :من ودّع شهر رمضان ،في آخر ليلة منه وقال...
جر ه ِذ ِه اللَّ ْيلَ ِة إالّ َوقَد َ
شه ِْر َر َم َ
غفَ ْرتَ لي
آخر ا ْلعَ ْه ِد ِم ْن ِصيامي ِل َ
اَللّـ ُه َّم ال تَجْ عَ ْلهُ َ
ضان َواَعُوذُ بِكَ ا َ ْن يَ ْطلُ َع فَ ُ
غفر هللا تعالى له قبل أن يصبح ورزقه االنابة اليه
و عن جابر بن عبد هللا االنصاري قال دخلت على رسول هللا (صلى هللا عليه وآله وسلم) في آخر جمعة من شهر
رمضان فل ّما أبصر بي قال لي :يا جابر هذا آخر ُجمعة من شهر رمضان فودّعه ثم ذكر الدعاء فانّه من قال ذلك ظفر
باحدى الحسنيين ا ّما ببلوغ شهر رمضان من قابل ،وأ ّما بغفران هللا ورحمته
يامنا اِيّاهُ فَا ِْن َجعَ ْلتَهُ فَاجْ عَ ْلني َم ْر ُحوما ً َوال تَجْ عَلني
اخر ا ْلعَ ْه ِد ِم ْن ِص ِ
وهذا هو الدعاء« :اَللّـ ُه َّم ال تَجْ عَ ْلهُ َ
المصدر مفاتيح الجنان بتصرف َ . .محْ ُروما ً
Manao doa moa ny shaikh Hassan AL MANSOURY, eo am-pamaranana ny video, mba tsy ity no faran’ny
volana Ramadany ianantsika tsirairay avy , ary mba heken’i Zanahary avokoa ny fanompoantsika, ny
fanganatahantsika rehetra ary havelany avokoa ny fahotantsika tsirairay.
Dia miraray fety sambatra ho antsika mpamaky tsirairay avy. Ny diavolan-ko lava moa ny kilalao mbola ho
ela ho ela amin’ity adidy masina amin’ny fanompoana an’i Zanahary ity. Fa ny AINA no MATEZA hoy ny fiteny
malaza izay. Aoka mba tsy hisy hihemotra fa mbola lavitra ny lalana mankany amin’ny paradisa.
ZANAHARY Ô ! AMPITOMBOY FAHALALANA HATRANY IZAHAY
ARY ASONDROTY VONINAHITRA SY OMEO FIADANANA HATRANY I MOHAMMAD SY IREO FIANAKAVIANY
NODIOVINAO
Pejy 4 @ 4
01 May 2022 18h18
Houssen Féli
VAVAKA ALINA FAHA 30 RAMADANY
Sur le même sujet..
ihany
zanahary
volana
manao
salato
hatrany
mansoury
alina
rakato
manazava
ramadany
izany
shaikh
rehetra
vavaka