KORBATANE 9 B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ) .pdf


À propos / Télécharger Aperçu
Nom original: KORBATANE 9-B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ).pdf
Auteur: Utilisateur

Ce document au format PDF 1.4 a été généré par Microsoft® Word 2019, et a été envoyé sur fichier-pdf.fr le 19/03/2023 à 19:58, depuis l'adresse IP 91.175.x.x. La présente page de téléchargement du fichier a été vue 14 fois.
Taille du document: 6.9 Mo (45 pages).
Confidentialité: fichier public


Aperçu du document


NY HERINANDRON’
NY MPINO

Ireo vavaka fanao amIn’ny
andro tsirariray

Houssen Charly
Desambra 2020

BISMIHI TA’ALA

Isaorana hatrany ilay Nahary mbola nanome tombon’andro sy hery ary saina ahafahana
manompo azy bebe kokoa isan’andro. Ary isaorantsika ihany koa ny Mpaminaniny Mohammad sy
ireo fianakaviany masina (Homba azy rehetra ireo anie ny Fiadanan’ny Tompo) nampianatra ny
finoana sy nanao izay ezaka rehetra nanaparitahana azy ka ahafahantsika tsirairay miaina ao
anatin’ny fahazavana sy miezaka hatrany hanakaiky bebe kokoa an’ilay Nahary mba homeny
alalana hiditra any amin’ny Paradisany sy toeram-boninahitra mifanaraka amin’ny asa vita ety antany.
Tsy adino ihany koa ny misaotra izay rehetra nampianatra, manomboka amin’ny
Raiamandreny niteraka ka hatramin’ireo rehetra nizara fahalalana eny fa na dia litera izay aza. Ny
fitambaran’ireny rehetra ireny no ahafahana manoratra izay kely mba tratra mba ho mora zaraina
amin’ny tapaka sy namana rehetra.
Isaorako manoka ny Houjjatoul Islam wal Mouslimin, ny Shaikh SALIM MAROUF satria
araka ny nambarako ombieny ombieny dia avy aminy sy ny fampianarana nomeny no nahatonga
ahy ho tapa-kevitra ny handray anjara amin’ny fanoratana sy fizarana fahalala ho an’ny mpino
namana. Maro tamin’ireo laharana efa nivoaka ireo no notsoahina avy amin’ny toriteny Zoma
nataony. Ny KORBATANE ILALLAH N° 9 izao ohatra dia notsoahina tamin’ny toriteny nataony
nitondra ny lohateny hoe “HALAKA MAN LAYSA LAHOU HAKIMOUN YOURSHIDOUHOU =
RENDRIKA IZAY OLONA TSY MANANA OLON-KENDRY MITARI-DALANA AZY”. Ezahako
haverina avoaka amin’ny fotoana mampety azy.
Iangaviako manokana izay nahatahiry an’ireo laharana faha 10 sy 11 ary 12 mba haka sary
an’izany dia handefa amiko amin’ny “FB MESSENGER” satria tsy ananako intsony izy ireo fa
nozaraiko avokoa satria sarotra ny fanaovana “photocopie” tamin’ny fiandohan’ny taona 2000 no
sady lavitra ny toerana ahitana mahavita mivoaka madio. Ny ordinatera nampiasana tamin’izany
koa PENTIUM 1,
32Mo de RAM, sy HDD 1Go koa dia nanahirana dia nanahirana ny
nanatontosana ny zavatra nokasaina. Ary rehefa nanova taty aoriana dia natao anatina
DISQUETTE ny zavatra nilaina, mety nisy natao anaty KAPILA MANGIRANA ihany fa tsy tsaroana
intsony fa dia ny KORBATANE N° 1 sy ny 4 , 5, 6, 8 ary ny 13 hatrany no nezahana navoaka sy
nohatsaraina isan-taona.
Nandritra ny volana masina Ramadany teo, izay natao tanatina fihibohana dia noezahina
novelabelarina ilay tabilao kely tamin’ny laharana voalohany (ireo salato fanao isaky ny andro
tsirairay) sy tamin’ny laharana faharoa (ireo salato fanao isaky ny alina tsirairay). Atambatra ho
boky iray izy ireo koa dia nampitondraina an’ity laharana ity.
Ny KORBATANE ILALLAH dia ZARAINA MAIMAIM-POANA, sady TSY AMIDY NO TSY
ATAKALO. Satria fahalalana azo maimaim-poana koa dia zaraina toy izay ihany koa. Ny tanjona
dia tsotra: MBA SAMY HANANA SOMBIM-PAHALALANA amin’ny tenin-drazana azo ampiharina
avokoa ny tokan-trano tsirairay ka samy afaka hampita an’izany amin’ny zanaka aman-jafy ho
reharehan’ny Mpaminanintsika sy ireo fianakaviany Masina (Homba azy rehetra anie ny
Fiadanan’ny Tompo) sy ho fahombiazana ary fiadanana ho an’izay rehetra mampihatra sy mizara
azy ihany koa.

Dia mirary ny soa sy ny tsara ho anao hatrany…
Houssen Charly
18/11/2020

Mialoha ny hanolorana an’ireo vavaka an’ireo vavaka fanao isaky ny alina sy andro tsirairay
dia indro averina eto ireo FIANTSOANA AN’ILAY NAHARY isa-maraina izay miovaova isaky ny
andro noresahana tao anatin’ny KORBATANE ILALLAH 8-B mitondra ny lohateny hoe NY
ANDRON’NY MPINO.

Andro Asabotsy :

Ya Ghrany-yo x 1 060 : ho an’ny harena

Andro Alahady :

Ya Fat-taho x 489 : famahana olana sy fahazoana ny soa

Andro Alatsinainy : Ya Lat’ufo x 129: ho an’ireo hetahetam-po sy mitondra fahatoniana
Andro Atalata :

Ya Qaabidho x 903 : ho an’ireo tanjona tiana tratrarina

Andro Alarobia :

Ya mota-a’ly x 541: ho an’ireo riziky, fahambonian’ny fahamendrehana …

Andro Alakamisy : Ya Raz-zaqo x 308 : ho an’ny fitomboan’ny riziky.
Andro Zoma :

Ya Noro x 256 ahazoana hazavan’ny fo, voninahitra ary . fahamendrehana

Betsaka ny zavatra fanao manaokana toy ireo amin’ny andro tsirairay toy ny TASBIH
(fiderana izay somary lavalava ihany), Ny TA’AWIZ (vavaka fiarovana izay lavalava ihany) ary ny
DOA (vavaka fangatahana) izay tsy fohy ihany koa. Ity farany ity angamba no matetika efa
hitantsika matetika saingy amin’ny endriny fohifohy.
Izay liana amin’ireo zavatra voalazako ireo dia afaka mahita ao anatin’ny ANIS DA-I WA
ZAA-R sy DHYAH AS SALIHIN. Fa dia mila manam-potoana sy finiavana raha te hanatanteraka
azy ireo satria somary lavalava ihany. Fa natao ho tsotsotra azo ampiharin’ny besinimaro andavan’andro ihany ireo noraketina anatin’ity boky ity.
Ndeha ary asesintsika tsirairay ireo pejy miresaka ny vavaka.
Koa satria ny Alahady (AL AHAD = ilay tokana) no voalohany dia hatombotsika aminy ny resaka.
Ary tsarovy fa ny maizina aloha vao ny mazava…

“Misia ny mazava, dia nisy ny mazava…”.

Dia teo no nisian’ny masoandro voalohany sy niantombohan’ny andro voalohany antsoina amin’ny
teny Anglisy hoe SUNDAY (andron’ny masoandro).

NY ANARAN’IREO OLOMASINA MIFANDRAY AMIN’NY
ANDRO TSIRAIRAY miisa 7 (HERINDANDRO)
Ao amin’ny boky Mafatih Al Djinan (IREO LAKILEN’IREO PARADISA) dia ahitana pejy iray miresaka
fa ny andro tsirairay ao anatin’ny herin’andro dia anaran’ireo olo-masina 13 manomboka amin’ny Andro
Asabotsy ka hatramin’ny andro Azoma na Zoma.
Ireo olona ireo dia tsy iza akory fa ny Mpaminany Mohammad (S) sy Ireo fianakaviany masina
antsoina hoe AHLELBAYT (A) izay nolazain’i Zanahary ao anaty KOROANY fa nilainy ny nanalavitra ny
fahotana tamin’izy ireo sy nanadio azy ireo tanteraka (in sorato AL AHZAB 33, ayat/andn: 33).
Ny pejy mety ho samihafa arakaraky ny trano printy nanonta azy (ny haben’ny soratra, ny haben’ny
sy ny endrika nanaovana ny boky) fa ao amin’ny FASL AL KHRAMIS izay adikako hoe FIZARANA FAHA 5
no misy azy. (jereo any amin’ny faramparany amin’ity boky kely nosoratako ity izy amin’ny teny arabo)
amin’ny ANDRO ASABOTSY.
Lehilahy iray nantsoina hoe SAQAR BIN ABI DALIF no nitantara azy araka ny diam-penin’ny Sayyed
Bin TAA’WOUS ao amin’ny boky DJAMAL AL OUSBOU (LA BEAUTE DE LA SEMAINE). Lavalava ilay
fampidirana fa fintiniko fotsiny fa amin’ilay pejy amin’ny teny arabo izy feno ho an’izay liana.
Nahita/Naheno tenin’ny Mpaminany Mohammad (S) iray i SAQAR. Tsy takany mihitsy ny tena tiany
ambara koa dia nanapa-kevitra ny hanontany ny Imamony ALI NAQUI (A) izay voafonja. Dia tonga tany
am-ponja izy nametraka mivantana an’ilay fanontania dia toy izay ny fandehan’ny tantara:
Rehefa tafiditra tao amin’ny efitra izy dia nahita ny Imamo Ali Naqui (A) mipetraka eo ambony
tsihy ary efa misy lavaka hatao fasana eo alohany. Dia nifampiarahaba ry zareo ary nasain’ny Imamo (A)
nipetraka izy dia toy izao ny fandehan’ny resaka:
-

Imam Ali Naqui (A): Inona no anton-dianao izay ry Saquar ?
Saquar: Tonga aho fa te hahafantra ny vaovaonao.
(…)
Saquar: “Misy iray izay hadith-ny Mpaminany fa tsy azoko ny tiany ho lazaina”.
Imamo (A): “Inona ilay izy ?”
Saquar: “Ilay teniny manao hoe AZA MANDRAY AN’IREO ANDRO HO FAHAVALO IANAREO FA
HANJARY HIVAHAFALO AMINAREO KOA RY ZAREO, inona no tiany ho lazaina ?”
Imamo ALI NAQUI (A): “Ireo andro ireo, dia IZAHAY, mandritra ny fotoana isian’ny lanitra sy ny tany.
➢ Ny Andro Asabotsy (As Sabt na SABATA) dia anaran’ilay Irak’i Zanahary (ny Mpaminany
Mohammad ‘S’);
➢ Ny Alahady dia ny mpitarika ny mpino ny Imamo ALI (A)
➢ Ny Alatsinainy dia ny Imamo AL Hassan sy AL Houssayn (A)
➢ Ny Atalata na Talata (andro fahatelo dia an’ireo Imamo telo) Imamo Ali ibn Houssayn (A),
Mohammad ibn Ali (A) ary i Ja’afa ibn Mohammad (A);
➢ Ny Alarobia (andro fahaefatra dia ireo Imamo efatra) Moossa bin Ja’afar (A), Ali ibn
Moossa (A), Mohammad ibn Ali (A) ary izaho;
➢ Ny Andro Alakamisy dia ny zanako AL HASSAN (A);
➢ Ny andro Azoma na Zoma kosa dia ny zafiko lahy…”(Imamo AL MAHDI ‘AJ’ izay mbola tsy
teraka tamin’io fotoana io)
Rehefa vita izay dia nasainy nanao veloma sy nivoaka aho, hoy i Saquar.

NY HERINANDRON’NY MPINO

‫صالة ليلة احد‬
VAVAKA FANOMPOANA MANOKANA FANAO
ISAKY NY ALIN’ NY ALAHADY
(Tsarovy hatrany fa ny maizina aloha vao ny mazava)

6 rakaty atao tsiroaroa toy ny salato maraina. Ireto no vaikiana
isaky ny rakaty :

- AL FATIHA indray mandeha (x1)
- AL IKHLAS x 7
Arakany voalazan’ny Mpaminany Masina Mouhammad (Homba azy
sy ny fianakaviany masina anie ny fiadanan’ilay Nahary) dia ireto avy
no valisoan’izay mahavita an’ity vavaka ity :
- Homen’ilay Nahary valisoa mitovy amin’ny azon’ireo
mpankasitraka sy ireo olona mpanana faharetana ;
- Homeny valisoa mitovy amin’ny azon’ireo Mpatahotra Zanahary
maneran-tany ao anatin’izany andro izany ;
- Ary hovoasoratra ho azy ny fanompoana mandritra ny 40 taona ;
- Ho voafafa alohan’ny hitsanganany ny fahotany rehetra ;
- Hahita ny Mpaminany amin’ny nofy izy ;
- Ary hahita ny toerana hisy azy any amin’ny paradisa alohan’ny
hahafatesany.

Zarazarao amin’ireo rehetra KORBATANE ILALLAH
Inoana fa samy hanao an’io avokoa satria valisoa goavana no azo
arak’ireo hita ireo. Izay mahay teny arabo afaka mijery fanazana
amin’io video nataon’ny Sayyed Mouhammad Baquir AL FAALY io
https://www.youtube.com/watch?v=GMDUPtZH5lM&list=TLPQMjUwNDIwMjDCc3EpzhxdSQ&in
dex=1

(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

25 avril 2020

NY HERINANDRON’NY MPINO

‫صالة يوم الحد‬
SALATO MANOKANA FANAO ISAKY NY
ANDRO ALAHADY
Misy karazany roa no ataolotra eto ka samy mifidy izay tiany hatao na afaka
manao azy roa koa fa Zanahary dia tena manan-karem-pahasoavana ka aleo
manararaotra mampitombo ny vatsy hoentina any ankoatra fa tsy variana
milalao satria manadino hoe ANATY « SALLE D’ATTENTE » ka raha voatonona ny
anarana dia TSY MAINTSY MANDEHA AVY HATRANY. Tsy homena fotoana
hanaovana an’izatsy na zaroa intsony eny fa na dia ny FOTOANA HANAOVANA
VELOMA NY AKAMA REHETRA AO AMIN’NY FACEBOOK AZA. Ka aleo mihomana
foana hatrany araka ny tenin’ny Mpaminany Mouhammad (S) malaza manao
hoe :
« Miasa ho an’ny fiananao eto an-tany toy ny hoe hiaina mandrakizay ianao fa
manaova kosa asa ho an’ny finoanao toy ny hoe faty rahampitso»
Misy teny iray koa milaza hoe : « ISAKY NY MANAO SALATO IANAO DIA MIFANTOHA TSARA
ARY ERITRERETO/HEVERO HOE IO NO VAVAKA FARANY ATAONAO (alohan’ny handaozanao
ny tany) »

NYAT : OUSS’ALLY RAKA’ATAYN SALAATA YAOUMIL AHAD QUOURBATANE ILALLAH

1 – SALATO 2 RAKATY (na rakato)
Ireto avy no vakiana :
Amin’ny rakato voalohany :

- AL FATIHA indray mandeha (x1)
- AL KAWTHAR x 3
Amin’ny rakato faharoa :

- AL FATIHA (x1)
- AL IKHLAS x 3

(sombin’ny boky KORBATANE ILALLAH 9 – B)

houssen charly

26 avril 2020

NY HERINANDRON’NY MPINO
Ny Mpaminany Mouhammad (homba azy sy ny fianakaviany masina anie ny
fiadanana) dia nanambara fa izay olona nahatanteraka izany dia hahazo (valisoa
goavana fa vakio tsara anie e) :
- Fahafahana/fiarovana amin’ny afobe sy fiatsaram-belatsihy ary
fiantohana (assurance) amin’ny sazy;
- Heverina ho toy ny nanao fanomezana(sadaquat) amin’ireo mahantra
rehetra sy nanao fivahiniana masina any Lameka im-10
- Homena grady mitovy isa amin’ny kintan’ny lanitra any amin’ny Paradisa.
(Izaho manokana, Houssen Charly, dia tsy mino hoe misy mpino iray mahafantatra an’ireo
valisoa ireo ka hamela ny andro Alahady handalo fotsiny ka tsy hanantanteraka an’io salato
io).

2 – SALATO 4 RAKATO (2 rakato atao indroa noho izany misy salamo roa koa)

Vakiana isaky ny rakato ireto :

- AL FATIHA (x1)
- AYAT AMAANA-R-RASOUL
(sorato al Baquarat
ayat/andn 285 + 286) indray mandeha
Araka ny nambaran’ny Mpaminany Masina Mouhammad
(S) izay olona nahatanteraka an’izany salato izany dia :
- Hahazo fahasoavana mitovy isa amin’ireo kristiana rehetra
maneran-tany sy valisoana salato arivo isa
- Homena valisoa mitovy amin’ny azona Mpaminany miisa ary
- Hahazo valisoana fivahiniana masina sy Oumra 1
- Toy ny nanafaka ny vahoaka kristiana rehetra maneran-tany.
- Etc…etc…

ZARAZARAO AMIN’IZAY REHETRA TIANAO SY TIA ANAO

KORBATANE ILALLAH
Vidéo manazava an’ireo amin’ny teny arabo
https://www.youtube.com/watch?v=aXr-eovMDQY

(sombin’ny boky KORBATANE ILALLAH 9 – B)

houssen charly

26 avril 2020

‫‪NY HERINANDRON’NY MPINO‬‬

‫** صالة يوم األحد **‬
‫قال رسول هللا (ص) ‪ :‬من صلى يوم األحد عند الضحى ركعتين ‪ ،‬يقرأ في‬
‫الركعة األولى سورة الحمد مرة و سورة الكوثر ثالث مرات ‪،‬‬
‫و في الركعة الثانية سورة الحمد مرة و ثالث مرات سورة قل هو هللا أحد ‪،‬‬
‫أعطي براءة من النار و براءة من النفاق و أمانا ً من العذاب ‪ ،‬و كأنما تصدق‬
‫نجم من السماء‬
‫على كل مساكين ‪ ،‬و كأنما ح ّج عشر حجات ‪ ،‬و أعطي بكل ٍ‬
‫‪ .‬درجة في الجنة‬

‫** صالة أخرى ليوم األحد **‬
‫روي عن رسول هللا (ص) أنه قال ‪ :‬من صلى يوم األحد أربع ركعات _ كل‬
‫ركعتين بتشهد و سالم _ ‪،‬‬
‫يقرأ في كل ركعة سورة الحمد مرة و آيتين من سورة البقرة آية رقم ‪ 285‬و‬
‫نزل إلي ِه ِمن ربه ) إلى آخر‬
‫الر ُ‬
‫آية رقم ‪ ، 286‬من قوله تعالى ( ءا َم َن َّ‬
‫سول بما أ ُ ِ‬
‫السورة ‪ ،‬كتب هللا تعالى له بكل نصراني و نصرانية ألف حسنة ‪ ،‬و أعطاه هللا‬
‫تعالى ثواب ألف نبي ‪ ،‬و كتب هللا له بكل نصراني و نصرانية ألف غزوة و ألف‬
‫ح ّجة و ألف عمرة ‪ ،‬و كتب هللا تعالى له بكل ركعة ألف صالة ‪ ،‬و كأنما اشترى‬
‫كل نصراني و نصرانية و أعتقهم‬

‫‪.‬‬

‫المصدر ؛ 📚 كتاب بحار األنوار جمال األسبوع‬

‫‪26 avril 2020‬‬

‫‪houssen charly‬‬

‫)‪(sombin’ny boky KORBATANE ILALLAH 9 – B‬‬

NY HERINANDRON’NY MPINO

‫صالة ليلة اإلثنين‬
VAVAKA FANOMPOANA MANOKANA FANAO
ISAKY NY ALIN’ NY ALATSINAINY
Rakato ROA (2) ka ireto avy no vakiana isaky ny rakato :

- AL FATIHA
- AL IKHLAS

x1
x7

Aorian’ny salamo dia miteny im-polo (x10) hoe :

‫سبحان هللا والحمد هلل وال إله اإال هللا وهللا أكبر وال‬
‫قوة إال باهلل العلي العظيم‬
‫حول وال ا‬
SOUBHAANALLAHY WAL HAMDOU LILLAHY WA LAA ILAAHA IL-LAL’LAAHOU
WAL LAAHOU AKBAR WA LA HAWLA WA LA QOUW-WATA IL-LA BIL-LAAHIL
A’LY’IL A’ZHIM
Rehefa nanontanian’ireo mpanara-dia azy ny Mpaminany Mouhammad
(S) momba ny valisoa azo avy amin’ny fanaovana an’ity vavaka ity dia
nambarany hoe : « HOMEN’I ZANAHARY IZAY SITRANY HO AZY (mpanompony)
KA AOKA IZY HANGATAKA IZAY TIANY/MANAHIRANA AZY ».
Dia mbola nantontany ihany ireo vahoaka hoe « DIA INONA KOA RY
IRAK’I ZANAHARY ? » Dia novaliany hoe : « HO SORATANA HO AZY NY
VALISOAN’NY FAMAKIANA KOROANY MANONTOLO ».

‫ مرات وبعد االنتهاء‬7 ‫صالة ليله االثنين ركعتين في كل ركعه الحمد مره وقل هو هللا احد‬
‫تقول سبحان هللا والحمد هللا وال اله اال هللا وهللا اكبر وال حول وال قوة اال باهلل العلي‬
‫ مرات ثم تسأل ما تشاء‬10 ‫العظيم‬

Zarazarao amin’ireo tianao rehetra KORBATANE ILALLAH
Izay mahay teny arabo afaka mijery fanazana amin’ity video ity izay
nataon’ny Shaikh DJAWAD T. https://www.youtube.com/watch?v=7q0QUDyF0TQ
(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

26 avril 2020

NY ANDRO ALATSINAINY

‫يوم اإلثنين‬
Ny teny hoe ALATSINAINY dia avy amin’ny teny arabo AL ITHNAINY (ilay roa
na ny andro faharoa).
Amin’ilay resaka nataon’ny Mpaminany Mohammad (H) dia amin’ny anaran’ny
Imamo roa, AL HASSAN sy AL HOUSSAIN (H) ity andro faharoa ity. Misy vavaka
fangatahana ahitana any anaran’izy roa ireo famaky amin’izany.

NY ZYARAT (FANDEFASANA SALAMO) AN’IMAMO HASSAN (H)

NY ZYARAT (FANDEFASANA SALAMO) AN’IMAMO HASSAN (H)

DOA ANDRO ALATSINAINY

NY HERINANDRON’NY MPINO

‫صالة يوم اإلثنين‬
VAVAKA FANOMPOANA MANOKANA FANAO
ISAKY NY ANDRO ALATSINAINY
Misy karazany roa azo isafidianana atolotra eto
1) Rakato EFATRA (4): atao tsiroaroa toy ny vavaka maraina.
Amin’ny rakato 2 voalohany dia ireo vakina :
- AL FATIHA + AYAT AL KOURSI x 1
- AL FATIHA + AL IKHLAS x 1
Dia faranana amin’ny salamo ary mitsangana indray

Amin’ny rakato 2 manaraka kosa dia ireo vakina :
- AL FATIHA + AL FALAQ 1
- AL FATIHA + AL NAAS 1
Aorian’ny salamo dia miteny im-polo (x10) hoe :

ASTAGHFRIROULLAHA (Mifona amin’i Allah aho)
Dia mangataka izay tiana avy eo

2) Rakato FOLO (10): atao tsiroaroa toy ny vavaka maraina. Isaky ny
rakato dia mamaky :

AL FATIHA + AL IKHLAS x 11
amin’ny andro Zoma dia hataon’i Allah feno hazavana ny toerana
nivavahan’izay mahavita an’ity vavaka ity ka haniry izany avokoa
ireo zavaboahary hafa rehetra. (in MAFATIH AL DJINAN)
Izay mahay teny arabo afaka mijery fanazana amin’ity video ity iray
nataon’ny Shaikh DJAWAD T. https://www.youtube.com/watch?v=SUbWVlcDMrg
Houssen Charly

(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

version 2020

26 avril 2020

BISMIHI TA’ALA

‫صالة ليلة الثالثاء‬
SALATO MANOKANA FANAO ISAKY NY ALINA TALATA
(Fanaovana azy : Manomboka Altasinainy aorian’ny Isha mandra-pisasaky ny alina)

Rakato roa ka mamaky an’ireto indray mandeha avy isaky ny rakato:

-

AL FATIHA
AYAT AL KOURSI x 1 (ayat 1 na 2 izay tiana)
AL IKHLAS
x1
AL QUADR
x1
AYAT SHAHIDA ALLAH x 1 (AL IMRAN 3 , ayat 18)
Ny Mpaminany Mouhammad (Homba azy sy ny fianakaviany masina anie ny
Fiaadanan’ny Tompo) dia nanambara fa hotanterahin’i Zanahary avokoa izay
angatahin’ny olona nahavita an’io vavaka io.
Noho izany, manararaota mangataka izay manahirana sy iriana. Saingy aza
hadino ny mangataka ho an’ ny Raiamandreny na inona na inona finoany, ho an’ny
mpanoratra sy ho an’ny mpino rehetra na lahy na vavy ary indrindra indrindra ho
an’ireo olona roa anatin’ireto video nofidiana handravahana ny fampahafantarana
an’ity vavaka ity ireto.
Ny Shaikh DJAWAD TWAA-i.
https://www.youtube.com/watch?v=wY-eYvD-e_Q
ary ny Sayyed MOUHAMMAD BAAQUIR AL FAALY

https://www.youtube.com/watch?v=yq6eyGjOlDc

Zarazarao amin’ireo rehetra TIANAO SY TIA ANAO
KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly
DERAINA ILAY TOMPO TOKANA TSY MANAM-PAHAROA NAHARY IZAO TONTOLO IZAO
NY FIADANANY ANIE HO AMIN’I MOUHAMMAD MPAMINANY SY IREO TARANANY MASINA
(sombin’ny KORBATANE 9 B NY HERINANDRON’NY MPINO)

nohatsaraina anio

27 avril 2020

Pejy |1@2

NY ANDRO TALATA
(ATALATA/ATHOULATHA-OU)
Ny andro Talata na Atalata dia andro fahatelo antsoina amin’ny teny arabo hoe Ath-thoulathaa-ou avy amin’ny
teny hoe thalaathat izay midika hoe telo.
Amin’ilay tenin’ny Mpaminany miresaka momba ny andro dia Imamo telo no voalaza amin’ity dia Zaynoul Abidine
sy Mouhammad Baaquir ary Jaafar As Saadiq (Homba azy ireo anie ny fiadanan’ny Tompo).
Misy fiarahabana azy telo ireo manokana fanao isaky ny andro Talata/Atalata.

NY ANDRO TALATA

KORBATANE ILALLAH

21 avril 2020

Pejy |2@2

Ny vavaka fanompoana fanao isaky ny andro Talata :

6 rakat (atao tsiroaroa toy ny vavaka maraina izany hoe 2 rakat averina in-telo)
Ka isaky ny rakat dia mamaky an’ireto indray mandeha avy :
-

ny sorato AL FATIHA
ny AYAT AMANA-R-RASSOUL (ayat roa farany amin’ny sorato AL BAQUARA)
ny sorato AL ZILZALA
Araka ny voalaza dia ho voafafa avokoa ny fahotana ka hadio tanteraka toy ny andro nahaterany izay olona
nahavita izany. (Io ilay teny malaza hoe TOY NY TERAKA VAOVAO INDRAY e)

NY ANDRO TALATA

KORBATANE ILALLAH

21 avril 2020

BISMIHI TA’ALA

‫صالة يوم الثالثاء‬
SALATO MANOKANA FANAO ISAKY NY ANDRO TALATA
(Fanaovana azy : anelanelan’ny misandratr’andro sy mitatao vovonana )
SALATO ROA KARAZANA NO NOTSONGAINA (malalaka ny safidy)

A) –RAKATO 10 isaky ny rakato dia mamaky:
i

- AL FATIHA
x1
- AYATOUL KOURSI x 1
- AL IKHLAS
x7
Ny Mpaminany Masina Mouhammad (S) dia nanambara an’ireto ho valisoan’io vavaka io :
➢ Tsy misy fahadisoany ho soratana mandritra ny 70 andro ka raha maty ao
anatin’izany izy dia ho toy ny maty maritiora (AZO ANTOKA NY FIDIRANA PARADISA)
➢ Ho fafana ny fahotana vita mandritra ny 70 taona ;
➢ Hisy varavarana 8 amin’ireo varavaran’ny paradisa hisokatra ho azy ka hisafidy
malalaka izay tiany hidirana izy (mbola maro no tohiny fa ajanoko eto fa hiresaka
momba ny salato faharoa isika….afaka mijery video ambany io izay liana)

B) –RAKATO 2 ka isaky ny rakato dia mamaky:
-

AL FATIHA
AL TIN
AL IKHLAS
AL FALAQ
AL NAAS

x1
x1
x1
x1
x1

➢ Hanoratan’i Allah fahasoavana 10 isaky ny « goutte d’eau » iray ;
➢ Ary homeny valisoa mitovy amin’ny azon’i Adam, Moïzy , Harona ary i Jacoba
(Homba azy rehetra ireo anie ny fiadanana).
(dia mbola misy tohiny lava be…)
Video manazava https://www.youtube.com/watch?v=YRw_tHx7Itg&t=64s

Zarazarao amin’ireo rehetra TIANAO SY TIA ANAO
KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly
DERAINA ILAY TOMPO TOKANA TSY MANAM-PAHAROA NAHARY IZAO TONTOLO IZAO
NY FIADANANY ANIE HO AMIN’I MOUHAMMAD MPAMINANY SY IREO TARANANY MASINA
(sombin’ny KORBATANE 9 B NY HERINANDRON’NY MPINO)

nohatsaraina anio

27 avril 2020

BISMIHI TA’LA

‫صالة ليلة االربعاء‬
SALATO FANAO ISAKY NY ALAROBIA ALINA
(Talata hifoha Alarobia)
MISY KARAZANY ROA na ISAFIDIANANA na SAMY ATAO AVOKOA

A) – RAKATO 2 ka isaky ny rakato dia amakiana:
i

-

AL FATIHA
x1
AYATOUL KOURSI x 1
AL QUADR
x1
AL NASR
x1
AL IKHLAS
x3

Ny Mpaminany Masina Mouhammad (S) dia nanambara fa : « Ho fafan’i Allah
avokoa ny fahotana rehetra na ny efa lasa na ny mbola ho avy ho an’ny olona
izay mahavita an’io vavaka io ».
MARIHO TSARA : Ny fahotana iniana atao kosa amin’ireo ho avy dia tsy ho tafiditra anatin’io
voaresaka io ka aoka hiaina anatin’ny fatahorana an’ilay Nahary.

B) – RAKATO 2 ka isaky ny rakato dia amakiana:
- AL FATIHA
- AL ZILZALA
- AL IKHLAS

x1
x1
x3

Hoesorin’i Zanahary aminy ny HAIZIN’NY FASANA mandrapahatongan’ny andro
fitsanganana ;
Homeny tanan-dehibe iray any amin’ny paradisa isaky ny ayat (andininy)
novakiana, homeny hazavana 1 000 000 sy valisoana asa fanompoana iray
taona, hazavainy ny tarehy ary homeny amin’ny tanana havanana ny bokin’asa
amin’ny andro farany.

Zarazarao amin’ireo rehetra TIA ANAO sy TIANAO
KORBATANE ILALLAH
Video manazava : Shaikh DJAWAD T. https://www.youtube.com/watch?v=wdkXNJiyvsw
Houssen Charly

(KORBATANE ILALLAH 9 – B LA SEMAINE DES CROYANTS) version mise à jour 27 avril 2020

NY ANDRO ALAROBIA
(AL ARBIAH)
Ny andro Alarobia na AL ARBIA amin’ny teny arabo dia midika hoe andro fahaefatra izay avy
amin’ny voambolana hoe ARBA’A = EFATRA.
Amin’ilay tenin’ny Mpaminany miresaka momba ny andro dia Imamo EFATRA no voalaza
amin’ity dia ny Imamo Moussa al Kazhim, Ali Ridha, Mouhammad Taqui ary Ali Naqui
(Homba azy ireo anie ny fiadanan’ny Tompo).
Ity ny fiarahabana azy ireo manokana amin’ity andron’izy ireo ity :

NY VAVAKA FANOMPOANA AN’ILAY NAHARY FANAO ISAKY NY
ANDRO ALAROBIA MARAINA
Rakat 4 (atao tsiroaroa) ka isaky ny rakat dia mamaky an’ireto sorato ireto indray mandeha
avy :
1) AL FATIHA
2) AL IKHLAS
3) AL QUADR (INNA ANZALNAAHOU FI LAYLATIL QUADR)
Hofafan’ilay Nahary avokoa ny fahotana rehetra ….

NY ANDRO ALAROBIA

KORBATANE ILALLAH

22 APRILY 2020

Pejy 1 @ 2

VAVAKA FANGATAHANA ISAKY NY ANDRO ALAROBIA (maraina no fanaovana azy)

NY ANDRO ALAROBIA

KORBATANE ILALLAH

22 APRILY 2020

Pejy 2 @ 2

BISMIHI TA’LA

‫صالة يوم االربعاء‬
SALATO FANAO ISAKY NY ALAROBIA ATOANDRO
MISY KARAZANY ROA na ISAFIDIANANA na SAMY ATAO AVOKOA

A) – RAKATO 2 ka isaky ny rakato dia amakiana:
i

-

AL FATIHA
AL KAAFIROUNA
AL IKHLAS
AL FALAQ
AL NAAS

x1
x1
x1
x1
x1

Ny Mpaminany Masina Mouhammad (S) dia nanambara fa izay mahavita
an’ity vavaka ity dia handefasan’i Zanahary anjely 70 000 isa hangatampamelan-keloka ho azy amin’ny andro farany ary homeny LAPA iray lehibe
mitovy amin’ny tanan-dehibe iray ety an-tany (ny habeny)

B) – RAKATO 12 (rakato roa feno faranana amin’ny salamo averina
.
in-6) ka isaky ny rakato dia amakiana:
-

AL FATIHA
AL IKHLAS
AL FALAQ
AL NAAS

x1
x3
x3
x3

Hisy antso avy any amin’ny seza fiandrianan’i Zanahary hanambara aminy
hanomboka asa vaovao fa EFA VOAFAFA NY FAHOTANY REHETRA ENY NA IREO
MBOLA HO AVY AZA (tsy fanahy iniana);
Esorin’i Zanahary aminy ny sazin’ny fasana, ny teritery ao anatiny sy ny haiziny
ka hampidirany hazavana ao. Harovany amin’ireo zavatsarotra rehetra mitranga
amin’ny andro fitsanganana. Ary ho soratan’i Zanahary ho toy ny nahavita
fanompoana arivo (1000) taona isaky ny rakato amin’ity salato nataony ity… Ary
tsy hijalin’ny hetaheta na mosary velively.
Video manazava https://www.youtube.com/watch?v=UnJmVpGYs1M&t=66s

Zarazarao amin’ireo rehetra TIA ANAO sy TIANAO
KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly
(in KORBATANE ILALLAH 9 – B/NY HERINDANDRON’NY MPINO) version mise à jour 06 may 2020

‫صالة ليلة الخميس‬
SALATO MANOKANA FANAO ISAKY NY
ALIN’NY ALAKAMISY
(Fanaovana azy : Manomboka Aaorian’ny Isha mandra-pisasaky ny alina
tsarovy hatrany fa ny alina mandeha alohan’ny andro)

KARAZANY ROA NO ATOLOTRA ETOANA:

A) 4 rakato (2 rakato toy ny vavaka maraina atao in 2).
Nyat : OUSSALLY ARBA’A (4) RAKA’AT SALATA HAZHIL LAYLAT QOURBATANE ILALLAH
(nyat indray mandeha io dia manomboka ny rakato 2 voalohany dia faranana
amin’ny salamo dia mitsangana manao takbirat al ihram indray manao ny faharoa)
plus de nyat).
Fa mety koa ny manao nyat isaky ny hanomboka ny RAKATO 2 dia miova ho
OUSSALLY RAKAYATAYNY (2 RAKAT) SALATA HAZHIL LAYLAT QOURBATANE ILALLAH

- AL FATIHA x 7 (sept fois)
- AL QUADR x 1 (une fois)
Mariho tsara: Ny mahazatra dia indray mandeha foana no amakiana
ny AL FATIHA fa ny sorato manaraka azy no mety hihoatra ny isany. Fa eto
dia tsindriana tsara fa averina im-pito ny sorato AL FATIHA
Araka ny nambaran’ny Mpaminany Masina Mouhammad (S) hahazo
valisoaana salato 4 000 000 izay nahavita an’izany vavaka izany.
Mbola mitombo be ny valisoa raha mbola ampiany 100 isa hoe:
ALLAHOUMMA SALLY ANLA MOUHAMMADIN WA AALY MOUHAMMAD
satria mbola nambarany fa ny fitambaran’izany rehetra izany dia ahazoana
valiso hafa: SALATO 10 000 000 (dix millions) isaky ny rakato natao. Ary
hahazo hazavana mitovy isa amin’ny singam-bolo amin’ny vatany izy
amin’ilay andro manahirana/fitsanganana amin’ny maty.
Video manazava : shaikh DJAWAT T. https://www.youtube.com/watch?v=ZUX06BJF_Vg
Sayyed Baaquir Al Faaly:

https://www.youtube.com/watch?v=KAQGgDWnBWY

sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 28 avril 2020

B) Rakato 6 (rakato 2 averina in-3):
nyat : OUSSALLY SITTA (6) RAKAAT SALATA HAZHIHIL LAYLY QOURBATANE ILALLAH .
(jereo fanazavana etsy ambony)
Isaky ny rakato dia amakiana :

- AL FATIHA

1

- AYAT AL KOURSI

1

- AL KAAFIROUN

1

- AL IKHLAS

3

Rehefa vita ny salamo amin’ny rakato fahaenina dia mamaky ny AYATOUL
KOURSI in- 3
VALISOA:
Raha sanatria ka voasoratra fa ratsy vitana sy olona very izy (noho
ny asa vitany) any amin’ny bokin’ny lanitra dia hanirahan’i Zanahary anjely
mamafa ny anarany any ka hanoratra azy ho isan’ireo olona sambatra.
Izany dia fanatanterahana an’ilay nambarany ao amin’ny sorato AR RAAD
13, ayat (andn) 39.
(in DHYA AS SAALIHIN/ SALAT LAYLAT AL KHAMIS)
isaorana manokana ny shaikh Adnani RALESA nanome ny boky

Zarazarao amin’ireo rehetra TIANAO SY TIA ANAO
KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly

DERAINA ILAY TOMPO TOKANA TSY MANAM-PAHAROA NAHARY IZAO TONTOLO IZAO
NY FIADANANY ANIE HO AMIN’I MOUHAMMAD MPAMINANY SY IREO TARANANY MASINA

sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 28 avril 2020

DOA AMIN’ILAY NAHARY ISAK’ALAKAMISY sy FANDEFASANA SALAMO AMIN’NY TOMPON’NY ANDRO

VAVAKA FANGATAHANA AMIN’ILAY NAHARY ISAK’ALAKAMISY

FANDEFASANA SALAMO AMIN’NY IMAMO AL HASSAN AL ASKARI (A)

(sombin’ny KORBATANE 9 – B) HERINANDRON’NY MPINO

version 2020

07 may 2020

BISMIHI TA'ALA

‫صالة يوم الخميس‬
SALATO MANOKANA FANAO ISAKY NY
ANDRO ALAKAMISY
Amin’ny andron’ny riziky sy ny fangatahana (izay manahirana sy iriana) amin’i
Zanahary an’ity andro ity dia tena maro tokoa ireo karazana salato azo fanao
mandritra ny tontolo andro. Misy ireo atao amin’ny tapan’ny andro maraina, misy ny
atao amin’ny folak’andro. Misy ireo salato atao maraina fa misy asa mifampitohy
aminy ny folak’andro.
Tiako ho tsindriana eto fa rehefa manomboka mitongilana miankandrefana ny
masoandro ny Alakamisy dia misy Anjely maro be alefan’i Zanahary mitondra penina
volamena sy boky volafotsy hanatanteraka asa tokana :
HANDRAY NY ANARAN’IREO OLONA MANGATAM-PIADANANA ho an’i
Mouhammad mpaminany (Homba azy anie ny fiadanan’ny Tompo) sy ireo
Fianakaviany masina, sy manoratra ny isan’ny vitany. Tsy mitsahatra izany iraka
ataon’izy ireo izany raha tsy milentika ny masoandro ny Zoma.
Zanahary dia efa nanambara ao anatin’ny KOROANY, sorato AL AHZAB 33, ayat
(andn) 56 manao hoe :
« Marina dia marina tokoa fa Allah dia MANDEFA FIADANANA ho an’ilay
mpaminany, ary ireo anjeliny maro be dia mangataka izany ho azy, (noho izany) Ô
ianareo Mino, aoka ianareo hangatam-piadanana ho azy sy handefa fiarahabana
feno sy mahafinaritra ho azy »…
Rehefa nanontanian’ireo vahoaka ny Mpaminany hoe ahoana no hanatanterahana
an’io baiko nomen’i Zanahary io dia nanambara izy manao hoe : « mitenena hoe :
- « ALLAHOUMMA SALLY A’LA MOUHAMMADIN WA AALY MOUHAMMAD »
Tomponay ô ! Omeo fiadanana i Mouhammad sy ny fianakavian’i Mouhammad.
Misy endriny maromaro nampianariny fa io no farany fohy sy malaza.
Ary nambarany tamin’izany fa n’iza n’iza mangatam-piadanana indray mandeha ho
azy mpaminany Mouhammad (H) dia homen’i Zanahary fiadanana folo. Ary io
fangataham-piadanana io dia isan’ny mandrava ny fahotana vita raha atao maromaro.
Nambarany koa fa io FANGATAHANA io no asa farany mavesa-danja indrindra eo
amin’ny mizana amin’ny andro fitsarana.
sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 29 avril 2020

Koa aoka tsy ho diso anjara fa NY FOTOANA VERY, LASA TSY HIVERINA INTSONY.
Ary tsarovy hatrany fa anatin’ny « efitrano fiandrasana/salle d’attente » isika tsirairay.
Samy tsy misy mahay ny fotoana hahavoaantso azy. Saingy samy mahazo antoka fa tsy
maintsy ho voatonona na ho ela na ho haingana. Tsy misy zavatra materialy (fitaovana)
ilaina entina amin’izany GRAND VOYAGE SANS RETOUR / DIA LAVITRA TSY MIVERINA
izany afa-tsy ny asa vita eto an-tany ihany.
Manentana antsika tsirairay ny tenako, Houssen Charly, mba hiezaka hanao izany
fangatahana izany in-100 isaky ny nahavita iray amin’ireo vavaka 5 fanao isan’andro.
Manova zavatra maro amin’ny fianana io satria raha atao ny kajy dia tsotra ny valiny.
Omen’i Zanahary fiadanana 1 000 isaky ny nahavita an’io ianao. Ka raha mitambatra
ireo natao aorian’ny vavaka 5 isan’andro dia efa 5 000 aloha izay. Dia ampiana ny
SALAWATO 1 000 atao amin’ny Alakamisy folak’andro, 1000 amin’ny alin’ny Zoma,
1 000 amin’ny maraina ny Zoma, sy arivo amin’ny folak’andro. Dia aleo samy mikajy ny
azy e…Fa zavatra iray no azo antoka, rehefa omen’i Zanahary fiadanana maro ianao ka
tsy mpanao fahoatana an-tsitrapo na mihinana zava-pady sy zava-betaveta (hoy ny
baiboly izay) dia ho tsapanao ny fahasoavan’ny Tompo amin’ny fiananao manontolo.
Ny lanjan’ireo valisoa azonao amin’ny andro farany manginy fotsiny.
Araka ny nambaran’ny Mpaminany (H) dia zavatra telo ihany sisa no mampitombo
ny vatsy anya m-pasana dia ny :
1- FANOMEZANA AHAZOAN’OLONA TOMBOTSOA TSY MITSAHATRA (toy ny
fanamboarana lalana, sekoly, famatsian-drano, fambolena hazo fihinam-boa
etsetra etsetra… ;
2- Ny fampitana fahalalana manavotra ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny
fandraketana izany (boky, video, feo sns..) izay azon’olona trandrahana sy
ampiharina mba hanatsara sy hampivoatra ny fianana na ara-tsiansa izany na
ara-pinoana, na ara-teknolojia na ara-teknika … ;
3- Ny fananana zanaka TSARA TAIZA sy MPANAO SOA izay tsy mitsahatra
mangataka ho azy.
Nezahana nasiana resaka lavalava ny momba an’ity andro ity, toy ny andro
Zoma koa satria misy ora maro TSY MITOVY LANJA amin’ireo ora amin’ny andro
hafa ao anatin’izy roa ireo. Saingy ny Zoma mbola manatombo lavitra be noho ny
andro Alakamisy.
VAVAKA TELO no nofidiana horesahana eto androany… Samy manana valisoa
goavana avokoa izy telo ireo satria samy mandoaka lanitra koa aoka samy hanao
azy amin’ny fahadiovana (vatana, fanahy, toerana hanaovana azy, ny fitafiana…)

sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 29 avril 2020

A) 10 rakato (2 rakato toy ny vavaka maraina atao in 5).
Nyat : OUSSALLY AN-SHARA (10) RAKA’AT SALATA YAWMIL KHRAMIS QOURBATANE
ILALLAH (nyat indray mandeha io dia manomboka ny rakato 2 voalohany dia
faranana amin’ny salamo dia mitsangana manao takbirat al ihram indray manao ny
faharoa fa tsy mamerina nyat intsony.
Fa mety koa ny manao nyat isaky ny hanomboka ny RAKATO 2 dia miova ho
OUSSALLY RAKAYATAYNY (2 RAKAT) SALATA YAWMIL KHRAMIS QOURBATANE
ILALLAH. (Ny ahy manokana dia ity faharoa ity no mahazatra sy mahavantana ahy)
Ireto avy no vakiana isaky ny rakato :

- AL FATIHA x 1
- AL IKHRLAS x 11 (raikambin’ny folo)
Hita ao anatin’ny boky MAFATIH AL DJINAN (LAKILEN’NY PARADISA) ity vavaka
ity ary voalaza ao fa rehefa vita tanteraka ireo rakato folo ireo dia hisy anjely hiteny
manao hoe : « MANGATAHA (izay irianao) FA HOMENA ANAO IZANY ».
(anelanelan’ny fiposahan’ny masoandro sy mitato vovonana no fotoana fanaovana azy)

Araka ny nambaran’ny Mpaminany Masina Mouhammad (S) hahazo
valisoaana salato 4 000 000 izay nahavita an’izany vavaka izany.

B) rakato 2
Ireto sorato ireto avy no vakiana isaky ny rakato :

- AL FATIHA
- AL NASR
- AL KAOTHAR

x 1
x 5
x 5

Ny folak’andro aorian’ny salatoul Asr dia :
-

mamaky ny sorato AL IKHRLAS x 40
mangatam-pamelan-kelo miteny hoe ASTAGHRFIROULLAH x 40

Maromaro ny valisoa fa zavatra iray fotsiny ho lazaiko eto dia efa ampy : Homena BONUS
fanompoana iray taona x isan’ireo anjely rehetra…. Hita ao amin’ny DHYA AS SAALIHIN
Video manazava azy : https://www.youtube.com/watch?v=PIMrVm211SI
sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 29 avril 2020

D) Rakato 4 (rakato 2 feno faranana @ salamo, averina in-2):
fotoana fanaovana azy : vao folaka ny andro mandram-piletiky ny masoandro
NB : Vitaina aloha ny vavaka fanao isak’atoandro vao manao azy raha maika.
nyat : OUSSALLY ARBA’A (4) RAKAAT SALATA YAOMIL KHRAMIS QOURBATANE
ILALLAH . (Fa azo atao tsiroaroa koa jereo fanazavana amin’ilay salato voalohany)
Toy izao no fandehany :

- VOALOHANY : AL FATIHA 1 + AL IKHLAS 11
- FAHAROA : AL FATIHA 1 + AL IKHLAS 21
- FAHATELO : AL FATIHA 1 + AL IKHLAS 31
- FAHAEFATRA : AL FATIHA 1 + AL IKHLAS 41
Rehefa vita ny salamo farany (mbola tsy mihetsika ny tongotra) dia :
➢ Mamaky ny sorato AL IKHRLAS x 51
➢ ALLAHOUMMA SALLY ALA MOUHAMMADIN WA AALY MOUHAMMAD x 51

Aorian’izany rehetra izany dia miankohoka (manao sodjod) miantso an’i
Zanahary manao hoe : YA ALLAH x 100 (zato).
Dia mitraka amin’izay dia manandratra tanana sy mangataka izay
manahirana sy iriana rehetra.
Ny mpaminany Mouhammad (H) dia nanambara FA I ZANAHARY DIA TENA
HO TEZITRA TOKOA AMIN’IZAY OLONA NANATANTERAKA AN’IO VAVAKA
IO NEFA TSY NANGATAKA TAMINY AKORY AVY EO. ARY NA HAMINDRA NA
HANDRAVA TENDROMBOHITRA AZA NO ANGATAHINY AMIN’IZANY DIA
HO TANTERAKA TOKOA IZANY.
Video manazava SH DJAWAD T. https://www.youtube.com/watch?v=p-9aNWzJkXE
SAYYED M. BAAQUIR LA FAALY https://www.youtube.com/watch?v=XqUVfycX1VE

Zarazarao amin’ireo rehetra TIANAO SY TIA ANAO
KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly
sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 29 avril 2020

BISMIHI TA’ALA

‫صالة ليلة الجمعة‬
SALATO MANOKANA FANAO ISAKY NY
ALIN’NY ZOMA
(Fanaovana azy : Manomboka Aaorian’ny Isha mandra-pisasaky ny alina
tsarovy hatrany fa ny alina mandeha alohan’ny andro)
Tsara ho tsindriana tsara fa manomboka amin’ny Alakamisy maty masoandro ny
alin’ny Zoma ka mifarana amin’ny fiposahan’ny masoandro aorian’izay.
Alina iray MANANA LANJA miavaka izy ity raha mitaha amin’ireo alina enina hafa ao
anatin’ny herinandro ary tsy takatry ny saina ny elanelan’izany tombony izany satria
na atambatra aza ireo alina rehetra ireo tsy mbola mitovy lanja amin’ity alina ity
velively. Noho izany, tsy mahagaga raha salato somary maivana no atolotra etoana
nefa ny VALISOA AZAO AVY AMINY DIA TENA TSY TAMBO ISAINA hoy ny fiteny izay.
Maro dia maro sy goavana dia goavana tokoa ka anentanana ny tsirairay mba samy
hanao azay avokoa ho tombotsoan’ny tenany, ny fianakaviany, ary ny vahoakany sy ny
firenena manontolo. Maro be ny zavatra tokony hatao amin’ity alina ity fa any amin’ny
boky kely no itanisana ny sasan-tsasany momba azy ireo. Fa ireo aloha no tiana
asongadina androany :
➢ Manao fandroana masina raha vao milentina ny masoandro ny
Alakamisy ;
➢ Manao avy hatrany ny MAGRIB sy ny ISHA ka ny sorato AL DJOUMOUA
no vakiana amin’ny rakato voalohany amin’izy roa ireo. Fa ny rakato
faharoa koa dia NY IKHRLAS no vakiana amin’ny Maghrib raha sorato AL
A’ALA no amin’ny ISHA.
➢ Miezaha manao salawato in’arivo (x 1000) isaky ny nahavita salato iray
mba hahazaoana fiadanana 10 000 isan’isany avy amin’ilay Nahary ka
hahazo 20 000 izany amin’ireo vavaka roa ireo. Tsy hiteny 100 aho fa
heveriko fa amin’ny andro hafa no tokony hanaovana 100 isaky ny vita
vavaka izany (aza hadino ny fisian’ireo anjely marobe mitondr penina
volamena sy boky volafotsy midina ety an-tany tsy manao afa-tsy
manoratra izay salawato (fangataham-piadana ho an’i Mouhammad sy
ny fianakaviany) fotsiny manomboka ny Alakamisy folak’andro ka
hatramin’ny Zoma maty masoandro.
➢ Mamaky koroany, ka ny AL WAQIA no vakiana amin’izany mba ho tian’i
Zanahary manokana sy hataony ho mamimbahoaka sy ho lavitra ny
fahasahiranana sy fahantrana sy ireo zava-mandringana rehetra eto ansombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 30 avril 2020

BISMIHI TA’ALA







tany ary ho lasa sakaizan’ny mpitarika ny mpino (A) izy satria azy io
sorato io. ampiana YASIN raha mbola mahavita (natao ho an’ny daholo
be ny resaka eto). Ho an’ireo izay mbola tsy mahay kosa dia mianatra
mamaky no atao.
Mamaky ny DOA KOMEIL ;
Mamaky ZYARAT AL WARITHA ;
Dia mangataha koa amin’ilay Nahary hitsimbina sy hamela ny
fahotan’ireo havana sy namana efa maty fa zava-dehibe izany amin’ity
alina ity ;
Farany ambarako eto, ary inoako isan’ny tena ZAVA-DEHIBE indrindra dia
ny FANAVALAVIRANA TOY NY FASAM-BAO ny fahotana sy ireo zavaboarara rehetra satria ambony be tokoa ny « coefficient »-n’ny zavatra
rehetra atao amin’ny alina sy andron’ny Zoma. Ary ezahana tohizana
izany mandrapahatongan’ny Zoma manaraka indray.

Raha ny salato fanao amin’ity alina ity dia misy maro fa roa ihany no ho resahana eto ary
ambara eto manokana fa AZO ATAO MIPETRAKA NY KARAZANA VAVAKA TOY ITONY HO AN’IREO
MANANA OLANA ARA-PAHASALAMANA.

A) - SALATO RAKATO 2 fotsiny
Nyat : OUSSALLY RAKA’ATAYNY SALATA HAZHIL LAYLAT QOURBATANE ILALLAH

- AL FATIHA
- AL IKHRLAS

x 1
x 50

TSARATSARA KOKOA ny manao TASBIH az ZAHRA (A), ASTAGHRFRIROULLAHA 70 ary
SALAWATO 100 na 1000 aorian’izany mba hitomboan’ny lanjan’ny VALISOA AZO ;
Raha ireo valisoa araka ny nambaran’ny Mpaminany dia maro be tokoa fa fintinina
izy eto :
➢ voafafa alohan’ny hitsanganany eo amin’ny toerana nivavahany ny fahotany
rehetra ;
➢ tsy hisy zavatra angatahiny tsy ho azony (raha zavatra ara-dalana sy mahasoa
azy) koa manararaota mangataka FAHASALAMANA, TOKATRANO SAMBATRA,
TARANAKA SOA, FANDRIAMPAHALEMANA, HARENA, FAHASOAVANA MARO
ISAN-KARAZANY sns…sns fa aza hadino fotsiny mangataka ho an’ny mpino
hafa manodidina anao sy maneran-tany;
➢ Tsy ho voan’ny sazin’ny fasana, tsy handairan’ireo zava-tsarotra rehetra
amin’ny andro fitsanganana, ary hambaran’ny anjely mpaka fanahy aminy ny
fidirany ny paradisa alohan’ny handaozany ny tany ;

sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 30 avril 2020

BISMIHI TA’ALA

➢ Homen’i Zanahary valisoa ho toy ny NAMAKY NY KOROANY MANONTOLO in12 000 (indroa arivo sy iray alina) ALLAHOU AKBAR…
KA IZA NO TSY HANAO AN’ITY VAVAKA ITY ???
Vavaka 10 na 15 minitra raha betsaka nefa ny valisoa FARA-TAMPONY sady
miantoka ny fiainana an-tany no mandamina nhy fiaina any ankoatra….
Video manazava azy an’ny SAYYED MOUHAMMAD BAAQUIR AL FAALY
https://www.youtube.com/watch?v=7dAK_cqyXYs

B) - SALATO RAKATO 2 hafa
Nyat : OUSSALLY RAKA’ATAYNY SALATA HAZHIL LAYLAT QOURBATANE ILALLAH

- AL FATIHA
- AL ZILZALA

x 1
x 15

Izay olona mahavita an’ity vavaka ity dia ho voaaro amin’ny SAZY AO AM-PASANA sy ny zavatsarotra rehetra mitranga amin’ny andro farany.
(in MAFATIH AL DJINAN)

Video manazava azy an’ny SAYYED MOUHAMMAD BAAQUIR AL FAALY
https://www.youtube.com/watch?v=wUOKtwX6Kzw

Zarazarao amin’ireo rehetra TIANAO SY TIA ANAO
KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly
DERAINA ILAY TOMPO TOKANA TSY MANAM-PAHAROA NAHARY IZAO TONTOLO IZAO
NY FIADANANY ANIE HO AMIN’I MOUHAMMAD MPAMINANY SY IREO TARANANY MASINA
sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 30 avril 2020

BISMIHI TA’ALA

ALLAHOUMMA SALLY ALA MOUHAMMADIN WA AALY MOUHAMMAD

FANDEFASANA SALAMO HO AN’NY IMAMO MAHDI
(HAFAINGANIN’I ZANAHARY ANIE NY FANAVOTANY)

NY ANDRO ZOMA (sombin’ny KORBATANE 9 -B)

version 2020

8 mai

BISMIHI TA’ALA

ALLAHOUMMA SALLY ALA MOUHAMMADIN WA AALY MOUHAMMAD

VAVAKA FANGATAHANA ISAKY NY ANDRO ZOMA

NY ANDRO ZOMA (sombin’ny KORBATANE 9 -B)

version 2020

8 mai

BISMIHI TA’ALA

‫صالة يوم الجمعة‬
SALATO MANOKANA FANAO ISAKY NY
ANDRO ZOMA
Asiana resaka fohifohy aloha momba an’ity andro ity alohan’ny hanambarana
ny vavaka fanao ao anatiny.
Tsy misy masoandro miposaka tsara mihoatra ny andro ZOMA. Araka ny
voaresaka amin’ny resaka omaly 30 avril momba ny alin’ny ZOMA iny dia
MANATOMBO LAVITRA amin’ny resaka lanaja (coefficient) ny ZOMA raha mitaha
amin’ny andro hafa rehetra satria nataon’i Zanahary ho EID isan-kerinandro io. Izay
mahatonga ny any amin’ny tany arabo rehetra tsy miasa manomboka ny ALAKAMISY
hatramin’ny Zoma mba hahafahan’ny olona mifaly sy manao asa fanompoana
misimisy kokoa amin’ity andro ity.
Ireto no zavatra tiana asongadina amin’ireo zavatra maro be tokony hatao amin’ity
andro ity :
➢ Raha afaka manao fandroana masina alohan’ny hanao salato al Fadjr dia
miezaka manao izany. Fa ny tena tokony ezahana dia ny manao
fandroana masina amin’ny atoandro (ghrousl al djoumoua) na dia
voatery hamidy rano aza ny vola kely ananana ka ezahana ho faran’izay
akaiky ny vavaka atoandro no hanaovana izany;
➢ Miezaha manao salawato in’arivo (x 1000) isaky ny nahavita salato iray
mba hahazaoana fiadanana 10 000 isan’isany avy amin’ilay Nahary ka
hahazo 20 000 izany amin’ireo vavaka roa ireo. Tsy hiteny 100 aho fa
heveriko fa amin’ny andro hafa no tokony hanaovana 100 isaky ny vita
vavaka izany (aza hadino ny fisian’ireo anjely marobe mitondr penina
volamena sy boky volafotsy midina ety an-tany tsy manao afa-tsy
manoratra izay salawato (fangataham-piadana ho an’i Mouhammad sy
ny fianakaviany) fotsiny manomboka ny Alakamisy folak’andro ka
hatramin’ny Zoma maty masoandro.
➢ Farany ambarako eto, ary inoako isan’ny tena ZAVA-DEHIBE indrindra dia
ny FANAVALAVIRANA TOY NY FASAM-BAO ny fahotana sy ireo zavaboarara rehetra satria ambony be tokoa ny « coefficient »-n’ny zavatra
rehetra atao amin’ny alina sy andron’ny Zoma. Ary ezahana tohizana
izany mandrapahatongan’ny Zoma manaraka indray.

sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 01 MAY 2020

BISMIHI TA’ALA

Ezahana ny hanaovana boky kely manokana hiresahana bebe kokoa momba
an’ity andro ity mba ho tombotsoan’ny besinimaro sy ny taranaka any
aoriana rehetra satria SADY MANIMBA ny TSY FAHALALANA no MAMONO
ANTOKA amin’ny fianana an-tany sy fiainana ankoatra.
Hita anaty hadisy ohatra fa NY FIHIRAHIRANA TONOKALO (na dia zavatra
marina aza) ny alina na ny andron’ny Zoma dia voarara ary mandrava
an’ireo valisoa azo rehetra…
Raha ny salato fanao amin’ity andro ity dia misy maro fa iray ihany no ho
resahana eto (fa somary efa tara vao afaka nanoratra anio)

SALATO RAKATO 8 (toy ny vavaka maraina vitaina feno
sy faranana amin’ny salamo dia averina in’efatra)
Malalaka be ny fotoana fanaovana azy satria ny azo atoa manomboka ny
misandratrandro hatramin’ny filentehan’ny masoandro
Nyat : OUSSALLY RAKA’ATAYNY SALATA HAZHIL YAOM
QOURBATANE ILALLAH

- AL FATIHA
- AL IKHRLAS

x 1
x 1

TSARATSARA KOKOA ny manao TASBIH az ZAHRA (A), ASTAGHRFRIROULLAHA 70 ary
SALAWATO 100 na 1000 aorian’izany mba hitomboan’ny lanjan’ny VALISOA AZO ;
Raha araka ny nambaran’ny Mpaminany dia ho voafafa alohan’ny hitsanganany eo
amin’ny toerana nivavahany ny fahotany rehetra ;
Video manazava shaikh DJAWAD T. https://www.youtube.com/watch?v=oDb8ZM70Sw8
SAYYED MOUHAMMAD BAAQUIR AL FAALY
https://www.youtube.com/watch?v=wyedpBVeTOo

Zarazarao amin’ireo rehetra TIANAO SY TIA ANAO
KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly

DERAINA ILAY TOMPO TOKANA TSY MANAM-PAHAROA NAHARY IZAO TONTOLO IZAO
NY FIADANANY ANIE HO AMIN’I MOUHAMMAD MPAMINANY SY IREO TARANANY MASINA

sombin’ny KORBATANE 9-B HERINANDRON’NY MPINO

mise à jour le 01 MAY 2020

‫صالة ليلة السبت‬
VAVAKA FANOMPOANA MANOKANA FANAO ISAKY NY
ALIN’ NY ASABOTSY
(Tsarovy hatrany fa ny alina aloha vao ny andro)

A°- 4 rakato atao tsiroaroa feno toy ny salato maraina.
Ireto no vaikiana isaky ny rakato:

- AL FATIHA
- AL IKHLAS

x1
x7

Valisoa :
- Homen’i Allah izay ilainy ;
- Hanamboaran’i Allah tanan-dehina maro ho azy manokana any amin’ny paradisa;
- Ny fasany dia hataon’i Zanahary ho paradisa ho azy;

B°- 2 rakato ka ireto avy ireo vakiana isaky ny rakato :

- AL FATIHA
- AL IKHLAS
- TASBIH AL ARBA’A

x 1
x 1
x 25

(Tasbih al araba’a = SOUBHANALLAHY WAL HAMDOU LILLAHY WA LAA ILAAHA
IL’LALLAHOU WAL-LAAHOU AKBAR)
VALISOA :
- Ho voafafa avokoa ny fahotany rehetra;
- Hahazo valisoa mitovy amin’ny nahavita FIVAHINIANA MASINA miisa
50 any Lameka (hadj) neken’ilay Nahary;
Video manazava SAYYED MOUHAMMAD BAAQUIR AL FAALY

https://www.youtube.com/watch?v=WIfmns31sBo
https://www.youtube.com/watch?v=1TqnTUMA1lI

Zarazarao amin’ireo rehetra tianao KORBATANE ILALLAH
Houssen Charly
(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

NY ANDRO ASABOTSY

29 MAY 2020

(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

NY ANDRO ASABOTSY

29 MAY 2020

(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

NY ANDRO ASABOTSY

29 MAY 2020

(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

NY ANDRO ASABOTSY

29 MAY 2020

(sombin’ny KORBATANE ILALLAH 9 – B)

NY ANDRO ASABOTSY

29 MAY 2020

K O R B A T A N E
houssencharly@gmail.com

Tél: 034 01 092 93

I L A L L A H
19 mars 2013 23h16

DOA AN’IREO AHLILBEYT (A) LAVAVELONA
Hoy ny Mpaminany Mohammad (S) : « Na hitambatra avokoa aza ireo anjelin’ny lanitra fito sy ny tany fito
mba hitanisa ny valisoa azon’ny olona mamaky an’ity doa ity dia tsy hahavita an’izany hatramin’ny andro
faranay….Hafahan’i Allah amin’ny afobe izy sy ny fianakaviany ary ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.Homen’i Allah
alalana hanafaka olona arivo amin’ireo efa voaheloka ho any amin’ny farihy mirehitra afo…ary hofafan’i Allah ireo
fahotany na dia mitovy amin’ny rano eny amin’ny ranomasimbe aza, eny fa na dia ireo fahotana goavana aza…Ary
homeny valisoa mitovy isa amin’ireo zavaboariny any amin’ny paradisa sy any amin’ny afobe, any an-danitra sy ety
an-tany ary ireo rotsak’orana… »
(in Dhyaah as-S’aalihin pejy 282)

TENY FAMARANANA
Vitsy dia vitsy ireo zavatra noresahina ireo fa ny boky manaraka mitondra ny lohateny hoe
MIAINA MIARAKA AMIN’NY KOROANY no dingana manaraka mitondra antsika lalindalina kokoa
amin’ny fiainana ny finoana sy ny fifandraisana amin’ilay Nahary ka hahitana an’ireo ZHIKR
(fahatsiarovana na fiantsoana Azy) sy fangatahana Aminy amin’ny alalan’ny teniny.
Isika rehetra dia samy mahay avokoa fa tenin’i Zanahary ny KOROANY ary mahery sy manana
ny hasiny tokoa. Saingy vitsy amintsika ankehitriny no miaina amin’ireo teny ireo. Hany ka sahirana
mitady vahaolana havia sy havanana amin’ny ngidin’ny fiainana sy ny hetraketrakin’ny fiaraha-monina
mila ho kivy sy ketraka mihitsy. Ny Mpaminany Masina Mohammad (S) anefa dia efa nanafatrafatra ny
mpino mba tsy hisaraka amin’ny koroany amin’ny fotoana rehetra. Na amin’ny mahaory na amin’ny
fotoana mahafinaritra. Ary maro ireo teny sy fampianarana nataony momba an’izany ho an’ireo izay
nitaraina taminy na momba ny aretina, ratra, fahantrana, trosa, taranaka, voly, varotra, fiaro amin’ny
mpangalatra na fahavalo, biby sy ny hetraketraky ny devoliny sy ny tariny…sns…sns…. Izany hoe tsy
nisy olana nitarainan’olona tamin’ny Mpaminany (S) ka tsy nahazoana valiny mahafa-po ary maro
tamin’ny valin-teniny no nampiasaina tenin’i Zanahary na ireo zavaboahary.
Vahaolana tsy vidiam-bola no tsy misy fiantrakany ratsy amin’ny fahasalamana (effets
secondaires) fa saingy mila fanetren-tena, finiavana, fifantohana sy fahadiovan’ny fo sy ny saina ary ny
vatana sy ny toerana mba ho afaka mifandray tsara amin’ny herin’ilay Nahary (ohatra ny téléphone
mila charge na batterie sy reseau mba hahafahana mifandray tsara. Fa raha manana telephone ianao
na mihoatra ny 10 millions aza vidiny amin’ny fotoana tsy mampisy charge ny batterie dia tsy
ahafahanao mifandray amin’iza n’iza fa dia mitovy amin’ny vato mavestra anaty paosy fotsiny).
Misy fepetra tokony ho feno rehefa tena tiana ho tsara ny fifandraisana amin’ilay Nahary ka
raha tsy feno ireo fepetra ireo dia tsy misy “réseau” ianao, izany hoe “tsy connecté” koa aza gaga raha
diso fanantenana.
An-dalam-panoratana io boky io ankehitriny fa mangataka amin’ilay Nahary mba hanome
fahasalamana sy saina ary hampitombo fahalalana hahafahana mandrafitra azy tsaratsara kokoa fa toy
ny ranomasim-be ny fahalalana ao anatin’ny finoana silamo ka tovozin-tsy ritra. Nefa isika efa
nafaran’ilay Mpaminany Masina (S) hoe : “Ny fitadiavana fahalalana dia adidin’ny mpino tsirairay na
lahy na vavy” ary nilaza koa izy hoe : “Mitadiava fahalalana manamboka aminao mena vava hatrany
amin’ny lavam-pasana”.
Ho antsika Malagasy ny tsy fahaizana teny arabo no tena sakana goavana amintsika amin’ireo
fahalalana ireo koa dia miezaka ny KORBATANE ILALLAH manao izay ezaka itsongana izay kely tratra
hampitana an’izany fahalalana izany.

Houssen Charly 30/11/2020


Aperçu du document KORBATANE 9-B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ).pdf - page 1/45

 
KORBATANE 9-B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ).pdf - page 2/45
KORBATANE 9-B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ).pdf - page 3/45
KORBATANE 9-B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ).pdf - page 4/45
KORBATANE 9-B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ).pdf - page 5/45
KORBATANE 9-B HERINANDRON NY MPINO (version complète, mise à jour ).pdf - page 6/45
 







Sur le même sujet..





Ce fichier a été mis en ligne par un utilisateur du site. Identifiant unique du document: 01989050.
⚠️  Signaler un contenu illicite
Pour plus d'informations sur notre politique de lutte contre la diffusion illicite de contenus protégés par droit d'auteur, consultez notre page dédiée.